< 使徒の働き 22 >

1 兄弟にして父たる人々よ、我が汝等に述べんとする事由を聞け、と。
Ry rahalahy sy ianareo ray henoy ny teny halahatro aminareo ankehitriny hanala tsiny ny tenako.
2 人々彼がヘブレオ語にて語るを聞きて一層沈黙せり。
Ary nony ren’ ny olona fa teny Hebreo no nitenenany taminy, dia mainka nangina izy; ary hoy Paoly:
3 斯てパウロ言ひけるは、我はユデア人にして、シリシアのタルソに生れ、此市中に育てられ、先祖の律法の眞理に從ひてガマリエルの足下に教へられ、律法の為に奮励せしは、恰も今日汝等一同の為せる如くなりき。
Izaho lehilahy Jiosy, teraka tany Tarsosy any Kilikia, fa teto amin’ ity tanàna ity no nahabe ahy teo anilan’ ny tongotr’ i Gamaliela, dia nampianarina tsara ny lalàna avy tamin’ ny razana aho, ary nazoto indrindra ho an’ Andriamanitra tahaka anareo rehetra ankehitriny.
4 我が男女を縛り且拘留して、死に至らしむるまで此道を迫害せしは、
Nanenjika izay nanaiky izany fampianarana izany aho hatramin’ ny mahafaty azy aza, dia namatotra azy, na lahy na vavy, ka nanolotra azy hatao an-tranomaizina;
5 司祭長及び長老會が我に就きて證明せるが如し。我又彼等より兄弟等に宛てたる書簡を受け、人々を縛りてエルザレムに牽き、刑を受けしめんとてダマスコへ往きつつありしに、
ary ny mpisoronabe sy ny loholona rehetra no vavolombeloko, sady izy no nandraisako taratasy ho amin’ ny rahalahy, dia nankany Damaskosy aho, mba ho entiko am-patorana hankany Jerosalema koa izay hita teo, mba hampijalina.
6 ダマスコに近づかんとする途中、日中に忽ち大いなる光ありて我を圍照せり。
Ary raha nandeha aho ka mby teo akaiky an’ i Damaskosy, tamin’ ilay antoandrobe iny, dia nisy mazava lehibe nanelatrelatra tampoka avy tany an-danitra manodidina ahy;
7 然て地に倒れて、サウロよ、サウロよ、何故に我を迫害するぞ、と我に謂へる聲を聞き、
dia lavo tamin’ ny tany aho ka nandre feo nilaza tamiko hoe: Saoly, Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy?
8 主よ、汝は誰ぞ、と答へしに、我は汝が迫害せるナザレトのイエズスなり、と謂はれたり。
Ary izaho namaly hoe: Iza moa Hianao, Tompoko? Dia hoy Izy tamiko: Izaho no Jesosy avy any Nazareta, Izay enjehinao.
9 伴侶なる人々は光を見たれど、我に語れる者の聲をば聞分けざりき。
Ary izay niaraka tamiko dia nahita ny mazava; nefa tsy mba nahare ny feon’ izay niteny tamiko izy.
10 然て我、主よ、何を為すべきぞ、と云ひたるに主曰はく、立ちてダマスコに往け、総て汝の為に定りたる事は其處にて言はるべし、と。
Ary hoy izaho: Tompoko, inona no hataoko? Dia hoy ny Tompo tamiko: Mitsangana, ka mandehana ho any Damaskosy; fa any no holazaina aminao izay rehetra voatendry hataonao.
11 斯て我は彼光の輝の為に目見えざれば、伴侶の人に手を引かれてダマスコに至れり。
Ary raha tsy nahajery aho noho ny famirapiratan’ izany mazava izany, dia notantanan’ ireo niaraka tamiko aho, ka dia tonga tany Damaskosy.
12 然るにアナニアとて、律法を遵奉し敬虔にして、當地に住めるユデア人一般に好評ある人、
Ary ny lehilahy anankiray atao hoe Ananiasy, mpivavaka manaraka ny lalàna sady tsara laza teo amin’ ny Jiosy rehetra izay nonina teo,
13 我許に來り側に立ちて、兄弟サウロ、見よ、と言ひしかば我即時に之を見たり。
dia nanatona ahy ary nitsangana ka nanao tamiko hoe: Ry Saoly rahalahy, mahirata. Ary tamin’ izany ora izany dia nahiratra aho ka nahita azy.
14 彼又言ひけるは、我等の先祖の神は、汝をして御旨を知り、義なる者を見、其口づから聲を聞かしめん事を豫定し給へり。
Ary hoy izy: Andriamanitry ny razantsika efa nanendry anao hahafantatra ny sitrapony sy hahita ny Iray Marina ary hihaino ny teny aloaky ny vavany;
15 其は汝見聞せし事に就きて、萬民に彼が證人たるべければなり。
fa ho vavolombelony amin’ ny olona rehetra ianao ny amin’ izay efa hitanao sy renao.
