< テサロニケ人への手紙第一 2 >

1 第一項 テサロニケに於るパウロの布教 兄弟等よ、我が汝等の中に入りし事の空しからざりしは、汝等自ら之を知れり。
Fa ny tenanareo, ry rahalahy, dia mahalala fa tsy foana ny fidiranay tatỳ aminareo;
2 即ち汝等の知れる如く、我等は曾てフィリッピに於て苦められ、辱を受けたりしも、我神に信頼し奉りて、種々の争の中に、敢て神の福音を汝等に宣べたるなり。
fa rehefa nampahorina sy nisetrasetrana tany Filipy izahay teo aloha, tahaka ny fantatrareo ihany, dia sahy tao amin’ Andriamanitray izahay hiteny taminareo ny filazantsaran’ Andriamanitra, na dia be aza ny fanoherana.
3 蓋我等の勧は迷にも穢にも欺にもよる事なく、
Fa ny fananaranay dia tsy avy amin’ ny fitaka, na ny fahalotoana, na ny soloky.
4 人の心を迎へんとするが如くにせず、我等の心を認め給ふ神の御旨に適はんとて、神より認められて福音を托せられ奉りし儘に語る。
Fa tahaka ny nankasitrahan’ Andriamanitra anay, ka notolorana ny filazantsara ho adidinay izahay, dia araka izany koa no itenenanay, tsy toy ny mila sitraka amin’ olona, fa amin’ Andriamanitra, Izay mizaha toetra ny fonay.
5 又我等が諂諛の言を曾て用いし事なきは汝等の知れる所にして、之を口實として貪りし事なきは神の證し給ふ所なり。
Fa tsy nanao teny mandrobo akory izahay na oviana na oviana, tahaka ny fantatrareo ihany, na nihatsaravelatsihy hanafina fieremana (Andriamanitra no vavolombelona);
6 又我等は人に、即ち汝等にも他人にも、名誉を求めず、
ary tsy nitady voninahitra tamin’ olona izahay, na taminareo, na tamin’ ny sasany, na dia nanam-pahefana hahavaky tratra aza izahay, araka izay mah’ Apostolin’ i Kristy anay.
7 キリストの使徒として汝等に重んぜらるるを得たれども、汝等の中にては子兒の如くに成りて、恰も、乳母が其子兒を愛育する如くなりき。
Fa nalemy fanahy teo aminareo izahay, tahaka ny reny mitaiza ny zanany naterany,
8 斯く汝等を戀慕ひて汝等は我至愛の者と成りたれば、我等は神の福音のみならず、生命をも汝等に與へんことを切に望み居れり。
dia toy izany no nahazoto anay, noho ny fitiavanay anareo indrindra; hanome anareo, tsy ny filazantsaran’ Andriamanitra ihany, fa ny ainay koa aza, satria efa malalanay ianareo.
9 蓋兄弟等よ、汝等は我等の勞苦を記憶せり、汝等の一人をも煩はさざらん為に、我等は晝夜勞働して、汝等の中に神の福音を宣傳へたり。
Fa tsaroanareo, ry rahalahy, ny fikelezanay aina sy ny fisasaranay; fa niasa andro aman’ alina, mba tsy hahavaky tratra na dia olona iray akory taminareo aza, no nitorianay ny filazantsaran’ Andriamanitra taminareo.
10 我等が如何に聖にして且正しく且咎なく、信じたる汝等に對したるかは、汝等も之を證し、神も亦之を證し給ふ所、
Hianareo no vavolombelona ary Andriamanitra koa fa masìna sy marina ary tsy nanan-tsiny tokoa ny fitondran-tenanay teo imasonareo izay mino,
11 又我が如何に父の子等に於る如く、汝等の各に對ひて、
toy ny fantatrareo fa tahaka ny ray amin’ ny zanaka no namporisihanay sy nampiononanay anareo isam-batana sy nananaranay mafy anareo,
12 其御國と光榮とに汝等を召し給へる神に相應しく歩まんことを勧め、且奨励し、且希ひしかは、汝等の知る所なり。
mba handehananareo miendrika an’ Andriamanitra, Izay miantso anareo ho amin’ ny fanjakany sy ny voninahiny.
13 故に又汝等が、神の御言を我等に聞きし時、之を以て人の言と為ず、事實然あるが如く、信じたる汝等の中に働き給ふ神の御言として受けし事を、絶えず神に感謝し奉るなり。
Ary noho izany izahay koa dia tsy mitsahatra misaotra an’ Andriamanitra, satria rehefa nandray ny tenin’ Andriamanitra izay notorinay ianareo, dia tsy noraisinareo ho tenin’ olona, fa araka izay marina, dia ny tenin’ Andriamanitra, izay miasa anatinareo izay mino koa.
14 蓋兄弟等よ、汝等はユデアに於てキリスト、イエズスに在る神の諸教會の例に從へる者と成れり、其は彼等がユデア人より受けし如き苦を、汝等も同邦人より受けたればなり。
Fa ianareo, ry rahalahy, dia efa tahaka ny fiangonan’ Andriamanitra any Jodia izay amin’ i Kristy Jesosy; fa ny nanjo anareo noho ny nataon’ ny iray firenena aminareo dia sahafa amin’ ny nanjo ireo koa noho ny nataon’ ny Jiosy taminy,
15 ユデア人は主イエズスをも預言者等をも殺し、又我等を迫害したるに、尚神の御意に適はず、衆人に敵對し、
izay namono an’ i Jesosy Tompo sy ny mpaminany koa ary nandroaka anay sady tsy manao ny sitrapon’ Andriamanitra ary manohitra ny olona rehetra,
16 我等が異邦人に救を得させんとて語る事を拒み、斯の如くにして常に己が罪を満たす、然れど神の御怒は彼等の上に及びて其極に至れり。
ka mandrara anay tsy hitory amin’ ny jentilisa mba tsy hamonjena ireny, mba hameno ny fahotan’ ny tenany mandrakariva; kanjo efa niharan’ ny fahatezerana hatramin’ ny farany izy.
17 第二項 パウロがテサロニケを離れし以後の事實 兄弟等よ、我等は外見上暫時汝等を離れしも、心は離れず、一層早く汝等の顔を見ん事を切望せり。
Ary izahay, ry rahalahy, rehefa tafasaraka taminareo vetivety foana tamin’ ny fanatrehana, fa tsy tamin’ ny fo, dia vao mainka nitady sy naniry fatratra hahita ny tavanareo.
18 即ち我等は汝等に至らんとし、特に我パウロは一度も二度も然したれど、サタンは我等を妨げたり。
Koa naniry hankany aminareo indray mandeha amana indroa izahay, dia izaho Paoly; nefa nosakanan’ i Satana izahay.
19 蓋我等の希望、或は喜、或は誇るべき冠は何ぞ、我主イエズス、キリストの降臨の時、御前に於て汝等も其なるに非ずや、
Fa inona moa no fanantenanay, na fifalianay, na satro-boninahitra reharehanay? Moa tsy ianareo eo anatrehan’ i Jesosy Tompontsika amin’ ny fihaviany va?
20 其は汝等は實に我等の光榮にして且喜なればなり。
Fa ianareo no voninahitray sy fifalianay.

< テサロニケ人への手紙第一 2 >