< ピリピ人への手紙 1 >

1 イエズス、キリストの僕たるパウロ及びチモテオ、総てフィリッピに於てキリスト、イエズスに在る聖徒、並に監督及び執事等に[書簡を贈る]。
Paoly sy Timoty, mpanompon’ i Kristy Jesosy, mamangy ny olona masìna rehetra ao amin’ i Kristy Jesosy mbamin’ ny mpitandrina sy ny diakona izay any Filipy;
2 願はくは我父にて在す神及び主イエズス、キリストより、恩寵と平安とを汝等に賜はらん事を。
ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
3 我汝等を想起す毎に、我神に感謝し、
Misaotra an’ Andriamanitro amin’ ny fahatsiarovako anareo
4 凡ての祈祷に於て常に汝等一同の為に喜びて懇願し奉る。
mandrakariva aho amin’ ny fivavahako rehetra ho anareo rehetra, ka mangataka amin’ ny fifaliana,
5 蓋汝等最初の日より今に至る迄、キリストの福音の為に協力したれば、
noho ny firaisanareo hampandroso ny filazantsara hatramin’ ny andro voalohany ka mandraka ankehitriny;
6 汝等の中に善業を肇め給ひし者の、キリスト、イエズスの日まで、之を全うし給はん事を信頼せり。
ary matoky indrindra aho fa Izay nanomboka asa tsara ao anatinareo no hahatanteraka izany mandra-pihavin’ ny andron’ i Jesosy Kristy;
7 汝等一同に就きて我が斯く思へるは至當の事なり、其は汝等我心に在り、又我が縲絏の中に在るにも、福音を弁護して之を固むるにも、汝等皆我と共に恩寵に與ればなり。
fa marina izany fiheverako anareo rehetra izany, satria efa mby ato am-poko ianareo, fa mpiombona ny fahasoavana ananako ianareo rehetra, na amin’ ny fifatorako, na amin’ ny famaliako hahafa-tsiny ny filazantsara sy ny fampianarako hahamafy orina azy.
8 蓋我が、キリストの腸を以て、如何許り汝等一同を戀慕ふかは、神我為に之を證し給ふ。
Fa Andriamanitra no vavolombeloko fa manina anareo rehetra indrindra aho amin’ ny famindram-pon’ i Kristy Jesosy.
9 我が祈る所は、即ち汝等の愛が益智識と凡ての悟とに富み、
Ary izao no angatahiko, dia ny mbola hitomboan’ ny fitiavanareo bebe kokoa amin’ ny fahalalana tsara sy ny fahafantarana rehetra,
10 汝等が一層善き事を弁へて、キリストの日に至るまで潔く科なくして、
mba hamantaranareo izay zavatra tsara indrindra, mba ho madio am-po ary tsy hanan-tsiny ho amin’ ny andron’ i Kristy ianareo,
11 イエズス、キリストによりて、神の光榮と讃美との為に、義の好果に満たされん事是なり。
sady feno ny vokatry ny fahamarinana, izay avy amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy, ho voninahitra sy fiderana an’ Andriamanitra.
12 第一項 パウロ自身の音信 兄弟等よ、我汝等の知らん事を欲す、我身に関する事柄は、却て福音の裨益と成るに至りしことを。
Ary tiako ho fantatrareo, ry rahalahy, fa izay zavatra nanjo ahy dia efa tonga fampandrosoana ny filazantsara kosa;
13 即ち我が縲絏に遇へる事のキリストの為なるは、近衛兵の全営にも何處にも明に知られたり。
ka ao amin’ i Kristy ny fifatorako dia fantatry ny mpiambina andriana rehetra mbamin’ ny olona hafa rehetra;
14 斯て兄弟中の多數は、我縲絏の故に主を頼み奉りて、一層憚らず神の御言を語るに至れり。
ary ny ankabiazan’ ny rahalahy dia efa matoky ao amin’ ny Tompo noho ny fifatorako ka mihasahisahy kokoa hitory ny tenin’ Andriamanitra tsy amin’ ny tahotra.
15 實は猜と争との為にキリストを宣ぶる者もあれど、好意を以てする者もあり、
Fialonana sy fifandirana aza no itorian’ ny sasany an’ i Kristy, ary fifaliana kosa ny an’ ny sasany;
16 又福音を守護せん為に我が置かれたるを知りて、愛情よりする人もあれば、
fitiavana ny an’ ny sasany, satria fantany fa voatendry ho mpanafa-tsiny ny filazantsara aho;
17 眞心を有たず、縲絏に於る我困難を増さん事を思ひ、党派心よりキリストの事を説く者もあり。
fifampiandaniana kosa no itorian’ ny sasany an’ i Kristy, fa tsy mba fo madio, ka mihevitra hanampy fahoriana ny fifatorako.
