< Efesiana 3 >

1 Ary noho izany, izaho Paoly, mpifatotra an’ i Kristy Jesosy, noho ny aminareo jentilisa, ―
Сего ради аз Павел юзник Иисус Христов о вас языцех.
2 raha mba renareo ny fitondrana ny fahasoavan’ Andriamanitra izay nomena ahy ho anareo,
Аще убо слышасте смотрение благодати Божия данныя мне в вас,
3 fa fanambarana no nampahafantarana ahy ny zava-niafina, araka ny voasoratro tamin’ ny teny fohifohy teo.
яко по откровению сказася мне тайна, якоже преднаписах вмале:
4 Ary araka izany, raha mamaky ianareo, dia ho hainareo fantarina ny fahafantarako ny zava-niafina ny amin’ i Kristy,
о немже можете чтуще разумети разум мой в тайне Христове,
5 izay tsy mbola nampahafantarina ny zanak’ olombelona tamin’ ny taranaka lasa tahaka ny fanambaran’ ny Fanahy ankehitriny amin’ ny Apostoly masìna sy ny mpaminany,
яже во инех родех не сказася сыном человеческим, якоже ныне открыся святым Его Апостолом и пророком Духом Святым:
6 dia ny ahatongavan’ ny jentilisa ho mpiray lova sy ho tena iray ary ho mpiombona ny teny fikasana ao amin’ i Kristy Jesosy noho ny filazantsara,
яко быти языком снаследником и стелесником и спричастником обетования Его о Христе Иисусе, благовествованием,
7 izay nanaovana ahy ho mpanompo araka ny fanomezan’ ny fahasoavan’ Andriamanitra, izay nomena ahy araka ny fiàsan’ ny heriny.
емуже бых служитель по дару благодати Божия, данныя мне по действу силы Его.
8 Eny, izaho, izay kely noho ny kely indrindra amin’ ny olona masìna rehetra, no nomena izao fahasoavana izao, dia ny hitory amin’ ny jentilisa ny haren’ i Kristy tsy hita lany,
Мне меншему всех святых дана бысть благодать сия, во языцех благовестити неизследованное богатство Христово
9 ary ny hampahazava ny olona rehetra mba hahalalany izay fitondrana ny zava-miafina, dia Ilay voafina hatramin’ ny nanaovana izao tontolo izao tao amin’ Andriamanitra, Izay nanao ny zavatra rehetra; (aiōn g165)
и просветити всех, что есть смотрение тайны сокровенныя от веков в Бозе, создавшем всяческая Иисус Христом, (aiōn g165)
10 mba hampahafantarina ireo fanapahana sy fahefana any an-danitra amin’ izao ankehitriny izao ny mahamaro samy hafa ny fahendren’ Andriamanitra amin’ ny fitondrany ny fiangonana,
да скажется ныне началом и властем на небесных Церковию многоразличная премудрость Божия,
11 araka ny fikasana hatrizay hatrizay izay nataony tao amin’ i Kristy Jesosy Tompontsika, (aiōn g165)
по предложению век, еже сотвори о Христе Иисусе Господе нашем, (aiōn g165)
12 Izay ananantsika fahasahiana sy fanatonana amin’ ny fahatokiana noho ny finoana Azy.
о Немже имамы дерзновение и приведение в надеянии верою Его.
13 Koa izany no angatahako aminareo mba tsy ho ketraka amin’ ny fahoriako ho anareo, fa voninahitrareo izany.
Темже молю (вы) не стужати си в скорбех моих о вас, яже есть слава ваша.
14 Ary noho izany no andohalehako amin’ ny Ray
Сего ради преклоняю колена моя ко Отцу Господа нашего Иисуса Христа,
15 Izay ahazoan’ ny fianakaviana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany anarana,
из Негоже всяко отечество на небесех и на земли именуется:
16 mba homeny anareo, araka ny haren’ ny voninahiny, ny mba hohatanjahina fatratra amin’ ny Fanahiny ny toe-panahinareo;
да даст вам по богатству славы Своея, силою утвердитися Духом Его во внутреннем человеце,
17 mba hitoeran’ i Kristy ao am-ponareo amin’ ny finoana, ka hamaka sy hiorina mafy amin’ ny fitiavana ianareo,
вселитися Христу верою в сердца ваша: в любви вкоренени и основани,
18 mba hahaizanareo mbamin’ ny olona masìna rehetra ny hahafantatra tsara izay sakany sy lavany ary hahavony sy halavany.
да возможете разумети со всеми святыми, что широта и долгота и глубина и высота,
19 ary hahalala ny fitiavan’ i Kristy, izay mihoatra noho ny fahalalana, mba hamenoana anareo ho amin’ ny fahafenoan’ Andriamanitra rehetra.
разумети же преспеющую разум любовь Христову, да исполнитеся во всяко исполнение Божие.
20 Ary ho an’ izay mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra, eny, mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza, araka ny hery izay miasa ato amintsika,
Могущему же паче вся творити по преизбыточествию, ихже просим или разумеем, по силе действуемей в нас,
21 ho Azy anie ny voninahitra ao amin’ ny fiangonana sy ao amin’ i Kristy Jesosy hatramin’ ny taranaka farany indrindra mandrakizay mandrakizay. Amena. (aiōn g165)
Тому слава в Церкви о Христе Иисусе во вся роды века веков. Аминь. (aiōn g165)

< Efesiana 3 >