< 使徒の働き 15 >

1 第二項 エルザレムの教議會 斯て或人々、ユデアより下りて兄弟等に向ひ、汝等モイゼの慣例に從ひて割禮を受くるに非ずば救霊を得ず、と教へければ、
Ary ny olona sasany izay nidina avy tany Jodia nampianatra ny rahalahy hoe: Raha tsy forana araka ny fanaon’ i Mosesy ianareo, dia tsy azo vonjena.
2 パウロとバルナバと、彼等に對して一方ならぬ諍論を為ししが、信徒はパウロ、バルナバ、及び反對側の數人をエルザレムに上せ、此問題に就き使徒等及び長老等に伺はん事に定めたり。
Ary rehefa nifanditra sy niady hevitra be ihany tamin’ ireo Paoly sy Barnabasy, dia nifanarahana ny hiakaran’ izy roa lahy sy ny sasany koa hankany Jerosalema ho any amin’ ny Apostoly sy ny loholona hanadina izany teny niadian-kevitra izany.
3 然れば彼等教會に見送られて、フェニケア及びサマリアを経、異邦人感化の事情を具に語りて、兄弟一同に大いなる喜を起させたり。
Ary rehefa nanatitra azy ny fiangonana, dia nandeha namaky an’ i Foinika sy Samaria izy ka nilaza ny niovan’ ny jentilisa; dia nampifaly ny rahalahy rehetra indrindra izy.
4 一行エルザレムに至りて、教會と使徒等と長老等とに迎へられ、神の己等と共に為し給ひし事の次第を告げしが、
Ary rehefa tonga tany Jerosalema izy, dia noraisin’ ny fiangonana sy ny Apostoly ary ny loholona, ka dia nilaza izay rehetra efa nataon’ Andriamanitra tamin’ ny nombany azy.
5 ファリザイ派の中なる數人の信者起ちて、異邦人は割禮を受けざるべからず、又命じてモイゼの律法を守らしむべし、と云ひければ、
Fa ny mino sasany, izay isan’ ny antokon’ ny Fariseo kosa, dia nitsangana ka nanao hoe: Tsy maintsy forana ireny ka asaina mitandrina ny lalàn’ i Mosesy.
6 使徒等及び長老等、此事を調べんとて集れり。
Ary dia nivory ny Apostoly sy ny loholona mba hihevitra izany zavatra izany.
7 激しき諍論の後、ペトロ立ちて彼等に謂ひけるは、兄弟たる人々よ、久しき以前に、神我等の中より選みて、我口を以て異邦人に福音の言を聞かせ、之を信ぜしめ給ひし事は、汝等の知る所なり。
Ary rehefa nisy ady hevitra be ihany, dia nitsangana Petera ka nanao taminy hoe: Ry rahalahy, fantatrareo fa hatramin’ ny ela Andriamanitra dia efa nifidy teo aminareo fa amin’ ny vavako no handrenesan’ ny jentilisa ny tenin’ ny filazantsara ka hinoany.
8 且人の心を知り給ふ神は、汝等に賜ひし如く、彼等にも聖霊を賜ひて證明し給ひ、
Ary Andriamanitra, Izay mahalala ny fo, dia vavolombelony tamin’ ny nanomezany azy ny Fanahy Masìna tahaka antsika koa;
9 信仰によりて彼等の心を潔め、我等と彼等とを聊も隔て給ひしことなし。
fa tsy nataony misy hafa isika sy izy, fa nodioviny tamin’ ny finoana ny fony.
10 然るを何為れぞ、汝等神を試みて、我等の先祖も我等も負ふ能はざりし軛を、今弟子等の頚に負はせんとはする。
Koa nahoana ianareo no maka fanahy an’ Andriamanitra amin’ ny fametrahanareo zioga amin’ ny vozon’ ny mpianatra, izay tsy zakan’ ny razantsika na isika ho entina?
11 我等の救はるるは主イエズス、キリストの恩寵によれりとは、我等の信ずる所にして、彼等も亦然るなり、と。
Fa mino isika fa ny fahasoavan’ i Jesosy Tompo no hamonjena antsika, dia tahaka ny azy ihany koa.
12 會衆皆沈黙して、パウロとバルナバとが、異邦人の中に己等を以て神の行ひ給ひし凡ての徴と奇蹟とを語るを聴きたりしが、
Dia nangina ny olona rehetra ka nihaino an’ i Barnabasy sy Paoly, izay nilaza ny famantarana sy ny fahagagana nampanaovin’ Andriamanitra azy tany amin’ ny jentilisa.
