< ヨハネの福音書 13 >

1 第一款 過越の晩餐 過越の祭日の前、イエズス己が時、即ち此世より父に移るべき時來れるを知り給ひて、豫ても世に在る己が[弟子]を愛し給ひしが、極まで之を愛し給へり。
Ary talohan’ ny andro firavoravoana tamin’ ny Paska, satria fantatr’ i Jesosy fa tonga ny fotoana hialany amin’ izao tontolo izao ho any amin’ ny Ray, ary efa tia ny Azy izay amin’ izao tontolo izao Izy, dia tia azy hatramin’ ny farany.
2 然て晩餐の終つるに臨み、惡魔既にイエズスを付さん事を、シモンの子イスカリオテのユダの心に入れしかば、
Ary raha mbola teo amin’ ny fisakafoana hariva, ary Jodasy Iskariota, zanak’ i Simona, efa nomen’ ny devoly saina rahateo mba hamadika Azy,
3 イエズス父より萬事を己が手に賜はりたる事と、己が神より出でて神に至る事とを知り給ひ、
sady fantatr’ i Jesosy koa fa ny Ray efa nanolotra ny zavatra rehetra ho eo an-tànany, ary Andriamanitra no nihaviany, sady Andriamanitra koa no hiverenany,
4 晩餐より起上りて上衣を脱ぎ、布片を取りて腰に帯び、
dia nitsangana niala teo am-pihinanana Izy ka nametraka ny lambany ary naka lamba famaohana, ka nisikinany;
5 軈て水を銅盤に盛り、弟子等の足を洗ひて、其帯びたる布片もて之を拭ひ始め給へり。
ary rehefa vita izany, dia nampidina rano tamin’ ny tavy Izy ka nanomboka nanasa ny tongotry ny mpianatra sy namaoka azy tamin’ ny lamba famaohana izay nisikinany.
6 斯てシモン、ペトロに至り給ふや、ペトロ、主よ、我足を洗ひ給ふか、と云ひしに、
Dia nankeo amin’ i Simona Petera Izy; fa hoy Petera taminy: Tompoko, Hianao va hanasa ny tongotro?
7 イエズス答へて、我が為す所汝今は知らざれども、後には之を知るべし、と曰ひければ、
Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izay ataoko dia tsy fantatrao ankehitriny, fa ho fantatrao rahatrizay.
8 ペトロ云ひけるは、我足を洗ひ給ふ事決してあるべからず、と。イエズス我若汝を洗はずば、我と一致する所あらじ、と答へ給ひしかば、 (aiōn g165)
Fa hoy Petera taminy: Sanatria raha hanasa ny tongotro Hianao. Jesosy namaly azy hoe: Raha tsy hosasako ianao, dia tsy manana anjara amiko. (aiōn g165)
9 シモン、ペトロ、主よ、我足のみならず、手をも頭をも、と云ひしが、
Dia hoy Simona Petera taminy: Tompoko, tsy ny tongotro ihany ary, fa ny tanako sy ny lohako koa.
10 イエズス曰ひけるは、既に身を洗ひたる人は全身潔くして、足の外洗ふを要せず、汝等も潔けれど総てには非ず、と。
Fa hoy Jesosy taminy: Izay efa nandro tsy mila hosasana, afa-tsy ny tongotra ihany, fa efa madio avokoa; ary ianareo dia madio, nefa tsy ianareo rehetra.
11 蓋己を付す者の誰なるを知り給ひて、汝等悉く潔きには非ずと曰ひしなり。
Fa fantany ilay efa hamadika Azy; koa izany no nilazany hoe: Tsy madio avokoa ianareo rehetra.
12 然て彼等の足を洗ひ終りて上衣を取り、復席に着きて彼等に曰ひけるは、我が汝等に為しし事の何たるを知るや。
Ary rehefa voasasany ny tongony, dia nandray ny lambany Izy ka nipetraka indray, dia nanao taminy hoe: Fantatrareo va izay nataoko taminareo?
13 汝等は我を師又は主と呼ぶ、其言ふことや宜し、我は其なればなり。
Hianareo manao Ahy hoe Mpampianatra sy Tompo; ary marina ny filazanareo, fa izany tokoa Aho.
14 然るに主たり師たる我にして汝等の足を洗ひたれば、汝等も亦互に足を洗はざるべからず。
Koa raha Izaho, Tompo sy Mpampianatra aza, no nanasa ny tongotrareo, ianareo kosa mba tokony hifanasa tongotra.
15 蓋我汝等に例を示したるは、我が汝等に為しし如く、汝等にも為さしめん為なり。
Fianarana no nomeko anareo, mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo.
16 誠に實に汝等に告ぐ、僕は其主よりも大いならず、使徒は之を遣はしし者よりも大いならず、
Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ny andevo tsy lehibe noho ny tompony, na ny iraka noho ny maniraka azy.
17 汝等是等の事を知りて之を行はば福なるべし。
Raha fantatrareo izany, dia sambatra ianareo, raha manao izany.
18 我は汝等の凡てを指して云ふに非ず、曾て選みたる人々を知れり。然れども聖書に「我と共に麪を食する人我に向ひて其踵を挙げたり」とある事の成就せん為なり。
Tsy milaza anareo rehetra Aho; fa fantatro izay nofidiko; fa mba hahatanteraka ny Soratra Masìna hoe: Izay homana ny mofoko no nanangana ny ombelahin-tongony hamely Ahy.
19 我今事の成るに先ちて汝等に告ぐるは、其成りたらん時、汝等をして我が其なることを信ぜしめん為なり。
Hatramin’ izao dia milaza aminareo Aho, raha tsy mbola tonga izany, mba hinoanareo, rehefa tonga, fa Izaho no Izy.
