< Galatiana 1 >

1 Paoly Apostoly ― tsy avy tamin’ olona, na tamin’ ny alalan’ olona, fa tamin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy sy Andriamanitra Ray, Izay nanangana Azy tamin’ ny maty ―
Павел, Апостол ни от человек, ни человеком, но Иисус Христом и Богом Отцем воскресившим Его из мертвых,
2 mbamin’ ny rahalahy rehetra izay ato amiko, mamangy ny fiangonana atỳ Galatia:
и иже со мною вся братия, церквам Галатийским:
3 ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompontsika,
благодать вам и мир от Бога Отца и Господа нашего Иисуса Христа,
4 Izay nanolotra ny tenany noho ny fahotantsika, hanafahany antsika amin’ izao miara-belona ratsy fanahy izao, araka ny sitrapon’ Andriamanitra Raintsika; (aiōn g165)
давшаго Себе по гресех наших, яко да избавит нас от настоящаго века лукаваго, по воли Бога и Отца нашего, (aiōn g165)
5 ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena. (aiōn g165)
Емуже слава во веки веков. Аминь. (aiōn g165)
6 Gaga aho, raha mifindra faingana toy izao ianareo hiala amin’ izay efa niantso anareo tamin’ ny fahasoavan’ i Kristy ho amin’ ny filazantsara hafa,
Чуждуся, яко тако скоро прелагаетеся от звавшаго вы благодатию Христовою, во ино благовествование:
7 izay tsy filazantsara akory, fa saingy misy ny sasany mampitabataba anareo ka ta-hamadika ny filazantsaran’ i Kristy.
еже несть ино, точию нецыи суть смущающии вы и хотящии превратити благовествование Христово.
8 Fa na izahay, na anjely avy any an-danitra aza, no mitory filazantsara hafa aminareo afa-tsy izay efa notorinay taminareo, aoka ho voaozona izy.
Но и аще мы, или Ангел с небесе благовестит вам паче, еже благовестихом вам, анафема да будет.
9 Araka ny voalazanay fahiny no lazaiko indray ankehitriny: Raha misy olona mitory filazantsara hafa aminareo, afa-tsy izay efa noraisinareo, aoka ho voaozona izy,
Якоже предрекохом, и ныне паки глаголю: аще кто вам благовестит паче, еже приясте, анафема да будет.
10 Ary ankehitriny, olona va no ilako fitia, sa Andriamanitra? Sa mila sitraka amin’ olona aho? Raha mbola mila sitraka amin’ olona aho, dia tsy mpanompon’ i Kristy.
Ныне бо человеки препираю, или Бога, или ищу человеком угождати? Аще бо бых еще человеком угождал, Христов раб не бых убо был.
11 Fa ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny amin’ ny filazantsara izay notoriko, fa tsy araka ny fanaon’ ny olona izany.
Сказую же вам, братие, Благовествование благовещенное от мене, яко несть по человеку:
12 Fa izaho tsy nandray azy tamin’ olona, ary tsy mba nampianarina aho, fa tamin’ ny fanambaran’ i Jesosy Kristy ihany.
ни бо аз от человека приях е, ниже научихся, но явлением Иисус Христовым.
13 Fa efa renareo ny toetro fahiny tamin’ ny fivavahan’ ny Jiosy, fa nanenjika ny fiangonan’ Andriamanitra efa izay tsy izy aho ka nandrava azy;
Слышасте бо мое житие иногда в Жидовстве, яко по премногу гоних Церковь Божию и разрушах ю,
14 ary nandroso tamin’ ny fivavahan’ ny Jiosy mihoatra noho ny maro izay indray mihira amiko eo amin’ ny fireneko aho ka fatra-pitana ny fampianarana voatolotry ny razako indrindra.
и преспевах в Жидовстве паче многих сверстник моих в роде моем, излиха ревнитель сый отеческих моих преданий.
15 Fa raha sitrak’ Andriamanitra, Izay nanokana ahy hatrany an-kibon’ ineny ny niantso ahy tamin’ ny fahasoavany,
Егда же благоволи Бог, избравый мя от чрева матере моея и призвавый благодатию Своею,
16 ny nampiseho ny Zanany tato anatiko, mba hitoriako Azy any amin’ ny jentilisa, niaraka tamin’ izay dia tsy naka saina tamin’ ny nofo aman-drà aho,
явити Сына Своего во мне, да благовествую Его во языцех, абие не приложихся плоти и крови,
17 ary tsy niakatra tany Jerosalema ho any amin’ izay Apostoly talohako aho, fa lasa nankany Arabia, dia niverina ho any Damaskosy indray.
ни взыдох во Иерусалим к первейшым мене Апостолом, но идох во Аравию, и паки возвратихся в Дамаск.
18 Ary rehefa afaka telo taona, dia niakatra tany Jerosalema hamangy an’ i Kefasy aho ka nitoetra tao aminy dimy ambin’ ny folo andro.
Потом же по триех летех взыдох во Иерусалим соглядати Петра, и пребых у него дний пятьнадесять.
19 Nefa ny Apostoly sasany dia tsy nisy hitako afa-tsy Jakoba, rahalahin’ ny Tompo.
Иного же от Апостол не видех, токмо Иакова брата Господня.
20 Ary izay zavatra soratako aminareo, indro, eo anatrehan’ Andriamanitra fa tsy mandainga aho.
А яже пишу вам, се пред Богом, яко не лгу.
21 Rehefa afaka izany, dia tonga tany amin’ ny tany Syria sy Kilikia aho;
Потом же приидох в страны Сирския и Киликийския.
22 ary tsy mbola fantatry ny fiangonana any Jodia, izay ao amin’ i Kristy, ny tarehiko.
Бех же не знаемь лицем церквам Иудейским, яже о Христе,
23 Fa nandre ihany izy hoe: Ilay mpanenjika antsika fahiny, indro izy ankehitriny mitory ny finoana izay noravany fahiny.
точию же слышаще бяху, яко гоняй нас иногда, ныне благовествует веру, юже иногда разрушаше:
24 Ary dia nankalazany an’ Andriamanitra aho.
и славляху о мне Бога.

< Galatiana 1 >