< ヨハネの福音書 10 >

1 第三款 善き牧者 誠に實に汝等に告ぐ、羊の檻に入るに、門よりせずして他の處より越ゆるは、盗人なり強盗なり、
Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa izay tsy miditra amin’ ny vavahady ho amin’ ny valan’ ondry, fa mananika ny fefy, dia mpangalatra sy jiolahy.
2 門より入るは羊の牧者なり。
Fa izay miditra amin’ ny vavahady no mpiandry ny ondry.
3 門番は彼に戸を開き、羊は其聲を聴き、彼亦己が羊を一々に名指して引出す、
Ary izy no vohan’ ny mpiandry vavahady; ary ny ondry mihaino ny feony; ary izay ondriny tokoa dia antsoiny amin’ ny anarany avy ka entiny mivoaka.
4 斯て其羊を出せば、彼先ちて往き羊之に從ふ、其聲を知ればなり、
Ary rehefa mamoaka ireo rehetra ireo izy, dia mialoha azy; ary ny ondriny manaraka azy, satria mahalala ny feony ireo.
5 然れども他人には從はず、却て之を避く、他人の聲を知らざればなり、と。
Ary ny vahiny tsy harahiny, fa handosirany, satria tsy fantany ny feon’ ny vahiny.
6 イエズス此喩を彼等に曰ひしかど、彼等は其語り給ふ所の何たるを暁らざりき。
Izany fanoharana izany no nolazain’ i Jesosy taminy, nefa tsy azony izay zavatra nolazainy taminy.
7 然ればイエズス再び彼等に曰ひけるは、誠に實に汝等に告ぐ、我は羊の門なり、
Dia hoy indray Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izaho no vavahadin’ ondry.
8 已に來りし人は皆盗人、強盗にして、羊之に聴從はざりき。
Mpangalatra sy jiolahy izay rehetra tonga talohako; fa tsy nihaino azy ny ondry.
9 我は門なり、人若我に由りて入らば救はれ、出入して牧場を得べし。
Izaho no vavahady; raha Izaho no hidiran’ ny olona, dia hovonjena izy ka hiditra sy hivoaka sady hahazo hanina.
10 盗人の來るは盗み、殺し、亡さんとするに外ならざれども、
Ny mpangalatra tsy avy raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana; Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be.
11 我が來れるは羊が生命を得、而も尚豊に得ん為なり。我は善き牧者なり、善き牧者は其羊の為に生命を棄つ、
Izaho no Mpiandry Tsara; ny Mpiandry Tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondry.
12 然れども牧者に非ずして羊吾物に非ざる被雇人は、狼の來るを見れば羊を棄てて逃げ、狼は羊を奪ひ且追散す。
Ary ny mpikarama, satria tsy mpiandry na tompon’ ny ondry izy, koa raha mahita ny amboadia avy, dia mandao ny ondry ka mandositra, ary ny amboadia misambotra ny ondry ka mampihahaka azy;
13 被雇人の逃ぐるは、被雇人にして羊を勞らざる故なり。
mandositra izy, satria mpikarama ka tsy mitandrina ny ondry.
14 我は善き牧者にして我羊を知り、我羊亦我を知る、
Izaho no Mpiandry Tsara; ary fantatro ny Ahy, sady fantany Aho,
15 恰も父我を知り給ひ、我亦父を知り奉るが如し、斯て我は我羊の為に生命を棄つ。
dia tahaka ny ahafantaran’ ny Ray Ahy sy ny ahafantarako ny Ray; ary Izaho manolotra ny aiko hamonjy ny ondry.
16 我は又此檻に属せざる他の羊を有てり、彼等をも引來らざるべからず、然て彼等我聲を聞き、斯て一の檻、一の牧者となるべし。
Manana ondry hafa izay tsy amin’ ity vala ity Aho; ary ireny koa dia tsy maintsy ho entiko ka hihaino ny feoko; ary ho tonga andiany iray izy, sady iray ihany ny Mpiandry.
17 父の我を愛し給へるは、之を再び取らんが為に我生命を棄つるに因る、
Ary izany no itiavan’ ny Raiko Ahy, satria Izaho manolotra ny aiko mba handraisako azy indray.
18 誰も之を我より奪ふ者はあらず、我こそ自ら之を棄つるなれ。我は之を棄つるの権を有し、又再び之を取るの権を有す、是我父より受けたる命なり、と。
Tsy misy manaisotra ny aiko amiko, fa ny tenako ihany no manolotra azy. Manana fahefana hanolotra azy Aho, ary manana fahefana haka azy indray. Izany didy izany dia azoko tamin’ ny Raiko.
19 是等の談の為に、ユデア人の中に復諍論起れり、
Ary nisy fisarahana indray tao amin’ ny Jiosy noho izany teny izany.
20 其中には、彼は惡魔に憑かれて狂へるなり、汝等何ぞ之に聴くや、と云ふ人多かりしが、
Ary maro tamin’ ireo no nanao hoe: Manana demonia Izy ka efa very saina; nahoana no mihaino Azy ianareo?
21 他の人は、是惡魔に憑かれたる者の言に非ず、惡魔豈瞽者の目を明くことを得んや、と云ひ居たり。
Hoy kosa ny sasany: Tsy mba tenin’ ny demoniaka izany; moa ny demonia va mahay mampahiratra ny mason’ ny jamba?
22 第四款 イエズス奉殿記念祭に上り給ふ 然てエルザレムに奉殿記念祭行はれて、時は冬なりしが、
Ary tonga ny andro firavoravoana tany Jerosalema, dia ilay atao hoe Fitokanana, ary efa ririnina ny andro.
