< Hesabu 32 >

1 Sasa wana wa uzao wa Reubeni na wa Gadi walikuwa na idadi kubwa ya wanyama. Waliiona ardhi ya Jazeri na Gileadi, kuwa ni ardhi nzuri kwa mifugo.
Ary nanana omby aman’ ondry be indrindra ny taranak’ i Robena sy ny taranak’ i Gada; ary rehefa nahita ny tany Jazera sy ny tany Gileada izy, fa tany tsara ho fiandrasana omby aman’ ondry io,
2 Kwa hiyo wana wa Gadi na wa Reubeni wakaja kumwambia Musa, na Eliazari kuhani, na viongozi wa watu. Wakasema,
dia avy ny taranak’ i Gada sy ny taranak’ i Robena ka niteny tamin’ i Mosesy sy Eleazara mpisorona sy tamin’ ny lohan’ ny fiangonana ka nanao hoe:
3 “Hii ndiyo orodha ya maeneo ambayo tumeyatembelea: Diboni, Jazeri, Nimraha, Heshibonni, Ellealehi, Sebamu, Nebo, na Beoni.
Atarota sy Dibona sy Jazera sy Nimra sy Hesbona sy Elale sy Sebama sy Nebo ary Beona,
4 Haya ni maeneo ambayo BWANA aliyachukua mbele ya watu wa Israeli, na maeneo mazuri kwa ajili ya mifugo. Sisi watumishi wako tuna mifugo mingi sana.
ireo tany noresen’ i Jehovah teo anoloan’ ny fiangonan’ ny Isiraely, dia tany tsara ho fiandrasana omby aman’ ondry, ary ny mpanomponao manana omby aman’ ondry;
5 Wakasema kuwa, “Kama tutapata kibali mbele ya macho yako, tunaomba ardhi hii tupewe, sisi watumishi wako, kuwa urithi. Usituvushe ng'ambo ya Yorodani.”
dia hoy koa izy: Raha mahita fitia eo imasonao izahay; aoka homena anay mpanomponao ho zara-taninay io tany io; fa aza ampitaina an’ i Jordana izahay.
6 Musa akawajibu wale wana wa auzao wa Gadi na Reubeni, “Je, mngependa ndugu zenu waende vitani wakati ninyi mkikaa hapa?
Dia hoy Mosesy tamin’ ny taranak’ i Gada sy ny taranak’ i Robena: Ny rahalahinareo handeha hanafika, ka ianareo kosa hijanona eto va?
7 Kwa nini kuwafish moyo watu wa Israeli wasivuke kwenda kwenye nchi ambayo BWANA amewapa?
Nahoana ianareo no mampiketraka ny fon’ ny Zanak’ Isiraely, mba tsy handehanany ho any amin’ ny tany izay nomen’ i Jehovah azy?
8 Baba zenu walifanya hivyo nilipowatuma kutoka Kadeshi Banea kwenda kuipeleleza ile nchi.
Izany no nataon’ ny rainareo, fony nirahiko avy tao Kadesi-barnea hisafo ny tany izy;
9 Walienda mpaka kwenye bonde la Eskoli. Waliiona ile ardhi kisha wakawafisha moyo watu wa Israeli kwa hiyo wakagoma kuingia kwenye nchi ambayo BWANA alikuwa amewapa.
fa raha niakatra hatrany an-dohasaha Eskola izy ka nahita ny tany, dia nampiketraka ny fon’ ny Zanak’ Isiraely izy, mba tsy handehanany ho any amin’ ny tany izay efa nomen’ i Jehovah azy.
10 Siku hiyo hasira ya BWANA iliwaka. Akaapa akisema,
Ary nirehitra ny fahatezeran’ i Jehovah tamin’ izay andro izay, dia nianiana Izy ka nanao hoe:
11 'Kwa hakika hakuna mtu aliyetoka Misri, kuanzia wa umri wa miaka ishirini na zaidi ambao wataiona nchi ambao niliwaapia Ibrahimu, Isaka, na Yakobo, kwa sababu hawakunifuata mimi kwa ukamilifu, isipokuwa Kalebu mwana wa Yefune Mkenizi, na Yoshua mwana wa Nuni.
