< コロサイ人への手紙 2 >

1 第二項 偽教師に對する論難 我は我が汝等とラオジケアに在る人々と、又未だ我肉身の顔を見ざる一切の人との為に、戰ふ事の如何ばかりなるかを、汝等の知らん事を欲す。
Fa tiako ho fantatrareo ny hamafin’ ny fiezahako ho anareo sy izay any Laodikia mbamin’ izay rehetra tsy mbola nahita ny tavako amin’ ny nofo,
2 是其心慰められ、愛を以て繋がれ、全き智識の諸の富に満たされて、父にて在す神、及びキリスト、イエズスの奥義を識るに至らん為にして、
mba hampifalina ny fony amin’ ny ampiraisana azy amin’ ny fitiavana sy ho amin’ ny haren’ ny fahatokiana be avy amin’ ny fahazavan-tsaina, ho amin’ ny fahalalana tsara ny zava-miafina izay an’ Andriamanitra, dia Kristy,
3 智識及び學識の諸の寳、彼に隠れて存すればなり。
Izay iafenan’ ny rakitry ny fahendrena sy ny fahalalana rehetra.
4 我が之を言ふは、誰も巧みなる談話を以て汝等を欺く事なからん為なり。
Ary izany no lazaiko, fandrao hisy hampahadiso hevitra anareo amin’ ny teny toa marina.
5 蓋我肉體にては不在なれども、精神にては汝等と共に居り、汝等の秩序とキリストに於る信仰の堅固なるとを見て之を喜ぶ。
Fa na dia tsy manatrika anareo amin’ ny nofo aza aho, dia manatrika anareo ihany amin’ ny fanahy ka mifaly sy mijery ny filaminanareo sy ny tsi-fiovan’ ny finoanareo an’ i Kristy.
6 然れば汝等主イエズス、キリストを承けしが如く之に在りて歩み、
Koa tahaka ny nandraisanareo an’ i Kristy Jesosy Tompo, dia mandehana ao aminy araka izany koa,
7 之に根ざし之が上に建てられて、學びしが如く信仰に固まり、之に成長して感謝し奉れ。
ka mamaka tsara sy miorina mafy ao aminy ary tafatoetra amin’ ny finoana, toy ny efa nampianarana anareo, ka mazoto amin’ ny fisaorana.
8 空しき虚言なる哲學を以て誰にも欺かれざる様注意せよ、其は人間の傳と世の小學とに由るものにして、キリストに由るものに非ず。
Tandremo fandrao misy mahalasa anareo ho babony amin’ ny filosofia sy ny famitahana foana, araka ny fampianarana voatolotry ny razana, araka ny abidim-pianaran’ izao tontolo izao, fa tsy araka an’ i Kristy.
9 蓋神性は殘なく實體的にキリストの中に充満ちて宿れるなり。
Fa ao amin’ ny tenany no itoeran’ ny fahafenoan’ ny fomban’ Andriamanitra rehetra;
10 彼は諸の権勢及び能力の頭にて在す、汝等之に在りて充満し、
ary ianareo dia tanteraka ao aminy, sady Izy no Lohan’ ny fanapahana sy ny fahefana rehetra,
11 又之に於て割禮を受けたり。其割禮は手にて為せるものに非ずして、肉身を取除く所のキリストの割禮なり。
ary tao aminy koa no namorana anareo tamin’ ny famorana tsy nataon-tanana, tamin’ ny fanesorana ny tenan’ ny nofo, dia tamin’ ny famoran’ i Kristy;
12 汝等は洗禮を以て彼と共に葬られ、又彼を死者の中より復活せしめ給ひし神の大能を信仰せるを以て、彼によりて復活したるなり。
fa niara-nilevina taminy ianareo tamin’ ny batisa, izay niarahanareo natsangana taminy koa noho ny finoana ny asan’ Andriamanitra, izay nanangana Azy tamin’ ny maty.
13 斯て汝等、罪と肉身の無割禮とによりて死したる者なりしに、神は汝等に悉く罪を赦して、キリストと共に更に活かし給ひ、
Ary ianareo, izay efa matin’ ny fahadisoana sy ny tsi-fiforan’ ny nofonareo, dia novelominy niaraka tamin’ i Kristy, rehefa navelany ny fahadisoantsika rehetra;
14 我等に迫りて我等に反せる誡の書を取消し、之を中間より取去りて十字架に釘け、
ary novonoiny ny sora-tànan’ ny didy izay niampanga antsika; dia nesoriny tsy ho eo mihitsy izany ka nohomboany tamin’ ny hazo fijaliana,
15 [堕落の]権勢及び能力等を剥ぎて敢て之を擒にし、キリストの御身に於て公然是等に打勝ち給へり。
ary nesoriny tsy ho eo amin’ ny tenany ny fanapahana sy ny fahefana, ary noho ny hazo fijaliana dia nasehony miharihary ny fitondrany ireo toy ny fanaon’ izay avy nandresy.
16 然れば食物、或は飲物、或は祭日、或は朔日、或は安息日に関しては、誰にもあれ汝等を咎むべからず、
Koa aza avela hisy hitsara anareo ny amin’ ny fihinana, na ny fisotro, na ny andro firavoravoana, na ny voaloham-bolana, na ny Sabata;
17 是等の事は後に在るべき事の影にして、本體はキリストなり。
aloky ny zavatra ho avy ireny, fa ny tenany dia an’ i Kristy.
18 誰にもあれ、故に謙遜[を装ひ]、天使崇拝を以て汝等の褒美を取るべからず。斯る人は見ざる事に立入りて徒に肉的思念に誇り、
Aza mety hofitahina tsy hahazoanareo ny loka noho ny fanetren-tena haitraitra sy ny fivavahana amin’ ny anjely, ka mitompo amin’ ny zavatra efa hitany sady feno fiavonavonana noho ny fisainan’ ny nofony
19 頭たる者に属せざるなり。全體は此頭よりしてこそ、関節及び繊維を以て組立てられ且聯りて、神によりて成長するなれ。
ka tsy mihazona ny Loha; Izy no itomboan’ ny tena rehetra, izay velomina sy ampiraisina tsara amin’ ny famavany sy ny hozatra, araka ny fampitomboan’ Andriamanitra.
20 汝等若キリストと共に此世の小學に就きて死したる者ならば、何ぞ尚世に在るが如く身を掟に服せしむるや。
Ary raha niara-maty tamin’ i Kristy ianareo ka efa afaka tamin’ ny abidim-pianaran’ izao tontolo izao, nahoana no toa mbola velona amin’ izao tontolo izao ihany ianareo ka mety hodidiana hoe:
21 謂ゆる触るる勿れ、味ふ勿れ、扱ふ勿れの類は、
Aza mandray, aza manandrana, aza manendry ―
22 皆用ふるに随ひて盡くるものにして、人間の誡と教とによれり。
levona amin’ ny fanaovana ihany izany rehetra izany ― araka ny didy sy ny fampianaran’ olona?
23 彼の崇拝、謙遜、身を吝まざる點に於ては、道理めきたるものなれども、其實は尊き事なく、唯肉慾を飽かしむるのみ。
Izany rehetra izany dia ankalazaina ho fahendrena amin’ ny fivavahana haitraitra sy ny fanetren-tena ary ny fampahoriana ny tena, nefa tsy manan-kery akory hahasakana ny fampanaranana ny nofo.

< コロサイ人への手紙 2 >