< マタイの福音書 13 >

1 第二款 天國の喩 其日イエズス家を出でて湖辺に坐し居給へるに、
Ary tamin’ izany andro izany dia nivoaka avy tao an-trano Jesosy ka nipetraka teo amoron’ ny ranomasina.
2 群衆夥しく其許に集まりしかば、イエズス小舟に乗りて坐し給ひ、群衆皆濱に立ち居りしが、
Ary nisy vahoaka betsaka tafangona teo aminy, dia niditra teo an-tsambokely Izy ka nipetraka; ary ny vahoaka rehetra kosa dia teny amoron-dranomasina.
3 喩を以て數多の事を彼等に語りて曰ひけるは、種撒く人撒きに出でしが、
Ary nilaza zavatra maro taminy tamin’ ny fanoharana Izy ka nanao hoe: Indro, nivoaka ny mpamafy mba hamafy;
4 撒く時或種は路傍に遺ちしかば、空の鳥來りて、之を啄めり。
ary raha namafy izy, ny sasany dia voafafy teny amoron-dalana; dia avy ny vorona ka nandany azy.
5 或種は土少き磽地に遺ちしかば、土の浅きに由りて直に生出でたれど、
Ary ny sasany dia voafafy teny amin’ ny tany marivo ambony vatolampy; dia nalaky nitrebona ireny, satria tsy nisy tany lalina.
6 日出でて灼け、根なきに因りて枯れたり。
Fa rehefa niposaka ny masoandro, dia nalazo ireny, ary satria tsy nanam-paka, dia maty izy.
7 或種は茨の中に遺ちしかば、茨長ちて之を塞げり。
Ary ny sasany dia voafafy teny amin’ ny tsilo; ary ny tsilo naniry ka nangeja azy.
8 或種は沃土に遺ちて、或は百倍、或は六十倍、或は三十倍の實を結べり。
Ary ny sasany dia voafafy teny amin’ ny tany tsara, dia namoa: ny sasany avy zato heny, ary ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy telo-polo heny.
9 聴く耳を有てる人は聴け、と。
Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino.
10 弟子等近づきて、何ぞ喩を以て彼等に語り給ふや、と云ひしかば、
Ary dia nanatona ny mpianany ka nanao taminy hoe: Nahoana no fanoharana no itenenanao aminy?
11 答へて曰ひけるは、汝等は天國の奥義を知る事を賜はりたれども、彼等は賜はらざるなり。
Ary namaly Izy ka nanao taminy hoe: Satria ianareo no navela hahalala ny zava-miafina ny amin’ ny fanjakan’ ny lanitra, fa ireny kosa tsy mba navela.
12 夫有てる人は尚與へられて裕ならん、然れど有たぬ人は其有てる所をも奪はれん。
Fa izay manana no homena, ka hanana be dia be izy; fa izay tsy manana kosa, na izay ananany aza dia hesorina aminy.
13 喩を以て彼等に語るは、彼等見れども見えず、聞けども聞えず、又暁らざるが故なり、と。
Ary noho izany dia fanoharana no itenenako aminy: satria mijery izy, fa tsy mahita; ary mandre izy, fa tsy mihaino, na mahalala.
14 斯てイザヤの預言彼等に於て成就す、曰く「汝等は聞きて聞ゆれども暁らず、見て見ゆれども認らざらん。
Dia tanteraka aminy ny faminanian’ Isaia, izay manao hoe: Handre mandrakariva ihany ianareo, fa tsy hahafantatra: Ary hijery mandrakariva ihany ianareo, fa tsy hahita;
15 其は目に見えず、耳に聞えず、心に暁らず、立歸りて我に醫されざらん為に、此民の心鈍くなりて、其耳は聞くに嬾く、其目は閉ぢたればなり」と。
Fa efa adala ny fon’ izao olona izao. Ary efa lalodalovana ny sofiny, Ary efa nakimpiny ny masony, Fandrao hahita ny masony, Sy handre ny sofiny, Ka hahalala ny fony, Dia hibebaka izy, Ka hahasitrana azy Aho.
16 汝等の目は福なり、見ゆればなり、汝等の耳も[福なり、]聞ゆればなり。
Fa sambatra ny masonareo, fa mahita, ary ny sofinareo, fa mandre.
