< マタイの福音書 12 >

1 第一款 イエズスとファリザイ人 其頃、イエズス安息日に當りて[麦]畑を過ぎ給ひしが、弟子等飢ゑて穂を摘み食始めしかば、
Tamin’ izany andro izany Jesosy nandeha namaky ny tanimbary tamin’ ny Sabata; ary noana ny mpianany ka nanoty salohim-bary, dia nihinana.
2 ファリザイ人之を見てイエズスに向ひ、看よ、汝の弟子等安息日に為すべからざる事を為すぞ、と云ひしに、
Fa nony nahita izany ny Fariseo, dia hoy izy taminy: Indro, ny mpianatrao manao izay tsy mety hatao amin’ ny Sabata.
3 イエズス曰ひけるは、ダヴィドが己及伴へる人々の飢ゑし時に為しし事を、汝等読まざりしか。
Ary hoy Izy taminy: Tsy mbola novakinareo va ny teny milaza ilay nataon’ i Davida, raha noana izy mbamin’ izay nanaraka azy,
4 即彼は神の家に入り、司祭ならでは、彼も伴へる人々も食すべからざる、供の麪を食せしなり。
Fa niditra tao amin’ ny tranon’ Andriamanitra izy ka nihinana ny mofo aseho, izay nahadiso raha haniny, na izay nanaraka azy, afa-tsy ny mpisorona ihany?
5 又、安息日に司祭等[神]殿にて安息を犯せども罪なし、と律法にあるを読まざりしか。
Ary tsy mbola novakinareo ao amin’ ny lalàna va fa amin’ ny Sabata ny mpisorona ao amin’ ny tempoly manota ny Sabata, nefa tsy manan-tsiny?
6 我汝等に告ぐ、[神]殿よりも大なるもの此處に在り。
Ary dia lazaiko aminareo fa misy eto lehibe noho ny tempoly.
7 汝等若「我が好むは憫なり、犠牲に非ず」とは何の謂なるかを知らば、罪なき人を罪せざりしならん、
Fa raha fantatrareo izay hevitry ny teny hoe: Famindram-po no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-drà, dia tsy mba nanameloka ny tsy manan-tsiny ianareo.
8 其は人の子は亦安息日の主なればなり、と。
Fa Tompon’ ny Sabata ny Zanak’ olona.
9 イエズス此處を去りて、彼等の會堂に至り給ひしに、
Ary nony niala teo Jesosy, dia niditra tao amin’ ny synagoga;
10 折しも隻手痿たる人あり。彼等イエズスを訟へんとて、安息日に醫すは可きか、と問ひしかば、
ary, indro, nisy lehilahy maty tanana teo. Ary ny olona nanontany Azy hoe: Mety va ny mahasitrana amin’ ny Sabata? mba hiampangany Azy.
11 イエズス曰ひけるは、汝等の中一頭の羊有てる者あらんに、若其羊安息日に坑に陥らば、誰か之を取上げざらんや、
Ary hoy Izy taminy: Iza moa no olona ao aminareo, raha manana ondry anankiray, ka latsaka any an-kady amin’ ny Sabata, no tsy handray azy sy hampakatra azy?
12 人の羊に優れること幾何ぞや。然れば安息日に善を為すは可し、と。
Ary tsy mihoatra lavitra noho ny ondry va ny olona? Koa amin’ izany dia mety ny manao soa amin’ ny Sabata.
13 頓て其人に、手を伸べよ、と曰ひければ、彼伸ばしたるに、其手痊えて他と齊しくなれり。
Dia hoy Izy tamin-dralehilahy: Ahinjiro ny tananao. Dia nahinjiny ka sitrana ho tahaka ny anankiray.
14 斯てファリザイ人出でて、如何にしてかイエズスを亡ぼさんと謀り居るを、
Ary ny Fariseo dia lasa nivoaka ka niara-nisaina mba hahafaty Azy.
15 イエズス知りて此處を去り給ひしが、多くの人從ひしかば、悉く彼等を醫し、
Fa Jesosy nahalala izany, ka dia niala teo. Ary nisy olona betsaka nanaraka Azy, ka dia nositraniny avokoa izy rehetra;
16 且我を言顕すこと勿れ、と戒め給へり。
ary nandrara azy Izy tsy hanao izay hahafantarana Azy,
17 是預言者イザヤによりて云はれし事の成就せん為なり、
mba hahatanteraka izay nampilazaina an’ Isaia mpaminany hoe:
18 曰く「是ぞ我選みし我僕、我心に能く適へる最愛の者なる、我彼の上に我霊を置けり。彼は異邦人に正義を告げん。
Indro ny Mpanompoko, Izay nofidiko, Ny Malalako, Izay sitraky ny foko indrindra; Hapetrako ao aminy ny Fanahiko, Ary hitory ny rariny amin’ ny jentilisa Izy;
19 争はず叫ばず、誰も衢に其聲を聞かず、
Tsy hifanditra, na hiantso mafy Izy; Ary tsy hisy handre ny feony any an-dalana;
20 正義を勝利に至らしむるまで、折れたる葦を断たず、煙れる麻を熄す事なからん、
Tsy hotapahiny ny volotara torotoro, Ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro manetona, Ambara-pamoakany ny rariny ho mpandresy;
21 又異邦人は彼の名を仰ぎ望まん」と。
Ary ny anarany no hitokian’ ny jentilisa.
