< ヨハネの福音書 12 >

1 第二款 イエズスの聖役終らんとす 過越祭の六日前、イエズスベタニアに至り給ひしに、是ラザルの死したりしを復活せしめ給ひし處なれば、
Ary rehefa henemana no sisa tsy tonga ny Paska, Jesosy dia tonga tao Betania, izay nitoeran’ i Lazarosy, ilay natsangany tamin’ ny maty.
2 或人々イエズスの為に晩餐を設け、マルタ給仕しけるが、ラザルはイエズスと共に食卓に就ける者の一人なりき。
Dia nanao fanasana ho an’ i Jesosy tao izy; ary Marta no nanompo; fa Lazarosy no anankiray tamin’ izay niara-nipetraka nihinana taminy.
3 然るにマリアは價高き純粋のナルドの香油一斤を取りてイエズスの御足に注ぎ、御足を己が髪毛もて拭ひしかば、香油の薫家に満てり。
Ary Maria, rehefa naka menaka manitra nisy narda sady tsara no saro-bidy, lanjan’ iray livatra, dia nanosotra ny tongotr’ i Jesosy sy namaoka ny tongony tamin’ ny volondohany; ary feno ny hanitry ny menaka ny trano.
4 其時弟子の一人、イエズスを売るべきイスカリオテのユダ、
Ary hoy Jodasy Iskariota, anankiray tamin’ ny mpianany, ilay efa hamadika Azy:
5 何故に此香油を三百デナリオに売りて貧者に施さざりしぞ、と云へり。
Nahoana io menaka io no tsy namidy denaria telon-jato ka nomena ny malahelo?
6 但し斯く云ひしは貧者を慮れる故に非ず、己盗人にして、財嚢を預り、中に入れらるる物を取れる故なり。
Ary izy no nilaza izany, tsy noho ny fiahiany ny malahelo, fa satria mpangalatra izy sady nitondra ny kitapo ka naka izay tao anatiny.
7 然るにイエズス曰ひけるは、此女を措け、我葬の日の為に此香油を貯へたるなり、
Dia hoy Jesosy: Avelao izy, mba hotehiriziny ho amin’ ny andro hanamboarany Ahy halevina io.
8 其は貧者は恒に汝等と共に居れども、我は恒に居らざればなり、と。
Fa ny malahelo dia etỳ aminareo mandrakariva; fa Izaho tsy mba ho etỳ aminareo mandrakariva.
9 斯てユデア人の大群衆、イエズスの此處に居給ふを知り、獨りイエズスの為のみならず、死者の中より復活せしめ給ひしラザルを見んとて來りしが、
Ary ny vahoaka betsaka tamin’ ny Jiosy nahalala fa teo Izy, dia tonga teo, nefa tsy noho Jesosy ihany, fa mba hahita an’ i Lazarosy koa, ilay natsangany tamin’ ny maty.
10 司祭長等はラザルをも殺さんと思へり、
Fa nihendry hahafaty an’ i Lazarosy koa ny lohan’ ny mpisorona,
11 是は彼の為に、去りてイエズスを信仰する者、ユデア人の中に多ければなり。
satria izy no nialan’ ny maro tamin’ ny Jiosy ka ninoany an’ i Jesosy.
12 翌日、祭日の為に來りし夥しき群衆、イエズスエルザレムに來り給ふ由を聞きて、
Ary nony ampitson’ iny ny vahoaka betsaka, izay tonga ho amin’ ny andro firavoravoana, rehefa nahare fa hankany Jerosalema Jesosy,
13 梭櫚の葉を執りて出迎へ、ホザンナ、主の御名によりて來るイスラエルの王祝せられ給へかし、と呼はり居りしが、
dia naka sampan-drofia ka nivoaka hitsena Azy sady niantso hoe: Hosana! Isaorana anie ny Mpanjakan’ ny Isiraely, Ilay avy amin’ ny anaran’ i Jehovah.
14 イエズスは小驢馬を得て之に乗り給へり、録して
Ary Jesosy nahita zana-boriky anankiray, dia nitaingina azy, araka ny voasoratra hoe:
15 シオンの女よ、懼るること勿れ、看よ、汝の王は牝驢馬の子に乗りて來る」とあるが如し。
Aza matahotra, ry Ziona zanakavavy; indro, avy ny Mpanjakanao mitaingina zana-boriky.
16 弟子等初は此等の事を暁らざりしが、光榮を得給ひて後、其イエズスに就きて録されたりし事と自ら御為に為し事とを思出せり。
Izany zavatra izany dia tsy fantatry ny mpianany tamin’ ny voalohany; fa rehefa niditra tamin’ ny voninahiny Jesosy, dia vao nahatsiaro izy fa voasoratra hilaza Azy izany zavatra izany, ary efa nataony taminy izany.
17 然てイエズスがラザルを墓より呼出して、死者の中より復活せしめ給ひし時彼と共に居合せたり夥しき人々證明し、
Ary nanambara Azy ny vahoaka izay teny aminy, fony Izy niantso an’ i Lazarosy hivoaka tamin’ ny fasana ka nanangana azy tamin’ ny maty.
