< Galatiana 1 >

1 Paoly Apostoly ― tsy avy tamin’ olona, na tamin’ ny alalan’ olona, fa tamin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy sy Andriamanitra Ray, Izay nanangana Azy tamin’ ny maty ―
Mimi Paulo mtume,
2 mbamin’ ny rahalahy rehetra izay ato amiko, mamangy ny fiangonana atỳ Galatia:
na ndugu wote walio pamoja nami, tunayaandikia makanisa yaliyoko Galatia. Mimi nimepata kuwa mtume si kutokana na mamlaka ya binadamu, wala si kwa nguvu ya mtu, bali kwa uwezo wa Yesu Kristo na wa Mungu Baba aliyemfufua Yesu kutoka wafu.
3 ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompontsika,
Tunawatakieni neema na amani kutoka kwa Mungu Baba yetu na kutoka kwa Bwana Yesu Kristo.
4 Izay nanolotra ny tenany noho ny fahotantsika, hanafahany antsika amin’ izao miara-belona ratsy fanahy izao, araka ny sitrapon’ Andriamanitra Raintsika; (aiōn g165)
Kristo alijitoa mwenyewe kwa ajili ya dhambi zetu kufuatana na mapenzi ya Mungu wetu na Baba, ili apate kutuokoa katika ulimwengu huu mbaya wa sasa. (aiōn g165)
5 ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena. (aiōn g165)
Kwake yeye uwe utukufu milele! Amina. (aiōn g165)
6 Gaga aho, raha mifindra faingana toy izao ianareo hiala amin’ izay efa niantso anareo tamin’ ny fahasoavan’ i Kristy ho amin’ ny filazantsara hafa,
Nashangaa kwamba muda mfupi tu umepita, nanyi mnamwasi yule aliyewaita kwa neema ya Kristo, mkafuata Habari Njema ya namna nyingine.
7 izay tsy filazantsara akory, fa saingy misy ny sasany mampitabataba anareo ka ta-hamadika ny filazantsaran’ i Kristy.
Lakini hakuna “Habari Njema” nyingine. Ukweli ni kwamba wako watu wanaowavurugeni, watu wanaotaka kuipotosha Habari Njema ya Kristo.
8 Fa na izahay, na anjely avy any an-danitra aza, no mitory filazantsara hafa aminareo afa-tsy izay efa notorinay taminareo, aoka ho voaozona izy.
Lakini, hata kama mmoja wetu au malaika kutoka mbinguni, atawahubirieni Habari Njema tofauti na ile tuliyowahubirieni sisi, basi huyo na alaaniwe!
9 Araka ny voalazanay fahiny no lazaiko indray ankehitriny: Raha misy olona mitory filazantsara hafa aminareo, afa-tsy izay efa noraisinareo, aoka ho voaozona izy,
Tulikwisha sema, na sasa nasema tena: kama mtu yeyote anawahubirieni Habari Njema ya aina nyingine, tofauti na ile mliyokwisha pokea, huyo na alaaniwe!
10 Ary ankehitriny, olona va no ilako fitia, sa Andriamanitra? Sa mila sitraka amin’ olona aho? Raha mbola mila sitraka amin’ olona aho, dia tsy mpanompon’ i Kristy.
Sasa nataka kibali cha nani: cha binadamu, ama cha Mungu? Au je, nataka kuwapendeza watu? Kama ningefanya hivyo, mimi singekuwa kamwe mtumishi wa Kristo.
11 Fa ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny amin’ ny filazantsara izay notoriko, fa tsy araka ny fanaon’ ny olona izany.
Ndugu, napenda mfahamu kwamba ile Habari Njema niliyoihubiri si ujumbe wa kibinadamu.
12 Fa izaho tsy nandray azy tamin’ olona, ary tsy mba nampianarina aho, fa tamin’ ny fanambaran’ i Jesosy Kristy ihany.
Wala mimi sikuipokea kutoka kwa binadamu, wala sikufundishwa na mtu. Yesu Kristo mwenyewe ndiye aliyenifunulia.
13 Fa efa renareo ny toetro fahiny tamin’ ny fivavahan’ ny Jiosy, fa nanenjika ny fiangonan’ Andriamanitra efa izay tsy izy aho ka nandrava azy;
Bila shaka mlikwisha sikia jinsi nilivyokuwa ninaishi zamani kwa kuzingatia dini ya Kiyahudi, na jinsi nilivyolitesa kanisa la Mungu kupita kiasi na kutaka kuliharibu kabisa.
14 ary nandroso tamin’ ny fivavahan’ ny Jiosy mihoatra noho ny maro izay indray mihira amiko eo amin’ ny fireneko aho ka fatra-pitana ny fampianarana voatolotry ny razako indrindra.
Naam, mimi niliwashinda wengi wa wananchi wenzangu wa rika langu katika kuizingatia dini ya Kiyahudi, nikajitahidi sana kuyashika mapokeo ya wazee wetu.
15 Fa raha sitrak’ Andriamanitra, Izay nanokana ahy hatrany an-kibon’ ineny ny niantso ahy tamin’ ny fahasoavany,
Lakini Mungu, kwa neema yake, alikuwa ameniteua hata kabla sijazaliwa, akaniita nimtumikie.
16 ny nampiseho ny Zanany tato anatiko, mba hitoriako Azy any amin’ ny jentilisa, niaraka tamin’ izay dia tsy naka saina tamin’ ny nofo aman-drà aho,
Mara tu alipoamua kunifunulia Mwanae kusudi niihubiri Habari Njema yake kwa watu wa mataifa mengine, bila kutafuta maoni ya binadamu,
17 ary tsy niakatra tany Jerosalema ho any amin’ izay Apostoly talohako aho, fa lasa nankany Arabia, dia niverina ho any Damaskosy indray.
na bila kwenda kwanza Yerusalemu kwa wale waliopata kuwa mitume kabla yangu, nilikwenda kwanza Arabia, kisha nikarudi tena Damasko.
18 Ary rehefa afaka telo taona, dia niakatra tany Jerosalema hamangy an’ i Kefasy aho ka nitoetra tao aminy dimy ambin’ ny folo andro.
Ilikuwa tu baada ya miaka mitatu, ndipo nilipokwenda Yerusalemu kuonana na Kefa; nilikaa kwake siku kumi na tano.
19 Nefa ny Apostoly sasany dia tsy nisy hitako afa-tsy Jakoba, rahalahin’ ny Tompo.
Lakini sikuwaona mitume wengine isipokuwa Yakobo, ndugu yake Bwana.
20 Ary izay zavatra soratako aminareo, indro, eo anatrehan’ Andriamanitra fa tsy mandainga aho.
Haya ninayowaandikieni, Mungu anajua; sisemi uongo.
21 Rehefa afaka izany, dia tonga tany amin’ ny tany Syria sy Kilikia aho;
Baadaye nilikwenda katika tarafa za Siria na Kilikia.
22 ary tsy mbola fantatry ny fiangonana any Jodia, izay ao amin’ i Kristy, ny tarehiko.
Wakati huo, mimi binafsi sikujulikana kwa jumuiya za Wakristo kule Yudea.
23 Fa nandre ihany izy hoe: Ilay mpanenjika antsika fahiny, indro izy ankehitriny mitory ny finoana izay noravany fahiny.
Walichokuwa wanajua ni kile tu walichosikia: “Mtu yule aliyekuwa akitutesa hapo awali, sasa anaihubiri imani ileile aliyokuwa anajaribu kuiangamiza.”
24 Ary dia nankalazany an’ Andriamanitra aho.
Basi, wakamtukuza Mungu kwa sababu yangu.

< Galatiana 1 >