< ヤコブの手紙 1 >

1 神及び我主イエズス、キリストの僕ヤコボ、離散せる十二族に挨拶す。
Jakoba, mpanompon’ Andriamanitra sy Jesosy Kristy Tompo, mamangy ny firenena roa ambin’ ny folo monina any am-pielezana.
2 第一項 患難及び誘惑に於る忍耐を勧む 我兄弟等よ、汝等種々の試に陥りたる時は、之を最も喜ぶべき事と思へ。
Ry rahalahiko, ataovy ho fifaliana avokoa, raha iharan’ ny fakam-panahy samy hafa ianareo,
3 其は汝等の信仰の試は、忍耐を生ずるを知ればなり。
satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana.
4 然れど汝等が完全無缺にして、何事も乏しき所なからん為に、忍耐は完全なる業を為さざるべからず。
Ary aoka ny faharetana hisy asa tanteraka, mba ho tanteraka sy tonga ohatra ianareo, ka tsy hisy tsy ampy na inona na inona.
5 汝等の中に知識を要する人あらば、誰をも咎めめ給はずして吝なく賜ふ神に願ひ奉るべし、然らば與へられん。
Ary raha misy ianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’ Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an’ ny olona rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homena azy izany.
6 但疑ふ事なく信仰を以て願はざるべからず、蓋疑ふ者は風に動かされて、漂へる海の波に似たれば、
Nefa aoka hangataka amin’ ny finoana izy ka tsy hiahanahana akory; fa izay miahanahana dia toy ny alon-dranomasina entin’ ny rivotra ka atopatopany.
7 斯る人は主より何物をも受けんと期する事勿れ、
Fa aoka tsy hanampo handray zavatra amin’ ny Tompo izany olona izany:
8 是二心ある人にして、其凡ての道に於て定まり無ければなり。
olona miroa saina izy, miovaova amin’ ny alehany rehetra.
9 兄弟の卑き者は其高められしを大いに喜ぶべく、
Aoka ny rahalahy izay ambany hanao ny fisandratany ho reharehany;
10 富める者は、己が卑きによりて喜ぶべし。是将に草の花の如くに過ぎんとすればなり。
fa ny manan-karena kosa ny fietreny, satria ho levona tahaka ny vonin’ ny ahitra izy.
11 夫日出でて焦くれば、草は枯れて其花は落ち、其面の美しさは失せたり。富める者の其道に於て凋むべき事も亦斯の如し。
Fa miposaka ny masoandro mbamin’ ny hainandro mahamay, dia mampahalazo ny ahitra, ka mihintsana ny voniny, ary levona ny hatsaran-tarehiny; dia toy izany koa no fahalazon’ ny manan-karena amin’ ny alehany.
12 試を忍ぶ人は福なり、其は鍛錬を経て後、神の己を愛奉る人々に約し給ひし生命の冠を得べければなり。
Sambatra izay olona maharitra fakam-panahy; fa rehefa voazaha toetra izy, dia handray ny satro-boninahitra fiainana, izay nolazain’ ny Tompo homena izay tia Azy.
13 誰も誘はるるに當りて、神より誘はると謂ふべからず。蓋神は惡に誘はれ給ふ事能はざれば、誰をも誘ひ給ふ事なし。
Raha misy alaim-panahy, aoka izy tsy hanao hoe: Andriamanitra no maka fanahy ahy; fa Andriamanitra tsy azon’ ny ratsy alaim-panahy, sady tsy mba maka fanahy olona Izy;
14 各の誘はるるは、己の慾に惹かれ惑はされてなり、
fa samy alaim-panahy ny olona, raha tarihin’ ny filany sy fitahiny izy.
15 斯て慾の孕むや罪を産み、罪の全うせらるるや死を生ず。
Ary ny filàna, rehefa torontoronina, dia miteraka ota; ary ny ota, rehefa tanteraka, dia miteraka fahafatesana.
16 然れば我至愛なる兄弟等よ、過つ事勿れ、
Aza mety hofitahina ianareo, sy rahalahy malalako.
17 総て善き賜と完全なる恵とは上よりして、變更なく回転の影なき光の父より降る。
Ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra dia avy any ambony ka midìna avy amin’ ny Rain’ ny fanazavana, Izay tsy misy fiovaovana na aloka avy amin’ ny fihodinana.
18 蓋被造物の初穂の如きものたらしめん為に、御心よりして眞理の言を以て我等を生み給ひしなり。
Tamin’ ny sitrapony no niterahany antsika tamin’ ny teny fahamarinana, mba ho santatry ny zavatra noforoniny isika.
19 第二項 活動する信仰の必要 我至愛なる兄弟等よ、汝等は知れり、人総て聞くに疾く、語るに遅かるべし。
Fantatrareo izany, sy rahalahy malalako. Kanefa aoka ny olona rehetra halady hihaino ho malai-miteny, ho malain-ko tezitra;
20 其は人の怒は神の義を為さざればなり。
fa ny fahatezeran’ ny olona tsy ahefana izay marina eo imason’ Andriamanitra.
21 然れば汝等一切の穢らはしき事と、夥しき惡事とを脱棄て、汝等に植ゑられて汝等の霊魂を救ふべき御言を穏に承容れよ。
Koa ario ny fahalotoana sy ny lolompo rehetra, ary ekeo amin’ ny fahalemem-panahy ny teny nambolena, izay mahavonjy ny fanahinareo.
22 斯て汝等自ら欺きて聴聞者たるに止らず、言の實行者と成れ。
Fa aoka ho mpankatò ny teny ianareo, fa aza mpihaino fotsiny ihany ka mamitaka ny tenanareo.
23 蓋人もし言の聴聞者にして實行者に非ずば、鏡に寫して生來の顔を見る人に似たるべし。
Fa raha misy mpihaino ny teny, nefa tsy mpankatò, dia toy ny olona mizaha ny tarehiny eo amin’ ny fitaratra izy;
24 即ち己が姿を見て退くや、直に其如何に在りしかを忘る。
fa mijery ny tenany izy, dia lasa, ary miaraka amin’ izay dia hadinony ny tarehiny.
25 然れども自由の完全なる律法を鑑みて之に止る者は、忘れ勝ちなる聴聞者と成らずして業の實行者と成る。斯る人は、其為す所に由りて福なるべし。
Fa izay mandinika ny lalàna tanteraka, dia ny lalàn’ ny fahafahana, ka maharitra amin’ izany, raha tsy mpihaino manadino, fa mpanao ny asa, dia ho sambatra amin’ ny asany izany olona izany.
26 人若自ら宗教家なりと思ひつつ、其舌を制せずして己が心を欺かば、其宗教は無益なり。
Raha misy manao azy ho mpivavaka, nefa tsy mamehy ny vavany, fa mamitaka ny fony, dia zava-poana ny fivavahan’ izany olona izany.
27 父にて在す神の御前に潔くして穢れなき宗教は、孤児寡婦を其困難に當りて訪問し、自ら守りて世間に穢されざる事是なり。
Izao no fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan’ Andriamanitra Ray: ny mamangy ny kamboty sy ny mpitondratena amin’ ny fahoriany, sy ny miaro ny tena tsy hisy pentimpentina avy amin’ izao tontolo izao.

< ヤコブの手紙 1 >