< ヨハネの福音書 19 >

1 其時ピラトイエズスを捕へて之を鞭ち、
Ary tamin’ izany dia nalain’ i Pilato Jesosy ka nokapohiny.
2 兵卒等は茨の冠を編みて御頭に冠らせ、又赤き上衣を着せ、
Ary ny miaramila nandrandrana satroka tsilo, ka nasatrony ny lohany, ary nampitafiny lamba volomparasy Izy,
3 然て御前に至りて、ユデア人の王よ、安かれ、と云ひて手を以て御頬を打ち居たり。
dia nanatona Azy ireo ka niteny hoe: Arahaba, ry Mpanjakan’ ny Jiosy! sady namely tahamaina Azy izy.
4 斯てピラト復出來り、人々に向ひて言ひけるは、我が何の罪をも彼に見出さざる事を汝等に知らしめん為に、看よ彼を汝等の前に引出すぞ、と。
Dia nivoaka indray Pilato ka nanao taminy hoe: Indro, izaho mitondra Azy mivoaka ho eto aminareo, mba ho fantatrareo fa tsy hitako izay helony, na dia kely akory aza.
5 此に於てイエズス、茨の冠赤き上衣にて出來り給ひしかば、ピラト、看よ人を、と云ひしに、
Ary nivoaka Jesosy misatroka tsilo sy mitafy ny lamba volomparasy. Dia hoy Pilato tamin’ ny vahoaka: Indro ny Lehilahy!
6 大司祭及び下役等イエズスを見るや叫出でて、十字架に釘けよ、十字架に釘けよ、と云ひければピラト、汝等自ら之を執りて十字架に釘けよ、我は何の罪をも之に見出さざるを、と云ひしに、
Ary rehefa hitan’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpiandry raharaha Jesosy, dia niantso ireo ka nanao hoe: Homboy amin’ ny hazo fijaliana Izy! homboy amin’ ny hazo fijaliana Izy! Hoy Pilato taminy: Entonareo Izy, ka homboy amin’ ny hazo fijaliana; fa izaho tsy mahita izay helony.
7 ユデア人答へけるは、我等に律法あり、其律法によりて彼は死せざるべからず、其は、己を神の子としたればなり、と。
Fa ny Jiosy namaly azy hoe: Izahay manana lalàna, ary araka izany lalàna izany dia tokony ho faty Izy, satria nanao ny tenany ho Zanak’ Andriamanitra.
8 ピラト此言を聞きて、益懼れ、
Ary nony ren’ i Pilato izany teny izany, dia vao mainka natahotra izy,
9 復官廰に入りてイエズスに向ひ、汝は何處の者ぞ、と云ひしかど、イエズス答へ給はざれば、
dia niditra tao anati-rova indray izy ka nanao tamin’ i Jesosy hoe: Avy aiza moa Hianao? Fa tsy namaly azy akory Jesosy.
10 ピラト云ひけるは、汝我に言はざるか、汝を十字架に釘くるの権も、亦免すの権も、我に在る事を知らざるか、と。
Dia hoy Pilato taminy: Tsy miteny amiko va Hianao? tsy fantatrao va fa manana fahefana handefa Anao aho, sady manana fahefana hanombo Anao amin’ ny hazo fijaliana koa?
11 イエズス答へ給ひけるは、汝上より與へられたるに非ずば、我に對して何らの権あらんや。我を汝に付したる者の罪、是に於てか更に大いなり、と。
Jesosy namaly azy hoe: Hianao tsy manana fahefana amiko akory, raha tsy nomena anao avy any ambony; koa izay nanolotra Ahy taminao no manan-keloka bebe kokoa.
12 是よりピラト復イエズスを免さんと謀り居たれども、ユデア人叫びて、汝若此人を免さばセザルの忠友に非ず、凡て己を王とする人はセザルに叛く者なればなり、と云ひければ、
Ary hatramin’ izany dia nitady handefa Azy Pilato; nefa ny Jiosy niantso ka nanao hoe: Raha alefanao io Lehilahy io, dia tsy mba sakaizan’ i Kaisara ianao; fa izay rehetra manao ny tenany ho mpanjaka dia manao teny manohitra an’ i Kaisara.
13 ピラト斯る言を聞きてイエズスを伴出し、切嵌の敷石、ヘブレオ語にてはガパタと云へる處にて、審判席に就けり。
Ary rehefa ren’ i Pilato izany teny izany, dia nitondra an’ i Jesosy nivoaka izy ka nipetraka teo amin’ ny seza fitsarana teo amin’ ny fitoerana atao hoe Lampivato, fa amin’ ny teny Hebreo Gabata
14 恰も過越祭の用意日にして、十二時頃なりしが、ピラトユデア人に向ひ、看よ汝等の王を、と云ひしに、
ary andro fiomanana amin’ ny Paska ny andro, tokony ho tamin’ ny ora fahenina dia hoy izy tamin’ ny Jiosy: Indro ny Mpanjakanareo!