13 彼等が沈黙を保ちたる後、ヤコボ答へて云ひけるは、兄弟たる人々よ、我に聞け、
Ary rehefa nitsahatra tsy niteny izy roa lahy, dia namaly Jakoba ka nanao hoe: Ry rahalahy, mihainoa ahy:
14 シモン既に神始めて異邦人を顧み、其中より己が名を尊ぶ民を取り給ひし次第を述べしが、
Simeona efa nanambara izay nitsinjovan’ Andriamanitra ny jentilisa tamin’ ny voalohany hanalany olona aminy hankalazana ny anarany.
15 預言者等の言之に合へり、録して、
Ary mifanaraka amin’ izany ny tenin’ ny mpaminany, araka ny voasoratra hoe:
16 「此後我返りて、倒れたるダヴィドの幕屋を再興し、其崩れたる所を繕ひ、且之を建てん、
Rehefa afaka izany, dia hiverina Aho Ka hanangana ny trano-lain’ i Davida izay efa nianjera; Ary hanangana izay efa rava ao Aho Ka hanamboatra azy indray;
17 是は他の人々及び、為に我名を呼ばれたる萬國の異邦人が主を求め得ん為なり、之を為し給ふ所の主之を曰ふ」、とあるが如し。
Mba hitady ny Tompo ny olona sisa sy ny jentilisa rehetra, Izay efa niantsoana ny anarako, hoy Jehovah,
18 主は世の始めより己が業を知り給ふ、 (aiōn g165)
Izay manao izany zavatra fantatra hatramin’ ny voalohany indrindra izany. (aiōn g165)
19 之によりて我思ふに、異邦人より神に歸依する人々を煩はすべからず、
Koa dia izao no hevitro: Tsy mety raha isika manome fahasahiranana ny avy amin’ ny jentilisa izay miverina ho amin’ Andriamanitra;
20 唯書を贈りて、偶像に捧げられし物と、私通と、絞殺されし獣の肉と血とを戒むべし、
fa aoka hanoratra epistily aminy isika mba hifadiany ny hena fahavetavetana aterina amin’ ny sampy sy ny fijangajangana ary ny zavatra kendaina sy ny rà.
21 蓋モイゼの書は、安息日毎に會堂に於て読まれ、之を述ぶる人昔より何れの市町にも在ればなり、と。
Fa hatramin’ ny razana fahiny dia manana izay mitory azy ao amin’ ny isan-tanàna Mosesy, fa vakina ao amin’ ny synagoga rehetra isan-tSabata ny teniny.
22 是に於て使徒等、長老等、及び教會一同に、其中より人を選みて、パウロ、バルナバと共にアンチオキアに遣はすを可しとせり、其人々はバルサバとも呼ばるるユダ、及びシラにして、兄弟中の重立ちたる者なりき。
Ary sitraky ny Apostoly sy ny loholona mbamin’ ny fiangonana rehetra ny hifidy olona amin’ ny namany mba hirahina hiaraka amin’ i Paoly sy Barnabasy hankany Antiokia, dia Joda, izay atao hoe Barnabasy, sy Silasy, izay lehilahy samy tsara laza eo amin’ ny rahalahy;
23 彼等の手に托せられし書翰の文に曰く、「使徒等及び兄弟たる長老等、アンチオキアとシリアとシリシアとに在る異邦人たりし兄弟等に挨拶す。
ary nanoratra taratasy izy ho entin’ ireo, dia izao: Ny Apostoly sy ny rahalahy loholona miarahaba ny rahalahy avy amin’ ny jentilisa izay any Antiokia sy Syria ary Kilikia.
24 我等の聞く所に據れば、或人々、我等が命じたる事もなきに、我等の中より出行きて汝等の魂を覆し、言を以て汝等を擾したる由なれば、
Satria efa renay fa ny sasany izay avy tany aminay efa nanao teny nampitabataba anareo ka namadika ny sainareo, kanefa tsy nasainay nanao izany izy,
25 我等一致して人を選み、
dia sitrakay, rehefa nifanara-kevitra, ny hifidy olona hirahina hankatỳ aminareo hiaraka amin’ i Barnabasy sy Paoly malalanay,
26 我主イエズス、キリストの御名の為に生命を惜まざりし人、我等が至愛なるバルナバ及びパウロと共に、汝等に遣はさん事を宜しとせり。
lehilahy izay nanao ny ainy tsy ho zavatra ho voninahitry ny anaran’ i Jesosy Kristy Tompontsika.