17 我誠に汝等に告ぐ、多くの預言者と義人とは、汝等の見る所を見んと欲せしかど見えず、汝等の聞く所を聞かんと欲せしかど聞えざりき。
Fa lazaiko aminareo marina tokoa fa maro ny mpaminany sy ny olona marina naniry hahita izay hitanareo, nefa tsy mba nahita; ary naniry handre izay renareo, nefa tsy mba nandre.
18 然れば汝等種捲く播く人の喩を聞け、
Koa amin’ izany dia henoinareo ny fanoharana ny amin’ ny mpamafy:
19 総て人[天]國の言を聞きて暁らざる時は、惡魔來りて其心に播かれたるものを奪ふ、此路傍に播かれたるものなり。
Raha misy mandre ny tenin’ ny fanjakana, fa tsy mahalala, dia avy ilay ratsy ka manaisotra izay nafafy tao am-pony. Dia izany no ilay nafafy teny amoron-dalana.
20 磽地に播かれたるは、言を聞きて直に喜び受くれども、
Fa ilay nafafy teny amin’ ny tany marivo ambony vatolampy dia izay mandre ny teny ka malaky mandray azy amin’ ny hafaliana;
21 己に根なく暫時のみにして、言の為に患難と迫害と起れば、忽に躓くものなり。
nefa tsy manam-paka ao anatiny izy, fa maharitra vetivety foana; koa raha avy izay fahoriana na fanenjehana noho ny teny, dia malaky tafintohina izy.
22 茨の中に播かれたるは、言を聞けども、此世の慮と財の惑と其言を塞ぎて、實らずなれるものなり。 (aiōn g165)
Ary ilay nafafy teny amin’ ny tsilo dia izay mandre ny teny ary ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena mangeja ny teny, ka dia tsy mamoa izy. (aiōn g165)
23 沃土に播かれたるは、言を聞きて暁り、實を結びて或は百倍、或は六十倍、或は三十倍を出すものなり、と。
Fa ilay nafafy teny amin’ ny tany tsara kosa dia izay mandre ny teny ka mahalala; dia izy no mamoa ka vokatra: ny sasany avy zato heny ary ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy telo-polo heny.
24 イエズス又他の喩を彼等に提出でて曰ひけるは、天國は良き種を其畑に播きたる人に似たり。
Ary nanao fanoharana hafa koa taminy Izy ka nanao hoe: Ny fanjakan’ ny lanitra dia tahaka ny lehilahy anankiray izay namafy voa tsara tany an-tanimbariny;
25 人々の寝たる間に、其敵來りて麦の中に毒麦を播きて去りしが、
fa raha natory ny olona, dia avy ny fahavalony ka namafy voan-tsimparifary teny amin’ ny vary, dia lasa nandeha.
26 苗長ちて實りたるに、毒麦も現れしかば、
Ary rehefa naniry ny vary ka niteraka dia niposaka koa ny tsimparifary.
27 僕等近づきて家父に云ひけるは、主よ、良き種を畑に播きたるに非ずや、然れば毒麦は何によりてか生えたる。
Dia avy ny mpanompon-dralehilahy ka nanao taminy hoe: Tompoko, tsy voa tsara va no nafafinao tany an-tanimbarinao? koa avy taiza kosa ny tsimparifary? Dia hoy izy taminy:
28 彼云ひけるは、敵なる人之を為せり、と。僕等、我等往きて之を集めなば如何に、と云ひしに、
Fahavalo no nanao izany. Ary ny mpanompony nanao taminy hoe: Koa tianao va handehananay hanongotra sy hanangona azy?
29 家父云ひけるは、否、恐らくは、汝等毒麦を集むるに、是と共に麦をも抜かん。
Fa hoy izy: Tsia, fandrao, raha manongotra ny tsimparifary ianareo, dia hongotanareo miaraka aminy koa ny vary.
30 収穫まで兩ながら長て置け、収穫の時我刈る者に對ひて、先毒麦を集めて焚く為に之を束ね、麦をば我倉に収めよ、と云はん、と。
Aoka ihany hiara-maniry izy roroa ambara-pihavin’ ny fararano; ary amin’ ny fararano dia holazaiko amin’ ny mpijinja hoe: Angony aloha ny tsimparifary, ka ataovy amboarany mba hodorana; fa ny vary dia taomy ho any an-tsompitro.
