< Galatiana 6 >

1 Ry rahalahy, raha misy olona azon’ ny ota tsy nahy aza, dia atsanganonareo izay manana ny Fanahy amin’ ny fahamorana izy, ka mihevera ny tenanao, fandrao ianao koa mba halaim-panahy ihany.
Братие, аще и впадет человек в некое прегрешение, вы духовнии исправляйте таковаго духом кротости: блюдый себе, да не и ты искушен будеши.
2 Mifampitondrà izay mahavesatra, ary aoka izany no hahatanterahanareo ny lalàn’ i Kristy.
Друг друга тяготы носите, и тако исполните закон Христов.
3 Fa raha misy manao ny tenany ho zavatra, kanjo tsinontsinona, dia mamitaka ny tenany izy.
Аще бо кто мнит себе быти что, ничтоже сый, умом льстит себе.
4 Fa aoka ny olona rehetra samy hizaha toetra ny asany avy, dia samy hanana hafaliana ny amin’ ny tenany ihany izy, fa tsy ny amin’ ny olon-kafa;
Дело же свое да искушает кийждо, и тогда в себе точию хваление да имать, а не во инем:
5 fa samy hitondra ny entany avy ny olona rehetra.
кийждо бо свое бремя понесет.
6 Aoka izay ampianarina ny teny mba hahafoy zava-tsoa ho an’ izay mampianatra.
Да общается же учяйся словеси учащему во всех благих.
7 Aza mety hofitahina ianareo; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin’ ny olona no hojinjany.
Не льститеся: Бог поругаемь не бывает. Еже бо аще сеет человек, тожде и пожнет:
8 Fa izay mamafy ho an’ ny nofony dia hijinja fahasimbana avy amin’ ny nofo; ary izay mamafy ho an’ ny Fanahy dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin’ ny Fanahy. (aiōnios g166)
яко сеяи в плоть свою, от плоти пожнет истление: а сеяи в дух, от духа пожнет живот вечный. (aiōnios g166)
9 Ary aza mba ketraka amin’ ny fanaovan-tsoa isika; fa amin’ ny fotoan’ andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika.
Доброе же творяще, да не стужаем си: во время бо свое пожнем, не ослабеюще.
10 Koa araka ny ananantsika andro hanaovana, dia aoka isika hanao soa amin’ ny olona rehetra, indrindra fa amin’ ny mpianakavin’ ny finoana.
Темже убо, дондеже время имамы, да делаим благое ко всем, паче же к присным в вере.
11 Indro ny havaventin’ ny soratra izay soratan’ ny tanako ho aminareo.
Видите, колицеми книгами писах вам моею рукою.
12 Na iza na iza te-hiseho ho tsara amin’ ny nofo, dia ireo no manery anareo hoforana, nefa noho izao ihany: fandrao henjehina noho ny hazo fijalian’ i Kristy izy.
Елицы хотят хвалитися по плоти, сии нудят вы обрезатися, точию да не креста ради Христова гоними будут:
13 Fa na dia ny tenan’ izy voafora aza dia tsy mitandrina ny lalàna; kanefa tiany ho forana koa ianareo, mba hireharehany amin’ ny nofonareo.
ни бо обрезающиися сами закон хранят, но хотят вам обрезоватися, да в вашей плоти похвалятся:
14 Fa sanatria raha mba misy hataoko rehareha afa-tsy ny hazo fijalian’ i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay nahavoahombo izao tontolo izao tamin’ ny hazo fijaliana, raha ny amiko, ary izaho kosa, raha ny amin’ izao tontolo izao.
мне же да не будет хвалитися, токмо о кресте Господа нашего Иисуса Христа, имже мне мир распятся, и аз миру.
15 Fa samy tsy mahasoa na ny famorana na ny tsi-famorana, fa ny ho olom-baovao.
О Христе бо Иисусе ни обрезание что может, ни необрезание, но нова тварь.
16 Ary izay rehetra mandeha araka ity fitsipika ity, dia ho aminy anie ny fiadanana sy ny famindram-po, ary ho amin’ ny Isiraelin’ Andriamanitra.
И елицы правилом сим жительствуют, мир на них и милость, и на Израили Божии.
17 Amin’ izao sisa izao aoka tsy hisy hanahirana ahy intsony; fa izaho mitondra ny marik’ i Jesosy voatomboka eo amin’ ny tenako.
Прочее, труды да никтоже ми дает: аз бо язвы Господа Иисуса на теле моем ношу.
18 Ho amin’ ny fanahinareo anie, ry rahalahy, ny fahasoavan’ i Jesosy Kristy Tompontsika. Amena.
Благодать Господа нашего Иисуса Христа со духом вашим, братие. Аминь.

< Galatiana 6 >