< ヨハネの福音書 9 >

1 第二款 生來の瞽者醫さる イエズス通りかかりに、一人の生れながらの瞽者を見給ひしかば、
Ary raha nandalo Jesosy, dia nahita lehilahy jamba hatry ny fony vao teraka.
2 弟子等、ラビ此人の瞽者に生れしは誰の罪ぞ、己の罪か兩親の罪か、と問ひたるに、
Ary ny mpianany nanontany Azy hoe: Raby ô, iza moa no nanota, io lehilahy io va, sa ny ray aman-dreniny, no dia teraka jamba izy?
3 イエズス答へ給ひけるは、此人も其親も罪を犯ししに非ず、彼が身の上に神の業の顕れん為なり。
Jesosy namaly hoe: Tsy io lehilahy io no nanota, na ny ray aman-dreniny, fa ny hanehoana ny asan’ Andriamanitra eo aminy.
4 我を遣はし給ひし者の業を我晝の間に為さざるべからず、誰も業を為す能はざる夜は将に來らんとす、
Isika tsy maintsy manao ny asan’ izay naniraka Ahy, raha mbola antoandro; avy ny alina, ka tsy mahazo miasa ny olona.
5 我世に在る間は世の光なり、と。
Raha amin’ izao tontolo izao Aho, dia fahazavan’ izao tontolo izao.
6 斯く曰ひて、イエズス地に唾し、唾を以て泥を造り、之を彼の目に塗りて、
Rehefa nilaza izany Izy, dia nandrora tamin’ ny tany ka nanao feta tamin’ ny rora, dia nahosony ny mason’ ilay jamba.
7 曰ひけるは、シロエの池に至りて洗へ、と。シロエとは遣はされたるものと訳せらる。彼即ち往きて洗ひしに、目明きて歸れり。
Ary hoy Izy taminy: Andeha, sasao ny masonao any amin’ ny farihy Siloama (izay atao hoe, raha adika, Nirahina). Dia lasa izy ka nanasa, dia niverina nahiratra.
8 斯て隣人及び曾て彼が乞食せるを見し人々は、是坐りて乞食し居たりし者ならずや、と云へば、或人は其なりと言ひ、
Koa izay nifanolotra taminy sy izay nahita azy fa mpangataka izy taloha dia nanao hoe: Tsy ity va ilay nipetraka nangataka?
9 或人は否其に似たる人なりと言ふを彼は、我其なりと云ひ居たり。
Hoy ny sasany: Izy ity, fa hoy ny sasany: Tsia, fa tahaka azy ihany; ary hoy kosa izy: Izaho no izy.
10 然れば彼等、汝の目は如何にして明きたるぞ、と言へるに、
Dia hoy ny olona taminy: Ahoana no nahiratan’ ny masonao?
11 彼答へけるは、彼イエズスと稱する人、泥を造りて我目に塗り、シロエの池に至りて洗へと云ひしかば、我往きて洗ひて、然て見ゆるなり、と。
Ary izy namaly ka nanao hoe: Ilay Lehilahy atao hoe Jesosy no nanao feta, dia nanosotra ny masoko ka nanao tamiko hoe: Mankanesa any Siloama, ka sasao ny masonao; koa nandeha aho, dia nanasa azy, ka dia nahiratra.
12 人々、其人何處に居るぞと云ひしに彼、我は之を知らず、と云へり。
Ary hoy ny olona taminy: Aiza moa izany Lehilahy izany? Hoy ralehilahy: Tsy fantatro.
13 彼等其瞽者なりし人をファリザイ人の許に伴ひ行きしが、
Ary ilay jamba taloha dia nentiny tany amin’ ny Fariseo.
14 イエズスの泥を造りて其目を明け給ひしは、安息日なりければ、
Ary tamin’ ny andro Sabata no nanaovan’ i Jesosy ny feta sy nampahiratany ny mason-dralehilahy.
15 ファリザイ人更に、如何にして見ゆるに至りしぞ、と問へるを彼答へて、彼人わが目に泥を塗り、我之を洗ひたれば見ゆるなり、と云ひしかば、
Ary ny Fariseo koa nanontany azy izay nahiratan’ ny masony. Dia hoy izy taminy: Nasiany feta ny masoko, dia nosasako, ka nahiratra aho.
