< テサロニケ人への手紙第一 1 >

1 パウロ、シルヴァノ及びチモテオ、神にて在す父及び主イエズス、キリストに在るテサロニケ人の教會に[書簡を贈る]。
Paoly sy Silasy ary Timoty mamangy ny fiangonan’ ny Tesaloniana, izay ao amin’ Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo: ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana.
2 願はくは恩寵と平安とを汝等に賜はらんことを。我等は常に汝等一同の為に神に感謝し奉り、祈祷の中に汝等を記念して、
Misaotra an’ Andriamanitra mandrakariva izahay ny aminareo rehetra ka manonona anareo amin’ ny fivavahanay,
3 絶間なく我父にて在す神の御前に於て、汝等の信仰の業と、愛の勞苦と、我主イエズス、キリストに於る希望の不退転なる事とを記憶す。
sady tsy mitsahatra mahatsiaro ny asanareo amin’ ny finoana sy ny fikelezanareo aina amin’ ny fitiavana ary ny faharetanareo amin’ ny fanantenana an i Jesosy Kristy Tompontsika eo imason’ Andriamanitra Raintsika;
4 神に愛せられ奉る兄弟等よ、我等は汝等が選まれし次第を知れり。
fa fantatray, ry rahalahy malalan’ Andriamanitra, ny fifidianana anareo,
5 即ち我等の福音は、汝等に於て唯言のみに止らず、能力及び聖霊によりて全き確信を獲たりき、我等が汝等の中に在りて、汝等の為に如何なる者なりしかは、汝等の知れる所の如し。
fa ny filazantsaranay tsy tonga teo aminareo tamin’ ny teny ihany, fa tamin’ ny hery koa sy ny Fanahy Masìna ary ny fahatokiana be, araka ny ahafantaranareo izay toetry ny fitondran-tenanay teo aminareo noho ny aminareo.
6 汝等も亦大いなる患難に在りながら、聖霊の喜を以て言を受けて、我等と主とを學ぶ者と成り、
Ary ianareo efa nanahaka anay sy ny Tompo, satria nandray ny teny tamin’ ny fahoriana be mbamin’ ny hafaliana avy amin’ ny Fanahy Masìna,
7 マケドニア[州]及びアカヤ[州]に於る一切の信者の模範たるに至れり。
ka dia tonga fianarana ho an’ ny mino rehetra any Makedonia sy Akaia ianareo.
8 蓋主の御言は、汝等よりしてマケドニア及びアカヤに響きしのみならず、神に於る汝等の信仰[の風評]何處にも行渡りたれば、我等は何事をも言ふを要せず、
Fa avy taminareo no nanenoan’ ny tenin’ ny Tompo, tsy tany Makedonia sy Akaia ihany, fa teny tontolo eny no nielezan’ ny lazan’ ny finoanareo an’ Andriamanitra, ka dia tsy misy holazainay intsony.
9 即ち彼等自ら我々の事を語り、我等が汝等の中に入りし次第、又汝等が偶像を去りて神に歸依し、活き給へる眞の神に事へ奉り、
Fa ireny ihany no milaza ny aminay, dia izay fidirana azonay ho atỳ aminareo sy ny nialanareo tamin’ ny sampy hiverenana amin’ Andriamanitra mba hanompo an’ Andriamanitra velona sy marina,
10 死者の中より復活せしめ給ひし其御子、即ち來る怒より我等を救ひ給ひしイエズスの、天より降り給ふを待てる次第を吹聴するなり。
ary mba hiandry ny Zanany avy any an-danitra, Izay natsangany tamin’ ny maty, dia Jesosy, izay Mpanafaka antsika amin’ ny fahatezerana ho avy.

< テサロニケ人への手紙第一 1 >