< 使徒の働き 16 >

1 パウロデルベンとルストラとに至りしに、折しも此處にチモテオと云へる弟子あり、信者となりたるユデア教の婦人の子にて、父はギリシア人なりしが、
Dia tonga tany Derbe sy Lystra koa izy; ary, indro, nisy mpianatra anankiray teo atao hoe Timoty ― zanaky ny vehivavy Jiosy izay nino, fa jentilisa rainy ―
2 ルストラ及びイコニオムに在る兄弟等は是に好評を與へつつありき。
ary tsara laza teo amin’ ny rahalahy tany Lystra sy Ikonioma izy.
3 パウロ之を伴ひて出發せんと思定め、彼を携へて其地方なるユデア人に對して割禮を施せり。其は彼等皆其父のギリシア人たりしことを知ればなり。
Koa tian’ i Paoly ho entiny miaraka aminy izy; dia nalainy izy ka noforany noho ny Jiosy tany amin’ izany tany izany, satria fantatr’ izy rehetra fa jentilisa rainy.
4 斯て市町を通る時、エルザレムに居る使徒等及び長老等の規定を守らせんとて、之を人々に渡しければ、
Ary raha nandeha nitety ny tanàna tao izy, dia natolony hotandreman’ ny olona ireo didy navoaky ny Apostoly sy ny loholona tany Jerosalema.
5 諸教會は其信仰を固うせられて、人員も日々に彌増しつつありき。
Ary nihanahery finoana ny fiangonana sady nihamaro isan’ andro.
6 兩人フリジア及びガラチア地方を過りしに、聖霊[小]アジアに於て神の御言を語る事を戒め給ひしが、
Ary rehefa noraran’ ny Fanahy Masìna tsy hitory ny teny tany Asia izy, dia nandeha namaky ny tany Frygia sy Galatia
7 又ミジア[州]に至りて、ビチニア[州]へ往かんと試みしも、イエズスの霊之を許し給はざりき。
ka efa tonga tany an-tsisin’ i Mysia, dia nitady hankany Bitynia izy, fa tsy navelan’ ny Fanahin’ i Jesosy.
8 斯てミジアを経てトロアデに下りけるに、
Ary rehefa nandalo an’ i Mysia izy, dia nidina nankany Troasy.
9 パウロ夜中幻影を示され、一人のマケドニア人立ち居りて己を頼み、マケドニアに渡りて我等を救へ、と云へるを見たり。
Ary nony alina dia nisy fahitana niseho tamin’ i Paoly, koa, indro, nisy lehilahy Makedoniana nitsangana teo ka nangataka azy hoe: Mità mankaty Makedonia, ka vonjeo izahay!
10 パウロ此幻影を見るや、己等がマケドニア人に福音を傳ふる為に神より召されたる事を確信して、直にマケドニアへ赴かんと力めたり。
Ary nony nahita ny fahitana izy, dia nitady handeha niaraka tamin’ izay hankany Makedonia izahay, satria nataonay fa Andriamanitra no efa niantso anay hitory ny filazantsara amin’ ny olona any.
11 然て我等トロアデより出帆してサモトラキアへ直航し、翌日ネエプルに至り、
Ary nony niondrana an-tsambo niala tany Troasy izahay, dia nizotra nankany Samotrakia; ary nony ampitso dia nankany Neapolia.
12 其處よりマケドニアの取付の都會にして殖民地なるフィリッピに至れり。數日の間此市に留り、
Ary nony niala teo izahay, dia nankany Filipy, izay tanàna voalohany amin’ izany zara-tanin’ i Makedonia izany sady zana-panjakana; ary nitoetra teo amin’ izany tanàna izany andro vitsivitsy izahay.
13 安息日に當りて市の門外に出で、河の辺の祈場と思しき處に往き、集りたる婦等に坐りつつ語りけるに、
Ary tamin’ ny andro Sabata dia nivoaka teo ivelan’ ny vavahady izahay nankeny amoron’ ony, izay nataonay fa nisy fitoerana fivavahana; ary nipetraka teo izahay ka niresaka tamin’ ny vehivavy vory teo.