15 彼等、取除けよ、取除けよ、十字架に釘けよ、と叫び居ければピラト彼等に、我豈汝等の王を十字架に釘けんや、と云へるを大司祭等、セザルの外我等に王なし、と答へたり。
Fa niantso ireo hoe: Ento, ento, homboy amin’ ny hazo fijaliana Izy! Hoy Pilato taminy: Hohomboako amin’ ny hazo fijaliana va ny Mpanjakanareo? Ny lohan’ ny mpisorona namaly hoe: Tsy manana mpanjaka afa-tsy Kaisara izahay.
16 斯てピラト、十字架に釘くる為にイエズスを彼等に付しければ、兵卒等之を取りて引出ししが、
Ary tamin’ izany Pilato dia nanolotra Azy taminy mba hohomboana amin’ ny hazo fijaliana. Dia noraisin’ ireo Jesosy;
17 イエズス自ら十字架を負ひ、彼髑髏、ヘブレオ語にてゴルゴタと云へる處に出で給へり。
ary Izy nitondra ny hazo fijaliany, dia nankany amin’ ny tany atao hoe Ikarandoha, izay atao amin’ ny teny Hebreo hoe Golgota.
18 彼等此處にて之を十字架に釘け、又別に二人を左右に、イエズスをば中央にして磔けたり。
Teo no nanomboana Azy tamin’ ny hazo fijaliana, ary nisy roa lahy koa niaraka taminy, iray avy teo an-daniny roa, ary Jesosy teo afovoany.
19 然るにピラト亦罪標を書きて十字架の上に置きしが、ユデア人の王ナザレトのイエズスと記されたりき。
Ary Pilato nanoratra anarana, ka napetany teo amin’ ny hazo fijaliana. Ary izao no voasoratra: JESOSY AVY ANY NAZARETA, MPANJAKAN’ NY JIOSY.
20 イエズスの十字架に釘けられ給ひし處は市街に近くして、罪標はヘブレオとギリシアとラテンとの語にて書きたれば、ユデア人の中に之を読みたる者多し。
Ary izany anarana izany dia novakin’ ny Jiosy maro, fa akaikin’ ny tanàna ny tany izay nanomboana an’ i Jesosy tamin’ ny hazo fijaliana; ary voasoratra tamin’ ny teny Hebreo sy Romana sy Grika izany.
21 然ればユデア人の大司祭等ピラトに向ひ、ユデア人の王と書かずして、ユデア人の王と自稱せし者と書き給へ、と云ひしをピラトは、
Ary noho izany ny lohan’ ny mpisorona tamin’ ny Jiosy dia nanao tamin’ i Pilato hoe; Aza soratana hoe: Mpanjakan’ ny Jiosy; fa izao: Izy no nilaza hoe: Mpanjakan’ ny Jiosy Aho.
22 我が書きし所は書きし[儘なれ、]と答へたり。
Pilato namaly hoe: Izay voasoratro dia voasoratro.
23 斯て兵卒等、イエズスを十字架に釘けし後、其衣服と下衣とを受け、衣服は四分して一人に一分づつ分ちしが、下衣は上より一つに織りたる縫目なき物なりしかば、
Ary rehefa voahombon’ ny miaramila tamin’ ny hazo fijaliana Jesosy, dia nalainy ny fitafiany ka nozarainy efatra, samy nanana ny anjarany avy ny miaramila; ary ny akanjony koa; fa tsy nisy vitrana ny akanjony, fa tenona iray ihany.
24 之を裂かずして、誰のになるべきか鬮引にせんと言合へり。是聖書に録して「彼等は互に我が衣服を分ち、我下衣を鬮引にせり」とある事の成就せん為にして、即ち兵卒等は實に此事を為せるなり。
Dia niresaka hoe izy: Aza mba triarintsika, fa aoka hilokantsika ho an’ izay hahazo azy; mba hahatanteraka ny Soratra Masìna manao hoe: Nozarainy ny fitafiako, ary nilokany ny akanjoko. Izany zavatra izany no nataon’ ny miaramila.
25 然てイエズスの十字架の傍に、其母と母の姉妹、即ちクレオファの[妻]マリアと、マグダレナ、マリアと立ちてありしが、
Ary nijanona teo akaikin’ ny hazo fijalian’ i Jesosy ny reniny sy ny rahavavin-dreniny, Maria, vadin’ i Klopa, sy Maria Magdalena.
26 イエズス其母と愛せる弟子との立てるを見給ひて母に向ひ、婦人よ、是汝の子なり、と曰ひ、
Ary nony hitan’ i Jesosy ny reniny sy ilay mpianatra tiany nijanona teo, dia hoy Izy tamin’ ny reniny: Ravehivavy, indro ny zanakao!
27 次に弟子に向ひて、是汝の母なり、と曰ひければ、此時より其弟子イエズスの母を我家に引取りたり。
Ary hoy koa Izy tamin’ ilay mpianatra: Indro ny reninao! Ary tamin’ izany ora izany dia noraisin’ ilay mpianatra ho any aminy izy.