18 然りとて何かあらん、如何様にもあれ、或は口實としてなりとも、或は眞心を以てなりとも、キリスト宣傳せられ給へば、我は之を喜ぶ、[以後も]復喜ばん。
Ahoana ary no izy, afa-tsy izao? Amin’ ny atao rehetra, na amin’ ny fihatsaram-belatsihy, na amin’ ny marina, dia Kristy no torina, ary mifaly amin’ izany aho; eny, mbola hifaly ihany aho.
19 其は我汝等の祈とイエズス、キリストの霊の助力とによりて、此事の我救となるべきを知ればなり。
Fa fantatro fa ho tonga famonjena ahy izany noho ny fangatahanareo sy ny fanomezana ny Fanahin’ i Jesosy Kristy,
20 是我が待てる所、希望せる所に叶へり、即ち我何に於ても耻づる事なかるべく、却て何時も然ある如く、今も亦活きても死しても、キリストは安全に我身に於て崇められ給ふべきなり。
araka ny hafatratry ny faniriako sy ny fanantenako fa tsy hahazo henatra aho, na amin’ inona na amin’ inona; fa amin’ ny fahasahiana rehetra, tahaka ny amin’ ny mandrakariva, dia ankehitriny koa no hankalazana an’ i Kristy ao amin’ ny tenako, na amin’ ny fiainana, na amin’ ny fahafatesana.
21 蓋我に取りて、活くるはキリストなり、死ぬるは益なり。
Fa Kristy no anton’ ny ahavelomako, ary ny fahafatesana no hahazoako tombony.
22 若肉身に於て活くる事が我に事業の好果あるべくば、其孰を擇むべきかは我之を示さず、
Kanefa raha ny ho velona amin’ ny nofo no hahavokaran’ ny asako, dia tsy hitako izay hofidiko;
23 我は双方に挟まれり、立去りてキリストと共に在らん事を望む、是我に取りて最も善き事なり、
fa sanganehana eo anelanelan’ izy roroa aho, maniry hiala ka ho ao amin’ i Kristy, satria tsara lavitra izany;
24 然れど我が肉身に留る事は、汝等の為に尚必要なり。
kanefa kosa ny hitoetra eo amin’ ny nofo no mahasoa anareo kokoa.
25 斯く確信するが故に、我は汝等の信仰の進歩と喜悦とを來さん為に、汝等一同と共に留り、且逗留すべき事を知る。
Ary satria matoky izany aho, dia fantatro fa hitoetra sy haharitra eo aminareo rehetra aho hahazoanareo fandrosoana sy fifaliana amin’ ny finoanareo,
26 我再び汝等に至らば、キリスト、イエズスに於て、我に就きて汝等の誇る所は彌増すべし。
mba hitombo noho ny ataoko ny firavoravoanareo ao amin’ i Kristy Jesosy amin’ ny hankanesako atỳ aminareo indray.
27 第二項 實用的勧告 汝等は唯キリストの福音に相應しく生活せよ、是我が或は至りて汝等を見る時も、或は離れて汝等の事を聞く時も、汝等が同一の精神、同一の心を以て立てる事と、福音の信仰の為に一致して戰ふ事と、
Fa hany ataoko: aoka ny fitondran-tenanareo ho miendrika ny filazantsaran’ i Kristy, mba handrenesako ny toetrareo (na ho tonga aho ka hahita anareo, na tsy ho tonga), fa maharitra amin’ ny fanahy iray ianareo ka miray fo hiara-miezaka hampandroso ny finoana ny filazantsara,
28 聊も敵に驚かされざる事とを知らん為なり。此驚かされざる事こそ、敵には亡滅の徴、汝等には救霊の徴にして、神より出づるものなれ。
ka tsy ho azon’ ny fahavalo ampitahorina ianareo na amin’ inona na amin’ inona; fa amin’ ireo dia mariky ny fahaverezana izany, nefa mariky ny famonjena anareo kosa, sady avy amin’ Andriamanitra.
29 其は汝等キリストの為に賜はりたるは、唯之を信ずる事のみならず、又之が為に苦しむ事なればなり。
Fa ianareo efa nomena noho ny an’ i Kristy, tsy ny hino Azy ihany, fa ny hiharam-pahoriana koa noho ny aminy,
30 汝等の遇へる戰は、曾て我に於て見し所、又我に就きて聞きし所に等しきものなり。
dia manana izany ady izany ianareo, izay hitanareo teo amiko sady mbola renareo fa ato amiko ihany ankehitriny.

< ピリピ人への手紙 1 >