< ガラテヤ人への手紙 4 >

1 第三項 律法の下には奴隷なれども、信仰によりては自由の身なり 然て我は言はん、世嗣は家督の主なりと雖も、小兒の間は奴隷と異なる事なく、
Ary hoy izaho: Raha mbola zaza ny mpandova, dia tsy hafa noho ny andevo izy, na dia tompon’ ny zavatra rehetra aza;
2 父の定めたる時までは、後見人及び治産者の下に在り。
fa fehezin’ izay mpitondra sy mpitaiza azy izy mandra-pahatongan’ ny fetr’ andro voatendrin’ ny rainy.
3 斯の如く、我等も小兒の中は世の小學の下に事へつつありき。
Dia tahaka izany koa isika, fony mbola zaza, dia nandevozin’ ny abidim-pianaran’ izao tontolo izao;
4 然れど満期の時至りて、神は御子を女より生りたるもの、律法の下に生りたるものとして遣はし給へり。
fa rehefa tonga ny fotoan’ andro, dia nirahin’ Andriamanitra ny Zanany, nateraky ny vehivavy, nateraka tao ambanin’ ny lalàna,
5 是律法の下に在りし人々を贖ひ、我等をして子とせらるることを得しめ給はん為なり。
hanavotany izay ambanin’ ny lalàna, mba handraisantsika ny fananganan’ anaka.
6 斯て汝等が子たるによりて、神は、アバ、父よ、と叫び給へる御子の霊を、汝等の心に遣はし給へり。
Ary satria zanaka ianareo, dia nirahin’ Andriamanitra ho ato am-pontsika ny Fanahin’ ny Zanany, miantso hoe: Aba, Ray ô.
7 然れば最早奴隷に非ずして子たるなり、子たる上は又神によりて世嗣たるなり。
Ka dia tsy mpanompo intsony ianao, fa zanaka: ary raha zanaka, dia mpandova koa noho ny ataon’ Andriamanitra.
8 彼時には汝等神を知らず、生來神たらざるものに事へて奴隷たりき。
Kanefa tamin’ izany, fony mbola tsy nahalala an’ Andriamanitra ianareo, dia nanompo izay andriamani-tsi-izy;
9 然れど今は既に神を識り、而も亦神に識られたるに、如何ぞ再び弱く乏しき小學に返りて、更に之に事へんとはする。
fa ankehitriny, rehefa mahalala an’ Andriamanitra ianareo ― nefa tsy izany, fa Izy no mahalala anareo ― nahoana ianareo no dia miverina indray ho amin’ ny abidim-pianarana malemy sady tsy misy na inona na inona, nefa tianareo hotompoina indray?
10 汝等は日と月と季節と年とを守る。
Andro sy volana sy fotoana ary taona no tandremanareo fatratra.
11 我汝等の為に氣遣ひ、或は汝等の中に働きし事の無益とならんことを恐る。
Matahotra ny aminareo aho, fandrao dia nisasatra foana taminareo.
12 兄弟等よ、我も汝等の如くに成れば、希はくは汝等我が如くに成れ。汝等は曾て我を害せし事なし、
Ry rahalahy, mangataka aminareo aho, aoka ho tonga tahaka ahy ianareo, fa izaho kosa mba efa tonga tahaka anareo. Tsy naninona ahy akory ianareo;
13 却て知れる如く、我が初め福音を汝等に述べし時、身體の虚弱を以てし、其身體汝等の試となれるを、
nefa fantatrareo fa noho ny fahalemen’ ny nofo no nitoriako ny filazantsara taminareo tamin’ ilay voalohany;
14 卑しむ事なく嫌ふ事もなくして、我を神の使の如く、キリスト、イエズスの如くにさへ承けたりき。
ary ny teo amin’ ny nofoko izay tonga fakam-panahy anareo dia tsy mba nohamavoinareo na nolavinareo; fa nandray ahy tahaka ny mandray anjelin’ Andriamanitra ianareo, eny, dia tahaka an’ i Kristy Jesosy aza.
15 汝等の主張せし福何處にかある、我汝等の為に證明す、為し得べくんば汝等己が目をも抉りて我に與へしならん。
Aiza ary ilay nataonareo ho fahasambarana? Fa vavolombelonareo aho fa raha azo atao, na dia ny masonareo aza dia ho nesorinareo ka nomenareo ahy.
16 然れば我汝等に眞を語りて汝等の敵となりたるか、
Koa efa tonga fahavalonareo va aho, satria milaza ny marina aminareo?