28 軈てイエズス何事も成り終れるを知り給ひて、聖書の成就し果てん為に、我渇くと曰ひしが、
Ary rehefa afaka izany, dia fantatr’ i Jesosy fa efa vita ny zavatra rehetra tamin’ izay, mba hahatanteraka ny Soratra Masìna, dia hoy Izy: Mangetaheta Aho.
29 其處に酢の満ちたる器置かれてありしに、兵卒等海綿を醋に浸し、イソプに刺して其口に差付けしかば、
Ary nisy bakoly feno vinaingitra nipetraka teo; ary nisy sipaonjy feno vinaingitra notohiziny tamin’ ny hysopa ka nataony tamin’ ny vavany.
30 イエズス醋を受け給ひて、成り終れりと曰ひ、首を垂れて息絶え給へり。
Ary rehefa nanandrana ny vinaingitra Jesosy, dia nanao hoe: Vita; dia nanondrika ny lohany Izy ka nanolotra ny fanahiny.
31 時は用意日にて大安息日の前なれば、安息日に屍の十字架上に遺らざらん為に、其脛を折りて取下さん事を、ユデア人ピラトに願ひしかば、
Ary satria andro fiomanana ny andro, dia nangataka tamin’ i Pilato ny Jiosy mba hotapahina ny ranjon’ ireo, ary hesorina ny faty, mba tsy ho tratry ny andro Sabata eo amin’ ny hazo fijaliana, satria andro lehibe izany Sabata izany.
32 兵卒等來りて、先なる者及び共に十字架に釘けられたる他の一人の脛を折りしが、
Dia tonga ny miaramila ka nanapaka ny ranjon’ ny voalohany sy ny an’ ny anankiray koa izay niaraka nohomboana tamin’ i Jesosy tamin’ ny hazo fijaliana.
33 イエズスに至り、其既に死し給へるを見て脛を折らざりき。
Fa nony nankeo amin’ i Jesosy izy, dia hitany fa efa maty sahady Izy, ka dia tsy mba notapahiny ny ranjony.
34 然れど兵卒の一人鎗もて其脇を披きしかば、直に血と水と流出でたり。
Fa ny miaramila anankiray nandefona ny lanivoany, ary niaraka tamin’ izay dia nisy rà sy rano nandeha.
35 目撃せし人之を證明せしが、其證明は眞實にして、彼は其云ふ所の眞實なるを知れり、是汝等にも信ぜしめん為なり。
Ary ilay nahita dia vavolombelona manambara, ary marina ny fanambarany; ary fantany fa milaza ny marina izy, mba hinoanareo koa.
36 是等の事の成りしは、聖書に「汝等其骨の一も折るべからず」とある事の成就せん為なり。
Fa tonga izany mba hahatanteraka ny Soratra Masìna hoe: Tsy hisy hotapahina ny taolany.
37 更に又聖書に曰く「彼等は其貫けるものを仰ぎ見ん」と。
Ary hoy koa ny teny iray ao amin’ ny Soratra Masìna: Hijery Izay nolefoniny izy.
38 其後アリマテアのヨゼフ、ユデア人を憚りて密にはすれども、イエズスの弟子なれば、其御屍を引取らん事をピラトに願ひしに、ピラト許ししかば來りてイエズスの御屍を取下せり。
Ary rehefa afaka izany, Josefa avy any Arimatia (mpianatr’ i Jesosy izy, nefa tamin’ ny mangingina ihany noho ny fahatahorany ny Jiosy) dia nangataka tamin’ i Pilato, mba hahazoany manaisotra ny fatin’ i Jesosy. Ary nanaiky Pilato. Dia lasa izy ka nanaisotra ny fatin’ i Jesosy.
39 又嚮に夜イエズスに至りしニコデモも、没薬と蘆薈との混合物を百斤許携へて來りしが、
Ary tonga koa Nikodemosy (ilay nankao amin’ i Jesosy nony alina tamin’ ny voalohany) ka nitondra miora sy hazo manitra voaharoharo, tokony ho zato livatra.
40 兩人イエズスの御屍を受取り、ユデア人の葬の習慣に從ひて香料と共に布にて之を捲けり。
Dia noraisiny ny fatin’ i Jesosy ka nofonosiny lambam-paty mbamin’ ny zava-manitra, araka ny fanaon’ ny Jiosy, raha mamboatra faty halevina.
41 然てイエズスの十字架に釘けられ給ひし處に園ありて、園の中に未だ誰をも葬らざる墓ありければ、
Ary nisy saha teo amin’ ilay nanomboana Azy tamin’ ny hazo fijaliana; ary teo anatin’ ilay saha nisy fasana vaovao, izay tsy mbola nandevenana olona.
42 彼等はユデア人の用意日なるに因り、墓の手近きに任せて、イエズスを其處に斂めたり。
Ary teo no nandevenany an’ i Jesosy noho ny andro fiomanan’ ny Jiosy, satria teo akaiky ny fasana.

< ヨハネの福音書 19 >