< Torati 4 >

1 Sasa, Israeli, sikiliza sheria na amri ambayo niko karibu kukufundisha, kuzifanya, ili kwamba uweze kuishi na kuingia ndani na kumiliki nchi ambayo Yahwe, Mungu wa baba zako, anakupa.
Ary ankehitriny, ry Isiraely, mihainoa ny didy sy ny fitsipika izay ampianariko anareo harahinareo, mba ho velona ianareo ka hiditra sy handova ny tany izay omen’ i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, anareo.
2 Hautaongeza maneno ambayo nakuamuru, wala hautayapunguza, ili kwamba uweze kushika amri ya Yahwe Mungu wako ambazo naenda kukuamuru.
Aza ampianareo ny teny izay andidiako anareo, ary aza anesoranareo, fa tandremo ny didin’ i Jehovah Andriamanitrareo izay andidiako anareo.
3 Macho yako yamekwisha ona nini Yahwe alifanya kwa sababu ya Baal Peor, kwa kuwa watu wote waliomfuata Baali Peor, Yahwe Mungu wenu amekwisha kuwaangamiza kutoka miongoni mwenu.
Ny masonareo efa nahita izay nataon’ i Jehovah noho ny tamin’ i Bala-peora; fa ny olona rehetra izay nanaraka an’ i Bala-peora dia naringan’ i Jehovah Andriamanitrao tsy ho eo aminao.
4 Lakini walioambatana na Yahwe Mungu wenu wako hai leo, kila moja wenu.
Fa ianareo izay nifikitra tamin’ i Jehovah Andriamanitrareo kosa dia samy velona avokoa izao anio izao.
5 Tazama, nimewafundisha sheria na amri, kama Yahwe Mungu wangu alivyoniamuru mimi, ila kwamba mfanye hivyo katikati mwa nchi ambayo mnaiendea ili kusudi muimiliki.
Indro, efa nampianariko didy sy fitsipika ianareo, araka izay nandidian’ i Jehovah Andriamanitro ahy, mba harahinareo any amin’ ny tany izay efa hidiranareo holovana.
6 Kwa hiyo washikilieni na kuwafanya, kwa kuwa hii ni hekima yenu na uelewa wenu mbele ya macho ya watu watakaosikia amri hizi zote na kusema, “Hakika taifa hili kubwa lina watu wa hekima na uelewa.'
Koa tandremo ary ataovy izany, fa izany no ho fahendrenareo sy ho fanananareo saina eny imason’ ny firenen-tsamy hafa; fa handre izany lalàna rehetra izany izy ka hanao hoe: Olona hendry sy manan-tsaina tokoa io firenena io
7 Kuna taifa gani jingine la vile liko hapo lina mungu karibu nao, kama Yahwe Mungu wetu tunapomwita wakati wowote?
Fa iza no firenena, na dia lehibe aza, no mba manana andriamanitra akaiky azy tahaka an’ i Jehovah Andriamanitra amin’ izay rehetra iantsoantsika Azy?
8 Kuna taifa kubwa gani jingine liko hapo ambalo lina sheria na amri ili kwamba haki pamoja na sheria ambayo ninaweka mbele yenu leo?
Ary iza no firenena, na dia lehibe aza, no mba manana didy sy fitsipika marina tahaka izao lalàna rehetra izao, izay ataoko eo anatrehanareo anio?
9 Zingatia peke na kuwa makini kujilinda, ili usisahau mambo ambayo macho yako yameona, ili kwamba yasiuwache moyo wako kwa siku zote za maisha yako. Badala yake, yafanye yajulikane kwa watoto wako na wana watoto wako.
Kanefa kosa mitandrema ianao, ka tandremo tsara ny fanahinao, fandrao hadinoinao ny zavatra izay efa hitan’ ny masonao, ary andrao miala amin’ ny fonao izany, amin’ ny andro rehetra hiainanao, fa ampahafantaro ny zanakao sy ny zafinao izany,
10 Kuhusu siku ile uliyosimama mbele ya Yahwe Mungu wako katika Horeb, wakati Yahwe alisema nami, 'Nikusanyie watu, na nitawafanya wasikia maneno yangu, ili kwamba waweze kujifunza kuniogopa mimi siku zote ambazo wanazoishi duniani, na kwamba waweze kuwafundisha watoto wao.
dia izay hitanao tamin’ ny andro izay nitsangananao teo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao tany Horeba, fony Jehovah nilaza tamiko hoe: Angony etỳ amiko ny olona, dia hampandrenesiko azy ny teniko, izay hianarany mba hatahotra Ahy amin’ ny andro rehetra hiainany ambonin’ ny tany sady hampianariny ny zanany koa.