17 彼人々は汝等の為に盡力すれども、是好意に非ず、己が為に盡力せしめんとて、汝等をして離れしめんと欲せるなり。
Mazoto mila fitia aminareo izy ireo, nefa tsy araka ny mety; fa izy ta-hanidy anareo any ivelany, mba hampahazoto anareo hila fitia aminy kosa.
18 絶えず善事に就きて盡力せらるるは宜きことながら、我が汝等の中に在る時のみにては足らざるなり。
Fa tsara raha ilam-pitia amin’ ny tsara mandrakariva, na dia sendra tsy eo aminareo aza aho.
19 我が小子よ、汝等の中にキリストの形造られ給ふ迄は、我汝等の為に陣痛に遇へり。
Anaka, izay aharariako indray amin’ ny fiterahana mandra-paharin’ i Kristy ao anatinareo,
20 望むらくは汝等の中に在りて聲音を變へん事を、其は汝等に就きて當惑すればなり。
enga anie ka ho tonga eo aminareo aho ankehitriny ka hanova ny feoko; fa misalasala aho ny aminareo.
21 律法の下に在らんと欲する者よ、我に語れ、汝等律法を聞きし事なきか、
Milazà amiko, ianareo izay te-ho ambanin’ ny lalàna: tsy renareo va ny lalàna?
22 蓋録して、アブラハムに二人の子ありしに、一人は奴隷の婦よりし、一人は自由の身なる婦よりせり、とあり。
fa voasoratra hoe: Abrahama nanana zanaka roa lahy, ny anankiray tamin’ ny andevovavy, ary ny anankiray tamin’ ny tsy andevo.
23 奴隷の婦の子は肉に從ひて生れしに、自由の身なる婦の子は約束によりて生れたり。
Kanefa ilay tamin’ ny andevovavy dia nateraka araka ny nofo; fa ilay tamin’ ny tsy andevo kosa dia nateraka tamin’ ny teny fikasana.
24 是等の事の言はれしは前表にして、彼婦は兩約を斥す、一はシナイ山よりして子を奴隷に生む、之即ちアガルなり。
Ary izany dia azo atao fanoharana; fa izy roa vavy ireo dia fanekena roa; ny anankiray avy tamin’ ny tendrombohitra Sinay ka miteraka ho amin’ ny fahandevozana, dia Hagara izany.
25 蓋シナイ山はアラビアに在りて、今のエルザレムに當り、其子等と共に奴隷なり。
Ary ny hoe Hagara dia ny tendrombohitra Sinay any Arabia ka mifamaly amin’ i Jerosalema ankehitriny; fa andevo izy mbamin’ ny zanany.
26 然れど上なるエルザレムは自由の身にして、之ぞ我等の母なる。
Fa Jerosalema any ambony kosa, izay renintsika, dia tsy mba andevo.
27 蓋録して、「石女にして生まざる者よ、喜べ、産せざる者よ、聲を揚げて呼はれ、其は獨り殘されたる婦は、夫ある者よりも子多ければなり」、とあり。
Fa voasoratra hoe: Mifalia, ramomba, izay tsy miteraka; Miantsoa sy minanananà, ianao izay tsy mbola mihetsi-jaza; Fa ny zanaky ny mpitondratena dia maro noho ny an’ ny manana-bady.
28 兄弟等よ、我等はイザアクの如く約束の子なり、
Fa isika, ry rahalahy, dia zanaky ny teny fikasana tahaka an’ isaka.
29 然て彼時肉によりて生れたりし者が、霊によれる者を迫害したりし如く、今も尚然るなり。
Kanefa tahaka ny tamin’ izany andro izany, ilay teraka araka ny nofo dia nanenjika ilay araka ny Fanahy, dia tahaka izany koa ankehitriny.
30 然れど聖書は何とか言へる、「奴隷の婦と其子とを遂払へ、其は奴隷の婦の子は自由の身なる婦の子と共に世嗣たるべからざればなり」、とあり。
Nefa ahoana no lazain’ ny Soratra Masìna? Roahy io andevovavy io sy ny zananilahy; fa ny zanaky ny andevo tsy hiray lova amin’ ny zanaky ny tsy andevo.
31 然れば兄弟等よ、我等は奴隷の婦の子に非ず、自由の身なる婦の子なり、キリストの我等を贖ひ給へるは自由の為なり。
Ary amin’ izany, ry rahalahy, tsy zanak’ andevovavy isika, fa zanaky ny tsy andevo.

< ガラテヤ人への手紙 4 >