27 然ればユダとシラとを遣はしたるが、彼等口づから是等の事を汝等に告げん。
Dia nirahinay Joda sy Silasy, sady hilaza vava izany teny izany koa izy.
28 蓋聖霊と我等とは、左の必要なる事の外、汝等に何等の荷をも負はしめざるを宜しとせり。
Fa sitraky ny Fanahy Masìna sy izahay tsy hampitondra enta-mavesatra anareo afa-tsy izao zavatra tsy maintsy hotandremana izao ihany:
29 即ち汝等が偶像に捧げられし物と、血と絞殺されしものと、私通とを絶つべき事是なり。是等の事を慎まば、其にて宜しかるべし、汝等健康なれ、」と。
dia ny hifadianareo ny hena aterina amin’ ny sampy sy ny rà sy ny zavatra kendaina ary ny fijangajangana; raha mahatandrin-tena hifady izany ianareo, dia ho soa. Veloma ianareo.
30 然て彼等暇乞してアンチオキアに下り、信徒を集めて書翰を渡ししが、
Ary rehefa nalefany izy ireo, dia nidina nankany Antiokia; ary namory ny olona maro izy, dia natolony ilay epistily.
31 人々之を読みて、慰を得て喜べり。
Ary nony efa namaky izany ny olona, dia nifaly noho ny anatra tsara.
32 ユダとシラとは其身も預言者なれば、多くの談話を以て兄弟を勧め且堅めたりしが、
Ary satria mpaminany Joda sy Silasy, dia namporisika ny rahalahy tamin’ ny teny maro izy ka nampahery azy.
33 暫く此處に留りて後、己を遣はしし者の許に歸らんとて、兄弟等に無事を祝されて暇を乞ひ得たり。
Ary rehefa nitoetra elaela teo izy ireo, dia nampandehanin’ ny rahalahy soa aman-tsara ho any amin’ izay naniraka azy.
34 然れどシラは此處に留るを宜しとせしかば、ユダ一人エルザレムに歸り、
35 パウロとバルナバとはアンチオキアに留り、他の數人と共に主の御言を教へ、福音を宣べつつありき。
Ary Paoly sy Barnabasy kosa nitoetra tany Antiokia; dia nampianatra sy nitory ny tenin’ ny Tompo izy roa lahy mbamin’ ny maro koa.
36 第三項 聖パウロ第二回の傳道旅行 然て數日の後、パウロはバルナバに向ひ、将我等後戻して、曩に主の御言を宣傳へし凡ての市町を巡廻し、其安否を問はん、と云ひしが、
Ary rehefa afaka andro vitsivitsy, dia hoy Paoly tamin’ i Barnabasy: Andeha isika hiverina hamangy ny rahalahy any amin’ ny tanàna rehetra izay efa nitoriantsika ny tenin’ ny Tompo, hahitantsika izay toetrany.
37 バルナバはマルコとも呼ばるるヨハネを携へんと思へるに、
Ary tian’ i Barnabasy ny hitondra an’ i Jaona, izay atao hoe Marka, hiaraka aminy.
38 パウロは、彼は曾てパンフィリアにて己等を離れ、共に働かざりし者なれば、之を承容るべからず、と考へ居たりしかば、
Nefa nataon’ i Paoly fa tsy tokony ho entiny miaraka aminy izy, satria nandao azy tany Pamfylia ka tsy niaraka taminy ho any amin’ ny raharaha.
39 遂に衝突して相別るるに至れり。さればバルナバはマルコを携へてクプロ[島]へ出帆せしが、
Ary nifanditra mafy izy roa lahy ka nisaraka; ary Barnabasy nitondra an’ i Marka, dia niondrana an-tsambo nankany Kyprosy.
40 パウロはシラを選みて、兄弟等より神の恩寵に委ねられて出立し、
Fa Paoly kosa nifidy an’ i Silasy, dia niainga, rehefa natolotry ny rahalahy ho amin’ ny fahasoavan’ ny Tompo izy.
41 シリアとシリシアとを巡りて諸教會を固め、使徒等及び長老等の規定を守るべき事を教へ居たり。
Dia nandeha namaky an’ i Syria sy Kilikia izy nampahery ny fiangonana tany.

< 使徒の働き 15 >