< 出埃及記 36 >

1 「比撒列和亞何利亞伯,並一切心裏有智慧的,就是蒙耶和華賜智慧聰明、叫他知道做聖所各樣使用之工的,都要照耶和華所吩咐的做工。」
Dia hiasa Bezalila sy Oholiaba ary ny olona hendry rehetra, izay nomen’ i Jehovah fahendrena sy fahiratan-tsaina, hahaizany hanao ny asa rehetra ho amin’ ny fanompoana ao amin’ ny fitoerana masìna, araka izay rehetra nandidian’ i Jehovah.
2 凡耶和華賜他心裏有智慧、而且受感前來做這工的,摩西把他們和比撒列並亞何利亞伯一同召來。
Ary Mosesy dia nampaka an’ i Bezalila sy Oholiaba ary ny olona hendry rehetra, izay nasian’ i Jehovah fahendrena tao am-pony, dia izay rehetra nampahazotoin’ ny fony hankeo amin’ ny asa hanao azy.
3 這些人就從摩西收了以色列人為做聖所並聖所使用之工所拿來的禮物。百姓每早晨還把甘心獻的禮物拿來。
Ary izy ireo dia nandray tamin’ i Mosesy ny fanatitra rehetra izay efa nentin’ ny Zanak’ Isiraely hanaovana ny asa amin’ ny fanompoana ao amin’ ny fitoerana masìna. Ary ny olona mbola nitondra fanatitra sitra-po isa-maraina ihany ho eo amin’ i Mosesy.
4 凡做聖所一切工的智慧人各都離開他所做的工,
Dia nanatona ny olon-kendry rehetra, izay nanao ny asa rehetra amin’ ny fitoerana masìna, samy niala tamin’ ny asany izay nataony avy,
5 來對摩西說:「百姓為耶和華吩咐使用之工所拿來的,富富有餘。」
ka niteny tamin’ i Mosesy hoe: Ny olona mitondra mihoatra lavitra noho izay hahavita ny fanompoana amin’ ny asa nandidian’ i Jehovah hatao.
6 摩西傳命,他們就在全營中宣告說:「無論男女,不必再為聖所拿甚麼禮物來。」這樣才攔住百姓不再拿禮物來。
Dia nandidy Mosesy ka nandefa teny eran’ ny toby rehetra nanao hoe: Aza misy manao zavatra intsony hatao fanatitra ho amin’ ny fitoerana masìna ianareo, na lahy na vavy. Dia izany no nampitsaharana ny olona tsy hanatitra intsony;
7 因為他們所有的材料夠做一切當做的物,而且有餘。
fa ny zavatra efa nateriny dia ampy anaovana ny asa rehetra ka nanana amby aza.
8 他們中間,凡心裏有智慧做工的,用十幅幔子做帳幕。這幔子是比撒列用撚的細麻和藍色、紫色、朱紅色線製造的,並用巧匠的手工繡上基路伯。
Ary ny hendry rehetra teo amin’ izay nanao ny raharaha dia nanao ny tabernakely: dia ambainy folo amin’ ny rongony fotsy madinika voahasina sy manga sy volomparasy ary mena; kerobima, asan’ ny mpanenona mahay, no nataony sorany.
9 每幅幔子長二十八肘,寬四肘,都是一樣的尺寸。
Ny halavan’ ny ambainy iray dia valo amby roa-polo hakiho; ary ny lambanan’ ny ambainy iray dia efatra hakiho: nitovy ohatra ny ambainy rehetra.
10 他使這五幅幔子幅幅相連,又使那五幅幔子幅幅相連;
Ambainy dimy navitrany ho iray; ary ambainy dimy koa navitrany ho iray.
11 在這相連的幔子末幅邊上做藍色的鈕扣,在那相連的幔子末幅邊上也照樣做;
Ary nanao tadivavarana manga teo an-tsisin’ ny ambainy iray izy, dia teo an-tsisin’ ny anankiray efa voavitrana; ary nanao toy izany koa tamin’ ny ambainy farany izy, dia teo an-tsisin’ ny anankiray efa voavitrana koa.
12 在這相連的幔子上做五十個鈕扣,在那相連的幔子上也做五十個鈕扣,都是兩兩相對;
Tadivavarana dimam-polo no nataony teo amin’ ny ambainy iray, ary tadivavarana dimam-polo koa no nataony teo amin’ ny sisin’ ny ambainy izay amin’ ny anankiray efa voavitrana koa; ary nifandray ny tadivavarana.
13 又做五十個金鉤,使幔子相連。這才成了一個帳幕。
Ary nanao farango volamena dimam-polo izy, ka nakambany tamin’ ny farango ny ambainy, dia voakambana ho iray ny tabernakely.
14 他用山羊毛織十一幅幔子,作為帳幕以上的罩棚。
Ary nanao ambainy koa tamin’ ny volon’ osy izy ho lay handrakofana ny tabernakely; dia iraika ambin’ ny folo ambainy no nanaovany azy.
15 每幅幔子長三十肘,寬四肘;十一幅幔子都是一樣的尺寸。
Ny halavan’ ny ambainy iray dia telo-polo hakiho, ary ny lambanan’ ny ambainy iray dia efatra hakiho; nitovy ohatra ny ambainy iraika ambin’ ny folo.
16 他把五幅幔子連成一幅,又把六幅幔子連成一幅;
Ary navitrany ny ambainy dimy hikambana, ary ny ambainy enina kosa hikambana.
