< ヨハネの福音書 18 >

1 第一款 イエズスの御受難 イエズス斯く曰ひて、弟子等と共にセドロンの渓流の彼方に出で給ひしが、其處に園の在りけるに、弟子等を伴ひて入り給へり。
Rehefa voalazan’ i Jesosy izany teny izany, dia nandeha Izy mbamin’ ny mpianany ka nita ny lohasahan-driaka Kidrona; ary nisy saha teo, izay nidiran’ izy sy ny mpianany.
2 イエズス屡弟子と共に此處に集り給ひければ、彼を売れるユダも處を知り居たり。
Ary Jodasy koa, ilay namadika Azy, dia nahalala izany tany izany, satria mpankao matetika Jesosy mbamin’ ny mpianany.
3 然ればユダは、一隊の兵卒及び下役等を大司祭ファリザイ人より受けて、提燈と炬火と武器とを持ちて此處に來れり。
Ary Jodasy, rehefa nahazo ny miaramila iray toko sy mpiandry raharaha avy tamin’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny Fariseo, dia nankeo nitondra fanilo sy fanala ary fiadiana.
4 イエズス我が身に來るべき事を悉く知り給ひて、進出でて彼等に向ひ、誰を尋ぬるぞ、と曰ひしかば彼等、ナザレトのイエズスを、と答へしに、
Ary satria fantatr’ i Jesosy izay rehetra hanjo Azy, dia nivoaka Izy ka nanao tamin’ ireo hoe: Iza moa no tadiavinareo?
5 イエズス、其は我なり、と曰ひしが、彼を付せるユダも彼等と共に立ち居たり。
Ary ireo namaly Azy hoe: Jesosy avy any Nazareta. Hoy Jesosy taminy: Izaho no Izy. Ary teo koa Jodasy, ilay namadika Azy.
6 然てイエズスが我なりと曰ふや、彼等後退して地に倒れたり。
Ary raha Jesosy vao nilaza taminy hoe: Izaho no Izy, dia nianotra ireo ka lavo tamin’ ny tany.
7 イエズス乃ち復、汝等誰を尋ぬるぞ、と問ひ給ひしに彼等、ナザレトのイエズスを、云ひたれば、
Ary Jesosy nanontany azy indray hoe: Iza moa no tadiavinareo? Dia hoy izy: Jesosy avy any Nazareta.
8 イエズス答へ給ひけるは、我既に我なりと汝等に告げたり、我を尋ぬるならば、此人々を容して去らしめよ、と。
Jesosy namaly hoe: Efa nolazaiko taminareo fa Izaho no Izy; koa raha Izaho no tadiavinareo, dia avelao handeha ireto;
9 是曾て、我に賜ひたる人々を我一人も失はざりき、と曰ひし御言の成就せん為なり。
mba hahatanteraka ny teny izay nataony hoe: Tsy nasiako very izay nomenao Ahy.
10 時にシモン、ペトロ剣を持ちたりしかば、抜きて大司祭の僕を撃ち、其右の耳を切落ししが、其僕の名をマルクスと云へり。
Ary Simona Petera nanana sabatra, dia nanatsoaka azy ka nikapa ny mpanompon’ ny mpisoronabe ary nahafaka ny sofiny ankavanana. Ary Malko no anaran’ ilay mpanompo.
11 然てイエズスペトロに曰ひけるは、汝の剣を鞘に収めよ、父の我に賜ひたる杯は我之を飲まざらんや、と。
Dia hoy Jesosy tamin’ i Petera: Ampidiro amin’ ny tranony ny sabatrao; ny kapoaka nomen’ ny Raiko Ahy tsy hosotroiko va?
12 斯て兵隊、千夫長、及びユデア人の下役等、イエズスを捕へて之を縛り、
Ary ny miaramila iray toko sy ny mpifehy arivo ary ny mpiandry raharaha tamin’ ny Jiosy dia nisambotra an’ i Jesosy ka namatotra Azy,
13 先アンナの許に引行けり、是其年の大司祭たるカイファの舅なるが故にして。
dia nitondra Azy tany amin’ i Anasy aloha, fa izy no rafozan’ i Kaiafa, mpisoronabe tamin’ izany taona izany.
14 カイファは曾てユデア人に向ひて、一人が人民の為に死するは利なり、との忠告を與へたりし人なり。
Ary Kaiafa no ilay nanome saina ny Jiosy fa mahatsara raha maty ny olona anankiray hamonjy ny firenena.
