< 出埃及記 37 >

1 比撒列用皂莢木做櫃,長二肘半,寬一肘半,高一肘半。
Ary Bezalila nanao ny fiara tamin’ ny hazo akasia: roa hakiho sy sasany ny lavany, ary iray hakiho sy sasany ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny hahavony;
2 裏外包上精金,四圍鑲上金牙邊,
ary nopetahany takela-bolamena tsara tao anatiny sy teo ivelany; ary nasiany koronosy volamena manodidina.
3 又鑄四個金環,安在櫃的四腳上:這邊兩環,那邊兩環。
Ary nandrendrika vava volamena efatra hatao aminy izy, ka nataony teo amin’ ny tongony efatra: dia vava vola roa teo amin’ ny lafiny iray, ary vava vola roa teo amin’ ny lafiny iray koa.
4 用皂莢木做兩根槓,用金包裹。
Ary nanao bao tamin’ ny hazo akasia izy, ka nopetahany takela-bolamena.
5 把槓穿在櫃旁的環內,以便抬櫃。
Ary nampidiriny ny bao ho eo amin’ ny vava vola, izay eo amin’ ny lafin’ ny fiara, hilanjana azy.
6 用精金做施恩座,長二肘半,寬一肘半。
Ary nanao rakotra fanaovam-panavotana tamin’ ny volamena tsara izy: roa hakiho sy sasany ny lavany, ary iray hakiho sy sasany ny sakany.
7 用金子錘出兩個基路伯來,安在施恩座的兩頭,
Ary nanao kerobima volamena roa izy; voasana no nanaovany azy roa miray amin’ ny lohany roa amin’ ny rakotra fanaovam-panavotana:
8 這頭做一個基路伯,那頭做一個基路伯,二基路伯接連一塊,在施恩座的兩頭。
dia ny kerobima iray nataony teo amin’ ny sakany anankiray, ary ny kerobima iray kosa teo amin’ ny sakany anankiray: indray mivofy tamin’ ny rakotra fanaovam-panavotana no nanaovany ny kerobima roa, dia teo amin’ ny sakany roa.
9 二基路伯高張翅膀,遮掩施恩座;基路伯是臉對臉,朝着施恩座。
Ary ny elatry ny kerobima nivelatra teo ambony, ka nalofan’ ny elany ny rakotra fanaovam-panavotana; ary ny tavany nifanatrika, sady nanatrika ny rakotra fanaovam-panavotana koa izy.
10 他用皂莢木做一張桌子,長二肘,寬一肘,高一肘半,
Ary nanao ny latabatra tamin’ ny hazo akasia izy: roa hakiho ny lavany, ary iray hakiho ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny hahavony.
11 又包上精金,四圍鑲上金牙邊。
Ary nopetahany takela-bolamena tsara izy, sady nasiany koronosy volamena manodidina azy.
12 桌子的四圍各做一掌寬的橫樑,橫樑上鑲着金牙邊,
Ary nasiany sisiny vodivoam-pelatanana manodidina azy, ary nasiany koronosy volamena ny sisiny manodidina.
13 又鑄了四個金環,安在桌子四腳的四角上。
Ary nandrendrika vava volamena efatra hatao aminy izy, ka nataony teo amin’ ny zorony efatra, izay eo amin’ ny tongony efatra, ireo:
14 安環子的地方是挨近橫梁,可以穿槓抬桌子。
eo akaikin’ ny sisiny no nisian’ ny vava vola ho fitoeran’ ny bao hilanjana ny latabatra.
15 他用皂莢木做兩根槓,用金包裹,以便抬桌子;
Ary nanao ny bao tamin’ ny hazo akasia izy, hilanjana ny latabatra, ka nopetahany takela-bolamena.
16 又用精金做桌子上的器皿,就是盤子、調羹,並奠酒的瓶和爵。
Ary nanao ny fanaka izay eo ambonin’ ny latabatra izy, dia ny lovia ny sy ny lovia keliny ary ny kapoakany sy ny fitoeran-divainy ho fanidinam-panatitra; volamena tsara no nanaovany ireo.