14 テアチロ町の紅色染料商にして神を尊べるルヂアと云へる婦之を聴きけるを、主其心を開きて、パウロより言はるる事に傾かしめ給ひ、
Ary nisy vehivavy atao hoe Lydia, mpivarotra lamba volomparasy, avy any an-tanàna Tyatira, izay nivavaka tamin’ Andriamanitra, dia nihaino izy, ary ny Tompo nanokatra ny fony hitandrina ny teny izay nolazain’ i Paoly.
15 彼一家と共に洗せられしが、願ひて、汝等我を主に忠實なる者とせば我家に入りて留れ、と云ひて、強ひて我等を入らしめたり。
Ary rehefa natao batisa ravehivavy mbamin’ ny ankohonany, dia nangataka izy nanao hoe: Raha ataonareo ho mahatoky amin’ ny Tompo aho, dia midìra ao an-tranoko ka mitoera ao. Dia nanery anay izy.
16 爰に祈場に往く途中、卜筮の鬼神に憑かれて、卜筮を以て其主人等に許多の利益を得させつつある一人の女、我等に出會ひしが、
Ary raha nandeha ho any amin’ ilay fitoerana fivavahana izahay, dia nisy ankizivavy anankiray nanam-panahy mahavaly nifanena taminay, ary ny faminaniana nataony no nahazoan’ ny tompony harena be.
17 其女パウロと我等の後に從ひつつ呼はりて、此人等は最高き神の僕にして、汝等に救霊の道を告ぐる者なり、と云ひ居たり。
Izy nanaraka an’ i Paoly sy izahay ka niantso hoe: Ireo lehilahy ireo dia mpanompon’ Andriamanitra Avo Indrindra, izay manoro anareo lalam-pamonjena.
18 斯の如くする事數日にして、パウロ甚く心を痛め、回顧りて鬼神に向ひ、我イエズス、キリストの御名によりて、汝に此女より出る事を命ず、と云ひしかば彼即時に出でたり。
Ary nataony tamin’ ny andro maro izany. Ary sosotra Paoly, dia nitodika ka nanao tamin’ ny fanahy hoe: Mandidy anao amin’ ny anaran’ i Jesosy Kristy aho hivoaka aminy. Dia nivoaka tamin’ izany ora izany indrindra izy.
19 然るに其主人等は、己が利益の望無くなりたるを見て、パウロとシラとを捕へ、官吏の許に市場まで連行きて、
Ary nony hitan’ ireo tompony fa very ny fanantenany hahazoany harena, dia nisambotra an’ i Paoly sy Silasy izy ka nitondra azy ho any an-tsena any amin’ ny lehibe;
20 官吏に差出し、此人々はユデア人にして、我等の市中を亂し、
ary rehefa nentiny tany amin’ ireo governora izy roa lahy, dia nolazainy hoe: Ireto lehilahy Jiosy ireto mampitabataba ny tanànantsika loatra
21 ロマ人たる我等の受くべからず行ふべからざる慣習を傳うる者なり、と云ひ、
ka mampianatra fanao tsy mety horaisintsika na hataontsika, fa Romana isika.
22 人民も馳來りて使徒等に反對せしかば、官吏は命じて其襦袢を裂かせ、之を鞭たせ、
Ary ny vahoaka niara-nitsangana hamely azy; ary ireo governora nanaisotra ny lambany, ka nasainy nokapohina tamin’ ny hazo izy.
23 多くの傷を負はせて後監獄に送り、固く守るべき由を看守に命じたり。
Ary nony efa nokapohiny mafy dia mafy izy, dia nataony tao an-tranomaizina, ka nasainy niambina azy tsara ny mpiandry tranomaizina.
24 看守は斯る命令を受けたれば、二人を奥の監房に入れ、桎にて足を締めたりしが、
Ary rehefa nahazo teny toy izany ralehilahy, dia nataony tao amin’ ny tranomaizina anatiny indrindra izy, ary ny tongony nobolokiny mafy tamin’ ny boloky hazo.
25 夜半に至り、パウロとシラと祈りて神を賛美し、監獄に居る人々之を聞き居たるに、
Ary nony mamatonalina, dia nivavaka sy nihira fiderana an’ Andriamanitra Paoly sy Silasy; ary nihaino azy ny mpifatotra.
26 忽ち大地震ありて、監獄は基礎まで震動し、戸は直に悉く開けて、一同の縲絏解けたり。
Ary nisy horohorontany mafy dia mafy avy tampoka, ka nihozongozona ny fanorenan’ ny tranomaizina; dia nivoha niaraka tamin’ izay ny varavarana rehetra, ary nivaha avokoa ny fatoran’ izy rehetra.