15 然るにシモン、ペトロ及び他の一人の弟子、イエズスの後に從ひたりしが、彼弟子は曾て大司祭に知られたりければ、イエズスと共に大司祭の庭に入りしも、
Ary Simona Petera sy ny mpianatra anankiray koa dia nanaraka an’ i Jesosy; ary fantatry ny mpisoronabe izany mpianatra izany, dia niara-niditra tamin’ i Jesosy ho ao an-kianjan’ ny tranon’ ny mpisoronabe izy.
16 ペトロは門の外に立ちてありしに、彼大司祭に知られたりし弟子出でて門番の婦に語らいしかば、ペトロを内に入れたり。
Fa Petera nijanona teo ala-trano teo am-bavahady. Dia nivoaka ilay mpianatra anankiray, izay fantatry ny mpisoronabe, ka niteny tamin’ ny mpiandry vavahady, dia nitondra an’ i Petera niditra.
17 斯て門番の婦ペトロに向ひ、汝も彼人の弟子の一人ならずや、と云ひしに彼、然らずと云へり。
Ary hoy ny ankizivavy mpiandry vavahady tamin’ i Petera: Moa ianao mba isan’ ny mpianatr’ io Lehilahy io? Hoy izy: Tsia.
18 時しも寒かりければ、僕及び下役等、炭火の傍に立ちて煬り居るに、ペトロも立交りて煬り居れり。
Ary ny mpanompo sy ny mpiandry raharaha namelona afon’ arina ka nijanona namindro teo, fa nangatsiaka ny andro; ary Petera koa mba nijanona niara-namindro taminy.
19 然て大司祭は其弟子と教とに就きてイエズスに問ひしかば、
Ary ny mpisoronabe nanadina an’ i Jesosy ny amin’ ny mpianany sy ny fampianarany.
20 イエズス之に答へ給ひけるは、我は白地に世に語り、何時も凡てのユデア人の相集まる會堂及び[神]殿にて教へ、何事をも密に語りし事なし、
Jesosy namaly azy hoe: Izaho niteny miharihary tamin’ izao tontolo izao; Izaho nampianatra mandrakariva tao amin’ ny synagoga sy ny kianjan’ ny tempoly, izay iangonan’ ny Jiosy rehetra; ary tsy nisy nolazaiko tao amin’ ny takona;
21 汝何ぞ我に問ふや、我が語りし所を聴聞したる人々に問へ、彼等こそ我が言ひし所を知るなれ、と。
koa nahoana no manontany Ahy ianao? Ireo nihaino no anontanio izay nolazaiko taminy; fa ireo no mahalala izay nolazaiko.
22 斯く曰ひしかば、立合へる一人の下役、手にてイエズスの頬を打ち、汝大司祭に答ふるに斯の如きか、と云ひしを、
Ary rehefa nilaza izany teny izany Izy, ny mpiandry raharaha anankiray izay nitsangana teo dia namely tahamaina an’ i Jesosy ka nanao hoe: Izany va no famalinao ny mpisoronabe?
23 イエズス答へ給ひけるは、我が言ひし事惡くば其惡き所以を證せよ、若善くば何為ぞ我を打つや、と。
Jesosy namaly azy hoe: Raha niteny ratsy Aho, ambarao izay ratsy; fa raha tsara ihany kosa, nahoana no dia mamely Ahy ianao?
24 斯てアンナはイエズスを縛りたる儘に、大司祭カイファの許に送りたりき。
Ary dia nasain’ i Anasy nentina tamin’ ny fatorany ho any amin’ i Kaiafa mpisoronabe Izy.
25 然てシモン、ペトロ火に煬りつつ立てるに、人々、汝も彼が弟子の一人ならずや、と云ひしかばペトロ否みて、然らずと云へり。
Ary Simona Petera nijanona namindro. Dia nisy nilaza taminy hoe: Moa ianao koa mba isan’ ny mpianany? Fa izy nandà ka nanao hoe: Tsia.
26 又一人、大司祭の僕にしてペトロに耳を切落とされし人の親族なる者、我汝が園にて彼に伴へるを見たるに非ずや、と云ふを、
Hoy ny anankiray tamin’ ny mpanompon’ ny mpisoronabe havan’ ilay nokapain’ i Petera ny sofiny: Tsy efa hitako teo aminy tao anaty saha va ianao?
27 ペトロ又否みたるに、鶏忽ち鳴へり。
Dia nandà indray Petera; ary niaraka tamin’ izay dia nisy akoho naneno.
