< ヘブル人への手紙 10 >

1 抑律法は、将來の恵の影のみを有して、事物の眞の像を有せざるが故に、毎年絶えず同じ犠牲を献げて、祭壇に近づく人々を完全ならしむる事は、決して能はざるなり。
Fa ny lalàna, izay misy aloky ny zava-tsoa ho avy, fa tsy ny tena endrik’ izany zavatra izany, dia tsy mba mahatanteraka ny olona manatona amin’ izay fanatitra ateriny mandrakariva isan-taona.
2 然らずんば、祭る人々一旦潔められては、復罪の意識なかるべければ、祭を献ぐる事止むべかりしなり。
Raha izany, dia tsy ho nitsahatra va ny nanaterany ireo, satria rehefa nodiovina indray mandeha ny mpivavaka, dia tsy ho nasian’ ny fieritreretany ny ota intsony izy?
3 然れど彼祭に於て年々罪を紀念するは、
Fa amin’ ireo dia misy fahatsiarovana ny ota isan-taona.
4 牡牛と牡山羊との血を以てしては罪を除く事能はざるが故なり。
Fa tsy mahaisotra ny ota ny ran’ ombilahy sy ny ran’ osilahy.
5 然ればキリスト世に入り給ひし時曰ひけるは、「主よ、犠牲と献物とを否みて肉體を我に備へ給へり、
Koa nony niditra tamin’ izao fiainana izao Izy, dia nanao hoe: "Ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hohanina tsy mba nilainao, Fa tena no namboarinao ho Ahy;
6 燔祭と罪祭とは御心に適はざりしを以て、
Ny fanatitra odorana sy ny fanatitra noho ny ota tsy sitrakao;
7 我言へらく、看給へ、巻物の初に我に就きて録したれば、神よ、我は御旨を行はん為に來れり」、と。
Dia hoy Izaho: Inty Aho tonga ― Ao amin’ ny horonam-boky no nanoratana Ahy ― Hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô".
8 然て初には、「主よ、犠牲と献物と燔祭と罪祭とを否み給ひて、律法に從ひて献げらるるものは御意に適はざりき」、と曰ひて、
Rehefa nolazainy teo hoe: “Ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra odorana ary ny fanatitra noho ny ota” (dia ireny aterina araka ny lalàna) “no tsy ilainao ary tsy sitrakao”,
9 後には「神よ、看給へ、我は御旨を行はん為に來れり」、と曰へば、是初の事を廃して其次の事を立て給ふなり、
dia hoy indray Izy: “Inty Aho tonga hanao ny sitraponao.” Manaisotra ny voalohany Izy mba hampitoerany ny faharoa.
10 此御旨の故にこそ、イエズス、キリストの御體が一度献げられしに由りて、我等は聖と為られしなれ。
Amin’ izany sitrapo izany no nanamasinana antsika tamin’ ny nanaterana ny tenan’ i Jesosy Kristy indray mandeha.
11 然て司祭は、総て日々に立ちて聖役を行ひ、何時も罪を除く能はざる同じ犠牲を献ぐれども、
Ary ny mpisorona rehetra dia mitsangana isan’ andro manao fanompoam-pivavahana sy manatitra ireny fanatitra ireny ihany matetika izay tsy mahaisotra ny ota;
12 此大司祭は罪の為に一の犠牲を献げ給て、限なく神の御右に坐し、
fa Izy kosa, rehefa nanao fanatitra iray monja ho mandrakizay noho ny ota, dia efa mipetraka eo an-tanana ankavanan’ Andriamanitra,
13 斯て敵の己が足台と為られん事を待ち給ふなり。
ka hatramin’ izao dia miandry Izy mandra-panaony ny fahavalony ho fitoeran-tongony.
14 其は聖と為られたる人々を、一の献物を以て限なく全うし給ひたればなり、
Fa ny fanatitra iray ihany no efa nahatanterahany ho mandrakizay izay olona hamasinina.
15 聖霊も亦之を我等に證し給ふ。蓋前には、
Ary ny Fanahy Masìna koa manambara izany amintsika; fa rehefa voalazany hoe:
16 「主曰はく、彼日の後我が立てんとする約は斯なり、我律法を彼等の心に與へ、之を其精神に録さん」、と曰ひて後、
“Izao no fanekena hataoko aminy, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Hataoko ao am-pony ny lalàko, Sady hosoratako ao an-tsainy,”
17 「我最早彼等の罪と不義とを記憶せざるべし」、と曰ひしなり。
dia hoy koa Izy: “Ny fahotany sy ny helony tsy hotsarovako intsony”.
18 是等の赦ありたる上は、罪の為の献物は絶えて之ある事なし。
Ary rehefa misy famelana ireo, dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony.