16 今は何をか躊躇ふぞや、立ちて洗せられよ、御名を頼みて汝の罪を滌去れ、と。
Ary ankehitriny inona no mampijanona anao? Mitsangàna, miantsoa ny anarany, ary aoka hatao batisa ianao ka hosasana ho afaka amin’ ny fahotanao.
17 斯て我エルザレムに返り、神殿にて祈れる折、氣を奪はるる如くになりて、
Ary rehefa tonga tany Jerosalema indray aho ka nivavaka teo an-kianjan’ ny tempoly, dia azon-tsindrimandry
18 主を見奉りしが、主我に向ひて、急げ、早くエルザレムを出でよ、其は人々我に関する汝の證明を承容れざるべければなり、と曰へり。
ka nahita Azy milaza amiko hoe: Maladia ianao, ka mivoaha faingana an’ i Jerosalema; fa tsy handray ny fanambaranao Ahy izy.
19 其時我、主よ、我が曾て主を信ずる人々を監獄に閉籠め、之を諸會堂にて鞭ちし事、
Dia hoy izaho: Tompoko, izy ireo mahalala fa ny mino Anao dia nataoko tao an-tranomaizina sady nokapohiko tao amin’ ny synagoga rehetra;
20 又主の證人ステファノの血の流されし時に立會ひ、且賛成して之を殺す人々の上衣を守りたりし事は、彼等の知る所なり、と言ひたるに、
ary raha nalatsaka ny ran’ i Stefana martioranao, izaho koa dia mba nitsangana teo ka nanaiky sady nitandrina ny fitafian’ izay namono azy.
21 主我に曰ひけるは、往け、汝を遠く異邦人に遣はすべし、と。
Ary hoy Izy tamiko: Mandehana, fa Izaho haniraka anao handeha lavitra any amin’ ny jentilisa.
22 人々此言まで聴きけるが、是に至りて聲張揚げ、斯る者を地上より取除けよ、活くるに足らず、と謂ひて、
Ary ny olona nihaino azy hatramin’ izany teny izany, dia nanandratra ny feony ka nanao hoe: Esory amin’ ny tany ilehio, fa tsy tokony hovelomina izy!
23 叫びつつ衣服を脱棄て、且空中に塵を投飛しければ、
Ary raha niantso sy niala lamba ary nanipy vovoka ho amin’ ny rivotra izy,
24 千夫長命じてパウロを兵営に牽入れしめ、又人々が彼に對して斯くまでに叫ぶことの何故なるかを知らんとて、鞭たしめ拷問せしめんとせり。
dia nasain’ ny mpifehy arivo ho entina any anati-rova Paoly, ary nasainy hadinina amin’ ny kapoka, mba hahafantarany izay fototry ny nanakoran’ ny olona azy toy izany.
25 然れば人々革紐を以て縛りたるに、パウロ側に立てる百夫長に謂ひけるは、ロマ人にして而も宣告せられざる者を汝等が鞭つこと可きか、と。
Ary raha namatotra azy tamin’ ny kofehy hoditra izy, dia hoy Paoly tamin’ ny kapiteny izay hitsangana teo: Mety aminareo va ny mikapoka lehilahy Romana izay tsy mbola nohelohina?
26 百夫長之を聞きて千夫長に近づき、告げて、汝如何にせんとするぞ、此人はロマの公民なる者を、と云ひしかば、
Ary ny kapiteny, nony nahare, dia lasa nilaza tamin’ ny mpifehy arivo ka nanao hoe: Inona izao hataonao izao? fa Romana io lehilahy io.
27 千夫長近づきてパウロに謂ひけるは、我に告げよ、汝はロマ人なりや、と。パウロ、然り、と云ひしに、
Dia nankeo aminy ny mpifehy arivo ka nanao taminy hoe: Lazao amiko: Romana va ianao? Dia hoy izy: Eny.
28 千夫長、我は大金を以て此公民権を得たり、と答へしかばパウロ、我は尚生れながらにして然り、と云へり。
Ary ny mpifehy arivo namaly hoe: Vola be no nahazoako izany voninahitra izany. Fa hoy Paoly: Izaho kosa efa nanana izany hatry ny fony vao teraka.
29 是に於て拷問せんとせし人々忽ち立去り、千夫長も亦、其ロマ公民たる事を知りて後は、之を縛りたるが為に懼れたり。
Dia nandao azy faingana ireo olona efa hanadina azy; ary ny mpifehy arivo natahotra koa, rehefa nahalala azy fa Romana, satria efa nampamatotra azy izy.
30 第六項 パウロ衆議所に出頭しカイザリアへ護送せらる 翌日パウロがユデア人に訴へらるる所以を尚詳しく知らんとて、千夫長は其縲絏を釈き、命じて司祭等と全議會とを招集し、パウロを牽出して其前に立たしめたり。
Ary nony ampitso, satria ta-hahafantatra marina izay niampangan’ ny Jiosy azy ny mpifehy arivo, dia namaha azy, ary nasainy niangona ny lohan’ ny mpisorona sy ny Synedriona rehetra, ary Paoly nentiny nidina ka nampitoeriny teo anatrehany.

< 使徒の働き 22 >