18 群衆も亦、イエズスが此奇蹟を為し給ひしを聞きて出迎へしかば、
Ary izany koa no nitsenan’ ny vahoaka Azy, satria efa reny fa nanao izany famantarana izany Izy.
19 ファリザイ人語合ひけるは、汝等何の効験もなきを見ずや、世既に挙りて彼に從へり、と。
Ary tamin’ izany ny Fariseo dia nifampilaza hoe: Hitanareo fa tsy mahefa na inona na inona akory ianareo; indro, efa lasa manaraka Azy avokoa izao tontolo izao.
20 然るに祭日に禮拝せんとて上りたる人々の中に異邦人もありしが、
Ary nisy Grika sasany tamin’ izay niakatra hivavaka tamin’ ny andro firavoravoana,
21 此人々ガリレアのベッサイダ生れなるフィリッポに近づき、之に乞ひて、君よ、我等はイエズスに謁えん事を欲す、と云ひしかば、
ary izy ireo nankany amin’ i Filipo avy any Betsaida any Galilia, dia nangataka taminy ka nanao hoe: Tompoko, mba ta-hahita an’ i Jesosy izahay.
22 フィリッポ來りてアンデレアに告げ、アンデレアとフィリッポと又イエズスに告げしに、
Dia lasa Filipo nilaza tamin’ i Andrea; ary Andrea sy Filipo lasa nilaza tamin’ i Jesosy.
23 イエズス答へて曰ひけるは、人の子が光榮を得べき時來れり。
Ary Jesosy namaly azy hoe: Tonga ny fotoana hankalazana ny Zanak’ olona.
24 誠に實に汝等に告ぐ、麦の粒地に墮ちて、若死せざれば、
Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha tsy latsaka ao amin’ ny tany ny voambary ka maty, dia mitoetra foana izy; fa raha maty kosa izy, dia hahavokatra be.
25 唯一にして止るも、若死すれば多くの實を結ぶ。己が生命を愛する人は之を失ひ、此世にて生命を憎む人は、之を保ちて永遠の生命に至るべし、 (aiōnios g166)
Izay tia ny ainy no mahavery izany; fa izay mankahala ny ainy amin’ izao fiainana izao no hiaro izany ho amin’ ny fiainana mandrakizay. (aiōnios g166)
26 人若我に事へば我に從ふべし、而して我が居る處には、我に事ふる人も亦居るべし、人若我に事へば、我父之に榮誉を賜はん。
Raha misy olona manompo Ahy, dia aoka izy hanaraka Ahy, ary izay itoerako, dia ao koa no hitoeran’ ny mpanompoko; raha misy olona manompo Ahy, dia hankalaza azy ny Ray.
27 今や我心騒げり、我何をか云はん、父よ、我を救ひて此時を免れしめ給へ、然りながら、我は之が為にこそ此時に至れるなれ、
Ankehitriny mangorohoro ny fanahiko; ary ahoana no holazaiko: Ray ô, vonjeo Aho ho afaka amin’ ity ora ity? nefa izao no nihaviako ho amin’ ity ora ity;
28 父よ、御名に光榮あらしめ給へ、と。其時聲天より來りて曰く、我既に光榮あらしめたり、更に光榮あらしめん、と。
Ray ô, mankalazà ny anaranao. Dia nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Efa nankalaza azy Aho, ary hankalaza azy indray.
29 是に於て立ちて之を聞きたる群衆は、雷鳴れりと云ひ、或人々は、天使彼に言ひたるなり、と云へり。
Ary ny vahoaka izay nitsangana teo ka nahare dia nanao hoe: Kotrokorana izany. Hoy ny sasany: Anjely no niteny taminy.
30 イエズス答へて曰ひけるは、此聲の來りしは我が為に非ずして汝等の為なり。
Jesosy namaly ka nanao hoe: Tsy noho Izaho no nahatongavan’ izany feo izany, fa noho ianareo.
31 今は世の審判なり、此世の長、今逐出されんとす、
Tonga ankehitriny ny fitsarana izao tontolo izao; ankehitriny ny andrianan’ izao tontolo izao no horoahina.
32 我地より上げられたらん時は、萬民を我に引寄せん、と。
Ary Izaho, raha asandratra hiala amin’ ny tany, dia hitaona ny olona rehetra hanatona Ahy.
33 斯く曰へるは、如何なる死状を以て死すべきかを示し給はんとてなるに、
Izany no nolazainy hanambara izay fahafatesana efa hiaretany.