19 第一款 信仰を保ちて棄教の念に遠ざかるべし 第二編 道義的勧告 第一項 一般に渉る勧告 然れば兄弟等よ、我等はイエズスの御血により、
Koa amin’ izany, ry rahalahy, satria manana fahatokiana hiditra ao amin’ ny fitoerana masìna isika noho ny ran’ i Jesosy,
20 イエズスの己が肉なる幔を経て我等に開き給ひし、新にして活ける道より聖所に入るべき事を確信し、
amin’ izay lalana natokany ho antsika, dia lalana vaovao sady velona, namaky teo amin’ ny efitra lamba, dia ny nofony,
21 且神の家を司る大司祭を有する者なれば、
sady manana Mpisorona lehibe mitandrina ny tranon’ Andriamanitra,
22 心を惡き料簡より濯がれ、身を清き水に洗はれて、眞心と完全なる信仰とを以て之に近づき奉り、
dia aoka isika hanatona amin’ ny fo marina sy amin’ ny fahatokiana be avy amin’ ny finoana, manana fo voadio ho afaka amin’ ny fieritreretana ratsy sy tena voasasa tamin’ ny rano madio;
23 確乎として我等が希望の宣言を保つべし、約し給ひし者は眞實にて在せばなり。
aoka hohazonintsika mafy ny fanekena ny fanantenana mba tsy hihozongozonany (fa mahatoky Ilay efa nanao ny teny fikasana);
24 又互に顧みて親愛と善業とを相励まし、
ary aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara;
25 或人々の為馴れたるが如くに集を缺く事なく、寧相勧めて、日の近づくを見るに随ひて愈励むべきなり。
aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon’ ny sasany, fa mifananara kosa, mainka satria hitanareo fa mihantomotra ny andro.
26 蓋我等既に眞理の知識を受けたる後、故に罪を犯さば、殘る所は最早罪を贖ふ犠牲に非ずして、
Fa raha minia manota isika rehefa nahazo ny fahalalana tsara ny marina, dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony,
27 唯懼る懼る審判を待つ事と、敵對する者を焼盡すべき火の烈しさとのみ。
fa fiandrasana mahatahotra amin’ ny fitsarana ary fahatezerana mirehitra izay handany ny fahavalo rehetra kosa.
28 モイゼの律法を破りたる人すら、二三人の證言によりて容赦なく死するなれば、
Izay manohitra ny lalàn’ i Mosesy dia maty amin’ ny tenin’ ny vavolombelona roa na telo ka tsy asiana famindram-po;
29 况て神の御子を蹂躪け、己が由りて以て聖と為られし約の血を蔑視し、恩寵を賜ふ聖霊に侮辱を加へたる人の受くべき刑罰の厳しさの、如何許なるかを思へ。
manao ahoana kosa ary no hamafin’ ny fampijaliana ataonareo tokony hihatra amin’ izay nanitsaka ny Zanak’ Andriamanitra ka nanao ny ran’ ny fanekena izay nanamasinana azy ho zavatra tsy masìna sady naniratsira ny Fanahin’ ny fahasoavana?
30 「復讐は我事なり、我報ゆべし」と曰ひ、又「主は其民を審判すべし」と曰ひし者の誰なるかは我等の知れる所なり。
Fa fantatsika Izay nanao hoe: “Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly;” ary koa: “Jehovah hitsara ny olony”.
31 恐るべき哉、活き給へる神の御手に罹る事。
Zavatra mahatahotra ny ho azon’ ny tànan’ Andriamanitra velona.
32 汝等曩に照らされつつ、苦の大いなる戰を忍びたりし日を追想せよ。
Fa tsarovy ny andro fahiny izay naharetanareo ny ady mafy tamin’ ny fahoriana, rehefa nohazavaina ianareo;
33 即ち或は侮辱と患難とを以て人の観物と為られ、或は斯る事に遇へる人々の侶と成りたりき。
indraindray raha natao ho fizaha noho ny fanaratsiana sy ny fampahoriana ianareo, ary indraindray koa raha tonga naman’ izay azon’ izany.
34 蓋囚人の上をも思遣り、又己が立勝りたる永存の寳を有せるを知りて、我財産を奪はるるをも喜びて忍びたるなり。
Fa sady niara-niaritra tamin’ izay nifatotra ianareo no nifaly raha norobaina ny fanananareo, satria fantatrareo fa ianareo dia manana fananana tsara lavitra sady maharitra.
35 然れば大いなる報を得べき汝等の希望を失ふ勿れ。
Koa aza manary ny fahasahianareo izay misy valiny lehibe.
36 即ち神の御旨を行ひて約束のものを得ん為に、汝等に必要なるは忍耐なり。
Fa tokony hanana faharetana ianareo raha hahazoanareo izay lazain’ ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon’ Andriamanitra.
37 蓋來らんとする者は軈て來り給ふべく、延引し給ふ事あらじ。
Fa “rehefa afaka kelikely, Dia ho tonga Ilay ho avy, fa tsy hitaredretra”
38 我義人は信仰によりて活く、若自ら退かば我心に適はざるべし。
Ary “ny oloko marina dia ho velon’ ny finoana;” Fa raha mihemotra izy, dia tsy sitraky ny fanahiko.
39 我等は亡に至らんとして退く者に非ず、魂を得んとして信仰する者なり。
Fa isika tsy mba naman’ izay mihemotra ho amin’ ny fahaverezana, fa naman’ izay mino ho amin’ ny famonjena ny fanahy.

< ヘブル人への手紙 10 >