Ny olona izay niakatra avy tany Egypta, hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, dia tsy hisy hahita ny tany izay efa nianianako tamin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba homena azy, satria tsy tanteraka tamin’ ny fanarahana Ahy izy;
12 Ni Kalebu na Joshua tu ndio walionifuata kwa ukamilifu.'
afa-tsy Kaleba, zanak’ i Jefone Kenizita, sy Josoa, zanak’ i Nona, izay tanteraka tamin’ ny fanarahana an’ i Jehovah.
13 Kwa hiyo hasira za BWANA ziliwaka juu ya Israei. Akawafanya wazunguke zunguke jangwani kwa miaka arobaini mpaka kile kizazi kilichofanya maovu mbele za macho yake kilipoteketea.
Dia nirehitra tamin’ ny Isiraely ny fahatezeran’ i Jehovah, ka nampirenireny azy tany an-efitra efa-polo taona Izy mandra-pahalany ritra ny taranaka rehetra izay nanao ratsy teo imason’ i Jehovah.
14 Tazama, mmetokea katika nafasi za baba zenu, kama watu wengine wenye dhambi zaidi, ili kuongeza hasira ya BWANA kwa Israeli.
Ary, indreto, ianareo mitsangana hisolo ny rainareo, ho taranaka mbola mpanota, hampitombo ny firehetan’ ny fahatezeran’ i Jehovah amin’ ny Isiraely.
15 Kama hamtamfuata, ataiacha Israeli jangwani na mtakuwa mmewateketeza watu hawa wote.
Fa raha miala amin’ ny fanarahana Azy ianareo dia hamela azy any an-efitra Indray Izy; ka dia ianareo no handringana izao olona rehetra izao.
16 Kwa hiyo wakaja karibu na Musa wakamwambia, “Turuhusu tujenga hapa uzio kwa ajili ya ng'ombe zetu na miji hapa kwa ajili ya familia zetu.
Ary dia nanatona azy izy ireo ka nanao hoe: Hanao vala eto izahay ho an’ ny omby aman’ ondrinay sy tanàna koa ho an’ ny zanakay madinika;
17 Hata hivyo, sisi wenyewe tutajipanga kijeshi kwenda na jeshi la Israeli mpaka tumewaongoza kupata maeneo yao. Lakini familia zetu zitakuwa kwenye miji ya maboma kwa ssbabu ya watu wengine ambao bado wanaishi katika nchi hii.
fa ny tenanay dia hiomana faingana handroso eo alohan’ ny Zanak’ Isiraely mandra-pitondranay azy ho any amin’ ny taniny; ary ny zanakay madinika dia hitoetra amin’ ny tanàna mimanda noho ny mponina amin’ ny tany.
18 Hatutarudi kwenye familia zetu mpaka kila mmoja watu wa Israeli apate urithi wake.
Tsy hody any an-tranonay izahay, mandra-pahazon’ ny Zanak’ Isiraely ny zara-taniny avy.
19 Sisi hatutachukua urithi wa ardhi pamoja nao kule ng'ambo ya Yorodani, kwa sababu urithi wetu uko hapa upande wa mashariki mwa Yorodani.”
Fa tsy hiara-mandray zara-tany aminy izahay hatrany an-dafin’ i Jordana no ho miankandrefana, satria efa azonay atỳ an-dafy atsinanan’ i Jordana atỳ ny zara-taninay.
