< Efesiana 5 >

1 Koa amin’ izany dia aoka hanahaka an’ Andriamanitra ianareo tahaka ny zanaka malala;
Kwa hiyo, mwigeni Mungu, maana ninyi ni watoto wake wapenzi.
2 ary mandehana amin’ ny fitiavana, toy ny nitiavan’ i Kristy anareo, dia ny nanolorany ny tenany ho fanatitra sy ho fanavotana amin’ Andriamanitra, ho hanitra ankasitrahana, hamonjy antsika.
Upendo uongoze maisha yenu, kama vile Kristo alivyotupenda, na kwa ajili yetu akajitoa mwenyewe kama dhabihu yenye harufu nzuri na tambiko impendezayo Mungu.
3 Fa ny fijangajangana sy ny fahalotoana rehetra, na ny fieremana, dia aza avela hotononina eo aminareo akory aza, fa tsy mahamendrika ny olona masìna izany,
Kwa vile ninyi ni watu wa Mungu, basi uasherati, uchafu wowote ule au choyo visitajwe kamwe miongoni mwenu.
4 na fahavetavetana, na resaka fahadalana, na voso-dratsy, izay tsy tokony hatao, fa aleo misaotra.
Tena maneno ya aibu, ya upuuzi au ubishi, yote hayo hayafai kwenu; maneno ya kumshukuru Mungu ndiyo yanayofaa.
5 Fa fantatrareo marimarina fa samy tsy manana lova eo amin’ ny fanjakan’ i Kristy sy Andriamanitra na ny mpijangajanga rehetra, na ny olom-betaveta, na ny olona mierina (mpanompo sampy izany).
Jueni wazi kwamba mwasherati yeyote au mchafu au mfisadi, (ufisadi ni sawa na kuabudu sanamu), au mtu yeyote wa aina hiyo hataambulia chochote katika Utawala wa Kristo na wa Mungu.
6 Aza mety hofitahin’ olona amin’ ny teny foana ianareo; fa izany zavatra izany no mahatonga ny fahatezeran’ Andriamanitra amin’ ny zanaky ny tsi-fanarahana.
Msikubali kudanganywa na mtu kwa maneno matupu; maana, kwa sababu ya mambo kama hayo ghadhabu ya Mungu huwajia wote wasiomtii.
7 Koa aza mety ho mpiombona aminy ianareo.
Basi, msishirikiane nao.
8 Fa maizina ianareo fahiny, fa efa mazava ao amin’ ny Tompo kosa ankehitriny; mandehana tahaka ny zanaky ny mazava
Zamani ninyi mlikuwa gizani, lakini sasa ninyi mko katika mwanga kwa kuungana na Bwana. Ishini kama watoto wa mwanga:
9 (fa ny vokatry ny mazava dia ao amin’ ny fahatsarana rehetra sy ny fahamarinana ary ny fahitsiana),
maana matokeo ya mwanga ni wema kamili, uadilifu na ukweli.
10 mamantatra izay ankasitrahan’ ny Tompo.
Jaribuni kujua yale yanayompendeza Bwana.
11 Ary aza miray amin’ ny asan’ ny maizina tsy mahavoka-tsoa, fa aleo mananatra izany.
Msishiriki katika matendo yasiyofaa, ya giza bali yafichueni.
12 Fa izay ataony ao amin’ ny miafina, dia mahamenatra na dia ny milaza izany aza.
Mambo yanayotendwa kwa siri ni aibu hata kuyataja.
13 Fa ny zavatra rehetra, raha anarina, dia asehon’ ny mazava; fa na inona na inona aseho dia mazava.
Lakini mambo yale yanayotendwa katika mwanga, ukweli wake hudhihirishwa;
14 Koa izany no ilazany hoe: Mifohaza ianao izay matory, Ary mitsangàna amin’ ny maty, Dia hampahazava anao Kristy.
na kila kilichodhihirishwa huwa mwanga. Ndiyo maana Maandiko yasema: “Amka wewe uliyelala, fufuka kutoka wafu, naye Kristo atakuangaza.”
15 Koa tandremo tsara izay fandehanareo, mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry,
Basi, muwe waangalifu jinsi mnavyoishi: Msiishi kama wapumbavu, bali kama wenye hekima.
16 ka hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao fiainana izao.
Tumieni vizuri muda mlio nao maana siku hizi ni mbaya.