17 在這相連的幔子末幅邊上做五十個鈕扣,在那相連的幔子末幅邊上也做五十個鈕扣;
Ary nanao tadivavarana dimam-polo ho eo an-tsisin’ ny ambainy iray izay farany amin’ ny efa voa vitrana izy; ary tadivavarana dimam-polo koa ho eo an-tsisin’ ny ambainy iray amin’ ny anankiray koa efa voavitrana.
18 又做五十個銅鉤,使罩棚連成一個;
Ary nanao farango varahina dimam-polo izy hampikambana ny lay ho iray.
19 並用染紅的公羊皮做罩棚的蓋,再用海狗皮做一層罩棚上的頂蓋。
Ary nanao rakotry ny lay tamin’ ny hoditr’ ondrilahy efa nomenaina izy sy sarona hodi-takasy ho eo amboniny.
20 他用皂莢木做帳幕的豎板。
Ary nanao ny zana-kazo akasia ho amin’ ny tabernakely izy.
21 每塊長十肘,寬一肘半;
Folo hakiho ny hahavon’ ny zana-kazo iray, ary iray hakiho sy sasany ny indraben’ ny zana-kazo iray.
22 每塊有兩榫相對。帳幕一切的板都是這樣做。
Ary lahiny roa no amin’ ny zana-kazo iray, ka nasiany izay hikambanany; izany no nanaovany ny zana-kazo rehetra tamin’ ny tabernakely.
23 帳幕的南面做板二十塊。
Ary nanao ny zana-kazo ho amin’ ny tabernakely izy, dia zana-kazo roa-polo ho eo amin’ ny lafiny atsimo.
24 在這二十塊板底下又做四十個帶卯的銀座:兩卯接這塊板上的兩榫,兩卯接那塊板上的兩榫。
Ary nanao faladia volafotsy efa-polo izy ho ambanin’ ny zana-kazo roa-polo, dia faladia roa avy ho ambanin’ ny isan-janakazo hiorenan’ ny lahiny roa.
25 帳幕的第二面,就是北面,也做板二十塊
Ary nanao zana-kazo roa-polo ho eo amin’ ny lafiny faharoa amin’ ny tabernakely izy, dia ny lafiny avaratra.
26 和帶卯的銀座四十個:這板底下有兩卯,那板底下也有兩卯。
Ary nanao faladiany volafotsy efa-polo, izy dia faladia roa avy ho ambanin’ ny isan-janakazo.
27 帳幕的後面,就是西面,做板六塊。
Ary nanao zana-kazo enina ho eo amin’ ny lafin’ ny tabernakely andrefana izy, izay eo ivohony.
28 帳幕後面的拐角做板兩塊。
Ary nanao zana-kazo roa ho eo amin’ ny zoron’ ny tabernakely tamin’ ny lafiny ivoho izy.
29 板的下半截是雙的,上半截是整的,直到第一個環子;在帳幕的兩個拐角上都是這樣做。
Ary nakambana ho iray izy hatramin’ ny ambany ka hatramin’ ny ambony, ka nasiana vava vola iray ihany; nataony toy izany avokoa izy roa ho eo amin’ ny zorony roa.
30 有八塊板和十六個帶卯的銀座,每塊板底下有兩卯。
Ary nisy zana-kazo valo sy ny faladiany volafotsy; dia faladia enina ambin’ ny folo: faladia roa avy ho ambanin’ ny isan-janakazo iray.
31 他用皂莢木做閂:為帳幕這面的板做五閂,
Ary hazo akasia no nataony barany: dia dimy ho amin’ ny zana-kazo amin’ ny lafiny iray amin’ ny tabernakely,
32 為帳幕那面的板做五閂,又為帳幕後面的板做五閂,
sy barany dimy ho amin’ ny zana-kazo amin’ ny lafiny iray koa amin’ ny tabernakely, ary barany dimy ho amin’ ny zana-kazo amin’ ny lafiny andrefana izay ao ivohony.
33 使板腰間的中閂從這一頭通到那一頭。
Ary nanao ny barany afovoany izy, ho afovoan’ ny zana-kazo ka hahatratra ny farany roa.
34 用金子將板包裹,又做板上的金環套閂;閂也用金子包裹。
Ary ny zana-kazo nopetahany takela-bolamena, ary nataony volamena koa ny vava vola aminy, izay hitoeran’ ny barany: ary nopetahany takela-bolamena koa ny barany.
35 他用藍色、紫色、朱紅色線,和撚的細麻織幔子,以巧匠的手工繡上基路伯。
Ary ny efitra lamba dia nataony manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, ary kerobima, asan’ ny mpanenona mahay, no nataony sorany.
36 為幔子做四根皂莢木柱子,用金包裹,柱子上有金鉤,又為柱子鑄了四個帶卯的銀座。
Ary nanao andry efatra tamin’ ny hazo akasia izy hihantonan’ izany, ary nopetahany takela-bolamena ireo, sady nataony volamena koa ny fihantonany; ary nandrendrika faladia volafotsy efatra izy’ hiorenany.
37 拿藍色、紫色、朱紅色線,和撚的細麻,用繡花的手工織帳幕的門簾;
Ary nanao varavarana lamba ho eo amin’ ny varavaran’ ny lay izy, dia tamin’ ny manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, asan’ ny mahay tenona samy hafa soratra.
38 又為簾子做五根柱子和柱子上的鉤子,用金子把柱頂和柱子上的杆子包裹。柱子有五個帶卯的座,是銅的。
Ary ny andriny dimy sy ny fihantonany dia nataony koa, ary nopetahany takela-bolamena ny lohany sy ny anjaka hitohizany; ary ny faladiany dimy dia nataony varahina.

< 出埃及記 36 >