< 使徒の働き 17 >

1 其よりアンフィポリとアポロニアとを経てテサロニケに至りしが、此處にユデア人の會堂ありければ、
Ary rehefa nandeha namaky an’ i Amfipolia sy Apolonia izy, dia tonga tao Tesalonika, ary nisy synagogan’ ny Jiosy tao.
2 パウロ例によりて彼等の中に入り、三の安息日に亘りて、聖書に就きて弁論し、
Ary Paoly dia niditra tao araka ny fanaony; ary Sabata telo no niadiany hevitra avy amin’ ny Soratra Masìna tamin’ ny olona tao.
3 キリストが必ず苦しみて死者の中より復活すべかりし事と、我が汝等に告ぐるイエズスがキリストたる事とを説きて論證したるに、
Dia nanambara izy ka naneho marimarina fa tsy maintsy nijaly sy nitsangana tamin’ ny maty Kristy; ary Jesosy, Izay toriko aminareo, hoy izy, no Kristy.
4 其中の或人々、及び神を尊べる數多のギリシア人、其他貴婦人等も少からず承服して、パウロとシラとに属けり。
Ary ny sasany tamin’ ireo dia nino ka nanampy ho isan’ ny mpianatr’ i Paoly sy Silasy, ary maro be koa tamin’ ny jentilisa izay mpivavaka, ary tsy vitsy tamin’ ny vehivavy nanan-kaja.
5 然るにユデア人妬を起して、無頼漢の中より數人の惡者を手に属け、人々を招集して市中を騒がし、又ヤソンの家を圍みてパウロとシラとを人民の前に引出さんと努めたりしが、
Fa nialona ny Jiosy ka naka olona ratsy fanahy teny an-tsena ary nahavory vahoaka betsaka, dia nampitabataba ny tanàna ka namely ny tranon’ i Jasona ary nitady hamoaka azy roa lahy ho ao amin’ ny olona.
6 彼等を見付け得ず、ヤソンと數人の兄弟とを市の吏員の許に引行きて、天下を覆したる彼人々此處にも來れるを、
Ary raha tsy nahita azy roa lahy izy, dia nisarika an’ i Jasona sy ny rahalahy sasany ho ao amin’ ny lehiben’ ny tanàna ka niantso mafy hoe: Tongay koa ireo lehilahy namadika izao tontolo izao ireo;
7 ヤソンが承容れて、一同にイエズス[と云ふ]王別に在りと稱へ、セザルの勅令に逆らふなり、と叫びつつ、
ary efa nampandrosoin’ i Jasona izy, ka izy rehetra ireo manohitra ny tenin’ i Kaisara, satria izy milaza fa misy mpanjaka hafa, dia Jesosy.
8 人民と之を聞ける市の吏員とを煽動し、
Dia taitra ny vahoaka sy ny lehiben’ ny tanàna, raha nahare izany.
9 ヤソン及び其他の人々より保證金を受けて之を赦せり。
Ary rehefa nasainy nametraka antoka Jasona sy ny sasany teo aminy, dia navelany handeha izy.
10 然て兄弟等直に、パウロとシラとを夜の中にベレアへ送りしかば、彼等其處に着きてユデア人の會堂に入りしが、
Ary Paoly sy Silasy dia nampandehanin’ ny rahalahy niaraka tamin’ izay nony alina hankany Beria; koa raha tonga tany izy, dia niditra tao amin’ ny synagogan’ ny Jiosy.
11 此處の人々はテサロニケに在る者等よりは、高尚にして、熱心に言を承け、此事果して然りや否やと、日々聖書を調べ居たり。
Ary ny toe-panahin’ ireo dia tsara noho ny tao Tesalonika; satria nandray ny teny tamin’ ny zotom-po indrindra ireo ka nandinika ny Soratra Masìna isan’ andro, na marina izany, na tsia.
12 斯て其中に信じたる人多く、ギリシアの貴婦人にも男子にも其數少からざりき。
Koa maro tamin’ ireo no nino, ary tsy vitsy tamin’ ny vehivavy jentilisa nanan-kaja sy ny lehilahy.
