< コロサイ人への手紙 1 >

1 神の思召によりてイエズス、キリストの使徒たるパウロ、及び兄弟チモテオ、
Paoly, Apostolin’ i Kristy Jesosy noho ny sitrapon’ Andriamanitra, ary Timoty rahalahy,
2 コロサイに於てキリスト(イエズス)に在る聖徒、及び忠信なる兄弟等に[書簡を贈る]。
mamangy ny olona masìna any Kolosia, dia ny rahalahy mahatoky ao amin’ i Kristy: ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ Andriamanitra Raintsika.
3 願はくは我父にて在す神、及び主イエズス、キリストより、汝等に恩寵と平安とを賜はらん事を。
Misaotra an’ Andriamanitra, Rain’ i Jesosy Kristy Tompontsika, izahay amin’ ny fangatahanay mandrakariva ho anareo,
4 第一款 コロサイ人の為に感謝し祈祷す 第一編 教理の部 第一項 キリスト及び其事業 我等キリスト、イエズスに於る汝等の信仰と凡ての聖徒に對する愛情とを聞きて、常に汝等の為に祈りて、我主イエズス、キリストの父にて在す神に感謝し奉る。
rehefa renay ny finoanareo an’ i Kristy Jesosy sy ny fitiavanareo ny olona masìna rehetra,
5 是天に於て汝等の為に備へられ、曾て汝等が福音の眞理の言の中に聞きし希望の故なり。
noho ny fanantenana izay tehirizina any an-danitra ho anareo, dia ilay efa renareo fahiny tamin’ ny tenin’ ny fahamarinan’ ny filazantsara,
6 汝等に至れる福音は、果を世界に結びて傳播しつつある事、猶汝等が眞理に從ひて神の恩寵を聞き且識りし日より汝等の中に於て在りしが如し。
izay efa mby eo aminareo, tahaka ny eny amin’ izao tontolo izao koa, sady vokatra sy mitombo tahaka ny eo aminareo koa hatramin’ ny andro nandraisanareo sy nahalalanareo tsara ny fahasoavan’ Andriamanitra araka ny marina;
7 汝等之を至愛なる我等の同輩エパフラより學びたるが、彼は汝等の為にキリスト、イエズスの忠信なる役者にして、
tahaka ny efa renareo tamin’ i Epafra, mpanompo namanay sady malala, izay mpanompon’ i Kristy mahatoky ho anay,
8 [聖]霊によれる汝等の愛情を我等に告げたり。
sady efa nanambara taminay koa ny fitiavanareo ao amin’ ny Fanahy.
9 故に我等も亦之を聞きし其日より、汝等の為に祈りて止まず、以て汝等が[聖]霊によれる凡ての智恵と悟とによりて、神の御旨を知る[の知識]に満たされん事を求め奉る。
Ary noho izany izahay koa hatramin’ ny andro nandrenesanay dia tsy mitsahatra mivavaka sy mangataka ho anareo, mba hofenoina fahalalana tsara ny sitrapony ianareo amin’ ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina rehetra avy amin’ ny Fanahy,
10 是汝等が主に相應しく歩み、萬事につけて御意に合ひ、凡ての善業に於て果を結び、神[を識る]の知識を増し、
mba handehananareo miendrika ny Tompo, hanaovana ny sitrapony amin’ ny zavatra rehetra, dia mahavokatra amin’ ny asa tsara rehetra sady mitombo amin’ ny fahalalana tsara an’ Andriamanitra,
11 其光榮ある全能に從ひて凡ての力を加へられ、喜を以て凡ての事に辛抱し堪忍し、
ary ampahatanjahina amin’ ny hery rehetra araka ny herin’ ny voninahiny ho amin’ ny faharetana rehetra sy ny fandeferana amin’ ny hafaliana,
12 神にて在す父に感謝し奉ることを得ん為なり。其は忝くも我等を以て、聖徒等と共に榮光を蒙るに足るべき者と為し給ひ、
ka misaotra ny Ray, Izay nampahamendrika antsika hanana anjara amin’ ny lovan’ ny olona masìna eo amin’ ny mazava,
13 暗黒の権威より救出して最愛なる御子の國に移し給ひ、
sady nahafaka antsika tamin’ ny fahefan’ ny maizina ka namindra antsika ho amin’ ny fanjakan’ ny Zanany malalany,
14 我等其御子に在りて、御血を以て贖はれ、罪の赦しを得ればなり。
Izay ananantsika fanavotana, dia ny famelana ny helotsika.
