< マタイの福音書 14 >

1 當頃分國の王ヘロデ、イエズスの名聲を聞きて、
Tamin’ izany andro izany Heroda mpanapaka nandre ny lazan’ i Jesosy,
2 其臣下に云ひけるは、是洗者ヨハネなり、死人の中より、蘇りたる者なれば、不思議彼の手に行はる、と。
ka hoy izy tamin’ ny mpanompony: Jaona Mpanao-batisa izay; efa nitsangana tamin’ ny maty izy, koa izany no ananany hery hanao izany asa lehibe izany.
3 蓋ヘロデ曾て、其兄弟[フィリッポ]の妻ヘロヂアデの事に由りてヨハネを捕へ、縛りて監獄に入れたりき。
Fa Heroda efa nisambotra an’ i Jaona, dia namatotra azy ka nanao azy tao an-tranomaizina, noho ny tamin’ i Herodiasy, vadin’ i Filipo rahalahiny.
4 其はヨハネ彼に向ひて、汝が彼婦を有つは可からず、と云ひたればなり。
Fa Jaona efa nilaza taminy hoe: Diso ianao, raha manambady azy.
5 斯て之を殺さんと欲せしかども、人民の彼を預言者と認め居れるを以て之に懼れたりき。
Ary Heroda naniry hamono azy, saingy natahotra ny vahoaka izy, satria nataon’ ireo ho mpaminany Jaona.
6 然てヘロデの誕生日に當りて、ヘロヂアデの女席上にて踊り、ヘロデの心に適ひしかば、
Fa nony tonga ny fitsingerenan’ ny taona nahaterahan’ i Heroda, dia nandihy teo anatrehany ny zanakavavin’ i Herodiasy ka nahafaly an’ i Heroda.
7 ヘロデ誓ひて、何物を求むるも之を與へんと約せり。
Ary noho izany dia nianiana izy fa hanome azy izay hangatahiny na inona na inona.
8 女は母に旨を含められて、洗者ヨハネの頭を盆に載せて茲に我に賜へ、と云ひしかば、
Ary rehefa nomen-dreniny saina razazavavy, dia nanao hoe: Omeo ahy eto an-dovia ny lohan’ i Jaona Mpanao-batisa.
9 王心に憂ふれども、誓ひたるが為、且は列席せる人々の為、遂に之を與ふる事を命じ、
Dia nalahelo ny mpanjaka; kanefa noho ny fianianany sy ny olona izay niara-nipetraka nihinana teo aminy, dia nandidy ihany izy mba homena izany.
10 人を遣はして監獄にヨハネを刎ねたり、
Ary dia naniraka hanapaka ny lohan’ i Jaona tao an-tranomaizina izy.
11 斯て其頭盆に載せられて女に與へられしを、女母に持行きしが、
Dia nentina an-dovia ny lohany ka nomena ilay zazavavy; ary izy nitondra azy ho ao amin-dreniny.
12 ヨハネの弟子等至り、其屍を取りて之を葬り、且往きてイエズスに告げたり。
Ary avy ny mpianany, dia naka ny faty ka nandevina azy; ary dia lasa izy ka nilaza tamin’ i Jesosy.
13 イエズス之を聞き給ひて、小舟にて其處を去り、寂しき處に避け給ひしが、群衆之を聞きて、町々より徒歩にて從ひしかば、
Ary nony nandre izany Jesosy, dia niondrana an-tsambokely niala teo handeha hitokana any an-tany foana; ary raha nandre izany ny vahoaka, dia niala teny amin’ ny tanàna maro izy ka nandeha an-tanety nanaraka Azy.
14 出でて群衆の夥しきを見、之を憐みて其病者を醫し給へり。
Ary nony nivoaka Jesosy, dia nahita vahoaka betsaka, ary onena azy ka nahasitrana ny marariny.
15 日暮れんとする時、弟子等イエズスに近づきて云ひけるは、處は寂しく時は既に過ぎたり。邑々に往きて己が食物を買はん為に、群衆をして去らしめ給へ、と。
Ary nony hariva ny andro, dia nanatona Azy ny mpianatra ka nanao hoe: Tany foana ity, ary efa hariva ny andro izao; ravao ny vahoaka, mba hankanesany eny amin’ ny vohitra hividy hanina ho azy.
16 イエズス彼等に向ひ、人々の往くを要せず、汝等是に食を與へよ、と曰ひしかば、
Fa hoy Jesosy taminy: Tsy tokony handeha izy; omeonareo hanina izy.
17 彼等答へけるは、我等が此處に有てるは五の麪と二の魚とのみ。
Fa hoy ny mpianany taminy: Tsy misy atỳ aminay, afa-tsy mofo dimy sy hazandrano roa.
18 イエズス彼等に曰ひけるは、其を我に持來れ、と。
Ary hoy Izy: Ento eto amiko izany.
