< ヘブル人への手紙 2 >

1 故に我等は漂流する事なき様、承りし所を一層能く守らざるべからず。
Ary amin’ izany dia tokony hotandremantsika mafimafy kokoa izay efa rentsika, fandrao hindaosina hiala aminy isika.
2 其は天使等を以て告げられし言すら固くせられ、犯罪と不從順とは悉く正しき報を受けたれば、
Fa raha mafy ny teny izay nampilazaina ny anjely, ka samy voavaly marina avokoa ny fahadisoana rehetra mbamin’ ny fahotana,
3 若我等にして斯も大いなる救を等閑にせば、争でか迯るることを得ん。此救は原主より示されて始りたるに、承りし人々より我等に言證められ、
hataontsika ahoana no fandositra, raha tsy mitandrina izao famonjena lehibe izao isika? dia ilay nampilazaina ny Tompo tamin’ ny voalohany, ary nohamafin’ izay nandre tamintsika kosa,
4 神も亦思召に從ひて、徴と奇蹟と、能力の様々の業と、聖霊の賜の分配を以て、彼人々と共に之を保證し給ひしなり。
sady Andriamanitra koa no niara-nanambara taminy tamin’ ny famantarana sy ny fahagagana ary tamin’ ny asa lehibe samy hafa sy ny fanomezana ny Fanahy Masìna nozarazarainy araka ny sitrapony.
5 蓋今言ふ所の将來の世界を天使等に從はせ給ひしには非ず、
Fa tsy anjely no nampanekeny ny fiainana ho avy, izay lazainay.
6 或人何處かに證して曰く、「人は誰なれば主之を記憶し給ひ、人の子は誰なれば之を訪問し給ふぞ、
Fa ny anankiray nanambara eo amin’ ny teny iray hoe: “Inona ny olona, no ahatsiarovanao azy? Ary ny zanak’ olombelona, no amangianao azy?
7 主之をして少しく天使等に劣らしめ、冠らしむるに光榮と名誉とを以てし、御手の業の上に之を立て、
Nataonao ambany kely noho ny anjely izy; Efa nosatrohanao voninahitra sy fiandrianana izy, Ary nampanjakainao amin’ ny asan’ ny tananao;
8 萬物を其足の下に服せしめ給ひしなり」と。然て萬物を之に服せしめ給ひし上は、服せざるものを殘し給はざりしならんに、我等は現に未だ萬物の之に服するを見ざるなり。
Ny zavatra rehetra dia efa nanapanekenao ho eo ambanin’ ny tongony”. Fa tamin’ ny nampanekeny azy ny zavatra rehetra, dia tsy nisy izay tsy nampanekeny azy. Nefa ankehitriny tsy mbola hitantsika fa efa ampanekena azy ny zavatra rehetra.
9 然れど天使等に少しく劣らせられしもの、即ちイエズスを見奉るに、神の恩寵により一切の人間の為に死を嘗め給はんとて、死の苦の故に、冠らしむるに光榮と名誉とを以てせられ給ひしなり。
Fa Ilay natao ambany kely noho ny anjely no hitantsika, dia Jesosy, ary noho ny fitondrany ny fahafatesana dia voasatroka voninahitra aman-daza Izy, mba hanandrana fahafatesana hamonjy ny olona rehetra noho ny fahasoavan’ Andriamanitra.
10 蓋萬物は神の為に、又神によりて造られたるものなれば、多くの子を光榮に導き給へるもの、即ち彼等の救霊の原に在せるものをば、宜しく苦を以て全うし給ふべきは、神に於て適當なる事なりき。
Fa miendrika Izay anton’ ny nanaovana ny zavatra rehetra sady nahariana ny zavatra rehetra, raha mitondra zanaka maro ho any amin’ ny voninahitra, ny hahatanteraka ny Tompon’ ny famonjena ireo amin’ ny fahoriana.
11 然て聖と成らしめ給ふものも、聖と為らるる人々も、共に同一のものより出づ、故に彼、人々を兄弟と呼ぶを耻とせずして曰はく、
Fa iray no nihavian’ izy roroa, na Izay manamasìna, na izay hamasinina; koa izany no tsy mahamenatra Azy hanao ireo hoe “rahalahy”
12 「我御名を我兄弟等に告げん、集會の中に汝を賛美し奉らん」と。
ka manao hoe: “Hitory ny anaranao amin’ ny rahalahiko Aho; Eo amin’ ny fiangonana no hiderako Anao”.
13 又「我彼に信頼せん」と、又「我と神の我に賜ひし子等とを見よ」と。
Ary koa: “Izaho hatoky Azy”. Ary indray koa: “Indreto Izaho sy ireo zaza nomen’ Andriamanitra Ahy”.
14 抑子等は血肉を有する者なれば、彼も亦之を有し給へり。是死を司れるもの、即ち惡魔を亡ぼすに死を以てし、
Koa satria manana nofo aman-drà ny zaza, dia mba nandray izany koa Izy, mba handringanany amin’ ny fahafatesana ilay manana ny herin’ ny fahafatesana, dia ny devoly,
15 且死を懼るるが為に生涯奴隷に属せる人々を救ひ給はん為なり。
ary mba hanafahany izay rehetra nandany ny fiainany rehetra tamin’ ny fahandevozana noho ny tahotra ny fahafatesana.
16 蓋曾て天使等を救ひ給はずして、アブラハムの裔を救ひ給ひしかば、
Fa hita marina fa tsy anjely no vonjeny, fa ny taranak’ i Abrahama no vonjeny.
17 萬事兄弟等に似るべき筈なりき、是神の御前に慈悲にして忠信なる大司祭と成り、民の罪を贖ひ給はん為なりき。
Koa amin’ izany dia miendrika mba hatao tahaka ny rahalahiny amin’ ny zavatra rehetra Izy, mba ho Mpisoronabe mamindra fo sy mahatoky ny amin’ Andriamanitra, mba hanaovany fanavotana noho ny heloky ny olona.
18 蓋御自ら苦みて試みられ給ひたれば、試みらるる人々をも助くるを得給ふなり。
Fa satria nalaim-panahy ny tenany tamin’ ny fahoriana nentiny, dia mahavonjy izay alaim-panahy koa Izy.

< ヘブル人への手紙 2 >