15 第二款 キリスト及び其事業は広大にして無比なり 御子は即ち見え給はざる神の御姿にして、一切の被造物に先だちて生れ給ひし者なり。
Izy no endrik’ Andriamanitra tsy hita, ny Lahimatoa talohan’ izao zavatra ary rehetra izao;
16 蓋萬物は彼に於て造られ、天にも地にも見ゆるもの、見えざるもの、或は玉座、或は主権、或は権勢、或は能力、皆彼を以て且彼の為に造られ、
fa tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy etỳ ambonin’ ny tany, dia ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana, na fanjakana, na fanapahana, na fahefana, Izy no nahariana ny zavatra rehetra, sady ho Azy izany;
17 御自らは萬物に先だちて在し、萬物は彼の為に存す。
ary Izy no talohan’ ny zavatra rehetra, sady ao aminy no aharetan’ ny zavatra rehetra.
18 彼は又其體なる教會の頭にて在す、蓋原因に在して其死者の中より先んじて生れ給ひしは、萬事に於て自ら先んずる者と成り給はん為なり、
Ary Izy no Lohan’ ny tena, dia ny fiangonana; Izy no voalohany, dia ny Lahimatoa tamin’ ny maty, mba ho Lohany amin’ ny zavatra rehetra Izy.
19 其は充満せる徳を全く彼に宿らしめ、
Fa sitraky ny Ray ho ao aminy no hitoeran’ ny fahafenoana rehetra,
20 彼を以て萬物を己と和睦せしめ、其十字架の血を以て地に在るものをも天に在るものをも和合せしむる事の、御意に適ひたればなり。
sady Izy no hampihavanany ny zavatra rehetra aminy, ka dia ny ràny teo amin’ ny hazo fijaliana no nanaovany fampihavanana ― eny, Izy, hoy izaho, no fampihavanana izany, na ny etỳ ambonin’ ny tany, na ny any an-danitra.
21 汝等も曾て惡業によりて神に遠ざかり、心より其仇となりしを、
Ary ianareo, izay olon-ko azy fahiny sy fahavalo tamin’ ny sainareo noho ny fanaovan-dratsy, no efa nampihavaniny ankehitriny
22 神は今御子の肉體に於て其死によりて己と和睦せしめ、聖にして汚なく罪なき者たらしめ、以て御前に供へんとし給へり。
tao amin’ ny tenan’ ny nofony, tamin’ ny fahafatesana, mba hatolony ho masìna sady tsy hanan-tsiny amam-pondro eo anatrehany,
23 汝等若確乎として信仰に基き、福音に於る希望より動かされずば、當に然あるべし。此福音は、汝等之を聞き、普く天下一切の人に宣べられしが、我パウロは其役者と為られたるなり。
raha maharitra amin’ ny finoana ianareo ka mafy orina sady tafatoetra ary tsy mety hafindra hiala amin’ ny fanantenana avy amin’ ny filazantsara, izay efa renareo sady notorina eny ambanin’ ny lanitra rehetra eny; ary izany no nanaovana ahy Paoly ho mpanompo.
24 我今汝等の為に苦むを喜ぶ、又キリストの御苦の缺けたる所を、御體なる教會の為に我が肉體に於て補ふなり。
Ankehitriny dia mifaly amin’ ny fiaretako ho anareo aho, ary mahatanteraka ao amin’ ny nofoko izay tsy vita tamin’ ny fahorian’ i Kristy ho an’ ny tenany, dia ny fiangonana,
25 我が教會の役者と為られたるは、汝等の為に神より賜はりたる務に由れり、是神の御言、即ち世々代々に隠れ來りて、
izay nanaovana ahy ho mpanompo araka ny fitondran’ Andriamanitra nomena ahy ho anareo, hahatanteraka ny fitoriana ny tenin’ Andriamanitra,
26 今や其聖徒等に顕れたる奥義を、具に傳へん為なり。 (aiōn g165)
dia ny zava-miafina, ilay voàfina hatramin’ ny fahagola sy ny taranaka maro, fa voaseho ankehitriny amin’ ny olony masìna, (aiōn g165)
27 此奥義とは光榮の希望にして、汝等に在すキリスト是なり、此奥義の異邦人に及ぼしたる光榮の富の如何を知らしむるは神の御意なり。
izay efa tian’ Andriamanitra ho nampahafantarina ny haren’ ny voninahitr’ ity zava-niafina ity any amin’ ny jentilisa, dia Kristy ao anatinareo, Izay fanantenana ny voninahitra;
28 我等は之を宣べ傳へ、凡ての知識に從ひて、凡ての人を誡め凡ての人に教ふ、是凡ての人をしてキリスト、イエズスに於て完全にならしめんが為なり。
Izy no torinay, ka samy anarinay sy ampianarinay amin’ ny fahendrena rehetra ny olona rehetra, mba samy hatolotray ho tanteraka ao amin’ i Kristy izy rehetra.
29 我が現に勞苦して、我に於て強く働ける彼の勢力に應じて戰ひつつあるは是が為なり。
Ary ny hahatanteraka izany no ikelezako aina koa sy iezahako fatratra araka ny fiàsan’ ny herin’ ilay miasa mahery ato anatiko.

< コロサイ人への手紙 1 >