< ヘブル人への手紙 1 >

1 第一款 キリストは大いに天使等に優り給ふ 神は昔預言者等を以て、幾度にも幾様にも先祖等に語り給ひしに、
Rehefa nampitenenin’ Andriamanitra tamin’ ny razana fahiny ny mpaminany tamin’ ny andro samy hafa sy ny fanao samy hafa;
2 此末の日に至り、曾て萬物の世嗣に立て、又之によりて世を造り給ひたる御子を以て、我等に語り給へり。 (aiōn g165)
dia amin’ izao andro farany izao kosa no nampitenenany tamintsika ny Zanany, Izay voatendriny ho Mpandova ny zavatra rehetra; Izy no nahariany izao tontolo izao, (aiōn g165)
3 彼は神の光榮の輝、其本體の印章に在して、己が権能の言を以て、萬物を保ち、罪の潔を為し給ひて、天に於て稜威の右に坐し給ふなり。
Izy koa no famirapiratan’ ny voninahiny sy endriky ny tenany indrindra ary mihazona ny zavatra rehetra amin’ ny herin’ ny teniny; ary rehefa nanao fanadiovana hahafaka ny fahotana Izy, dia nipetraka teo amin’ ny tanana ankavanan’ ny Lehibe any amin’ ny avo
4 彼が天使等に優る者と成り給へるは、猶其受け給ひし御名の彼等に優れるが如し。
ka natao tsara noho ny anjely, araka ny nandovany anarana tsara noho ireny.
5 蓋神曾て天使等の敦れに斯は曰ひしぞ、[曰く]、「汝は我子なり、我今日汝を生めり」と、又「我彼に父たり彼我に子たらん」と。
Fa anjely iza no mba nilazany hoe: “Zanako Hianao, Izaho niteraka Anao androany”? Ary koa: “Izaho ho Rainy, Ary Izy ho Zanako”?
6 又冢子を更に世に入れ給ひし時に曰く、「神の天使皆之を禮拝すべし」、と。
Ary raha mitondra ny Lahimatoa ho amin’ izao fiainana izao indray, dia hoy Izy: “Ary aoka ny anjelin’ Andriamanitra rehetra hiankohoka eo anoloany”.
7 而して天使等に就きては、「彼風を其使者と為し、焔を其の役者となし給ふ」と言へるに、
Ary ny anjely dia ilazany hoe: “Izy manao ny anjeliny ho rivotra, Ary ny mpanompony ho lelafo”.
8 御子に就きては、「神よ、汝の玉座は世々に在り、汝の王位の笏は義の笏なり、 (aiōn g165)
Fa ny Zanaka kosa dia nilazany hoe: “Ny seza fiandriananao, Andriamanitra ô, dia mandrakizay doria; Ary ny tehim-pahitsiana no tehim-panjakanao; (aiōn g165)
9 汝正義を愛し不義を憎めり、故に汝の神たる神は、喜の油を汝が同輩に優りて汝に注ぎ給へり、」と言ふ。
Tianao ny fahamarinana, fa halanao ny heloka; Koa Andriamanitra, dia Andriamanitrao, efa nanoso-diloilo fifaliana Anao Mihoatra noho ny namanao”.
10 又曰く、「主よ、汝初に地を据置き給へり、而して諸の天も御手の業なり、
Ary izao koa: “Hianao, Jehovah ô, tany aloha no nanorenanao ny tany, Ary asan’ ny tananao ny lanitra;
11 是等は亡びん、然れど汝は永存し給ひ、是等は皆衣服の如く古びん。
Ireo dia ho levona, fa Hianao no maharitra; Ary izy rehetra ho rovitra toy ny fitafiana,
12 汝之を上衣の如く畳み給はんに、是等は變るべしと雖も、汝は同じきものにして變る事なく、汝の齢終なかるべし」と。
Ary toy ny lamba no hamalonanao azy, Dia toy ny fitafiana, ka hovana izy; Fa Hianao no tsy miova, Ary ny taonanao no tsy ho tapitra”.
13 然るに曾て天使等の敦れに向ひてか、「我汝の敵を汝の足台と成らしむるまで我右に坐せよ」、と曰ひし事ある、
Fa anjely iza no mba nilazany hoe: “Mipetraha eo an-tanako ankavanana, Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao”?
14 天使は悉く役者と成る霊にして、救霊の世嗣を受くべき人々の為に役者として遣はさるるに非ずや。
Tsy fanahy manompo va izy rehetra, nirahina hanao fanompoana ho an’ izay handova famonjena?

< ヘブル人への手紙 1 >