19 斯て命じて群衆を草の上にすわらせ、五の麪と二の魚とを取り、天を仰ぎて祝し、擘きて其麪を弟子等に與へ給ひ、弟子等又之を群衆に與へしかば、
Dia nasainy nipetraka teny ambonin’ ny ahitra ny vahoaka, ary noraisiny ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy ka nisaotra; ary nony efa novakiny ny mofo, dia natolony ny mpianatra, ary ny mpianatra kosa nanolotra ho an’ ny vahoaka.
20 皆食して飽足れり。殘を拾ひて屑十二の筐に満ちしが、
Ary nihinana avokoa izy rehetra, ka dia voky; ary nangoniny ny sombintsombiny sisa tsy lany, ka dia nahafeno harona roa ambin’ ny folo.
21 食せし者の數は、婦女と幼童とを除きて五千人なりき。
Ary izay nihinana dia tokony ho dimy arivo lahy, afa-tsy ny zaza amim-behivavy.
22 イエズス直に弟子等を強ひて小舟に乗らしめ、自群衆を去らしむる間に、先ちて湖の彼方へ往かしめ給ひしが、
Ary niaraka tamin’ izay dia nanery ny mpianatra hiondrana an-tsambokely Jesosy ka hita eo alohany ho eny am-pita mandra-pandràvany ny vahoaka.
23 群衆を去らしめて後、獨祈らんとて山に登り、日暮れて獨其處に居給へり。
Ary rehefa noravany ny vahoaka, dia niakatra tao an-tendrombohitra Izy mba hitokana hivavaka; ary nony hariva ny andro, dia nitoetra irery teo Izy.
24 然て小舟は湖の眞中にて、逆風の為波に漂ひてありしが、
Ary efa mby teo ampovoan’ ny ranomasina ny sambokely tamin’ izay, dia natopatopan’ ny alon-drano izy, fa notohain’ ny rivotra.
25 夜の三時頃イエズスの湖の上を歩みて彼等に至り給ひければ、
Ary tamin’ ny fiambenana fahefatra amin’ ny alina dia nankeny amin’ ny mpianany Jesosy, nitsangantsangana teny ambonin’ ny ranomasina.
26 彼等湖の上を歩み給ふを見て心騒ぎ、怪物なりとて怖れ叫べり。
Ary nony nahita Azy nitsangantsangana tambonin’ ny ranomasina ny mpianatra, dia raiki-tahotra ka nanao hoe: Matoatoa io; dia niantso izy noho ny tahotra.
27 イエズス直に言を出して、頼もしかれ、我なるぞ、怖るること勿れ、と曰ひしかば、
Ary Jesosy niteny taminy niaraka tamin’ izay hoe: Matokia, fa Izaho ihany, aza matahotra.
28 ペトロ答へて云ひけるは、主よ、汝ならば水を踏みて汝に至る事を我に命じ給へ、と。
Ary Petera namaly Azy ka nanao hoe: Tompoko, raha Hianao ihany, dia asaovy manatona Anao eny ambonin’ ny rano aho.
29 イエズス、來れと曰ひけるに、ペトロ小舟より下り、イエズスに至らんとて水の上を歩み居りしが、
Ary hoy Izy: Manatona. Dia nidina niala tamin’ ny sambokely Petera ka nandeha tambonin’ ny rano hanatona an’ i Jesosy.
30 風の強きを見て懼れ、沈まんとせしかば、叫びて、主よ我を救ひ給へ、と云へり。
Fa raha nahita ny rivotra izy, dia natahotra, ary raha vao nilentika izy, dia niantso hoe: Tompo ô, vonjeo aho!
31 イエズス直に手を伸べ、之を捉へて曰ひけるは、信仰薄き者よ、何故に疑ひしぞ、と。
Ary naninjitra ny tànany niaraka tamin’ izay Jesosy, dia nandray azy ka nanao taminy hoe: Ry kely finoana, nahoana no niahanahana ianao?
32 即共に小舟に乗りしに、風凪ぎたり。
Ary rehefa niakatra teo an-tsambokely izy, dia nitsahatra ny rivotra.
33 小舟に居合せし人々近づきて、汝は實に神の子なり、と云ひつつイエズスを禮拝せり。
Ary izay teo an-tsambokely dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Zanak’ Andriamanitra tokoa Hianao.
34 遂に渡りてゲネザルの地に至りしに、
Ary nony tafita izy, dia tonga teo an-tanety, any Genesareta.
35 土地の人々イエズスを認めて、其全地方に人を遣はして、凡ての病者を是に差出し、
Ary nony nahafantatra Azy ny tompon-tany teo, dia naniraka tany amin’ ny tany rehetra manodidina izy ka nitondra ny marary rehetra ho eo aminy.
36 其衣服の総にだも触れんことを願ひたりしが、触れたる者悉く痊えたり。
Ary nangataka taminy ireo mba hamela azy hanendry na dia ny somotraviavin-dambany ihany aza; koa na iza na iza no nanendry dia sitrana tokoa.

< マタイの福音書 14 >