< 2 Samoela 10 >

1 Ary rehefa afaka izany, dia maty ny mpanjakan’ ny taranak’ i Amona, ka Hanona zanany no nanjaka nandimby azy.
Après cela, le roi des enfants d'Ammon mourut, et Hanun, son fils, régna à sa place.
2 Ary hoy Davida: Hanisy soa an’ i Hanona, zanak’ i Nahasy, aho, toy ny soa nataon-drainy tamiko. Ary Davida naniraka ny mpanompony hitsapa alahelo azy ny amin-drainy. Ary tonga tany amin’ ny tanin’ ny taranak’ i Amona ny mpanompon’ i Davida.
Et David dit: J'userai de bonté envers Hanun, fils de Nachash, comme son père a usé de bonté envers moi. David envoya donc ses serviteurs pour le consoler au sujet de son père; et les serviteurs de David vinrent au pays des enfants d'Ammon.
3 Ary hoy ireo mpanapaka ny taranak’ i Amona tamin’ i Hanona tompony: Moa ataonao ho fanajana ny rainao no anirahan’ i Davida hitsapa alahelo anao? Fa tsy hizaha ny tanàna sy hisafo azy ary handrava azy va no nanirahan’ i Davida ireo mpanompony ireo hankatỳ aminao?
Mais les chefs d'entre les enfants d'Ammon dirent à Hanun, leur seigneur: Penses-tu que ce soit pour honorer ton père que David t'envoie des consolateurs? N'est-ce pas pour reconnaître exactement la ville, pour l'épier, et la détruire, que David envoie ses serviteurs vers toi?
4 Dia nosamborin’ i Hanona ny mpanompon’ i Davida, ka noharatany ny ila-somony, sady nofolonany hatreo amin’ ny foto-peny ny akanjony, ka dia nalefany hody izy.
Hanun prit donc les serviteurs de David, et leur fit raser la moitié de la barbe, et couper la moitié de leurs habits jusqu'aux hanches; puis il les renvoya.
5 Ary dia nisy lasa nanambara izany tamin’ i Davida, ary izy naniraka hitsena azy, fa afa-baraka loatra ireo lehilahy ireo; ka dia hoy ny tenin’ ny mpanjaka: Mitoera any Jeriko aloha ambara-panirin’ ny somotrareo, vao mody ianareo.
Et cela fut rapporté à David, qui envoya au-devant d'eux; car ces hommes étaient dans une grande confusion. Et le roi leur fit dire: Tenez-vous à Jérico jusqu'à ce que votre barbe ait repoussé, et alors vous reviendrez.
6 Ary nony hitan’ ny taranak’ i Amona fa efa mangidy hoditra eo anatrehan’ i Davida izy, dia naniraka nanakarama ny Syriana any Beti-rehoba sy ny Syriana any Zoba izy, dia miaramila an-tongotra roa alina, ary tamin’ ny mpanjakan’ i Maka, olona arivo lahy, ary tamin’ ny olona tany Toba, roa arivo sy iray alina.
Or les enfants d'Ammon, voyant qu'ils s'étaient mis en mauvaise odeur auprès de David, envoyèrent lever à leur solde vingt mille hommes de pied chez les Syriens de Beth-Réhob et chez les Syriens de Tsoba, et mille hommes chez le roi de Maaca, et douze mille hommes chez les gens de Tob.
7 Ary nony ren’ i Davida izany, dia naniraka an’ i Joaba sy ny miaramila rehetra izy, dia ny lehilahy mahery.
David, l'ayant appris, envoya Joab et toute l'armée, les plus vaillants hommes.
8 Ary ny taranak’ i Amona nivoaka ka nilahatra hiady teo anoloan’ ny vavahady; ary ny Syriana avy any Zoba sy Rehoba sy ny olona avy tany Toba ary Maka nitokana teny an-tsaha kosa.
Alors les enfants d'Ammon sortirent, et se rangèrent en bataille à l'entrée de la porte; et les Syriens de Tsoba, et de Réhob, et ceux de Tob et de Maaca, étaient à part dans la campagne.
9 Ary rehefa hitan’ i Joaba fa teo anoloany sady teo ivohony ny fahavalo, dia nifidy olona tamin’ ireo voafantina tamin’ ny Isiraely rehetra izy, ka nalahany hiady tamin’ ny Syriana.