31 又他の喩を彼等に提出て曰ひけるは、天國は人の取りて其畑に播きたる芥種に似たり。
Ary nanao fanoharana hafa koa taminy Izy ka nanao hoe: Ny fanjakan’ ny lanitra dia tahaka ny voan-tsinapy izay nalain’ olona ka nafafiny tany an-tsahany;
32 凡ての種の中最小きものなれども、長ちて後は凡ての野菜より大くして、空の鳥其枝に來りて棲む程の樹と成る、と。
fa kely noho ny voa rehetra izy, kanefa rehefa maniry, dia lehibe noho ny anana ka tonga hazo, dia avy ny voro-manidina ka mitoetra ao amin’ ny rantsany.
33 又他の喩を彼等に語り給ひけるは、天國は麪酵に似たり、即婦之を取りて三斗の粉の中に隠せば悉く脹るるに至る、と。
Ary nanao fanoharana hafa koa taminy Izy hoe: Ny fanjakan’ ny lanitra dia tahaka ny masirasira, izay nalain’ ny vehivavy anankiray ka nataony tao amin’ ny koba intelon’ ny famarana, mandra-pahazon’ ny masirasira azy rehetra.
34 イエズス総て是等の事を喩もて群衆に語り給ひしが、喩なしには語り給ふ事なかりき。
Fanoharana no nilazan’ i Jesosy izany zavatra rehetra izany tamin’ ny vahoaka, ary tsy nisy nolazainy taminy, afa-tsy tamin’ ny fanoharana,
35 是預言者に託りて云はれたりし事の成就せん為なり、曰く「我喩を設けて口を開き、世の始より隠れたる事を告げん」と。
mba hahatanteraka izay nampilazaina ny mpaminany hoe: Hiloa-bava hilaza fanoharana Aho; Hanambara zavatra izay nafenina hatrizay nanorenana izao tontolo izao Aho.
36 然て群衆を去らしめ、家に至り給ひしに、弟子等に近づきて、畑の毒麦の喩を我等に解き給へ、と云ひければ、
Ary rehefa nampody ny vahoaka Jesosy, dia niditra tao an-trano Izy, ary ny mpianany nankao aminy ka nanao hoe: Lazao aminay ny hevitry ny fanoharana ny amin’ ny tsimparifary tany an-tanimbary.
37 答へて曰ひけるは、良き種を撒く者は人の子なり、
Ary namaly Izy ka nanao hoe: Ny mpamafy ny voa tsara dia ny Zanak’ olona;
38 畑は世界なり、良き種は[天]國の子等なり、毒麦は惡魔の子等なり、
ny tanimbary dia izao tontolo izao; ny voa tsara dia ny zanaky ny fanjakana; ny tsimparifary dia ny zanak’ ilay ratsy;
39 之を撒きし敵は惡魔なり、収穫は世の終なり、刈る者は[天]使等なり、 (aiōn g165)
ny fahavalo izay namafy izany dia ny devoly; ny fararano dia ny fahataperan’ izao tontolo izao; ary ny mpijinja dia anjely. (aiōn g165)
40 然れば毒麦の集められて火に焚かるる如く、此世の終にも亦然らん。 (aiōn g165)
Koa tahaka ny anangonana ny tsimparifary sy andoroana azy amin’ ny afo, dia toy izany no hatao amin’ ny fahataperan’ izao tontolo izao. (aiōn g165)
41 人の子其使等を遣はし、彼等は其國より総て躓かする者と惡を為す者とを集めて、
Ny Zanak’ olona haniraka ny anjeliny, ary ireny dia hanangona ka hamoaka amin’ ny fanjakany ny zavatra mahatafintohina rehetra mbamin’ izay manao meloka,
42 火の窯に入れん。其處には痛哭と切歯とあらん。
dia hanipy azy any amin’ ny fandoroana lehibe mirehitra afo izy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.
43 其時義人等は父の國にて日の如く輝かん。聴く耳を有てる人は聴け。
Ary amin’ izany ny marina dia hamirapiratra tahaka ny masoandro any amin’ ny fanjakan’ ny Rainy. Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino.