13 然る程にテサロニケに在るユデア人、ベレアにもパウロによりて神の御言の傳はれるを知り、又此處に來りて、群集を煽動して騒がししかば、
Fa raha ren’ ny Jiosy tany Tesalonika fa Paoly nitory ny tenin’ Andriamanitra tany Beria, dia nankany izy ka nampikotrana sy nampitabataba ny vahoaka.
14 兄弟等即時にパウロを海辺に至らしめ、シラとチモテオとはベレアに留れり。
Ary niaraka tamin’ izay dia nasain’ ny rahalahy nandeha hatrany amoron-dranomasina Paoly; fa Silasy sy Timoty kosa dia mbola nijanona teo ihany.
15 パウロを案内せる人々はアデンスまで送行きしが、シラとチモテオとに成るべく速に我許に來れとの命を、パウロより受けて立歸れり。
Ary izay nanatitra an’ i Paoly dia nitondra azy nankany Atena; ary rehefa nahazo teny holazainy amin’ i Silasy sy Timoty izy mba hankanesan’ izy roa lahy any aminy faingana, dia lasa nandeha ireo.
16 パウロアデンスに在りて彼等を待てる間、此都會の偶像崇拝に耽るを見て憤激し、
Ary raha niandry azy tany Atena Paoly, dia taitra tao anatiny ny fanahiny, raha nahita ny tanàna feno sampy izy.
17 會堂にてはユデア人及びユデア教に歸依せし人々と論じ、市場にても居合せたる人々と日毎に論じ居たり。
Ary izy niady hevitra tamin’ ny Jiosy sy ny proselyta tao amin’ ny synagoga sy tamin’ izay tafavory tany an-tsena isan’ andro.
18 時にエピクリアン及びストイック派の哲學者數人、之と論じ合ひけるが、或人は、此囀人は何を云ふ者ぞ、と云ひ、或人は、彼は新しき鬼神を告ぐる者の如し、と云ひ居たり、是パウロがイエズスと復活との福音を彼等に告ぐればなり。
Ary ny olon-kendry sasany tamin’ ny Epikoreana sy ny Stoika nanohitra azy koa, ka hoy ny sasany: Inona no tian’ io mpibedibedy io holazaina? Ary hoy kosa ny sasany: Toa mitory andriamani-baovao izy, satria Jesosy sy ny fitsanganan’ ny maty no notoriny.
19 斯てパウロをアレオパグに連行きて云ひけるは、汝が説ける此新しき教は如何なるものぞ、我等之を知ることを得べきか、
Ary ireo naka azy, dia nitondra azy ho any Areopago ka nanao hoe: Moa mba mahazo mahafantatra izany fampianarana vaovao lazainao izany izahay?
20 即ち汝は何等かの新しき事を我等の耳に入るるが故に、我等は其何事なるかを知らんと欲するなり、と。
Fa mampandre ny sofinay zavatra hafahafa izay tsy fantatray ianao; koa tianay ho fantatra izay hevitr’ izany zavatra izany.
21 蓋アデンス人も寄留人も皆、唯耳新しき何事かを、或は言ひ或は聞きて日を送る者なりき。
(Fa ny Ateniana rehetra sy ny vahiny izay nitoetra teo tsy nandany ny androny tamin’ ny zavatra hafa, afa-tsy ny hilaza na hihaino zava-baovao.)
22 其時パウロアレオパグの中央に立ちて云ひけるは、アデンス人よ我は汝等が萬事に於て宗教心の甚だ厚きが如きを認む。
Ary Paoly nitsangana teo afovoan’ i Areopago ka nanao hoe: Ry lehilahy Ateniana, hitako fa amin’ ny zavatra rehetra dia fatra-pivavaka amin’ ny andriamanitrareo indrindra ianareo.
