< 2 Korintiana 13 >

1 Izao no fanintelon’ ny hankanesako atỳ aminareo. Amin’ ny tenin’ ny vavolombelona roa na telo no hanorenana mafy ny teny rehetra.
Hii ni mara yangu ya tatu kuja kwenu. “Kila tatizo litatatuliwa kwa ushahidi wa watu wawili au watatu,” yasema Maandiko.
2 Efa nambarako fahiny, sady milaza rahateo koa aho ― toy ny nataoko fony mbola teo aminareo fanindroany ihany, ary ankehitriny raha tsy eo kosa ― amin’ izay nanota teo aloha sy amin’ ny sisa rehetra, fa rehefa tonga indray aho, dia tsy hiantra,
Nilikwisha sema, na kama ilivyokuwa safari ya pili, sasa nasema tena nikiwa mbali: wale wote waliotenda uovu bila kutubu, na pia wale wengine, nitakapokuja, watakiona cha mtema kuni.
3 satria ianareo mitady famantarana fa miteny ato anatiko Kristy, Izay tsy malemy aminareo, fa mahery ao aminareo kosa.
Mtajionea wenyewe kwamba Kristo anasema ndani yangu. Kwenu Kristo si dhaifu; bali nguvu yake yafanya kazi miongoni mwenu.
4 Fa voahombo tamin’ ny hazo fijaliana Izy noho ny fahalemena, nefa velona kosa noho ny herin’ Andriamanitra. Fa izahay koa dia malemy ao aminy, nefa hiara-belona aminy ho anareo izahay noho ny herin’ Andriamanitra.
Maana hata kama alisulubiwa kwa sababu ya udhaifu, lakini sasa anaishi kwa uwezo wa Mungu. Sisi pia tu dhaifu kwa kuungana naye lakini tutaishi naye kwa uwezo wa Mungu kwa ajili yenu.
5 Diniho ny tenanareo, na mitoetra amin’ ny finoana ianareo, na tsia; izahao toetra ny tenanareo. Moa tsy fantatrareo va ny amin’ ny tenanareo, fa ao anatinareo Jesosy Kristy, raha tsy olona nolavina ianareo?
Jichunguzeni ninyi wenyewe mpate kujua kama kweli mnayo imani. Jichunguzeni ninyi wenyewe. Je, hamjui kwamba Kristo Yesu yumo ndani yenu? Kama sivyo, basi ninyi mmeshindwa.
6 Nefa manantena aho fa ho fantatrareo fa izahay dia tsy olona nolavina.
Lakini natumaini kwamba ninyi mnajua kuwa sisi hatukushindwa.
7 Ary mangataka amin’ Andriamanitra izahay mba tsy hanao izay ratsy ianareo, tsy ny hisehoanay ho olona voazaha toetra anefa, fa ny mba hanaovanareo izay tsara, na dia ho toy ny olona nolavina aza izahay.
Tunamwomba Mungu msifanye uovu wowote, lakini si kusudi tuonekane kama watu waliokwisha faulu, bali mpate kutenda mema, hata kama sisi tunaonekana kuwa tumeshindwa.
8 Fa tsy mahavita na inona na inona hanohitra ny marina izahay, fa hampandroso ny marina kosa.
Maana hatuwezi kuupinga ukweli; uwezo tulio nao ni wa kuuendeleza ukweli.
9 Fa faly izahay, raha malemy izahay, fa ianareo no mahery; ary izao no angatahinay, dia ny fanatanterahana anareo.
Tunafurahi kwamba sisi tu dhaifu, lakini ninyi mna nguvu; kwa hiyo tunaomba mpate kuwa wakamilifu.
10 Izany no anoratako izany zavatra izany, raha tsy eo aminareo aho, fandrao, rehefa tonga aho, dia hanao izay mafy araka ny hery izay nomen’ ny Tompo ahy ho fananganana, fa tsy ho fandravana.
Basi, ninaandika barua hii nikiwa mbali, ili nitakapofika kwenu nisilazimike kuwa mkali kwenu kwa kutumia ule uwezo alionipa Bwana; naam, uwezo wa kujenga na si wa kubomoa.
11 Farany, ry rahalahy, mifalia, aoka ho tanteraka ianareo, mandraisa ny fampiononana, miraisa saina, mihavàna; ary Andriamanitry ny fitiavana sy ny fiadanana ho aminareo.
Kwa sasa, ndugu, kwaherini! Muwe na ukamilifu, shikeni mashauri yangu, muwe na nia moja; kaeni kwa amani. Naye Mungu wa mapendo na amani atakuwa pamoja nanyi.
12 Mifanaova veloma amin’ ny fanorohana masìna.
Salimianeni kwa ishara ya upendo.
13 Ny olona masìna rehetra manao veloma anareo.
Watu wote wa Mungu huku wanawasalimuni.
14 Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan’ i Jesosy Kristy Tompo sy ny fitiavan’ Andriamanitra ary ny firaisana amin’ ny Fanahy Masìna.
Neema ya Bwana Yesu Kristo na upendo wa Mungu na umoja wa Roho Mtakatifu, viwe nanyi nyote.

< 2 Korintiana 13 >