17 他用精金做一個燈臺;這燈臺的座和幹,與杯、球、花,都是接連一塊錘出來的。
Ary nanao ny fanaovan-jiro tamin’ ny volamena tsara izy; voasana no nanaovany ny fanaovan-jiro; nataony indray mivofy taminy avokoa ny faladiany sy ny tahony sy ny vodi-voniny sy ny kiboriny ary ny voniny.
18 燈臺兩旁杈出六個枝子:這旁三個,那旁三個。
Ary nisy sampany enina tamin’ ny ankilany roa, dia sampany telo tamin’ ny fanaovan-jiro amin’ ny ankilany iray, ary sampany telo tamin’ ny fanaovan-jiro amin’ ny ankilany iray koa;
19 這旁每枝上有三個杯,形狀像杏花,有球有花;那旁每枝上也有三個杯,形狀像杏花,有球有花。從燈臺杈出來的六個枝子都是如此。
teo amin’ ny sampany anankiray nisy vodi-voniny telo natao tahaka ny vonin’ ny amygdala, mbamin’ ny kiboriny sy ny voniny; ary teo amin’ ny sampany anankiray koa nisy vodi-voniny telo natao tahaka ny vonin’ ny amygdala, mbamin’ ny kiboriny sy ny voniny; dia toy izany avokoa tamin’ ny sampany enina tamin’ ny fanaovan-jiro.
20 燈臺上有四個杯,形狀像杏花,有球有花。
Ary teo amin’ ny fanaovan-jiro dia nisy vodi-voniny efatra natao tahaka ny vonin’ ny amygdala, mbamin’ ny kiboriny sy ny voniny,
21 燈臺每兩個枝子以下有球,與枝子接連一塊;燈臺杈出的六個枝子都是如此。
dia kiboriny iray eo ambanin’ ny sampany roa sady miray aminy, ary kiboriny iray eo ambanin’ ny sampany roa sady miray aminy, ary kiboriny iray eo ambanin’ ny sampany roa koa sady miray aminy; dia amin’ ny sampany enina izay miray amin’ ny fanaovan-jiro.
22 球和枝子是接連一塊,都是一塊精金錘出來的。
Ny kiboriny sy ny sampany dia niray taminy avokoa; natao indray mivofy tamin’ ny volamena tsara izy rehetra.
23 用精金做燈臺的七個燈盞,並燈臺的蠟剪和蠟花盤。
Ary nanao ny lela fanaovan-jirony fito sy ny hetin-jirony sy ny fitoeran-davenon-jirony tamin’ ny volamena tsara izy.
24 他用精金一他連得做燈臺和燈臺的一切器具。
Volamena tsara talenta iray no nanaovany azy mbamin’ ny fanaka rehetra momba azy.
25 他用皂莢木做香壇,是四方的,長一肘,寬一肘,高二肘,壇的四角與壇接連一塊;
Ary nanao ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra tamin’ ny hazo akasia izy: iray hakiho avy ny lafiny efatra, dia efa-joro tsy mivadi-mandry izy; ary roa hakiho ny hahavony; ary nataony miray aminy ny tandrony.
26 又用精金把壇的上面與壇的四面並壇的四角包裹,又在壇的四圍鑲上金牙邊。
Ary nopetahany takela-bolamena tsara izy, dia ny tampony sy ny lafiny manodidina ary ny tandrony; ary nasiany koronosy volamena manodidina.
27 做兩個金環,安在牙子邊以下,在壇的兩旁、兩根橫撐上,作為穿槓的用處,以便抬壇。
Ary nasiany vava volamena roa izy teo ambanin’ ny koronosiny, ka nataony teo amin’ ny zorony efatra ireo ho fitoeran’ ny bao hilanjana azy.
28 用皂莢木做槓,用金包裹。
Ary hazo akasia no nanaovany ny bao, ka nopetahany takela-bolamena.
29 又按做香之法做聖膏油和馨香料的淨香。
Ary nanao ny diloilo fanosorana masìna izy, sy ny zava-manitra manetona madio, asan’ ny mpangaroharo zava-manitra.

< 出埃及記 37 >