< 2 Samoela 9 >

1 Ary hoy Davida: Mbola misy sisa ihany va ny tamingan’ i Saoly mba hasiako soa noho ny amin’ i Jonatana?
Alors David dit: Ne reste-t-il donc personne de la maison de Saül, afin que je lui fasse du bien pour l'amour de Jonathan?
2 Ary nisy mpanompon’ ny fianakavian’ i Saoly, Ziba no anarany. Ary nantsoiny hankany amin’ i Davida izy, ka hoy ny mpanjaka taminy: Hianao moa no Ziba? Ary hoy izy: Izaho mpanomponao no izy.
Or il y avait dans la maison de Saül un serviteur nommé Tsiba, qu'on appela auprès de David; et le roi lui dit: Es-tu Tsiba? Et il répondit: Ton serviteur!
3 Ary hoy ny mpanjaka: Mbola misy sisa ihany va ny tamingan’ i Saoly mba hasiako soa araka ny fanaon’ Andriamanitra? Dia hoy Ziba tamin’ ny mpanjaka: Mbola misy zanakalahin’ i Jonatana iray ihany ao, nefa malemy tongotra izy.
Et le roi dit: N'y a-t-il plus personne de la maison de Saül, pour que j'use envers lui d'une bonté selon Dieu? Et Tsiba répondit au roi: Il y a encore un fils de Jonathan, qui est perclus des pieds.
4 Ary hoy ny mpanjaka taminy; Aiza anefa izy? Dia hoy Ziba tamin’ ny mpanjaka: Indro izy ao an-tranon’ i Makira, zanak’ i Amiela, ao Lo-debara.
Le roi lui dit: Où est-il? Et Tsiba répondit au roi: Il est dans la maison de Makir, fils d'Ammiel, à Lodébar.
5 Ary Davida mpanjaka naniraka haka azy tao an-tranon’ i Makira, zanak’ i Amiela, tao Lodebara.
Alors le roi David envoya et le fit amener de la maison de Makir, fils d'Ammiel de Lodébar.
6 Ary nony tonga teo amin’ i Davida Mefiboseta, zanak’ i Jonatana, zanak’ i Saoly, dia niankohoka sy nitsaoka azy izy. Ary hoy Davida: Mefiboseta! Dia hoy izy: Inty ny mpanomponao.
Or quand Méphibosheth, le fils de Jonathan, fils de Saül, fut venu vers David, il se jeta sur sa face et se prosterna. Et David dit: Méphibosheth! Il répondit: Voici ton serviteur.
7 Ary hoy Davida taminy: Aza matahotra, fa hasiako soa tokoa ianao noho ny amin’ i Jonatana rainao, ary hampodiko ho anao ny tany rehetra izay an’ i Saoly rainao, ary ianao hihinana eo amin’ ny latabatro mandrakariva.
Et David lui dit: Ne crains point, car certainement je te ferai du bien pour l'amour de Jonathan, ton père; et je te rendrai toutes les terres de Saül, ton père; et toi, tu mangeras toujours à ma table.
8 Dia niankohoka izy ka nanao hoe: Zinona moa aho mpanomponao izay toy ny alika maty, no mba jerenao?
Alors Méphibosheth se prosterna et dit: Qu'est ton serviteur, que tu aies regardé un chien mort tel que moi?
9 Dia niantso an’ i Ziba, mpanompon’ i Saoly, ny mpanjaka ka nanao taminy hoe: Izay rehetra nananan’ i Saoly sy ny mpianakaviny rehetra dia nomeko ny zanakalahin’ ny tomponao.
Puis le roi appela Tsiba, serviteur de Saül, et lui dit: J'ai donné au fils de ton maître tout ce qui appartenait à Saül et à toute sa maison.
10 Koa ianao sy ny zanakaolahy ary ny mpanomponao no hiasa ny tany ho azy ka hanatitra hanin-kohanina ho an’ ny zanakalahin’ ny tomponao; fa Mefiboseta, zanakalahin’ ny tomponao, hihinana eo amin’ ny latabatro mandrakariva. Ary Ziba nanana zanakalahy dimy ambin’ ny folo sy mpanompo roa-polo.
Tu cultiveras donc pour lui ces terres-là, toi et tes fils et tes serviteurs, et tu en recueilleras les fruits, afin que le fils de ton maître ait du pain à manger. Et Méphibosheth, le fils de ton maître, mangera toujours à ma table. Or Tsiba avait quinze fils et vingt serviteurs.
11 Ary hoy Ziba tamin’ ny mpanjaka: Araka izay rehetra nandidianao mpanjaka tompoko no hataon’ ny mpanomponao. Fa ny amin’ i Mefiboseta, hoy Davida, dia hihinana eo amin’ ny latabatro toy ny anankiray amin’ ny zanakalahin’ ny mpanjaka izy.
Et Tsiba dit au roi: Ton serviteur fera tout ce que le roi, mon seigneur, commande à son serviteur. Et Méphibosheth, dit le roi, mangera à ma table comme un des fils du roi.
12 Ary Mefiboseta nanan-janakalahy tanora, Mika no anarany. Ary izay rehetra nitoetra tao an-tranon’ i Ziba dia mpanompon’ i Mefiboseta avokoa.
Or Méphibosheth avait un jeune fils, nommé Mica; et tous ceux qui demeuraient dans la maison de Tsiba étaient serviteurs de Méphibosheth.
13 Ary Mefiboseta nonina tany Jerosalema; fa teo amin’ ny latabatry ny mpanjaka no nihinanany mandrakariva; ary nalemy ny tongony roa.
Et Méphibosheth demeurait à Jérusalem, parce qu'il mangeait toujours à la table du roi. Il était boiteux des deux pieds.

< 2 Samoela 9 >