< 出埃及記 35 >

1 摩西招聚以色列全會眾,對他們說:「這是耶和華所吩咐的話,叫你們照着行:
Ary Mosesy dia namory ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, ka nanao taminy hoe: Izao no teny nandidian’ i Jehovah hatao:
2 六日要做工,第七日乃為聖日,當向耶和華守為安息聖日。凡這日之內做工的,必把他治死。
Henemana no hanaovanao raharaha, fa ny andro fahafito ho masìna aminareo, dia tena andro fitsaharana ho an’ i Jehovah; izay rehetra manao raharaha amin’ izany dia hatao maty.
3 當安息日,不可在你們一切的住處生火。」
Aza mampirehitra afo amin’ ny andro Sabata any amin’ izay rehetra itoeranareo.
4 摩西對以色列全會眾說:「耶和華所吩咐的是這樣:
Ary Mosesy niteny tamin’ ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, ka nanao hoe: Izao no teny izay nandidian’ i Jehovah:
5 你們中間要拿禮物獻給耶和華,凡樂意獻的可以拿耶和華的禮物來,就是金、銀、銅,
Manalà ao aminareo fanatitra ho an’ i Jehovah: izay rehetra amporisihin’ ny fony dia aoka hitondra fanatitra ho an’ i Jehovah: dia volamena sy volafotsy sy varahina,
6 藍色、紫色、朱紅色線,細麻,山羊毛,
ary manga sy volomparasy sy mena sy rongony fotsy madinika, ary volon’ osy
7 染紅的公羊皮,海狗皮,皂莢木,
sy hoditr’ ondrilahy efa nomenaina sy hodi-takasy ary hazo akasia,
8 點燈的油,並做膏油和香的香料,
sy diloilo hatao fanazavana sy zava-manitra ho amin’ ny diloilo fanosorana sy ho ditin-kazo mani-pofona,
9 紅瑪瑙與別樣的寶石,可以鑲嵌在以弗得和胸牌上。」
ary vato beryla sy vato halatsaka an-tranontranony ho amin’ ny efoda sy ho amin’ ny saron-tratra.
10 「你們中間凡心裏有智慧的都要來做耶和華一切所吩咐的:
Ary aoka ny hendry rehetra eo aminareo ho avy ka hanao izay rehetra nandidian’ i Jehovah:
11 就是帳幕和帳幕的罩棚,並帳幕的蓋、鉤子、板、閂、柱子、帶卯的座,
dia ny tabernakely sy ny lainy sy ny firakony sy ny farangony, sy ny zana-kazony sy ny barany sy ny andriny sy ny faladiany,
12 櫃和櫃的槓,施恩座和遮掩櫃的幔子,
ary ny fiara sy ny baony sy ny rakotra fanaovam-panavotana sy ny efitra lamba fanakonana,
13 桌子和桌子的槓與桌子的一切器具,並陳設餅,
ary ny latabatra sy ny baony mbamin’ ny fanaka rehetra momba azy, ary ny mofo aseho,
14 燈臺和燈臺的器具,燈盞並點燈的油,
ary ny fanaovan-jiro ho fanazavana mbamin’ ny fanaka momba azy ary ny lela fanaovan-jirony sy ny diloilo hatao fanazavana,
15 香壇和壇的槓,膏油和馨香的香料,並帳幕門口的簾子,
ary ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra sy ny baony, ary ny diloilo fanosorana sy ny ditin-kazo mani-pofona, ary ny varavarana lamba ho eo amin’ ny varavaran’ ny tabernakely,
16 燔祭壇和壇的銅網,壇的槓並壇的一切器具,洗濯盆和盆座,
ary ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana sy ny harato varahina ho eo aminy sy ny baony ary ny fanaka rehetra momba azy, ary ny tavy sy ny faladiany,
17 院子的帷子和帷子的柱子,帶卯的座和院子的門簾,
ary ny fefy lamba ho amin’ ny kianja sy ny tsangantsangany sy ny faladiany sy ny vavahady lamba ho eo amin’ ny vavahadin’ ny kianja,
18 帳幕的橛子並院子的橛子,和這兩處的繩子,
ary ny tsimatry ny tabernakely sy ny tsimatry ny kianja sy ny kofehiny,
19 精工做的禮服和祭司亞倫並他兒子在聖所用以供祭司職分的聖衣。」
ary ny fitafiana makarakara ho entiny manao fanompoam-pivavahana ao amin’ ny fitoerana masìna sy ny fitafiana masìna ho an’ i Arona mpisorona ary ny fitafian’ ny zanany ho entiny misorona.
20 以色列全會眾從摩西面前退去。
Dia niala teo anatrehan’ i Mosesy ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra.
21 凡心裏受感和甘心樂意的都拿耶和華的禮物來,用以做會幕和其中一切的使用,又用以做聖衣。
Ary samy nanatona izy, dia izay rehetra nampahazotoin’ ny fony, ary izay rehetra namporisihin’ ny fanahiny, ka nitondra ny fanatitra ho an’ i Jehovah hanaovana ny trano-lay fihaonana sy ny fanompoana rehetra momba azy ary ny fitafiana masìna.