Et Joab, voyant que leur armée était tournée contre lui devant et derrière, choisit d'entre tous ceux d'Israël des hommes d'élite, et les rangea contre les Syriens.
10 Ary ny olona sisa kosa nomeny ho entin’ i Abisay rahalahiny halahany hiady amin’ ny taranak’ i Amona.
Et il donna la conduite du reste du peuple à Abishaï, son frère, qui les rangea contre les enfants d'Ammon.
11 Ary hoy izy: Raha tsy tohako ny Syriana, dia vonjeo aho; fa raha tsy tohanao kosa ny taranak’ i Amona, dia hovonjeko ianao.
Et il lui dit: Si les Syriens sont plus forts que moi, tu me viendras en aide; et si les enfants d'Ammon sont plus forts que toi, j'irai te délivrer.
12 Mahereza ary, ka aoka hitombandahy isika ho an’ ny firenentsika sy ny tanànan’ Andriamanitsika; ary aoka Jehovah hanao izay sitrapony.
Sois vaillant, et combattons vaillamment pour notre peuple et pour les villes de notre Dieu; et que l'Éternel fasse ce qui lui semblera bon.
13 Ary Joaba sy ny olona nanaraka azy nandroso hiady amin’ ny Syriana; ary dia nandositra niala teo anoloany ireo.
Alors Joab et le peuple qui était avec lui, s'approchèrent pour livrer bataille aux Syriens, et ils s'enfuirent devant lui.
14 Ary nony hitan’ ny taranak’ i Amona fa nandositra ny Syriana, dia mba nandositra koa izy niala teo anoloan’ i Abisay ka niditra tao an-tanàna. Ary Joaba niverina avy namely ny taranak’ i Amona ka tonga tany Jerosalema.
Et les enfants d'Ammon, voyant que les Syriens avaient pris la fuite, s'enfuirent aussi devant Abishaï, et rentrèrent dans la ville. Et Joab s'en retourna de la poursuite des enfants d'Ammon, et vint à Jérusalem.
15 Ary nony hitan’ ny Syriana fa resy teo anoloan’ ny Isiraely izy, dia nivory izy.
Mais les Syriens, voyant qu'ils avaient été battus par ceux d'Israël, se rallièrent.
16 Ary Hadadezera naniraka naka ny Syriana izay tany an-dafin’ ny Ony; ary dia tonga tany Helama izy; ary Sobaka, komandin’ ny miaramilan’ i Hadadezera, no nitarika azy.
Et Hadarézer envoya, et fit venir les Syriens d'au delà du fleuve, et ils vinrent à Hélam; et Shobac, chef de l'armée de Hadarézer, les conduisait.
17 Ary nony nambara tamin’ i Davida izany, dia nampamory ny Isiraely rehetra izy ka lasa nita an’ i Jordana, dia tonga tany Helama. Ary nilahatra ny Syriana hiady amin’ i Davida, ka dia rafitra ny ady.
Cela fut rapporté à David, qui assembla tout Israël, passa le Jourdain, et vint à Hélam. Et les Syriens se rangèrent en bataille contre David, et combattirent contre lui.
18 Ary vaky nandositra teo anoloan’ ny Isiraely ny Syriana, ka nahafaty ny tao an-kalesy fiton-jato sy ny an-tsoavaly efatra alina tamin’ ny Syriana Davida sady namely an’ i Sobaka koa, ilay komandin’ ny miaramila, ka nahafaty azy teo.
Mais les Syriens s'enfuirent devant Israël; et David défit sept cents chars des Syriens et quarante mille cavaliers. Il frappa aussi Shobac, chef de leur armée, qui mourut là.
19 Ary nony hitan’ ny mpanjaka rehetra izay nanoa an’ i Hadadezera fa resy teo anoloan’ ny Isiraely izy, dia nanao fihavanana tamin’ ny Isiraely izy ireo ka nanompo azy. Dia natahotra ny Syriana, ka tsy nety namonjy ny taranak’ i Amona intsony.
Et quand tous les rois, soumis à Hadarézer, virent qu'ils avaient été battus par Israël, ils firent la paix avec les Israélites, et leur furent assujettis; et les Syriens craignirent de donner encore du secours aux enfants d'Ammon.

< 2 Samoela 10 >