Preface
Read
+
Publisher
Nainoia, Inc.
PO Box 462, Bellefonte, PA 16823
(814) 470-8028
Nainoia Inc, Publisher
LinkedIn/NAINOIA-INC
Third Party Publisher Resources
Request Custom Formatted Verses
Please contact us below
Submit your proposed corrections
I understand that the Aionian Bible republishes public domain and Creative Commons Bible texts and that volunteers may be needed to present the original text accurately. I also understand that apocryphal text is removed and most variant verse numbering is mapped to the English standard. I have entered my corrections under the verse(s) below. Proposed corrections to the Malagasy Bible 1865, 2-Samuel Chapter 9 https://www.AionianBible.org/Bibles/Malagasy---Malagasy-Bible/2-Samuel/9 1) Ary hoy Davida: Mbola misy sisa ihany va ny tamingan’ i Saoly mba hasiako soa noho ny amin’ i Jonatana? 2) Ary nisy mpanompon’ ny fianakavian’ i Saoly, Ziba no anarany. Ary nantsoiny hankany amin’ i Davida izy, ka hoy ny mpanjaka taminy: Hianao moa no Ziba? Ary hoy izy: Izaho mpanomponao no izy. 3) Ary hoy ny mpanjaka: Mbola misy sisa ihany va ny tamingan’ i Saoly mba hasiako soa araka ny fanaon’ Andriamanitra? Dia hoy Ziba tamin’ ny mpanjaka: Mbola misy zanakalahin’ i Jonatana iray ihany ao, nefa malemy tongotra izy. 4) Ary hoy ny mpanjaka taminy; Aiza anefa izy? Dia hoy Ziba tamin’ ny mpanjaka: Indro izy ao an-tranon’ i Makira, zanak’ i Amiela, ao Lo-debara. 5) Ary Davida mpanjaka naniraka haka azy tao an-tranon’ i Makira, zanak’ i Amiela, tao Lodebara. 6) Ary nony tonga teo amin’ i Davida Mefiboseta, zanak’ i Jonatana, zanak’ i Saoly, dia niankohoka sy nitsaoka azy izy. Ary hoy Davida: Mefiboseta! Dia hoy izy: Inty ny mpanomponao. 7) Ary hoy Davida taminy: Aza matahotra, fa hasiako soa tokoa ianao noho ny amin’ i Jonatana rainao, ary hampodiko ho anao ny tany rehetra izay an’ i Saoly rainao, ary ianao hihinana eo amin’ ny latabatro mandrakariva. 8) Dia niankohoka izy ka nanao hoe: Zinona moa aho mpanomponao izay toy ny alika maty, no mba jerenao? 9) Dia niantso an’ i Ziba, mpanompon’ i Saoly, ny mpanjaka ka nanao taminy hoe: Izay rehetra nananan’ i Saoly sy ny mpianakaviny rehetra dia nomeko ny zanakalahin’ ny tomponao. 10) Koa ianao sy ny zanakaolahy ary ny mpanomponao no hiasa ny tany ho azy ka hanatitra hanin-kohanina ho an’ ny zanakalahin’ ny tomponao; fa Mefiboseta, zanakalahin’ ny tomponao, hihinana eo amin’ ny latabatro mandrakariva. Ary Ziba nanana zanakalahy dimy ambin’ ny folo sy mpanompo roa-polo. 11) Ary hoy Ziba tamin’ ny mpanjaka: Araka izay rehetra nandidianao mpanjaka tompoko no hataon’ ny mpanomponao. Fa ny amin’ i Mefiboseta, hoy Davida, dia hihinana eo amin’ ny latabatro toy ny anankiray amin’ ny zanakalahin’ ny mpanjaka izy. 12) Ary Mefiboseta nanan-janakalahy tanora, Mika no anarany. Ary izay rehetra nitoetra tao an-tranon’ i Ziba dia mpanompon’ i Mefiboseta avokoa. 13) Ary Mefiboseta nonina tany Jerosalema; fa teo amin’ ny latabatry ny mpanjaka no nihinanany mandrakariva; ary nalemy ny tongony roa. Additional comments?
Refresh Captcha
The world's first Holy Bible un-translation!