< 利未記 1 >

1 耶和華從會幕中呼叫摩西,對他說:
Ary Jehovah niantso an’ i Mosesy ka niteny taminy tao amin’ ny trano-lay fihaonana hoe:
2 「你曉諭以色列人說:你們中間若有人獻供物給耶和華,要從牛群羊群中獻牲畜為供物。
Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Raha misy aminareo manatitra biby fiompy ho fanatitra ho an’ i Jehovah, dia omby na ondry na osy no haterinareo ho fanatitrareo.
3 「他的供物若以牛為燔祭,就要在會幕門口獻一隻沒有殘疾的公牛,可以在耶和華面前蒙悅納。
Raha omby no ateriny ho fanatitra dorana, dia lahy tsy misy kilema no hateriny; eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana no hanaterany azy, mba hankasitrahana eo anatrehan’ i Jehovah izy.
4 他要按手在燔祭牲的頭上,燔祭便蒙悅納,為他贖罪。
Ary hametraka ny tànany eo amin’ ny lohan’ ny fanatitra dorana izy, dia hahazoany fankasitrahana izany, hanaovana fanavotana ho azy.
5 他要在耶和華面前宰公牛;亞倫子孫作祭司的,要奉上血,把血灑在會幕門口、壇的周圍。
Dia hamono ny zanak’ omby eo anatrehan’ i Jehovah izy; ary ireo mpisorona, zanak’ i Arona, dia hanatitra ny rà ka hanopy azy manodidina amin’ ny lafin’ ny alitara, izay eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana;
6 那人要剝去燔祭牲的皮,把燔祭牲切成塊子。
ary hohodirany ny fanatitra dorana, dia horasainy tsara.
7 祭司亞倫的子孫要把火放在壇上,把柴擺在火上。
Ary ireo zanak’ i Arona mpisorona dia hanisy afo eo ambonin’ ny alitara ka handahatra kitay eo amin’ ny afo.
8 亞倫子孫作祭司的,要把肉塊和頭並脂油擺在壇上火的柴上。
Ary ireo mpisorona, zanak’ i Arona, dia handahatra ny voarasa mbamin’ ny lohany sy ny saborany eo ambonin’ ny kitay eo amin’ ny afo izay eo ambonin’ ny alitara;
9 但燔祭的臟腑與腿要用水洗。祭司就要把一切全燒在壇上,當作燔祭,獻與耶和華為馨香的火祭。
fa ny taovany, sy ny tongony kosa hosasany amin’ ny rano; dia hodoran’ ny mpisorona ho fofona izy rehetra eo ambonin’ ny alitara; fanatitra dorana izany, dia fanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah.
10 「人的供物若以綿羊或山羊為燔祭,就要獻上沒有殘疾的公羊。
Ary raha ondry na osy no ateriny ho fanatitra dorana, dia lahy tsy misy kilema koa no hateriny.
11 要把羊宰於壇的北邊,在耶和華面前;亞倫子孫作祭司的,要把羊血灑在壇的周圍。
Dia hamono azy eo avaratry ny alitara eo anatrehan’ i Jehovah izy; ary ireo mpisorona, zanak’ i Arona, dia hanopy ny rà manodidina amin’ ny lafin’ ny alitara.
12 要把燔祭牲切成塊子,連頭和脂油,祭司就要擺在壇上火的柴上;
Dia horasainy tsara izy mbamin’ ny lohany sy ny saborany; ary halahatry ny mpisorona eo ambonin’ ny kitay izy eo amin’ ny afo izay eo ambonin’ ny alitara;
13 但臟腑與腿要用水洗,祭司就要全然奉獻,燒在壇上。這是燔祭,是獻與耶和華為馨香的火祭。
fa ny taovany sy ny tongony kosa hosasany amin’ ny rano; dia ho entin’ ny mpisorona izy rehetra ka hodorany ho fofona eo ambonin’ ny alitara; ho fanatitra dorana izany, dia fanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah.
14 「人奉給耶和華的供物,若以鳥為燔祭,就要獻斑鳩或是雛鴿為供物。
Ary raha vorona no ateriny ho an’ i Jehovah ho fanatitra dorana, dia domohina na zana-boromailala no hateriny ho fanatiny.
15 祭司要把鳥拿到壇前,揪下頭來,把鳥燒在壇上;鳥的血要流在壇的旁邊;
Ary haterin’ ny mpisorona ho eo amin’ ny alitara izany, ka hotapahiny amin’ ny hoho ny lohany, dia hodorany ho fofona eo ambonin’ ny alitara, ary hofiazany eo amin’ ny rindrin’ ny alitara ny ràny;
16 又要把鳥的嗉子和髒物除掉,丟在壇的東邊倒灰的地方。
ary hesoriny ny takorobabony sy ny ao anatiny, ka hariany eo atsinanan’ ny alitara, dia eo amin’ ny fitoeran-davenona;
17 要拿着鳥的兩個翅膀,把鳥撕開,只是不可撕斷;祭司要在壇上、在火的柴上焚燒。這是燔祭,是獻與耶和華為馨香的火祭。」
ary hosamahany amin’ ny elany no fameraka azy, fa tsy hohenteriny; ary ny mpisorona handoro azy ho fofona eo ambonin’ ny alitara, ambonin’ ny kitay izay eo amin’ ny afo; fanatitra dorana izany, dia fanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah.

< 利未記 1 >