11 Mlikuja karibu na kusimama katika wayo wa mlima. Mlima uliwaka moto kwenye moyo wa mbinguni, pamoja na giza, mawingu na giza jembamba.
Dia nanakaiky ianareo ka nitsangana teo am-bodin’ ny tendrombohitra; ary ny tendrombohitra nirehitra afo manakatra ny lanitra, sady nisy aizina sy rahona ary aizim-pito.
12 Yahwe alizungumza katikati ya moto, ulisikia suati pamoja na maneno yake, lakini hakuona umbo, ila ulisikia sauti peke.
Dia niteny taminareo teo amin’ ny afo Jehovah; ny teny ihany no renareo, fa tsy nahita endrika akory ianareo.
13 Alitangaza kwenu agano lake ambalo aliwaamuru ninyi kulifanya, amri kumi. Aliziandika kwenye vibao viwili vya mawe.
Dia nambarany taminareo ny fanekeny, izay nandidiany anareo harahina, dia ny Didy Folo ary nosoratany teo amin’ ny vato fisaka roa ireo.
14 Yahwe aliniamuru mimi kwa wakati huo kuwafundisha sheria na amri, ili kwamba muweze kuzifanya katika nchi mnaoivuka kwenda kuimiliki.
Ary izaho nodidian’ i Jehovah tamin’ izany andro izany hampianatra anareo didy sy fitsipika, mba harahinareo any amin’ ny tany izay efa hidiranareo holovana.
15 Basi iweni waangalifu ninyi wenyewe - kwa kuwa mliona hakuna namna ya umbo siku hiyo ambapo Yahweh alizungumza nanyi huko Horeb kutoka katikati mwa moto,
Dia tandremo tsara ny fanahinareo; fa tsy nahita endrika akory ianareo tamin’ ny andro izay nitenenan’ i Jehovah taminareo tao amin’ ny afo tany Horeba;
16 ili kwamba usiharibike na kuchonga umbo katika sura ya kiumbe chochote, umbo la mwanaume au mtu wa kike,
fandrao manao ratsy ianareo ka manao sarin-javatra voasokitra ho anareo, araka izay endri-javatra na inona na inona, dia sarin-dehilahy, na sarim-behivavy,
17 au sura ya mnyama aliye katika nchi, au sura ya ndege yoyote wa mabawa arukae katika anga, au
na sarim-biby izay etỳ ambonin’ ny tany, na sarim-borona manana elatra izay manidina eny amin’ ny habakabaka,
18 sura ya kitu chochote kitambaacho katika ardhi, au sura ya samaki yoyote katika maji chini ya ardhi.
na sarim-biby mandady na mikisaka amin’ ny tany, na sarin-kazandrano izay ao amin’ ny rano ambanin’ ny tany.
19 Hautainua macho yako juu mbinguni na kutazama jua, mwezi, au nyota - jeshi lote la mbinguni- ukusogezwa na kuviabudu na kuvisujudia- vile vyote ambavyo Yahwe Mungu wenu amewapa hisa watu wote walio chini ya anga lote.
Ary andrao raha miandrandra ny lanitra ianao ka mahita ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, dia izay rehetra eny amin’ ny lanitra, dia ho voataona ianao hiankokoha eo anatrehany sy hanompo azy, izay nataon’ i Jehovah Andriamanitrao ho anjaran’ ny firenena rehetra ambanin’ ny lanitra.
20 Lakini Yahwe amewatoa ninyi na kuwaleta nje ya tanuru la chuma, nje ya Misri, kuwa kwake watu wa urithi wake, kama mlivyo leo.
Fa ianareo no nalain’ i Jehovah ka nentiny nivoaka avy tao amin’ ny memy fandrendreham-by (dia avy tany Egypta) mba ho firenena ho Azy tahaka ny amin’ izao anio izao.