22 時に一人、惡魔に憑かれて瞽ひ口唖なるもの差出されしを、イエズス醫し給ひて、彼言ひ且見るに至りしかば、
Dia nentina tany amin’ i Jesosy ny lehilahy anankiray izay demoniaka, sady jamba no moana; dia nositraniny, ka dia niteny sy nahita ilay moana.
23 群衆皆驚きて、是ダヴィドの子に非ずや、と云へるを、
Dia talanjona ny vahoaka rehetra ka nanao hoe: Moa Ity va Ilay Zanak’ i Davida?
24 ファイリザイ人聞きて、彼が惡魔を逐払ふは、唯惡魔の長ベエルゼブブに籍るのみ、と云へり。
Fa nony ren’ ny Fariseo izany, dia hoy izy: Tsy misy amoahan’ ilehiny ny demonia, afa-tsy Belzeboba, lohan’ ny demonia.
25 イエズス彼等の心を知りて曰ひけるは、総て分れ争ふ國は亡びん、又総て分れ争ふ町と家とは立たじ。
Ary Jesosy nahalala ny eritreriny, dia nanao taminy hoe: Ho foana ny fanjakana rehetra izay miady an-trano; ary tsy haharitra ny tanàna rehetra, na ny trano, izay miady an-trano.
26 サタン若サタンを逐払はば、自分るるなり、然らば其國如何にしてか立つべき。
Ary raha Satana no mamoaka an’ i Satana, dia miady an-trano izy; ka ahoana no haharetan’ ny fanjakany?
27 我若ベエルゼブブに籍りて惡魔を逐払ふならば、汝等の子等は誰に籍りて逐払ふぞ、然れば彼等は汝等の審判者となるべし。
Ary raha Belzeboba no amoahako ny demonia, iza kosa no mba amoahan’ ny zanakareo azy? ary noho izany dia izy ihany no ho mpitsara anareo.
28 然れど我若神の霊に籍りて惡魔を逐払ふならば、神の國は汝等に格れるなり。
Fa raha ny Fanahin’ Andriamanitra kosa no amoahako ny demonia, dia efa tonga aminareo sahady ny fanjakan’ Andriamanitra.
29 又人先強き者を縛るに非ずんば、爭でか強き者の家に入りて其家具を掠むることを得ん、[縛りて]後こそ其家を掠むべけれ。
Fa hataon’ ny olona ahoana no fiditra ao an-tranon’ ny mahery handroba ny entany, raha tsy afatony aloha ny mahery? dia vao handroba ny ao an-tranony izy.
30 我に與せざる人は我に反し、我と共に歛めざる人は散らすなり。
Izay tsy momba Ahy dia manohitra Ahy; ary izay tsy miara-mamory amiko dia manahaka.
31 故に我汝等に告ぐ、凡ての罪及冒涜は人に赦されん、然れど[聖]霊に對する冒涜は赦されざるべし。
Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Hahazo famelan-keloka ny olona amin’ ny ota sy fitenenan-dratsy samy hafa rehetra; fa tsy hahazo famelan-keloka ny olona amin’ ny fitenenan-dratsy ny Fanahy Masìna.
32 又総て人の子に對して[冒涜の]言を吐く人は赦されん、然れど聖霊に對して之を吐く人は、此世、後世共に赦されざるべし。 (aiōn g165)
Ary na iza na iza no manao teny hanohitra ny Zanak’ olona, dia hahazo famelan-keloka ihany; fa na iza na iza no miteny hanohitra ny Fanahy Masìna, dia tsy mba hahazo famelan-keloka, na amin’ izao fiainana izao, na amin’ ny ho avy. (aiōn g165)
33 或は樹を善しとし其果をも善しとせよ、或は樹を惡しとし其果をも惡しとせよ、樹は其果によりて知らるればなり。
Koa ataovy tsara ny hazo mbamin’ ny voany, na ataovy ratsy ny hazo mbamin’ ny voany; fa ny voany no ahafantarana ny hazo.
34 蝮の裔よ、汝等惡しければ、爭でか善きを云ふを得ん、口に語るは心に充てる所より出ればなり。
Ry taranaky ny menarana! hataonareo, izay ratsy fanahy, ahoana no fahay miteny zavatra tsara? fa avy amin’ ny haben’ ny ao am-po no itenenan’ ny vava.
35 善き人は善き庫より善き物を出し、惡しき人は惡しき庫より惡しき物を出す。
Ny rakitra tsara no amoahan’ ny olona tsara fanahy zavatra tsara; ary ny rakitra ratsy kosa no amoahan’ ny olona ratsy fanahy zavatra ratsy.