22 凡心裏樂意獻禮物的,連男帶女,各將金器,就是胸前鍼、耳環、打印的戒指,和手釧帶來獻給耶和華。
Dia nanatona ny lehilahy mbamin’ ny vehivavy rehetra izay namporisihin’ ny fony, ka nitondra fisisika sy kavina sy peratra sy voa volamena, dia izay firavaka volamena samy hafa rehetra, dia ny olona rehetra izay efa nanatitra volamena ho fanatitra ho an’ i Jehovah.
23 凡有藍色、紫色、朱紅色線,細麻,山羊毛,染紅的公羊皮,海狗皮的,都拿了來;
Ary ny olona rehetra izay nanana manga sy volomparasy sy mena sy rongony fotsy madinika sy volon’ osy sy hoditr’ ondrilahy efa nomenaina ary hodi-takasy dia nitondra azy.
24 凡獻銀子和銅給耶和華為禮物的都拿了來;凡有皂莢木可做甚麼使用的也拿了來。
Izay rehetra nanatitra fanatitra volafotsy sy varahina dia nitondra ny fanatitra ho an’ i Jehovah; ary izay rehetra nanana hazo akasia hanaovana zavatra ho amin’ ny fanompoana dia nitondra azy.
25 凡心中有智慧的婦女親手紡線,把所紡的藍色、紫色、朱紅色線,和細麻都拿了來。
Ary ny vehivavy rehetra izay hendry dia namoly tamin’ ny tànany ka nitondra izay nofolesiny, dia ny manga sy volomparasy sy mena ary ny rongony fotsy madinika.
26 凡有智慧、心裏受感的婦女就紡山羊毛。
Ary ny vehivavy rehetra izay nampahazotoin’ ny fony tamin’ ny fahendrena dia namoly ny volon’ osy.
27 眾官長把紅瑪瑙和別樣的寶石,可以鑲嵌在以弗得與胸牌上的,都拿了來;
Ary ny loholona nitondra ny vato beryla sy ny vato halatsaka an-tranontranony ho amin’ ny efoda sy ho amin’ ny saron-tratra,
28 又拿香料做香,拿油點燈,做膏油。
ary ny zava-manitra sy ny diloilo hatao fanazavana sy ho amin’ ny diloilo fanosorana ary ho amin’ ny ditin-kazo mani-pofona.
29 以色列人,無論男女,凡甘心樂意獻禮物給耶和華的,都將禮物拿來,做耶和華藉摩西所吩咐的一切工。
Ary ny Zanak’ Isiraely nitondra fanatitra sitra-po ho an’ i Jehovah: dia ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra izay namporisihin’ ny fony hitondra izay hanaovana ny zavatra rehetra nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy hatao.
30 摩西對以色列人說:「猶大支派中,戶珥的孫子、烏利的兒子比撒列,耶和華已經提他的名召他,
Ary hoy Mosesy tamin’ ny Zanak’ Isiraely: Indro, efa notononin’ i Jehovah anarana Bezalila, zanak’ i Ory, zanak’ i Hora, avy amin’ ny firenen’ i Joda,
31 又以上帝的靈充滿了他,使他有智慧、聰明、知識,能做各樣的工,
ka efa nofenoiny fanahin’ Andriamanitra, dia fahendrena sy fahiratan-tsaina sy fahalalana ny amin’ ny tao-zavatra samy hafa,
32 能想出巧工,用金、銀、銅製造各物,
dia ny hamoron-tsaina hanao asa kanto, sy ny hiasa volamena sy volafotsy ary varahina,
33 又能刻寶石,可以鑲嵌,能雕刻木頭,能做各樣的巧工。
ary ny hamboatra vato halatsaka an-tranontranony sy ny handrafitra hazo, hanaovana izay asa kanto samy hafa rehetra.
34 耶和華又使他,和但支派中亞希撒抹的兒子亞何利亞伯,心裏靈明,能教導人。
Ary ny fahaizana hampianatra koa dia efa nataon’ Andriamanitra tao am-pony, dia izy sy Oholiaba, zanak’ i Ahisamaka avy amin’ ny firenen’ i Dana.
35 耶和華使他們的心滿有智慧,能做各樣的工,無論是雕刻的工,巧匠的工,用藍色、紫色、朱紅色線,和細麻、繡花的工,並機匠的工,他們都能做,也能想出奇巧的工。
Ary efa nofenoiny fahendrena izy roa lahy, hanaovany ny tao-zavatra samy hafa, dia ny an’ ny mpiasa tefy sy rafitra ary ny an’ ny mpanenona mahay tenona samy hafa soratra, dia amin’ ny manga sy volomparasy sy mena ary amin’ ny rongony fotsy madinika ary ny an’ ny mpanenona, dia ny ho mpanao ny asa samy hafa sy ho mpamorona asa kanto.

< 出埃及記 35 >