< コロサイ人への手紙 3 >

1 第一項 信徒一般に関する教訓 然れば汝等、若キリストと共に復活したるならば、上の事、即ち神御右にキリストの坐し居給ふ處の事を求めよ。
Koa raha niara-natsangana tamin’ i Kristy ianareo, dia katsaho ny zavatra any ambony, any amin’ ny itoeran’ i Kristy, Izay mipetraka eo an-tanana ankavanan’ Andriamanitra.
2 地上の事ならで、上の事を慮れ、
Saino ny zavatra any ambony, fa tsy ny zavatra etỳ an-tany.
3 蓋汝等は死したる者にして、其生命は、キリストと共に神に於て隠れたるなり。
Fa efa maty ianareo, ary ny fiainanareo miara-miafina amin’ i Kristy ao amin’ Andriamanitra.
4 我等の生命にて在すキリストの顕れ給ふ時には、汝等も亦彼と共に光榮の中に顕るべし。
Raha hiseho Kristy fiainantsika, dia hiara-miseho aminy koa amin’ ny voninahitra ianareo.
5 故に汝等、地上に於る四肢五體、即ち私通、淫亂、情慾、邪慾及び偶像崇拝なる貪欲を殺すべし、
Koa vonoy ny momba ny tenanareo izay etỳ an-tany, dia fijangajangana, fahalotoana, firehetam-po, fanirian-dratsy ary fieremana, dia fanompoan-tsampy izany;
6 神御怒は、是等の事の為に不信の子等の上に來る。
fa izany zavatra izany no mahatonga ny fahatezeran’ Andriamanitra amin’ ny zanaky ny tsi-fanarahana;
7 汝等も彼等の中に生活せし時は、斯る事の中に歩みたれど、
izany koa no nalehanareo fahiny, fony mbola velona taminy ianareo.
8 今は汝等も是等の一切と、怒、憤、惡心、罵罾とを棄て、猥褻なる談話を其口より棄てよ。
Fa ankehitriny, esory koa izao rehetra izao, dia fahatezerana, fiafonafonana, lolompo, fitenenan-dratsy, teny mahamenatra avy amin’ ny vavanareo.
9 互いに僞る勿れ。舊き人と其業とを脱ぎて、
Aza mifandainga ianareo, fa efa narianareo ny toetra taloha mbamin’ ny asany;
10 新しき人、即ち之を造り給ひしものの御像に肖りて知識に進む様、新になる人を着るべし。
ary efa notafinareo ny toetra vaovao, izay havaozina ho amin’ ny fahalalana tsara araka ny endrik’ izay nahary azy.
11 茲に至りては、異邦人もユデア人も、割禮も無割禮も、夷もシタ人も、奴隷も自由の身もある事なく、唯萬民の中に萬事と成り給へるキリストの在せるのみ。
Fa amin’ izany dia tsy misy jentilisa sy Jiosy, na voafora sy tsy voafora, na barbariana sy Skytiana, na andevo sy tsy andevo, fa Kristy no zavatra rehetra sady amin’ ny rehetra.
12 然れば汝等、神に選まれ奉りたる聖にして且至愛なる者の如く、慈悲の腸、寛仁、謙遜、柔和、堪忍等を身に纏ひて、
Koa mitafia famindram-po sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana, araka ny olom-boafidin’ Andriamanitra sady masìna no malala.
13 互に忍耐し、若人に對して苦情あらば互に宥恕し、主の汝等に赦し給ひし如く、汝等も亦然せよ。
Mifandefera, ka mifamelà heloka ianareo, raha misy manana alahelo amin’ ny sasany; tahaka ny namelan’ ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa.
14 尚此一切の事に加へて愛を有せよ、愛は完徳の結なればなり。
Ary aoka ho ambonin’ izany rehetra izany ny fitiavana, fa fehin’ ny fahatanterahana izany.
15 而して汝等一體としてキリストの平和に召されたれば、其平和をして汝等の心を司らしむべし、汝等も亦感謝し奉れ。
Ary aoka hanapaka ao am-ponareo ny fiadanan’ i Kristy, fa ho amin’ izany no niantsoana anareo ho tena iray; ary aoka ho feno fisaorana ianareo.
16 キリストの御言汝等の中に豊に宿りて、凡ての知識に於て相教へ相勧め、恩寵によりて霊的の詩、讃美歌、歌を以て、心の中に神に謳ふべし。
Aoka ny tenin’ i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo amin’ ny fahendrena rehetra, dia mifampianara ka mifananara amin’ ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, mihira amin’ ny fahasoavana ao am-ponareo ho an’ Andriamanitra.
17 何事を為すも、或は言、或は行、悉く主イエズス、キリストの御名により、之を以て父にて在す神に感謝し奉りつつ為すべし。
Ary na inona na inona no ataonareo, na amin’ ny teny, na amin’ ny asa, dia ataovy amin’ ny anaran’ i Jesosy Tompo izany, ka misaora Andriamanitra Ray amin’ ny alalany.
18 第二項 家庭に関する教訓 妻たる者よ、為すべき如く主に於て夫に從へ。
Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo araka izay mety hatao ao amin’ ny Tompo.
19 夫たる者よ、其妻を愛して彼等に苦かること勿れ。
Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, ary aza sosotra aminy.
20 子たる者よ、萬事に於て親に從へ、是主の御意に適ふが故なり。
Hianareo zanaka, maneke ny ray aman-dreninareo amin’ ny zavatra rehetra; fa ankasitrahana ao amin’ ny Tompo izany.
21 父たる者よ、汝等其子等の怒を買ふ事勿れ、恐らくは落胆せん。
Hianareo ray, aza mampahasosotra ny zanakareo, fandrao mamoy fo izy.
22 奴隷たる者よ、萬事に於て肉身上の主人に從へ、人に喜ばれんとするが如くに、目前のみにて事へず、純朴なる心を以て主を畏れて事へよ。
Hianareo mpanompo, maneke ny tomponareo araka ny nofo amin’ ny zavatra rehetra, tsy amin’ ny fanompoana eo imaso, tahaka ny mpila sitraka amin’ olona, fa amin’ ny fahatsoram-po, matahotra ny Tompo;
23 汝等何事を為すも、人の為にすと思はず、主の為にすと思ひ、
ary na inona na inona no ataonareo, dia ataovy amin’ ny fo, tahaka ny ho an’ ny Tompo, fa tsy ho an’ olona,
24 主より世嗣の報を得べしと覚りて之を心より行へ。主キリストに事へ奉れ、
satria fantatrareo fa ny Tompo no handraisanareo ny lova ho valiny; fa manompo an’ i Kristy Tompo ianareo.
25 蓋不義を為す人は其不義の報を得べし、且神に於ては人に偏り給ふ事あらざるなり。
Fa izay manao ny tsy marina dia handray araka ny tsy marina nataony; fa tsy misy fizahan-tavan’ olona,

< コロサイ人への手紙 3 >