23 即ち通りがけに、熟汝等の禮拝物を見て、知れざる神に[献ぐ]、と記せる祠をも見付けたればなり。然れば我汝等が知らずして尊べる其者をば汝等に告げん。
Fa raha nandeha aho ka nandinika izay zavatra ivavahanareo, dia nahita alitara anankiray misy izao soratra izao: HO AN’ IZAY ANDRIAMANITRA TSY FANTATRA. Koa izay ivavahanareo, kanefa tsy fantatrareo, dia izany no toriko aminareo,
24 世界と其中に在る一切の物とを造り給へる神は、天地の主にて在せば、手にて造れる宮には住み給はず、
dia Andriamanitra Izay nanao izao tontolo izao sy ny ao aminy rehetra, Izy no Tompon’ ny lanitra sy ny tany ka tsy mba mitoetra ao anaty tempoly nataon-tanana,
25 御自萬物に生命と呼吸と一切の事とを賜へば、何等の乏しき所あるものの如く、人手にて事へらるる者に非ず、
sady tsy mba tompoin’ ny tànan’ olona toa mila zavatra, fa Izy ihany no manome izao rehetra izao aina sy fofon’ aina ary ny zavatra rehetra;
26 一人よりして地の全面に住ふまでに人類を造為し給ひ、季節と住居の界とを定め給へるは、
ary ny firenena rehetra avy amin’ ny iray ihany dia namponeniny ambonin’ ny tany rehetra, ary efa notendreny ny fotoan’ andro sy ny faritry ny fonenany,
27 是人をして神を求め、或は探出さしめん為なり。然れども彼は、我等面々を離れ給ふ事遠からず、
mba hitady an’ Andriamanitra izy, raha tàhiny hahatsapa ka hahita Azy, kanefa tsy mba lavitra antsika rehetra Izy;
28 蓋彼に在りてこそ、我等は且活き且動き且存在するなれ。汝等が詩人の誰彼も、我等も亦彼が裔なり、と云へるが如し。
fa Izy no ivelomantsika sy ihetsehantsika ary iainantsika; araka ny nataon’ ny mpanao tonon-kira sasany teo aminareo hoe: Fa terany koa isika.
29 斯く我等は神の裔なれば、神を金、或は銀、或は石、即ち芸術及び人の想像に由れる彫刻に似たる者と思ふべからず。
Ary satria terak’ Andriamanitra isika, dia tsy mety raha ny fomban’ Andriamanitra no ataontsika ho tahaka ny volamena, na volafotsy, na vato voasoratry ny fahaizana aman-tsain’ olombelona.
30 神は斯る蒙昧の時代を見過し給ひて、今人に向ひて、何處にても悉く改心すべしと命じ給ふ。
Ary Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron’ ny tsi-fahalalana; fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin’ izao tontolo izao hibebaka,
31 蓋日を期し給ひて、其日自ら立て給ひし一個の人、即ち之を死者の中より復活せしめて萬民の前に保證し給ひたる一人を以て、世界を義に從ひて審かんとし給ふなり、と。
satria Izy efa nanendry andro iray, izay hitsarany izao tontolo izao amin’ ny fahamarinana amin’ ny alalan’ ny Lehilahy iray voatendriny, koa efa nanome vavolombelona hampino ny olona rehetra izany Izy tamin’ ny nananganany Azy tamin’ ny maty.
32 死者の復活と聞きて、或人々は、嘲笑ひ、或人々は、我等の事に就きて復汝に聴かん、と云へり。
Ary raha nahare ny amin’ ny fitsanganan’ ny maty izy, dia nihomehy ny sasany; ary ny sasany kosa nanao hoe: Mbola hihaino anao indray izahay ny amin’ izany zavatra izany.
33 斯てパウロは、彼等の中より立去りしが、
Ary Paoly dia niala teo aminy.
34 之に從ひて信仰せる者數人あり。其中にアレオパグの裁判官ジオニジオ、ダマリスと云へる婦人、其他尚ありき。
Anefa ny olona sasany niray taminy ka nino; mba naman’ izany Dionysio Areopagita sy ny vehivavy anankiray atao hoe Damary ary ny sasany koa.

< 使徒の働き 17 >