21 Yahwe alinikasirikia mimi kwa sababu yenu; aliapa kwamba nisiende ng'ambo ya Yordani, na kwamba nisiende kwenye nchi nzuri, nchi ambayo Yahwe Mungu wenu anawapa ninyi kama urithi.
Ary Jehovah dia tezitra tamiko noho ny aminareo ka nianiana fa tsy hita an’ i Jordana aho, na hiditra any amin’ ny tany soa izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao.
22 Badala yake, ninapaswa kufa katika nchi hii, sipaswi kwenda ng'ambo ya Yordani, lakini mtaenda ng'ambo na kuimiliki nchi nzuri
Fa izaho ho faty amin’ ity tany ity, fa tsy hita an’ i Jordana; fa ianareo kosa no hita ka handova izany tany soa izany.
23 Zingatia ninyi wenyewe, ili kwamba msisahau agano la Yahwe Mungu wenu, alilolifanya pamoja nanyi, na kujichongea mfano wa sanamu katika uombo la kitu chochote ambacho Yahwe Mungu wenu amewakataza kufanya.
Mitandrema ianareo, fandrao manadino ny faneken’ i Jehovah Andriamanitrareo izay nataony taminareo ka manao sarin-javatra voasokitra ho anareo, araka ny endriky ny zavatra izay efa nandraran’ i Jehovah Andriamanitrao anao.
24 Kwa kuwa Yahwe Mungu wenu ni moto ulao, Mungu wa wivu.
Fa Jehovah Andriamanitrao dia afo mandevona; eny, Andriamanitra saro-piaro Izy.
25 Wakati mnapozaa watoto na wana watoto, na wakati mtakapo kuwa katika nchi kwa muda mrefu, na kama mtaharibikiwa ninyi na kuchonga umbo la umbo lolote, na kufanya uovu machoni pa Yahwe Mungu wenu, kumchoche katika hasira-
Raha miteraka sy ho loa-jafy koa ianao, ka efa nitoetra ela teo amin’ ny tany ianareo ary manao ratsy ka manao sarin-javatra voasokitra, araka izay endriky ny zavatra na inona na inona, sy manao ratsy eo imason’ i Jehovah Andriamanitrao ary mampahatezitra Azy,
26 Nitaita nchi na mbingu kushuhudia dhidi yenu leo kwa kuwa mapema kabisa mtaangamia kutoka katika nchi ambayo mnaiendea huko ng'ambo ya Yordani kuimiliki, hamtazidisha siku zenu ndani yake, lakini mtaangamizwa kabisa.
dia miantso ny lanitra sy ny tany ho vavolombelona aho anio fa vetivety foana dia ho fongotra tokoa ianareo tsy ho eo amin’ ny tany izay alehanareo hita an’ i Jordana holovana; tsy ho maro andro eo ianareo, fa haringana tokoa.
27 Yahwe atawatawanyisha ninyi miongoni mwa watu, na mtabaki wachache ki-idadi miongoni mwa mataifa, ambapo Yahwe atawaongoza mbali.
Ary Jehovah hampiely anareo any amin’ ny firenen-tsamy hafa; ary ho tonga olom-bitsy izay sisa aminareo any amin’ ny firenen-tsamy hafa izay hitondran’ i Jehovah anareo.
28 Huko mtatumikia miungu mingine, kazi ya mikono ya watu, mbao na mawe, ambayo wala haioni, kusikia, wala kunusa.
Ary any no hanompoanareo andriamanitra asan’ ny tànan’ olona, dia vato aman-kazo, izay tsy mahita, na mandre, na mihinana, na manimbolo.
29 Lakini kuanzia hapo mtamtafuta Yahwe Mungu wenu, na mtampata, wakati mtakapomtafuta kwa moyo wenu wote na roho zenu zote.
Kanefa any ianao no hitady an’ i Jehovah Andriamanitrao ka hahita Azy, raha mitady Azy amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra.
30 Wakati mnakuwa katika dhiki, na wakati haya yote yatakuwa yamekuja kwenu, katika siku za badae mtamrudia Yahwe Mungu wenu na kusikia sauti yake.