20 Kwa hiyo Musa akawajibu, “Kama mtafanya mnachokisema, kama mtajipanga wenyewe mbele za BWANA kwenda vitani,
Dia hoy Mosesy taminy: Raha hanao izany zavatra izany ianareo ka hiomana eo anatrehan’ i Jehovah ho any an-tafika,
21 basi kila mmoja wa wanajeshi wenu lazima avuke Yorodani mbele za BWANA, mpaka atakapowafukuza maadui zake kutoka mbele zake
ary rehefa samy efa voaomana hiady, dia hita ho any an-dafin’ i Jordana eo anatrehan’ i Jehovah, mandra-pandroakany ny fahavalony hiala eo anoloany,
22 na nchi itawaliwe na Israeli mbele zake. Kisha mtaweza kurudi. Hamtakuwa na hatia mbele za BWANA na mbele ya Israeli. Hii nchi itakuwa miliki yenu mbele za BWANA.
ka ho resy eo anatrehan’ i Jehovah ny tany; ary rehefa vita izany, dia hody ianareo ka tsy hanan-tsiny, na amin’ i Jehovah, na amin’ ny Isiraely; ary ity tany ity ho zara-taninareo eo anatrehan’ i Jehovah.
23 Bali kama hamtafnya hivyo, tazama, mtakuwa mmefanya dhambi mbele ya BWANA. Mwe na hakika kuwa dhambi yenu itaonekana
Fa raha tsy hanao izany kosa ianareo, dia manota amin’ i Jehovah; ary aoka ho fantatrareo fa hanody anareo ny fahotanareo.
24 wazi. Jengeni miji kwa ajili ya familia zenu na mazizi kwa ajili ya kondoo zenu; kisha fanyeni kile mlichokisema.”
Manaova tanàna ho an’ ny zanakareo madinika sy vala ho an’ ny ondry aman’ osinareo, ka ataovy izay naloaky ny vavanareo.
25 Wale wana wa Gadi na Reubeni wakamwambia Musa, wakisema, “Watumishi wako wtafanya kama vile wewe, bwana wetu, unavyotuamuru.
Dia niteny tamin’ i Mosesy ny taranak’ i Gada sy ny taranak’ i Robena ka nanao hoe: Ny mpanomponao dia hanao araka izay andidianao, tompoko:
26 Watoto wetu, wake zetu, makundi yetu, na wanyama wetu wote watakaa huko kwenye miji ya Gileadi.
ny zanakay madinika sy ny vadinay sy ny ondry aman’ osinay ary ny biby fiompinay rehetra dia hitoetra ato amin’ ny tanànan’ i Gileada;
27 Hata hivyo, sisi watumishi wako, tutavuka kwenda ng'ambo mbele za BWANA kupigana, kila mtu ambaye yuko tayari kwa vita, kama vile wewe, bwana wetu, unavyosema.”
fa ny mpanomponao handeha hita, samy efa voaomana hiady eo anatrehan’ i Jehovah, ho any an-tafika, araka izay nolazainao, tompoko.
28 Kwa hiyo Musa akawapa maelekezo yayowahusu kwa Eliazari kuhani, kwa Joshua mwana wa Nuni, na kwa viongozi wa koo kufuata jamaa zao katika makabila ya wana wa Israeli.
Ary Mosesy dia nandidy an’ i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak’ i Nona, ary ny lohan’ ny fianakaviana tamin’ ny firenen’ ny Zanak’ Isiraely ny amin’ ireo
29 Musa akawaambia, “Kama uzao wa Reubeni na Gadi watavuka ng'ambo ya Yorodani pamoja nanyi, kila mwanamume anayetakiwa kuwa vitani mbele za BWANA, na kama nchi mtaitawala mbele zenu, ndipo mtakapowapa eneo la Gileadi kuwa miliki yao.
ka nanao taminy hoe: Raha handeha hita an’ i Jordana hiaraka aminareo ny taranak’ i Gada sy ny taranak’ i Robena, samy efa voaomana hiady eo anatrehan’ i Jehovah, ka ho resy ny tany eo anoloanareo, dia homenareo azy ny tany Gileada ho zara-taniny;
30 Lakini kama hawatavuka pamoja nanyi wakiwa na silaha zao, basi mtawapa urithi wao katika nchi ya Kanaani.”
fa raha tsy mandeha samy efa voaomana hiady miaraka aminareo Izy, dia eo aminareo amin’ ny tany Kanana ihany no hahazoany zara-tany.
