< ヘブル人への手紙 13 >

1 第一款 社交的義務 汝等の間に兄弟的相愛あるべし。
Aoka haharitra ny fitiavana ny rahalahy.
2 又旅人を接待する事を忘るる勿れ、或人々は、是によりて知らず識らず天使等を宿したり。
Aza manadino ny fampiantranoam-bahiny; fa tamin’ izany dia nampiantrano anjely ny sasany, nefa tsy fantany.
3 囚人を思遣ること、我身も共に囚人たるが如く、己も肉身にあるを思ひて苦勞せる人を思遣るべし。
Tsarovy izay mifatotra, ho toy ny miara-mifatotra aminy ianareo, ary izay ampahorina, satria mbola eo amin’ ny tena koa ianareo.
4 婚姻は萬事に於て尊かるべし、又寝床は汚さるべからず、神は私通者及び姦淫者を審判し給ふべければなり。
Aoka hanan-kaja amin’ ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandriana; fa ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin’ olona dia hohelohin’ Andriamanitra.
5 行状に於ては、金銭を貪らず、現に在る所を以て満足せよ。蓋神御自ら曰く、「我は汝を離れず、又汝を捨てじ」と。
Aoka tsy ho amin’ ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo, fa mianina amin’ izay anananareo; fa hoy Izy: “Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory”.
6 然れば我等は信頼を以て、「主は我が補助者にて在す、我は懼れじ、人我に何をか為さん」、と言ふことを得るなり。
Ka dia sahy manao hoe isika: “Jehovah no Mpamonjy ahy, ka tsy hatahotra aho; Inona no azon’ ny olona atao amiko?”.
7 第二款 宗教的義務 汝等に神の御言を語りし教導師等を記憶し、其齢の終を鑑みて其信仰に倣へ。
Tsarovy ny mpitondra anareo, izay efa nitory ny tenin’ Andriamanitra taminareo; hevero ny niafaran’ ny fiainany, ka araho ny finoany.
8 イエズス、キリストは昨日も今日も同一に在して、世々にも亦然り。 (aiōn g165)
Jesosy Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay. (aiōn g165)
9 汝等種々様々の異なる教に迷はさるること勿れ。恩寵を以て心を固むるは、是最も善き事にして、倚縋れる人々に有益ならざりし食物を以てすべきには非ず。
Aza mety havilin’ izay fampianarana maro hafahafa ianareo. Fa tsara raha ampiorenina amin’ ny fahasoavana ny fo, fa tsy amin’ ny hanina, izay tsy mahasoa ny mahavatra azy.
10 我等に祭壇あり、幕屋に事ふる人々は、この祭壇より食する権を有せず、
Isika manana alitara, izay tsy ananan’ ny mpanompo ny tabernakely fahefana hihinanana.
11 蓋獣の血は罪の為に、大司祭によりて聖所の内に携へらるれども、軀は陣の外に焼かる。
Fa rehefa nentin’ ny mpisoronabe niditra ho ao amin’ ny fitoerana masìna ho fanatitra noho ny ota ny ran’ ny biby, dia nodorana teny ivelan’ ny toby ny fatiny.
12 イエズスが、己の血を以て民を聖とならしめん為に門外に苦を受け給ひしも此故なり。
Ary amin’ izany Jesosy koa dia niaritra teny ivelan’ ny vavahady mba hahamasina ny olona amin’ ny ràny.
13 然れば我等は陣を出でて、イエズスの耻辱を擔つ御許に至り奉るべし、
Koa aoka isika hivoaka hankeo aminy eo ivelan’ ny toby, mitondra ny latsa izay nentiny.
14 蓋我等は此處にては、永存する都會を有せずして、未來のものを求む。
Fa etỳ isika tsy manana tanàna maharitra, fa mitady ny ho avy.
15 是を以て我等は、彼によりて、絶えず賛美の祭、即ち御名を稱ふる唇の果を神に献ぐべし。
Koa aoka isika hanatitra ny fanati-piderana amin’ ny alalany ho an’ Andriamanitra mandrakariva, dia ny vokatry ny molotra izay manaiky ny anarany.
16 慈善及び施を為すを忘るる勿れ、其は斯る祭を以てこそ神の御意に適へばなり。
Fa aza manadino hanao soa sy hiantra; fa fanatitra toy izany no sitrak’ Andriamanitra.
17 汝等己が教導師に從ひて之に歸服せよ、彼等は汝等の霊魂に就きて、自ら報告の責めあるものとして警戒すればなり。之を喞ちながらに為ずして、喜びて為す事を得させよ、喞ちながらに為すは汝等に益あらざればなり。
Manekè ny mpitondra anareo, ka manoava azy; fa izy miambina ny fanahinareo araka izay tokony hataon’ ny olona mbola hampamoahina, mba hanaovany izany amin’ ny fifaliana, ta tsy amin’ ny fisentoana; fa tsy hahasoa anareo izany.
18 結末 請ふ我等の為に祈れ、其は我等が、萬事に就きて宜しく行はん事を欲して、善き良心を有せるを確信すればなり。
Mivavaha ho anay; fa matoky izahay fa manana fieritreretana tsara ka te-hitondra tena tsara amin’ ny zavatra rehetra.
19 然せん事を、我が尚切に冀ふは、我が速に汝等に返されん為なり。
Nefa mainka mangataka anareo hanao izany aho, mba hampodina faingampaingana kokoa ho aminareo.
20 願はくは永遠の約の御血に由て、羊の大牧者にて在す我主イエズス、キリストを、死より復活せしめ給ひし平和の神、 (aiōnios g166)
Ary Andriamanitry ny fiadanana, Izay nitondra an’ i Jesosy Tompontsika, Mpiandry ondry lehibe, hiala amin’ ny maty, mitondra ny ran’ ny fanekena mandrakizay, (aiōnios g166)
21 御旨を行はしめん為に、汝等を凡ての善事に完全ならしめ、御前に於て御意に適ふ所を、イエズス、キリストによりて、汝等の中に為し給はん事を。光榮世々之に歸す、アメン。 (aiōn g165)
Izy anie hahatanteraka anareo amin’ ny tsara rehetra hanao ny sitrapony ka hiasa ao anatinareo izay ankasitrahana eo imasony amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy; ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena. (aiōn g165)
22 兄弟等よ、請ふ我勧の言を容れよ、蓋我は簡単に書贈れり。
Ary mangataka aminareo aho, ry rahalahy, zakao ny teny fananarana; fa efa nanoratra epistily fohifohy ihany ho aminareo aho.
23 我等の兄弟チモテオは放免せられしと知れ、彼若速に來らば、我彼と共に汝等を見んとす。
Aoka ho fantatrareo fa efa afaka Timoty rahalahintsika; koa raha tàhiny handeha faingana izy, dia hiaraka aminy hamangy anareo aho.
24 総て汝等の教導師と聖徒とに宜しく傳へよ。イタリアの兄弟等、汝等に宜しくと言へり。
Manaova veloma amin’ izay rehetra mpitondra anareo sy ny olona masìna rehetra. Izay an’ Italia dia manao veloma anareo.
25 願はくは恩寵汝等一同と共に在らん事を、アメン。
Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavana. Amena.

< ヘブル人への手紙 13 >