28 斯て人々、イエズスをカイファの許より官廰に引きしが、時は天明なりき。彼等は汚れずして過越の犠牲を食し得ん為に、其身は官廰に入らざりしかば、
Ary Jesosy dia nentiny niala tao amin’ i Kaiafa ho ao anati-rova; ary maraina koa ny andro tamin’ izay; nefa ireo tsy niditra tao anati-rova, fandrao ho voaloto, fa efa hihinana ny Paska izy.
29 ピラト彼等の居る所に出でて、汝等彼人に對して如何なる事を告訴するぞ、と云ひしに、
Ary Pilato nivoaka ho eo aminy teo ivelany ka nanao hoe: Inona moa no iampanganareo io Lehilahy io?
30 彼等答へて、彼若惡人ならずば我等之を汝に付さざりしならん、と云ひければ、
Dia namaly ireo ka nanao taminy hoe: Raha tsy mpanao ratsy Izy, dia tsy mba natolotray anao.
31 ピラト彼等に向ひ、汝等之を引受けて汝等が律法の儘に審け、と云ひしにユデア人、我等は人を殺す事を允されず、と云へり。
Ary hoy Pilato taminy: Entonareo Izy, ka tsarao araka ny lalànareo. Hoy ny Jiosy taminy: Izahay tsy manam-pahefana hahafaty olona;
32 是イエズスが曾て、如何なる死状を以て死すべきかを、示して曰ひし御言の成就せん為なりき。
mba hahatanteraka ny tenin’ i Jesosy izay nolazainy nanambara ny fomban’ ny fahafatesana izay efa hiaretany.
33 是に於てピラト再び官廰に入り、イエズスを呼出して、汝はユデア人の王なるか、と云ひしに、
Ary niditra tao anati-rova indray Pilato, dia niantso an’ i Jesosy ka nanao taminy hoe: Hianao va no Mpanjakan’ ny Jiosy?
34 イエズス答へ給ひけるは、汝之を己より云へるか、又人我に就きて汝に告げたるか。
Jesosy namaly hoe: Hevitrao ihany va no anaovanao izany, sa nisy hafa nilaza Ahy taminao?
35 ピラト答へけるは、我豈ユデア人ならんや、汝の國民と大司祭等と汝を我に付したるが、汝何を為したるぞ。
Pilato namaly hoe: Moa aho Jiosy? Ny firenenao sy ny mpisoronabe no nanolotra Anao tamiko; inona moa no nataonao?
36 イエズス答へ給ひけるは、我國は此世のものに非ず、若我國此世のものならば、我をユデア人に付されじとて、我臣僕は必ず戰ふならん、然れど今我國は茲のものならず、と。
Jesosy namaly hoe: Ny fanjakako tsy avy amin’ izao tontolo izao; fa raha mba avy amin’ izao tontolo izao ny fanjakako, dia ho niady ny mpanompoko, mba tsy ho voatolotra tamin’ ny Jiosy Aho; nefa ankehitriny tsy avy amin’ izany ny fanjakako.
37 斯てピラトイエズスに向ひ、然らば汝は王なるか、と云ひしにイエズス答へたまいけるは、汝の云へる[が如し、]我は王なり、我之が為に生れ、之が為に世に來れり。即ち眞理に證明を與へん為なり、総て眞理に據れる人は我聲を聴く、と。
Ary hoy Pilato taminy: Mpanjaka va ary Hianao? Jesosy namaly hoe: Voalazanao fa mpanjaka Aho. Izao no nahaterahako, ary izao no nihaviako amin’ izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina. Izay rehetra avy amin’ ny marina dia mihaino ny feoko.
38 ピラトイエズスに謂ひけるは、眞理とは何ぞや、と。斯く云ひて再びユデア人の所に出行き、彼等に云ひけるは、我彼人に何の罪をも見出さず、
Hoy Pilato taminy: Inona no marina? Ary rehefa nanontany izany izy, dia nivoaka nankeo amin’ ny Jiosy indray ka nanao taminy hoe: Tsy hitako izay helony, na dia kely akory aza.
39 但し過越祭に當りて、我汝等に一人を赦すは汝等の慣例なるが、然らばユデア人の王を我より赦されん事を欲するか、と。
Fa misy fanaonareo amin’ ny Paska, handefasako anankiray ho anareo; koa tianareo va raha halefako ho anareo ny Mpanjakan’ ny Jiosy?
40 是に於て彼等復一同に叫びて、其人ならでバラバを、と云へり、バラバは即ち強盗なりき。
Ary ireo niantso indray ka nanao hoe: Tsy Ilehio, fa Barabasy; koanefa jiolahy Barabasy.

< ヨハネの福音書 18 >