< ピレモンへの手紙 1 >

1 キリスト、イエズスの囚人たるパウロ及び兄弟チモテオ、我等が愛する所の助力者フィレモン、最愛の姉妹たるアッピア、戰友たるアルキッポ、
Paoly, mpifatotra an’ i Kristy Jesosy, ary Timoty rahalahy, mamangy an’ i Filemona, izay malalanay sy mpiara-miasa aminay,
2 及び汝の家に在る教會に[書簡を贈る]。
ary mamangy an’ i Apia anabavinay sy Arkipo, miaramila namantsika, ary ny fiangonana ao an-tranonao:
3 願はくは我父にて在す神、及び主イエズス、キリストより、恩寵と平安とを汝等に賜はらん事を。
ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
4 我は神に感謝し奉り、我祈の中に常に汝を記念し、主イエズス、キリストに於る、
Misaotra an’ Andriamanitro mandrakariva aho, raha mahatsiaro anao amin’ ny fivavahako,
5 又凡ての聖徒に對する汝の愛と信仰とを聞きて、
satria reko ny fitiavanao sy ny finoana izay anananao ho an’ i Jesosy Tompo sy ho an’ ny olona masìna rehetra,
6 キリスト、イエズスに對して我等の中に在る善業の悉く知渡れる事によりて、汝が信仰の施の有効ならん事を冀ふ。
mba hiasa mafy ho an’ i Kristy ny fiombonana avy amin’ ny finoanao amin’ ny fahalalana tsara ny zavatra rehetra izay ao anatinareo.
7 兄弟よ、聖徒等の腸汝によりて安んぜられたるが故に、我は汝の愛に就きて大いなる喜と慰とを得たり。
Fa nanana fifaliana sy fiononana amin’ ny fitiavanao aho, satria efa novelombelominao ny fon’ ny olona masìna, ry rahalahy.
8 然ればキリスト、イエズスに於て、事に應じて為すべき所を命ずるは、我が敢て憚らざる所なりと雖も、
Koa na dia manana fahasahiana be ao amin’ i Kristy handidy anao amin’ izay mendrika aza aho,
9 寧愛に對して勧め、斯の如くなる我、即ち老人にして而も現にイエズス、キリストの囚人たるパウロ、
nefa noho ny fitiavana, izaho Paoly, izay efa anti-panahy sady mpifatotra an’ i Kristy Jesosy koa ankehitriny, dia miangavy aminao.
10 鎖に在りて生みし所の我子オネジモの為に汝に希ふ。
Eny, miangavy aminao aho ny amin’ ny zanako, izay naterako teto amin’ ny fifatorako, dia Onesimosy,
11 彼は曾て汝に無益なりしかど、今は我にも汝にも有益なり、
ilay tsy nahasoa anao fahiny, nefa ankehitriny mahasoa antsika, dia ianao sy izaho;
12 我は之を汝に送返す、願はくは汝我腸の如くに之を受けん事を。
izay nampodiko indray, dia ilay sombin’ ny aiko;
13 我は彼をして、汝に代りて福音の為に鎖に繋がるる我に仕へしむる様、我と共に留らしめん事を欲したれど、
saiky nohazoniko tatỳ amiko izy hanompo ahy hisolo anao eto amin’ ny fifatorako noho ny filazantsara;
14 汝に聞かずしては何事をも為すを好まざりき。是汝の善業をして、已むを得ざるが如くならず、篤志に由らしめんが為なり。
nefa raha tsy nahalala izay hevitrao aho aloha, dia tsy ta-hanao na inona na inona, mba tsy ho toy ny amin’ ny fanerena ny soa ataonao, fa amin’ ny sitrapo.
15 彼が一時汝を離れしは、或は汝が永遠に之を受けて、 (aiōnios g166)
Fa izany angaha no nialany vetivety, dia ny mba hanananao azy mandrakizay, (aiōnios g166)
16 最早奴隷としてには非ず、奴隷に優りて至愛の兄弟と成さん為には非ずや。我には、殊に然ある者なれば、况て汝に取りては、肉身に於ても主に於ても然らん。
tsy toy ny andevo intsony anefa, fa efa mihoatra noho ny andevo, dia rahalahy malala, indrindra fa ho ahy, mainka fa ho anao, na amin’ ny nofo, na amin’ ny Tompo.
17 然れば汝若我を友とせば、彼を承容るる事我に於るが如くせよ。
Koa raha ataonao ho namanao aho, dia raiso toa ahy izy.
18 彼若汝に損害を與へ、或は負債あらば、之を我に負はせよ。
Nefa raha nanao izay tsy marina taminao izy, na mitrosa, dia ataovy ho ahy izany;
19 我パウロ手づから書記せり、我必ず償ふべし。汝が己を以て我に償ふべき負債ある事は、我之を言はじ。
izaho Paoly no manoratra izany amin’ ny tanako, izaho no handoa izany ― nefa tsy lazaiko aminao fa mitrosa ny tenanao amiko aza ianao.
20 然り、兄弟よ、我は主に於て汝を樂しまん、請ふ主に於て我腸を安んぜしめよ。
Eny, ry rahalahy, aoka hanana fifaliana avy aminao ao amin’ ny Tompo aho; velombelomy ny foko ao amin’ i Kristy.
21 我汝の從順を信じ、其為さんとする所は我が言ふ所に優れるを知りて、汝に書贈れるなり。
Noho ny fahatokiako fa hanaiky ianao no anoratako aminao, ka fantatro fa hanao mihoatra noho izay lazaiko aza ianao.
22 然て同時に我為に宿を備へよ、蓋我は我身の、汝等の祈によりて汝等に與へられん事を希望す。
Ary izao koa: Mba anamboary trano hitoerako aho; fa manantena aho fa homena anareo noho ny vavaka ataonareo.
23 キリスト、イエズスに在りて我と共に囚人たるエパフラ、汝に宜しくと言へり。
Manao veloma anao Epafra, mpifatotra namako ao amin’ i Kristy Jesosy,
24 我助力者たるマルコ、アリスタルコ、デマス、ルカも亦同じ。
sy Marka sy Aristarko sy Demasy ary Lioka, mpiara-miasa amiko.
25 願はくは我主イエズス、キリストの恩寵、汝等の霊と共に在らん事を、アメン。
Ho amin’ ny fanahinareo anie ny fahasoavan’ i Jesosy Kristy Tompontsika. Amena.

< ピレモンへの手紙 1 >