36 我汝等に告ぐ、総て人の語りたる無益な言は、審判の日に於て之を糺さるべし。
Ary lazaiko aminareo fa hampamoahina ny olona amin’ ny andro fitsarana noho ny amin’ ny teny foana rehetra izay ataony.
37 其は汝其言によりて義とされ、又其言によりて罪せらるべければなり、と。
Fa ny teninao no hanamarinana anao, ary ny teninao no hanamelohana anao.
38 其時數人の律法學士及ファリザイ人、彼に答へて云ひけるは、師よ、我等汝の為す徴を見んと欲す、と。
Ary tamin’ izany ny sasany tamin’ ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo namaly Azy ka nanao hoe: Mpampianatra ô, ta-hahita famantarana avy aminao izahay.
39 イエズス答へて曰ひけるは、奸惡なる現代は徴を求むれども、預言者ヨナの徴の外は徴を與へられじ。
Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izay taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga dia fatra-pitady famantarana; nefa tsy hisy famantarana homena azy, afa-tsy famantarana ny amin’ i Jona mpaminany;
40 即ヨナが三日三夜魚の腹に在りし如く、人の子も三日三夜地の中に在らん。
fa tahaka ny nitoeran’ i Jona hateloan’ andro sy hateloan’ alina tao an-kibon’ ny hazandrano lehibe, dia toy izany no hitoeran’ ny Zanak’ olona hateloan’ Andro sy hateloan’ alina ao anatin’ ny tany.
41 ニニヴの人々は、審判の時現代と共に立ちて之を罪に定めん、彼等はヨナの説教によりて改心したればなり、見よ、ヨナに優れるもの茲に在り。
Ny olona tany Ninive hiara-mitsangana amin’ ity taranaka ity amin’ ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa nibebaka izy tamin’ ny nitorian’ i Jona teny; nefa, indro, misy lehibe noho Jona eto.
42 南方の女王は、審判の時現代と共に立ちて之を罪に定めん、彼はサロモンの智恵を聴かんとて地の極より來りたればなり、見よ、サロモンに優れるもの茲に在り。
Ny mpanjakavavy avy tany atsimo hiara-mitsangana amin’ ity taranaka ity amin’ ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa avy tany amin’ ny faran’ ny tany izy hihaino ny fahendren’ i Solomona; nefa, indro, misy lehibe noho Solomona eto.
43 汚鬼人より出でし時、荒れたる處を巡りて息を求むれども得ず、
Raha mivoaka amin’ ny olona ny fanahy maloto, dia mandeha mitety ny tany tsy misy rano izy, mitady fitsaharana, fa tsy mahita.
44 是に於て、出でし我家に歸らんと云ひて、來りて其家の既に空き、掃清められ飾られたるを見るや、
Dia hoy izy: Hody any amin’ ny tranoko izay nivoahako aho; ary nony tonga izy, dia hitany fa foana ny trano sady voafafa no voavoatra.
45 乃往きて己よりも惡き七の惡鬼を携へ、偕に入りて此處に住む。斯て彼人の末は、前よりも更に惡くなり増る。極惡なる現代も亦斯の如くならん、と。
Ary dia mandeha izy ka mitondra fanahy fito hafa koa miaraka aminy izay ratsy noho izy; dia miditra ireo ka mitoetra ao; ary ny faran’ izany olona izany dia tonga ratsy noho ny voalohany. Ary dia tahaka izany koa no ho amin’ ity taranaka ratsy fanahy ity.
46 イエズス尚群衆に語り給へる折しも、母と兄弟等と、彼に物語せんとて外に立ちければ、
Ary raha mbola niteny tamin’ ny vahoaka Jesosy, indreo, ny reniny mbamin’ ny rahalahiny nijanona teo ala-trano nitady hiteny aminy.
47 或人云ひけるは、看よ、汝の母、兄弟汝を尋ねて外に立てり、と。
Ary nisy anankiray nanao taminy hoe: Indreo, ny reninao mbamin’ ny rahalahinao mijanona ato ala-trano mitady hiteny aminao.
48 イエズス己に告げし人に答へて曰ひけるは、誰か我母、誰か我兄弟なるぞ、と。
Fa namaly Izy ka nanao tamin’ ilay nilaza taminy hoe: Iza moa no reniko, ary iza no rahalahiko?
49 即手を弟子等の方に伸べて曰ひけるは、是ぞ我母我兄弟なる、
Ary naninjitra ny tànany nanondro ny mpianany Izy ka nanao hoe: Indreo ny reniko sy ny rahalahiko;
50 其は誰にもあれ、天に在す我父の御旨を行ふ人、即是我兄弟姉妹母なればなり、と。
Fa na iza na iza no hanao ny sitrapon’ ny Raiko Izay any an-danitra, dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko.

< マタイの福音書 12 >