23 イエズス[神]殿に在りてサロモンの廊を歩み居給ふに、
Ary Jesosy nitsangantsangana teo an-kianjan’ ny tempoly teo amin’ ny Fialofan’ i Solomona.
24 ユデア人之を取圍みて、汝何時まで我等の心を疑惑せしむるぞ、汝若キリストならば、明白に我等に告げよ、と云ひければ、
Dia nitangoronan’ ny Jiosy Izy ka nanontaniany hoe: Ambara-pahoviana no hampisalasalanao anay? Raha Hianao no Kristy, dia lazao marimarina aminay.
25 イエズス彼等に答へ給ひけるは、我汝等に語れども汝等信ぜざるなり、我が父の御名を以て行へる業、是ぞ我を證明するものなるに、
Jesosy namaly azy hoe: Efa nilaza taminareo ihany Aho, nefa tsy mino ianareo; ny asa izay ataoko amin’ ny anaran’ ny Raiko no manambara Ahy.
26 汝等尚之を信ぜず、是我羊の數に入らざればなり。
Kanefa ianareo tsy mino, satria tsy mba isan’ ny ondriko.
27 我羊は我聲を聴き、我彼等を知り、彼等我に從ふ、
Ny ondriko mihaino ny feoko, ary Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy,
28 斯て我永遠の生命を彼等に與ふ、彼等長久に亡びず、誰も彼等を我手より奪はじ、 (aiōn g165, aiōnios g166)
ary Izaho manome azy fiainana mandrakizay, ka tsy ho very izy mandrakizay, ary tsy hisy handrombaka azy amin’ ny tanako. (aiōn g165, aiōnios g166)
29 之を我に賜ひたる我父は、一切に優れて偉大に在し、誰も我父の御手より之を奪ひ得る者なし、
Ny Raiko Izay nanome Ahy dia lehibe noho izy rehetra; ary tsy misy mahay mandrombaka amin’ ny tanan’ ny Ray.
30 我と父とは一なり、と。
Izaho sy ny Ray dia iray ihany.
31 是に於てユデア人石を取りてイエズスに擲たんとせしかば、
Dia naka vato indray ny Jiosy hitoraka Azy.
32 イエズス彼等に曰ひけるは、我わが父に由れる善業を多く汝等に示ししが、汝等其孰の為に我に石を擲たんとはするぞ。
Jesosy namaly azy hoe: Maro ny asa tsara nasehoko taminareo avy tamin’ ny Ray; koa ny asa manao ahoana amin’ ireny moa no itorahanareo vato Ahy?
33 ユデア人答へけるは、我等が汝に石を擲つは善業の為に非ず、冒涜の為、且汝が人にてありながら己を神とする故なり。
Ny Jiosy namaly Azy hoe: Tsy asa tsara no itorahanay vato Anao, fa fitenenan-dratsy, satria olona ihany Hianao, nefa manao ny tenanao ho Andriamanitra.
34 イエズス彼等に答へ給ひけるは、汝等の律法に録して「我言へらく、汝等は神なり」とあるに非ずや、
Jesosy namaly azy hoe: Tsy voasoratra ao amin’ ny lalànareo va hoe: Hoy Izaho: Andriamanitra ianareo?
35 斯く神の言を告げられたる人々を神と呼びたるに、而も聖書は廃すべからず、我は神の子なりと言ひたればとて、
Raha ireny izay nanaovana izany tenin’ Andriamanitra izany no natao hoe andriamanitra (ary ny Soratra Masìna tsy azo foanana),
36 汝等は、父の聖成して世に遣はし給ひし者に向ひて、汝は冒涜すと謂ふか、
moa Izay nohasinin’ ny Ray ka nirahiny ho amin’ izao tontolo izao va no ataonareo hoe: Miteny ratsy Hianao, satria hoy Izaho: Zanak’ Andriamanitra Aho?
37 我もし我父の業を為さずば我を信ずること勿れ、
Raha tsy manao ny asan’ ny Raiko Aho, dia aza mino Ahy.
38 然れど我もし之を為さば、敢て我を信ぜずとも業を信ぜよ、然らば父の我に在し我の父に居る事を暁りて信ずるに至らん、と。
Fa raha manao ihany kosa Aho, na dia tsy mino Ahy aza ianareo, dia minoa ny asa, mba ho fantatrareo sy hekenareo fa ny Ray no ato amiko, ary Izaho ao amin’ ny Ray.
39 是に於て彼等イエズスを捕へんと謀れるを、彼等の手を遁れて、
Dia nitady hisambotra Azy indray ny Jiosy; fa nandositra azy Izy.
40 ヨルダン[河]の彼方、ヨハネが初に洗しつつありし處に至り、其處に留り給ひしに、
Dia lasa nankany an-dafin’ i Jordana indray Jesosy, ho any amin’ ilay tany nanaovan’ i Jaona batisa voalohany, ka nitoetra tany Izy.
41 多くの人御許に來りて、ヨハネは何の奇蹟をも行はざりしかど、
Ary maro no nankeo aminy ka nanao hoe: Jaona tsy mba nanao famantarana, nefa izay rehetra nolazainy ny amin’ ity Lehilahy ity dia marina avokoa.
42 此人に就きて告げし事は悉く眞なりき、と云ひつつイエズスを信仰せる者多かりき。
Ary maro no nino Azy teo.

< ヨハネの福音書 10 >