16 ファリザイ人の或者は、安息日を守らざる彼人は神よりの者に非ずと云ひ、或者は、罪人なる者争でか斯る奇蹟を行ふを得んや、と云ひて彼等の間に諍論ありき。
Ary hoy ny Fariseo sasany: Tsy avy amin’ Andriamanitra izany Lehilahy izany, satria tsy mitandrina ny Sabata Izy. Hoy ny sasany: Hataon’ ny lehilahy mpanota ahoana no fahay manao fahagagana toy izany? Dia nisara-tsaina izy.
17 然れば重ねて瞽者なりし人に、汝は其目を明けし人を何と謂ふぞ、と云へば、彼は、預言者なり、と云へり。
Ary hoy indray izy tamin’ ilay jamba: Ahoana no ilazanao Azy, fa nampahiratra ny masonao Izy? Dia hoy izy: Mpaminany Izy.
18 ユデア人は、彼が曾て瞽者にして、見ゆる様になれるを信ぜざれば、遂に彼目明きし人の兩親を呼び、
Ary amin’ izany ny Jiosy tsy nino azy ho efa jamba ka nahiratra, ambara-piantsony ny ray aman-drenin’ ilay nahiratra
19 問ひて云ひけるは、瞽者に生れしと汝等が云へる其子は是なるか、然らば如何にして今見ゆるぞ、と。
ka nanontaniany hoe: Zanakareo moa ity, izay lazainareo fa teraka jamba? Koa nanao ahoana ary no nahiratany izao?
20 兩親答へて、彼が我子なる事と、瞽者に生れし事とは、我等之を知る、
Ny ray aman-dreniny namaly ka nanao hoe: Fantatray fa zanakay ity sady teraka jamba;
21 然れど如何にして今見ゆるかを知らず、又其目を明けし者の誰なるかは、我等は知らざるなり、彼に問へ、彼年長けたれば自ら己が事を語るべし、と云へり。
fa tsy fantatray izay nahiratany izao; ary tsy fantatray izay nampahiratra ny masony; izy ihany no anontanio; efa lehibe izy, aoka izy no hilaza ny amin’ ny tenany.
22 兩親の斯く云ひしは、ユデア人を懼れたる故にして、彼等が、イエズスをキリストなりと宣言する人あらば、之を會堂より逐出すべし、と言合せたるに因れり、
Izany teny izany no nolazain’ ny ray aman-dreniny, satria natahotra ny Jiosy izy; fa efa nifanaiky rahateo ny Jiosy fa raha misy manaiky Azy ho Kristy dia horoahina hiala amin’ ny synagoga.
23 彼年長けたれば之に問へ、と兩親の云ひしは之が為なり。
Izany no nilazan’ ny ray aman-dreniny hoe: Efa lehibe izy, koa izy no anontanio.
24 是に於て彼等、再び彼瞽者なりし人を呼出して、汝神に光榮を歸せよ、我等は彼人の罪人なる事を知れり、と云ひしかば、
Dia niantso ilay jamba teo aloha indray izy ka nanao taminy hoe: Omeo voninahitra Andriamanitra; izahay mahalala fa mpanota izany Lehilahy izany.
25 彼云ひけるは、彼が罪人なりやは我之を知らず、我が知る所は一、即ち瞽者なりしに今見ゆる事是なり、と。
Fa izy namaly hoe. Tsy fantatro na mpanota Izy, na tsia; zavatra iray loha ihany no fantatro: jamba aho teo aloha, fa mahiratra aho izao.
26 其時彼等又、彼人汝に何を為ししぞ、如何にして汝の目を明けしぞ、と云ひしに、
Dia hoy izy taminy: Inona no nataony taminao? Nanao ahoana ange no nampahiratany ny masonao?
