< Efesiana 6 >

1 Anaka, maneke ny ray sy ny reninareo ao amin’ ny Tompo, fa marina izany.
Enyi watoto, watiini wazazi wenu Kikristo maana hili ni jambo jema.
2 Manajà ny ray sy ny reninao (fa izany no didy voalohany misy teny fikasana),
“Waheshimu Baba na mama yako,” hii ndiyo amri ya kwanza ambayo imeongezewa ahadi, yaani,
3 mba hahita soa ianao sy ho maro andro ambonin’ ny tany.
“Upate fanaka na miaka mingi duniani.”
4 Ary ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao amin’ ny famaizana sy ny fananaran’ ny Tompo izy.
Nanyi akina baba, msiwachukize watoto wenu ila waleeni katika nidhamu na mafundisho ya Kikristo.
5 Hianareo mpanompo, maneke ny tomponareo araka ny nofo amin’ ny fahatahorana sy ny fangovitana, amin’ ny fahatsoran’ ny fonareo, toy ny fanekena an’ i Kristy ihany,
Enyi watumwa, watiini mabwana zenu hapa duniani kwa hofu na tetemeko; fanyeni hivyo kwa unyofu wa moyo kana kwamba mnamtumikia Kristo.
6 tsy amin’ ny fanompoana eo imaso, tahaka ny mpila sitraka amin’ olona, fa tahaka ny mpanompon’ i Kristy manao izay sitrapon’ Andriamanitra amin’ ny fo,
Fanyeni hivyo si tu wakati wanapowatazama ili mjipendekeze kwao, bali tumikieni kwa moyo kama atakavyo Mungu kwa sababu ninyi ni watumishi wa Kristo.
7 amin’ ny sitrapo manao fanompoana toy ny amin’ ny Tompo, fa tsy amin’ olona,
Muwe radhi kutumikia kwa ajili ya Bwana na si kwa ajili ya watu.
8 satria fantatrareo fa izay soa ataon’ ny olona rehetra no horaisiny amin’ ny Tompo, na andevo na tsy andevo izy.
Kumbukeni kwamba kila mtu mwenye kutenda mema, awe mtumwa au mtu huru, atapokea tuzo lake kutoka kwa Bwana.
9 Ary ianareo tompo, manaova toy izany aminy kosa, ka atsaharo ny fandrahonana, satria fantatrareo fa ny Tompony sady Tomponareo koa dia any an-danitra; ary tsy misy fizahan-tavan’ olona aminy.
Nanyi mnaotumikiwa, watendeeni vivyo hivyo watumwa wenu, na acheni kutumia vitisho. Kumbukeni kwamba ninyi pia kama vile wao, mnaye Bwana yuleyule mbinguni, kwake cheo cha mtu si kitu.
10 Farany, mahereza ao amin’ ny Tompo sy amin’ ny herin’ ny faherezany.
Hatimaye, nawatakeni muwe imara katika kuungana na Bwana na kwa msaada wa nguvu yake kuu.
11 Tafio avokoa ny fiadian’ Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin’ ny fanangolen’ ny devoly.
Vaeni silaha anazowapeni Mungu mpate kuzipinga mbinu mbaya za Ibilisi.
12 Fa isika tsy mitolona amin’ ny nofo aman-drà, fa amin’ ny fanapahana sy amin’ ny fanjakana sy amin’ ny mpanjakan’ izao fahamaizinana izao, dia amin’ ny fanahy ratsy eny amin’ ny rivotra. (aiōn g165)
Maana vita vyenu si vita kati yetu na binadamu, bali ni vita dhidi ya jeshi ovu la ulimwengu wa roho; tunapigana na watawala, wakuu na wenye nguvu wanaomiliki ulimwengu huu wa giza. (aiōn g165)
13 Ary noho izany, dia raiso avokoa ny fiadian’ Andriamanitra, mba hahazoanareo hanohitra amin’ ny andro mahory; ary rehefa vitanareo avokoa, dia hahafahatra ianareo.
Kwa sababu hiyo, vaeni silaha za Mungu ili siku ile itakapofika muweze kuyapinga mashambulio ya adui; na mkisha pigana mpaka mwisho, muwe bado thabiti.
14 Mifahara ary, ka sikino fahamarinana ny valahanareo, ary mitafia ny rariny ho fiarovan-tratra,
Basi, simameni imara! Ukweli uwe kama ukanda kiunoni mwenu, uadilifu uwe kama vazi la kujikinga kifuani,
15 ary kiraroy ny fahavononam-panahy avy amin’ ny filazantsaran’ ny fihavanana ny tongotrareo;
na hamu ya kutangaza Habari Njema ya amani iwe kama viatu miguuni mwenu.
16 ary ho fanampin’ izany rehetra izany dia tano ny finoana ho ampinga, izay hahazoanareo hamono ny zana-tsipìka mirehitra rehetra izay alefan’ ilay ratsy.
Zaidi ya hayo yote, imani iwe daima kama ngao mikononi mwenu, iwawezeshe kuizima mishale ya moto ya yule Mwovu.
17 Ary raiso ny famonjena ho fiarovan-doha sy ny tenin’ Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy;
Upokeeni wokovu kama kofia yenu ya chuma, na neno la Mungu kama upanga mnaopewa na Roho Mtakatifu.
18 ary mivavaha mandrakariva ao amin’ ny Fanahy amin’ ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana, ka miambena amin’ izany amin’ ny faharetana sy ny fangatahana rehetra ho an’ ny olona masìna rehetra,
Salini daima, mkiomba msaada wa Mungu. Salini kila wakati kwa nguvu ya Roho. Kesheni bila kuchoka mkisali kwa ajili ya watu wote wa Mungu.
19 ary ho ahy koa mba homena ahy ny hiloa-bava amin’ ny fahasahiana hampahafantatra ny zava-miafina momba ny filazantsara
Niombeeni nami pia ili niongeapo Mungu anijalie cha kusema, niweze kuwajulisha watu fumbo la Habari Njema kwa uthabiti.
20 (iraka migadra noho izany aho), mba hiteny izany amin’ ny fahasahiana aho, toy izay mety hoteneniko.
Mimi ni balozi kwa ajili ya Habari Njema hiyo ingawa sasa niko kifungoni. Ombeni, basi, ili niweze kuwa hodari katika kuitangaza kama inipasavyo.
21 Fa mba ho fantatrareo koa izay toetro, dia Tykiko, rahalahy malala sady mpanompo mahatoky ao amin’ ny Tompo, no hampahalala anareo ny zavatra rehetra;
Tukiko, ndugu yetu mpenzi na mtumishi mwaminifu wa Bwana, atawapeni habari zangu zote mpate kujua ninachofanya.
22 izy no nirahiko hilaza izany zavatra izany indrindra aminareo, mba ho fantatrareo ny toetray, ary mba hamporisihiny ny fonareo.
Namtuma kwenu awapeni habari zetu mpate kuwa na moyo.
23 Fiadanana anie ho an’ ny rahalahy ary fitiavana mbamin’ ny finoana avy amin’ Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo.
Ninawatakieni ninyi ndugu amani, upendo na imani kutoka kwa Mungu Baba na kutoka kwa Bwana Yesu Kristo.
24 Ny fahasoavana anie ho amin’ izay rehetra tia an’ i Jesosy Kristy Tompontsika amin’ ny fitiavana tsy mety levona. Amena.
Nawatakia neema ya Mungu wote wanaompenda Bwana wetu Yesu Kristo kwa mapendo yasiyo na mwisho.

< Efesiana 6 >