34 群衆之に答へけるは、キリストは永遠に存すとこそ、我等は律法より聞けるものを、汝何ぞ人の子上げられるべしと云ふや、人の子とは是誰なるぞ、と。 (aiōn g165)
Dia namaly Azy ny vahoaka ka nanao hoe: Efa renay tamin’ ny lalàna fa Kristy haharitra mandrakizay; koa ahoana no ilazanao hoe: Tsy maintsy hasandratra ny Zanak’ olona? Iza moa izany Zanak’ olona izany? (aiōn g165)
35 イエズス即ち彼等に曰ひけるは、光は尚暫く汝等の中に在り、汝等光を有する間に歩みて、闇に追付かるな。闇に歩む人は行先を知らず、
Dia hoy Jesosy taminy: Mbola kely ihany no hitoeran’ ny mazava aminareo. Mandehana, raha mbola manana ny mazava ianareo, mba tsy hahatratra anareo ny maizina; fa izay mandeha amin’ ny maizina dia tsy mahalala izay alehany.
36 汝等光を有する間に、光の子と成らん為に光を信ぜよ、と。斯く曰ひて後、イエズス去りて身を彼等より匿し給へり。
Raha mbola manana ny mazava ianareo, dia minoa ny mazava, mba ho tonga zanaky ny mazava. Rehefa nilaza izany Jesosy, dia niala Izy ka niery azy.
37 斯ばかり夥しき奇蹟を彼等の前に為し給ひたれど、彼等尚イエズスを信ぜざりき。
Nefa na dia efa nanao izany famantarana betsaka izany teo anatrehany aza Izy, dia tsy mba nino Azy ireo,
38 是預言者イザヤの言の成就せん為なり、曰く「主よ、誰か我等に聴きて信じたるぞ、主の御腕は誰に顕れたるぞ」と。
mba hahatanteraka ny teny nataon’ Isaia mpaminany hoe: Tompoko, iza no nino ny teny nampitondraina anay? Ary iza no nampisehoana ny sandrin’ i Jehovah?
39 彼等の信じ得ざりしはイザヤの又云ひし事によれり、
Izany no tsy nahaizany nino, satria hoy koa Isaia:
40 曰く「彼等目にて見ず、心にて暁らず、翻りて我に醫されざらん為に、神彼等の目を矇まし、彼等の心を頑固にし給へり」と。
Efa nanajamba ny masony sy nanamafy ny fony Izy, Mba tsy hahita ny masony, na hahalala ny fony, Dia tsy hibebaka izy, Ka tsy hahasitrana azy Aho.
41 イザヤが斯く云ひしは、彼の光榮を見て、彼に就きて語りし時なり。
Izany teny izany no nolazain’ Isaia, satria nahita ny voninahiny izy ka nilaza Azy.
42 然れども、重立ちたる人々の中にも、イエズスを信仰せる者多かりしが、ファリザイ人を憚り、會堂より遂出されじとて、之を公言せざりき。
Kanefa maro tamin’ ny mpanapaka aza no nino Azy; nefa noho ny Fariseo dia tsy nanaiky ireo, fandrao havoaka hiala amin’ ny synagoga.
43 即ち彼等は神の光榮よりも人の光榮を好みしなり。
Fa tia ny voninahitra avy amin’ ny olona izy ireo, fa tsy ny voninahitra avy amin’ Andriamanitra.
44 イエズス呼はりて曰ひけるは、我を信ずる人は、我を信ずるに非ずして、我を遣はし給ひし者を信ずるなり。
Ary Jesosy niantso ka nanao hoe: Izay mino Ahy, dia tsy Izaho no inoany, fa Izay naniraka Ahy.
45 又我を見る人は、我を遣はし給ひし者を見るなり。
Ary izay mahita Ahy dia mahita Izay naniraka Ahy.
46 我は光として世に來れり、是総て我を信ずる人が暗に止らざらん為なり。
Izaho tonga amin’ izao tontolo izao ho fahazavana, mba tsy hitoetra ao amin’ ny maizina izay rehetra mino Ahy.
47 人若我言を聴きて守らざれば、我は之を審かず、我が來りしは世を審かん為に非ずして、世を救はん為なればなり。
Ary raha misy mandre ny teniko ka tsy mitandrina, Izaho tsy mitsara azy; fa tsy tonga hitsara izao tontolo izao Aho, fa hamonjy izao tontolo izao.
48 我を軽んじて我言を受けざる人には、之を審く者あり、即ち我が語りし言其物、終の日に於て之を審くべし。
Izay manda Ahy ka tsy mandray ny teniko, dia manana izay mitsara azy: ny teny izay nolazaiko, izany ihany no hitsara azy amin’ ny andro farany,
49 蓋我は己より語りしに非ず、我を遣はし給ひし父自ら、我が言ふべき事語るべき事を我に命じ給ひしなり、
satria Izaho tsy niteny ho Ahy, fa ny Ray Izay naniraka Ahy, Izy no nandidy Ahy izay holazaiko sy izay hotoriko.
50 我は其命令が永遠の生命たる事を知る、然れば我が語るは、父の我に曰ひし儘に之を語るなり、と。 (aiōnios g166)
Ary fantatro fa fiainana mandrakizay ny didiny; koa izay lazaiko dia lazaiko araka izay nolazain’ ny Ray tamiko. (aiōnios g166)

< ヨハネの福音書 12 >