27 彼、我既に汝等に告げて汝等之を聞けり、何為ぞ復聞かんとはする、汝等も其弟子と成らん事を欲するか、と答へしかば、
Dia namaly azy hoe izy: Efa voalazako taminareo rahateo, fa tsy nihaino ianareo; nahoana no te-hihaino indray ianareo? Moa te-ho mpianany koa va ianareo?
28 彼等之を詛ひて云ひけるは、汝は彼の弟子にてあれ、我等はモイゼの弟子なり、
Dia nanevateva azy izy ka nanao hoe: Ialahy no mpianany; fa izahay mpianatr’ i Mosesy.
29 我等は神がモイゼに語り給ひし事を知れど、彼人の何處よりせるかを知らず、と。
Izahay mahalala fa Mosesy no nitenenan’ Andriamanitra; fa ny amin’ izany Lehilahy izany, dia tsy fantatray izay nihaviany.
30 瞽者なりし人答へて、汝等が其何處よりせるかを知らざるこそ怪しけれ、彼我目を明けしものを。
Ralehilahy namaly azy hoe: Mba mahagaga tokoa lahy izany! fa tsy fantatrareo ny nihaviany, nefa nampahiratra ny masoko Izy.
31 我等は知る、神は罪人に聴き給はず、然れど神に奉事して御旨を行ふ人あれば之に聴き給ふことを。
Fantatsika fa Andriamanitra tsy mihaino ny mpanota; fa izay mivavaka aminy sy manao ny sitrapony no henoiny.
32 開闢以來生れながらなる瞽者の目を明けし人ある事を聞かず、 (aiōn g165)
Hatrizay hatrizay dia tsy mbola re fa nisy nampahiratra ny mason’ izay teraka jamba. (aiōn g165)
33 彼人若神より出でたるに非ずば何事をも為し得ざりしならん、と云ひしかば、
Raha tsy avy amin’ Andriamanitra izany Lehilahy izany, dia tsy mahefa na inona na inona Izy.
34 ファリザイ人答へて、汝は全く罪の中に生れたるに、猶我等を教ふるか、と云ひて之を逐出だせり。
Ary namaly ireo ka nanao taminy hoe: Tena teraka tamin’ ny ota ialahy, ka ialahy indray va mampianatra anay? Dia noroahiny izy.
35 イエズス其逐出だされし事を聞き、之に出遇ひ給ひし時、汝神の子を信仰するか、と曰ひしに、
Jesosy nandre fa efa noroahiny ralehilahy; ary rehefa nahita azy Izy, dia nanao hoe: Mino ny Zanak-Andriamanitra va ianao?
36 彼答へて、主よ、我が之を信仰すべき者は誰ぞ、と云ひしかば、
Ralehilahy namaly ka nanao hoe: Iza moa no Izy, Tompoko, mba hinoako Azy?
37 イエズス曰ひけるは、汝それを見たり、汝と語る者即ち是なり、と。
Hoy Jesosy taminy: Efa nahita Azy ianao, sady Izay miresaka aminao izao no Izy.
38 彼、主よ、我は信ず、と云ひて平伏しつつイエズスを禮拝し奉れり。
Ary hoy izy: Tompoko, mino aho. Dia niankohoka teo anatrehany izy.
39 イエズス曰ひけるは、我審判の為に此世に來れり、即ち目見えざる人は見え、見ゆる人は瞽者と成るべし、と。
Ary hoy Jesosy: Ho fitsarana no nahatongavako amin’ izao tontolo izao, mba hahiratra ny tsy mahiratra, ary mba ho tonga jamba kosa ny mahiratra.
40 ファリザイ人の中イエズスと共に在りし者之を聞きて、我等も瞽者なるか、と云ひしかば、
Ary ny Fariseo sasany izay teo aminy, nony nandre izany, dia nanao taminy hoe: Izahay koa va mba jamba?
41 イエズス彼等に曰ひけるは、汝等瞽者ならば罪なかるべし、然れど今自ら見ゆと云ふに由りて、汝等の罪は遺るなり。
Hoy Jesosy taminy: Raha jamba ianareo, dia tsy ho nanan-keloka; nefa hoy ianareo ankehitriny: Mahiratra izahay; dia tsy afaka ny helokareo.

< ヨハネの福音書 9 >