Raha azom-pahoriana ianao, fa manjo anao ireo zavatra rehetra ireo, dia hiverina amin’ i Jehovah Andriamanitrao ianao any am-parany ka hihaino ny feony;
31 Kwa kuwa Yahwe Mungu wenu ni Mungu wa rehema; hatawaangusha wala kuwaangamiza ninyi, wala kusahau agano la baba zenu ambalo aliapa kwao.
fa Andriamanitra mamindra fo Jehovah Andriamanitrao ka tsy hahafoy anao, na handringana anao, na hanadino ny fanekena tamin’ ny razanao, izay efa nianianany taminy.
32 Kwa ajili ya kuuliza sasa kuhusu siku zilizopita ambazo zilikuwa mbele yenu: tangu siku ile ambayo Mungu alimuumba mtu katika nchi, kutoka pande moja ya mbingu hadi nyingine, uliza kama kumekuwepo chochote kama hiki kikubwa, au chochote kama hicho imewahi kusikiwa?
Fa anontanio ange ny andro lasa, izay teo alohanao hatramin’ ny andro izay namoronan’ Andriamanitra olombelona tetỳ ambonin’ ny tany ary hatramin’ ny faravodilanitra manodidina, raha mba nisy zavatra lehibe tahaka izany, na mba efa nisy re tahaka izany.
33 Ilishawahi kutokea watu kusikia sauti ya Mungu kuongea katikati ya moto, kama mlivyosikia, na kuishi?
Moa efa nisy firenena nandre ny feon’ Andriamanitra niteny tao amin’ ny afo, tahaka ny efa renao, ka velona ihany?
34 Au Mungu ameshawahi kujaribu kwenda na kujichukulia kwa ajili yake taifa kutoka miongoni mwa taifa, kwa majaribu, ishara na maajabu na kwa vita, na mkono wa nguvu, na mkono ulionyoshwa, na magaidi wakuu, vile vyovyote ambavyo Yahwe Mungu wenu alifanya kwa ajili yenu Misri mbele ya macho yenu?
Moa efa nanandrana handeha haka firenena ho Azy avy amin’ ny firenena hafa va Andriamanitra amin’ ny fizahan-toetra sy ny famantarana sy ny fahagagana sy ny ady sy ny tanana mahery sy ny sandry nahinjitra ary ny fampahatahorana lehibe, araka izay rehetra nataon’ i Jehovah Andriamanitrareo ho anareo tany Egypta teo imasonao?
35 Kwenu haya yalioneshwa, ili muweze kujua kuwa Yahwe ni Mungu, na kwamba hakuna mwingine zaidi yake.
Hianao no nampahitainy izany, mba hahafantaranao fa Jehovah no Andriamanitra, fa tsy misy afa-tsy Izy.
36 Toka mbinguni alifanya msikie sauti yake, ili kwamba aweze kuwaelekeza, juu ya nchi aliwafanya muone moto wake mkuu, mlisikia maneno yake toka katikati ya moto.
Avy tany an-danitra no nampandrenesany anao ny feony hananarany anao; ary teo ambonin’ ny tany no nanehoany anao ny afony lehibe; ary ny teniny efa renao avy tao afovoan’ ny afo.
37 Kwa sababu aliwapenda baba zenu, alichagua wazao wao baada yao, na kuwatoa ninyi Misri kwa uwepo wake, kwa nguvu yake kubwa,
Ary satria tia ny razanao Izy ka nifidy ny zanany mandimby azy, dia Izy no nitondra anao nivoaka avy tany Egypta tamin’ ny heriny lehibe,
38 ili kusudi awatowe kutoka mbele ya mataifa makubwa na yenye nguvu kuliko ninyi, kuwaleta ndani, kuwapa ninyi nchi yao kama urithi, hivi leo.
handroahany eo anoloanao firenena maro izay lehibe sy mahery noho ianao, mba hampidirany anao sy hanomezany anao ny taniny ho lova, tahaka ny amin’ izao anio izao.