44 天國は畑に蔵れたる寶の如し、見出せる人は之を秘し置きて喜つつ去り、其所有物を悉く売りて、其畑を購ふなり。
Ary ny fanjakan’ ny lanitra dia tahaka ny harena nafenina tany an-tsaha, izay hitan’ olona, ka dia nafeniny; ary noho ny hafaliany dia lasa nandeha izy ka nivarotra ny fananany rehetra, dia nividy izany saha izany.
45 天國は又、美き眞珠を求むる商人の如し、
Ary koa, ny fanjakan’ ny lanitra dia tahaka ny mpandranto anankiray izay nikatsaka vato soa;
46 値高き眞珠一個を見出すや、往きて其所有物を悉く売りて、之を購ふなり。
ary rehefa nahita vato soa iray saro-bidy izy, dia lasa nivarotra ny fananany rehetra ka nividy azy.
47 天國は又、海に張りて種々の魚を集むる網の如し、
Ary koa, ny fanjakan’ ny lanitra dia tahaka ny harato-tarihina, izay nalatsaka tao amin’ ny ranomasina ka nahavory ny samy hafa karazana rehetra;
48 充ちたる時人之を引揚げ、濱に坐して良き魚を器に入れ、否き魚をば棄つるなり。
ary rehefa feno izany, dia notarihiny ho eny an-tanety, dia nipetraka ny olona ka nifantina ny tsara hataony ao an-karona, fa ny ratsy nariany.
49 世の終に於て斯の如くなるべし、即[天]使等出でて、義人の中より惡人を分ち、 (aiōn g165)
Dia tahaka izany no hatao amin’ ny fahataperan’ izao tontolo izao; hivoaka ny anjely ka hanavaka ny ratsy fanahy hisaraka amin’ ny marina, (aiōn g165)
50 之を火の窯に入れん、其處には痛哭と切歯とあらん。
dia hatsipiny any amin’ ny fandoroana lehibe mirehitra afo izy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.
51 汝等此事を皆暁りしか、と宣へるに、彼等然りと答へければ、
Efa azonareo va izany rehetra izany? Hoy ireo taminy: Eny.
52 イエズス曰ひけるは、然れば天國の事を教へられたる凡ての律法學士は、新しきものと古きものとを其庫の中より出す家父に似たり、と。
Dia hoy Izy taminy: Koa amin’ izany ary ny mpanora-dalàna rehetra izay nampianarina ho amin’ ny fanjakan’ ny lanitra dia samy tahaka ny tompon-trano, izay mamoaka avy amin’ ny firaketany zava-baovao sy ela.
53 第三款 處々への旅行。ファリザイ人の憎彌増す。 斯てイエズス此喩を宣ひ了り、其處を去りて、
Ary rehefa vitan’ i Jesosy ireo fanoharana ireo, dia niala teo Izy.
54 故郷に至り、諸會堂にて教へ給へるに、人々感嘆して云ひけるは、彼は此智恵と奇蹟とを何處より得たるぞ、
Ary nony tonga tany amin’ ny taniny Izy, dia nampianatra ny olona tao amin’ ny synagoga, ary talanjona ny olona ka nanao hoe: Avy taiza re no nahazoan’ ilehity izany fahendrena sy asa lehibe izany?
55 彼は職人の子に非ずや、其母はマリアと呼ばれ、其兄弟はヤコボヨゼフシモンユダと呼ばるる[者等]に非ずや、
Tsy Ilehity va ilay Zanaky ny mpandrafitra? Tsy Maria va no anaran’ ny reniny? Ary tsy Jakoba sy Josefa sy Simona ary Jodasy va no rahalahiny?
56 其姉妹も皆我等の中に居るに非ずや。然れば此凡ての事は何處より得來りしぞ、と。
Ary ny anabaviny, moa tsy eto amintsika avokoa va izy? Koa avy taiza no nahazoan’ ilehity izany zavatra rehetra izany?
57 遂に彼に関きて躓き居たりしに、イエズス曰ひけるは、預言者の敬はれざるは、唯其故郷、其家に於てのみ、と。
Ary tafintohina taminy izy. Fa hoy Jesosy taminy: Tsy misy mpaminany tsy hajaina, afa-tsy amin’ ny taniny sy ny mpianakaviny ihany.
58 斯て彼等の不信仰に因りて、數多の奇蹟を其處に為し給ふこと能はざりき。
Ary tsy nanao asa lehibe maro teo Izy noho ny tsi-finoan’ ireo.

< マタイの福音書 13 >