20 誠に實に汝等に告ぐ、我が遣はす者を承くる人は我を承け、我を承くる人は我を遣はし給ひしものを承くるなり、と。
Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mandray izay hirahiko dia mandray Ahy; ary izay mandray Ahy dia mandray izay naniraka Ahy.
21 イエズス之を曰ひ終りて御心騒ぎ、證明して、誠に實に汝等に告ぐ、汝等の中一人我を付さんとす、と曰ひければ、
Rehefa nilaza izany Jesosy, dia nangorohoro ny fanahiny, ka nanambara hoe Izy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa ny anankiray aminareo no hamadika Ahy.
22 弟子等、誰を指して曰へるぞと訝りて、互に顔を見合せたりしが、
Dia nifampijerijery ny mpianatra ka nieritreritra izay iray nolazainy.
23 イエズスの愛し給へる一人の弟子、御懐の辺りに倚懸り居たるに、
Ary nisy mpianatra anankiray nipetraka nihinana teo anilan’ i Jesosy, dia ilay tian’ i Jesosy.
24 シモン、ペトロ、腮もて示しつつ、曰へるは誰の事ぞ、と云ひければ、
Simona Petera nanatsika azy ka nanao taminy hoe: Lazao izay izy.
25 彼御胸に倚懸りて、主よ誰なるか、と云ひしかば、
Ary raha mbola nipetraka tahaka izany izy, dia niraika ho amin’ ny tratran’ i Jesosy ka nanao taminy hoe: Tompoko, iza moa izany?
26 イエズス答へて曰ひけるは、我が麪を浸して與ふる者即ち其なり、と。斯て麪を浸して、シモンの子イスカリオテのユダに與へ給ひしに、
Dia namaly Jesosy ka nanao hoe: Ilay homeko ny sombin-kanina lemako no izy. Ary rehefa nolemany ny sombin-kanina, dia noraisiny ka nomeny an’ i Jodasy, zanak’ i Simona Iskariota.
27 此一片を取るやサタン彼に入れり。然てイエズス之に向ひて、其為す所を速に為せ、と曰ひしかど、
Ary manaraka izany no nidiran’ i Satana tao aminy, ka hoy Jesosy taminy: Izay ataonao dia ataovy faingana.
28 食卓に就けるものは一人として、何の為に之を曰ひしかを知らず、
Fa tsy nisy tamin’ izay nipetraka nihinana nahalala ny anton’ ny nilazany izany taminy.
29 中にはユダが財嚢を持てるによりて、祭日の為に我等が要する物を買へ、或は貧者に何かを施せ、とイエズスの曰へるならん、と思ふ人々もありき。
Fa nataon’ ny sasany fa satria Jodasy no nitondra ny kitapo, no nilazan’ i Jesosy taminy hoe: Vidio ny zavatra ilaintsika amin’ ny andro firavoravoana, na mba hanome zavatra ho an’ ny malahelo.
30 ユダは彼一片を受くるや直に出行きしが、時は既に夜なりき。
Ary rehefa nandray ny sombin-kanina izy, dia nivoaka niaraka tamin’ izay; ary efa alina ny andro.
31 第二款 食堂に於る談話 ユダが出でし後、イエズス曰ひけるは、今や人の子光榮を得、神も彼に於て光榮を得給へり、
Ary tamin’ izay, nony efa nivoaka izy, dia hoy Jesosy: Ankehitriny dia efa ankalazaina ny Zanak’ olona; ary Andriamanitra no ankalazaina eo aminy.
32 神彼に於て光榮を得給ひたれば、神亦己に於て光榮を彼に得させ、而も直に得させ給ふべし。
Ary Andriamanitra kosa hankalaza Azy amin’ ny tenany; eny, hankalaza Azy miaraka amin’ izay Izy.
33 小子よ、我は尚暫く汝等と共に在り、汝等将に我を尋ぬべけれども、曾てユデア人に向ひて、我が往く處には汝等來る能はずと言ひし如く、今は汝等にも亦然言ふ。
Anaka, vetivety foana no sisa hitoerako eto aminareo. Hitady Ahy ianareo, ary araka ny voalazako tamin’ ny Jiosy hoe: Izay alehako tsy azonareo haleha, dia toy izany koa no lazaiko aminareo ankehitriny.
34 我は新しき掟を汝等に與ふ、即ち汝等相愛すべし、我が汝等を愛せし如く、汝等も相愛すべし、
Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny fitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa.
35 汝等相愛せば、人皆之によりて汝等の我弟子たる事を認めん、と。
Izany no hahafantaran’ ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia.
36 シモン、ペトロ、主よ、何處に往き給ふぞ、と云ひしにイエズス答へ給ひけるは、我が往く處に汝今は從ふ能はず、後に從はん、と。
Hoy Simona Petera taminy: Tompoko, hankaiza moa Hianao? Jesosy namaly hoe: Izay alehako, dia tsy azonao anarahana Ahy ankehitriny fa hanaraka Ahy ihany ianao rahatrizay.
37 ペトロ又、我今は汝に從ふ能はざるは何ぞや、我は汝の為に生命をも棄てんとす、と云ひしかば、
Hoy Petera taminy: Tompoko, nahoana no tsy mahazo manaraka Anao ankehitriny aho? Na ny aiko aza dia hafoiko noho ny aminao.
38 イエズス之に答へ給ひけるは、汝は我が為に生命をも棄てんとするか、誠に實に汝に告ぐ、汝が三度我を否む迄は鶏鳴はざるべし。
Jesosy namaly hoe: Ny ainao va no hafoinao noho ny amiko? Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Tsy mbola hisy akoho haneno mandra-pandànao Ahy intelo.

< ヨハネの福音書 13 >