39 Tambua hivi leo, weka kwenye moyo wako, Yahwe ni Mungu juu ya mbingu na chini ya dunia, hakuna mwingine yeyote.
Koa aoka ho fantatrao anio, ka tsarovy ao am-ponao, fa Jehovah no Andriamanitra any amin’ ny lanitra ambony sy etỳ amin’ ny tany ambany, ka tsy misy afa-tsy Izy.
40 Mtazishika sheria zake na amri zake ambazo nawaamuru leo, ili kwamba iweze kuwa vizuri kwenu na watoto wenu baada yenu, na kwamba muweze kuongeza siku zenu katika nchi ambayo Yahwe Mungu wenu amewapa milele.”
Dia tandremo ny lalàny sy ny didiny izay andidiako anao anio, mba hahita soa ianao sy ny taranakao mandimby anao, ary mba ho maro andro ianao any amin’ ny tany, izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao ho anao mandrakizay.
41 Kisha Musa alichagua miji mitatu mashariki mwa Yordani,
Ary tamin’ izay Mosesy dia nanokana tanàna telo any an-dafy atsinanan’ i Jordana,
42 ili kwamba yoyote aweze kukimbia kati ya moja yao kama imemuua mtu mwingine kwa ajili, pasipo kuwa adui hapo awali. Kwa kukimbilia kwenye moja ya miji hii, atakuwa amenusurika.
mba handosiran’ izay nahafaty ny namany tsy nahy ka tsy nankahala azy teo aloha, dia ho velona izy raha mandositra ao amin’ ny anankiray amin’ ireo tanàna ireo:
43 Walikuwa: Bezeri katika jangwa, nchi tambarare, kwa Warubenites; Ramothi huko Gileadi, kwa Gadites; na Golani huko Bashani, kwa Manassites.
dia Bazera any an-efitra, amin’ ny tany lemaka, an’ ny Robenita; ary Ramota-gileada an’ ny Gadita; ary Golana any Basana an’ ny Manasita.
44 Hii ni sheria ambayo Musa aliweka mbele ya watu wa Israeli,
Ary izao no lalàna izay nalahatr’ i Mosesy teo anatrehan’ ny Zanak’ Isiraely.
45 hizi ni amri za agano, sheria, na amri zingine alizungumza na watu wa Israeli wakati walipotoka Misri,
Izao no teni-vavolombelona sy didy ary fitsipika, izay nambaran’ i Mosesy tamin’ ny Zanak’ Isiraely, rehefa nivoaka avy tany Egypta izy,
46 pindi walikuwa Mashariki mwa Yordani, katika bonde mkabala wa Beth Peori, katika nchi ya Sihoni, mfalme wa Amorites, aliyewahi kuishi Heshbon, ambaye Musa na watu wa Israeli waliwahi kumshinda wakati walipotoka Misri.
tany an-dafin’ i Jordana, tao an-dohasaha tandrifin’ i Beti-peora, tao amin’ ny tanin’ i Sihona, ilay mpanjakan’ ny Amorita nonina tao Hesbona, dia ilay noresen’ i Mosesy sy ny Zanak’ Isiraely, rehefa nivoaka avy tany Egypta izy,
47 Walichukua nchi yake kama urithi, na nchi ya Ogi mfalme wa Bashani- hawa, wafalme wawili wa Amorites, waliokuwa ng'ambo ya pili ya Yordani kuelekea Mashariki.
ka dia azony ny tanin’ i Sihona sy ny tanin’ i Oga, mpanjakan’ i Basana, dia ny mpanjaka roa tamin’ ny Amorita, izay tany an-dafy atsinanan’ i Jordana,
48 Himaya hii ilienda kutoka Aroer, katika ukingo wa bonde la Arnon, kwa mlima wa Sion (mlima Hermon),
hatrany Aroera, izay ao amoron’ ny lohasahan-driaka Arnona, ka hatramin’ ny tendrombohitra Siona (Hermona izany),
49 na ilijumuisha tambarare zote za bonde la mto Yordani, Mashariki mwa ng'ambo ya pili ya Yordani, kuelekea bahari ya Arabah, kuelekea miteremko ya mlima Pisgah.
dia ny tani-hay rehetra any an-dafy atsinanan’ i Jordana ka hatramin’ ny ranomasina amin’ ny tani-hay eo am-bodin’ i Pisga.

< Torati 4 >