17 Ary noho izany dia aza manao adaladala, fa aoka ho fantatrareo izay sitrapon’ ny Tompo.
Kwa hiyo, msiwe wapumbavu, bali jaribuni kujua matakwa ya Bwana.
18 Ary aza ho mamon-divay ianareo, fa amin’ izany dia misy fanaranam-po amin’ ny ratsy, fa aoka hofenoina ny Fanahy,
Acheni kulewa divai maana hiyo itawaangamiza, bali mjazwe Roho Mtakatifu.
19 ka mifampilazà amin’ ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, dia mihira sy mikalo ao am-ponareo ho an’ ny Tompo,
Zungumzeni kwa maneno ya Zaburi, nyimbo na tenzi za kiroho; mwimbieni Bwana nyimbo na zaburi kwa shukrani mioyoni mwenu.
20 misaotra an’ Andriamanitra Ray mandrakariva noho ny zavatra rehetra, amin’ ny anaran’ i Jesosy Kristy Tompontsika,
Mshukuruni Mungu Baba daima kwa ajili ya yote, kwa jina la Bwana wetu Yesu Kristo.
21 sady mifanaiky amin’ ny fahatahorana an’ i Kristy,
Kila mmoja amstahi mwenzake kwa sababu ya kumcha Kristo.
22 Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo tahaka ny anekena ny Tompo.
Wake wawatii waume zao kama kumtii Bwana.
23 Fa ny lahy no lohan’ ny vavy, dia tahaka an’ i Kristy koa no Lohan’ ny fiangonana; ary Izy no mpamonjy ny tena.
Maana mume anayo mamlaka juu ya mkewe, kama vile Kristo alivyo na mamlaka juu ya kanisa; naye Kristo mwenyewe hulikomboa kanisa, mwili wake.
24 Fa tahaka ny aneken’ ny fiangonana an’ i Kristy no haneken’ ny vavy ny lahy koa amin’ ny zavatra rehetra.
Kama vile kanisa linavyomtii Kristo, vivyo hivyo, wake wawatii waume zao katika mambo yote.
25 Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, dia tahaka ny nitiavan’ i Kristy ny fiangonana ka nanolorany ny tenany hamonjy azy,
Nanyi waume, wapendeni wake zenu kama Kristo alivyolipenda kanisa, akajitoa mwenyewe sadaka kwa ajili yake.
26 mba hahamasina azy amin’ ny anadiovany azy amin’ ny rano fanasana amin’ ny teny;
Alifanya hivyo, ili kwa neno lake, aliweke wakfu kwa Mungu, baada ya kulifanya safi kwa kuliosha katika maji,
27 mba horaisiny ho an’ ny tenany izany ho fiangonana malaza tsy misy pentimpentina, na fiketronana, na izay toy izany, fa mba ho masìna sady tsy misy tsiny izy.
kusudi ajipatie kanisa lililo takatifu na safu kabisa, kanisa lisilo na doa, kasoro au chochote cha namna hiyo.
28 Dia tahaka izany koa, ny lehilahy tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ihany. Izay tia ny vadiny dia tia ny tenany.
Basi, waume wanapaswa kuwapenda wake zao kama miili yao wenyewe.
29 Fa tsy mba nisy olona tsy tia ny nofony, fa mamelona sy mitaiza azy, dia tahaka an’ i Kristy amin’ ny fiangonana;
(Hakuna mtu yeyote auchukiaye mwili wake; badala ya kuuchukia, huulisha na kuuvika. Ndivyo naye Kristo anavyolitunza kanisa,
30 fa momba ny tenany isika.
maana sisi ni viungo vya mwili wake.)
31 Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hiray amin’ ny vadiny, ary dia ho nofo iray ihany izy roroa.
Kama yasemavyo Maandiko Matakatifu: “Kwa hiyo, mwanamume atawaacha baba na mama yake, ataungana na mkewe, nao wawili watakuwa mwili mmoja.”
32 Zava-miafina lehibe izany; fa milaza ny amin’ i Kristy sy ny fiangonana aho.
Kuna ukweli uliofichika katika maneno haya, nami naona kwamba yamhusu Kristo na kanisa lake.
33 Na dia izany aza, samia tia ny vadiny tahaka ny tenany ianareo lehilahy rehetra, ary aoka kosa ny vavy hanaja ny lahy.
Lakini yanawahusu ninyi pia: kila mume lazima ampende mkewe kama nafsi yake mwenyewe, naye mke anapaswa kumstahi mumewe.

< Efesiana 5 >