27 看守醒めて監獄の戸を開けたるを見、囚徒の逃げし事と思ひ、刀を抜きて自殺せんとしければ、
Dia nahatsiaro ny mpiandry tranomaizina ka nahita ny varavaran’ ny tranomaizina nivoha, dia nanatsoaka ny sabany izy ka saiky hamono tena, satria nataony fa efa nandositra ny mpifatotra.
28 パウロ聲高く呼はりて云ひけるは、自害すな、我等皆此處に在り、と。
Fa Paoly niantso tamin’ ny feo mahery ka nanao hoe: Aza mamono tena, fa ato ihany izahay rehetra.
29 看守燈火を求めて内に入り、戰きつつパウロとシラとの足下に平伏し、
Ary izy niantso jiro, dia nikaretsaka niditra sady tora-kovitra ka niankohoka teo anatrehan’ i Paoly sy Silasy.
30 伴ひて外に出で、君等よ、我何を為してか救霊を得べき、と云ひしかば、
Ary rehefa nentiny nivoaka izy roa lahy, dia hoy izy: Tompoko, inona no mety hataoko, mba hovonjena aho?
31 彼等云ひけるは、主イエズスを信仰せよ、然らば汝も家族も救霊を得べし、とて、
Dia hoy izy roa lahy: Minoa an’ i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao.
32 看守と其家に在る人々一同とに主の御言を語りしかば、
Ary izy roa lahy nitory ny tenin’ ny Tompo taminy sy tamin’ izay rehetra tao an-tranony.
33 看守夜中ながら即時に兩人を引取りて其傷を洗ひ、己も家族も皆直に洗せられしが、
Ary nandray azy roa lahy izy tamin’ izany ora amin’ ny alina izany ka nanasa ny dian-kapoka; ary natao batisa tamin’ izay izy mbamin’ izay azy rehetra.
34 尚彼等を自宅に伴ひて之に食卓を備へ、家族一同と共に神を信じて喜べり。
Ary rehefa nentiny niakatra ho ao an-trano izy roa lahy, dia norosoany hanina teo anoloany, dia nifaly indrindra izy mbamin’ izay rehetra tao an-tranony, satria efa nino an’ Andriamanitra.
35 拂暁に至り、官吏は刑吏を遣はして、彼人々を赦せ、と云はせしかば、
Ary rehefa maraina ny andro, ireo governora dia naniraka ny mpitan-defona ka nanao hoe: Alefaso ireo olona ireo.
36 看守此事をパウロに告げて、官吏汝等を赦せとて人を遣はしたる故、今は出でて恙なく往け、と云ひけるな、
Ary ny mpiandry tranomaizina nilaza izany teny izany tamin’ i Paoly hoe: Ireo governora efa naniraka handefa anareo, koa ankehitriny mivoaha ianareo ka mandehana soa aman-tsara.
37 パウロ刑吏に云ひけるは、彼等は我々を公に鞭たせ、ロマ人たる者を裁判なくして監獄に入れたるに、今窃に我々を追出すか、然あるべからず、彼等來りて、
Fa hoy Paoly taminy: Efa nokapohiny tsy voatsara teo amin’ ny miharihary izahay, kanefa Romana izahay, ka nataony tao an-tranomaizina, ary ankehitriny moa mamoaka anay mangingina va izy? Tsia, fa aoka izy ihany ho hankatỳ hamoaka anay.
38 自ら我々を出すべし、と。刑吏此事を告げしかば、官吏は其ロマ人たる事を聞きて懼れ、
Ary ny mpitan-defona nilaza izany teny izany tamin’ ireo governora; dia natahotra izy, raha nahare fa Romana izy roa lahy.
39 來り詫びて二人を伴出で、此市を去らん事ことを乞ひたり。
Dia tonga izy ka nanony azy sady nitondra azy nivoaka ary nangataka azy handeha hiala ao an-tanàna.
40 斯てパウロとシラとは監獄より出でてルジアの家に入り、兄弟等に逢ひて之を慰め、然て出立したりき。
Dia niala tao an-tranomaizina izy ka niditra tao an-tranon’ i Lydia; ary rehefa nahita ny rahalahy izy, dia nananatra azy ka lasa nandeha.

< 使徒の働き 16 >