< Efesiana 1 >

1 Paoly, Apostolin’ i Kristy Jesosy noho ny sitrapon’ Andriamanitra, mamangy ny olona masìna any Efesosy, izay mahatoky ao amin’ i Kristy Jesosy:
Павел, посланник Иисус Христов волею Божиею, святым сущым во Ефесе и верным о Христе Иисусе:
2 ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
благодать вам и мир от Бога Отца нашего и Господа Иисуса Христа.
3 Isaorana anie Andriamanitra, Rain’ i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay nitahy antsika tao amin’ i Kristy amin’ ny fitahiam-panahy rehetra any an-danitra,
Благословен Бог и Отец Господа нашего Иисуса Христа, благословивый нас всяцем благословением духовным в небесных о Христе.
4 araka ny nifidianany antsika tao aminy, fony tsy mbola ary ny fanorenan’ izao tontolo izao, mba ho masìna sady tsy misy tsiny eo anatrehany isika,
Якоже избра нас в Нем прежде сложения мира, быти нам святым и непорочным пред Ним в любви,
5 rehefa notendreny rahateo amin’ ny fitiavana isika mba ho Azy amin’ ny fananganan’ anaka amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy, araka izay ankasitrahan’ ny fony,
прежде нарек нас во усыновление Иисус Христом в Него, по благоволению хотения Своего,
6 ho fiderana ny voninahitry ny fahasoavany, izay nanasoavany antsika maimaimpoana ao amin’ ny Malala.
в похвалу славы благодати Своея, еюже облагодати нас о Возлюбленнем:
7 Izy no ananantsika fanavotana amin’ ny ràny, dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny haren’ ny fahasoavany,
о Немже имамы избавление Кровию Его, и оставление прегрешении, по богатству благодати Его,
8 izay nataony be ho antsika tamin’ ny fahendrena sy ny fisainana rehetra,
юже преумножил есть в нас во всяцей премудрости и разуме,
9 rehefa nampahafantariny ny zava-miafina ny amin’ ny sitrapony isika, araka ny safidiny izay nokasain’ ny tenany,
сказав нам тайну воли Своея по благоволению Своему, еже прежде положи в Нем,
10 hahatanterahany ny fitondrana hatao mandra-pahatapitry ny andro voatendry, hanangonany ny zavatra rehetra ho iray ao amin’ i Kristy, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany, dia ho ao aminy;
в смотрение исполнения времен, возглавити всяческая о Христе, яже на небесех и яже на земли в нем:
11 ao aminy koa no nanaovana antsika ho lovany, rehefa notendrena rahateo isika araka ny fikasan’ izay mahefa ny zavatra rehetra araka ny ankasitrahan’ ny fony,
в Немже и наследницы сотворихомся, прежде наречени бывше по прозрению Божию вся Действующаго по совету воли Своея,
12 mba ho fiderana ny voninahiny izahay, izay nanantena an’ i Kristy rahateo.
яко быти нам в похваление славы Его, прежде уповавшым во Христа:
13 Ao aminy koa ianareo, rehefa renareo ny tenin’ ny fahamarinana, dia ny filazantsara famonjena anareo, ― eny, ao aminy koa ianareo, rehefa nino, no nasiana tombo-kase tamin’ ny Fanahy Masìna araka ny teny fikasana.
в Немже и вы, слышавше слово истины, благовествование спасения нашего, в Немже и веровавше знаменастеся Духом обетования Святым,
14 Izany Fanahy izany no santatry ny lovantsika ho amin’ ny fanavotana ny olona izay nahiny ho an’ ny tenany, ho fiderana ny voninahiny.
Иже есть обручение наследия нашего, во избавление снабдения, в похвалу славы Его.
15 Ary noho izany izaho koa, rehefa nandre ny finoanareo an’ i Jesosy Tompo izay hitan’ ny olona masìna rehetra,
Сего ради и аз слышав вашу веру о Христе Иисусе и любовь, яже ко всем святым,
16 dia tsy mitsahatra misaotra noho ny aminareo ka mahatsiaro anareo amin’ ny fivavahako,
не престаю благодаря о вас, поминание о вас творя в молитвах моих,
17 mba homen’ Andriamanitr’ i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain’ ny voninahitra, ho anareo ny fanahin’ ny fahendrena sy ny fanambarana amin’ ny fahalalana Azy tsara,
да Бог Господа нашего Иисуса Христа, Отец славы, даст вам Духа премудрости и откровения, в познание Его,
18 ary mba hampahiratina ny mason’ ny sainareo, mba ho fantatrareo izay fanantenana avy amin’ ny fiantsoany sy izay haren’ ny voninahitry ny lovany eo amin’ ny olona masìna,
просвещенна очеса сердца вашего, яко уведети вам, кое есть упование звания Его, и кое богатство славы достояния Его во святых,
19 ary ny fihoaran’ ny halehiben’ ny heriny ho antsika izay mino, araka ny fiàsan’ ny herin’ ny faherezany,
и кое преспеющее величество силы Его в нас верующих по действу державы крепости Его,
20 izay nataony tao amin’ i Kristy tamin’ ny nananganany Azy tamin’ ny maty sy ny nampitoerany Azy eo amin’ ny tànany ankavanana any an-danitra,
юже содея о Христе, воскресив Его от мертвых и посадив одесную Себе на небесных,
21 ambony lavitra noho ny fanapahana rehetra sy ny fahefana sy ny hery sy ny fanjakana ary ny anarana rehetra izay tononina, tsy amin’ izao fiainana izao ihany, fa amin’ ny ho avy koa, (aiōn g165)
превыше всякаго Началства и Власти и Силы и Господства, и всякаго имене именуемаго не точию в веце сем, но и во грядущем: (aiōn g165)
22 dia nampanaiky ny zavatra rehetra ho eo ambanin’ ny tongony Izy ka nanao Azy ho Lohany manapaka ny zavatra rehetra ho an’ ny fiangonana,
и вся покори под нозе Его, и Того даде главу выше всех Церкви,
23 izay tenany, dia ny fahafenoan’ izay mameno izao zavatra rehetra izao amin’ ny rehetra.
яже есть Тело Его, исполнение Исполняющаго всяческая во всех.

< Efesiana 1 >