31 Kwas hiyo wana wa uzao wa Gadi na wa Reubeni wakamjibu wakisema, Kama vile BWANA alivyosema nasi, sisi watumwa wako, hiki ndicho tutakachokifanya.
Dia namaly ny taranak’ i Gada sy ny taranak’ i Robena ka nanao hoe: Araka izay nolazain’ i Jehovah tamin’ ny mpanomponao no hataonay:
32 Tutavuka tukiwa na silaha zetu mbele za BWANA kuingia katika nchi ya Kanaani, lakini urithi wetu utabaki utabaki upande huu wa Yorodani.”
Izabay handeha hita eo anatrehan’ i Jehovah ho any amin’ ny tany Kanana samy efa voaomana hiady, kanefa etỳ an-dafin’ i Jordana etỳ ihany no hahazoanay zara-tany.
33 Kwa hiyo uzao wa Gadi na Reubeni, na pia nusu ya kabila la Manase mwana wa Yusufu, Musa akawapa ufalme wa Sihoni, mfalme wa Waamori, na wa Ogi, mafalme wa Bashani, Aliwapa hiyo nchi, na kuwagawia miji yake yote pamoja na mipaka yake, miji yote ya nchi inayowazunguka.
Dia nomen’ i Mosesy ho an’ ny taranak’ i Gada sy ny taranak’ i Robena ary ny an-tsasaky ny firenen’ i Manase, zanak’ i Josefa, ny fanjakan’ i Sihona, mpanjakan’ ny Amorka, sy ny fanjakan’ i Oga, mpanjakan’ i Basana dia ny tany mbamin’ ny tanànany ao amin’ ny fari-tany, dia ny tanàna eny amin’ ny tany manodidina.
34 Wale wa uzao wa Gadi wakaijenga Diboni,
Ary ny taranak’ i Gada nanao an’ i Dibona sy Atarota sy Aroera
35 Atarothi, Aroeri, Atrothi, Jazeri, Jogbehaha, Bethi Nimraha,
sy Atrota-sofana sy Jazera ary Jogbeha
36 na Bethi Harani kuwa miji iliyo na maboma na mazizi ya kondoo wao.
sy Beti-nimra sy Beti-harana, tanàna mimanda, ary vala ho an’ ny ondry.
37 Wale wa uzao wa Reubeni wakaijenga Heshiboni. Elealehi, Kiriathaimu,
Ary ny taranak’ i Robena nanao an’ i Hesbona sy Elale sy Kiriataima
38 Nebo, Baali Meoni - baadaye waliyabadili majina yao, na Sibimaha.
sy Nebo sy Bala-meona (nefa novana ny anaran’ ireo) ary Sibma; ary nasiany anarana vaovao ny tanàna izay nataony.
39 Wale wa uzao wa Machiri mwana wa Manase walienda Gileadi na kuutwaa kutoka kwa Waamori waliokuwa wakiishi humo.
Ary ny taranak’ i Makira, zanak’ i Manase, nankany Gileada ka nahafaka azy, dia nandroaka ny Amorita izay nonina teo.
40 Kisha Musa akaitoa Gileadi kwa Machiri mwana wa Manase, na watu wake wakaishi humo.
Ary Gileada dia nomen’ i Mosesy an’ i Makira, zanak’ i Manase, ka nonina tao izy.
41 Jairi mwana wa Manase alienda kuiteka miji yake na kuiita Havothi Jairi.
Ary Jaïra, zanak’ i Manase, nandeha ka nahafaka ny tanàna madinika teo, ary ny anarany nataony hoe Havota-jaïra.
42 Nobaha alienda kuitieka Kenathi na vijiji vyake, na akauita kwa jina lake Nobaha.
Ary Noba nandeha ka nahafaka an’ i Kenata sy ny zana-bohiny, dia nataony hoe Noba, araka ny anarany izy.

< Hesabu 32 >