< ガラテヤ人への手紙 3 >

1 第一項 律法にて詛はれ、信仰にて祝福を得。 愚かなる哉ガラチア人よ、十字架に釘けられ給ひしイエズス、キリスト、汝等の目前に書かれ給ひたるに、誰か汝等を蕩して眞理に背かしめしぞ、
Ry Galatiana adala, iza no nanimba anareo; kanefa teo imasonareo indrindra no nanehoana marimarina an’ i Jesosy Kristy voahombo tamin’ ny hazo fijaliana?
2 我は唯此事を聞かんと欲す、汝等が聖霊を蒙りしは律法の業によるか、信仰に從ひしによるか。
Izao ihany no tiako holazainareo amiko: Moa ny asan’ ny lalàna va no nandraisanareo ny Fanahy, sa ny fitoriana ny finoana?
3 汝等聖霊を以て始りしものを、今は肉を以て終る迄に愚なるか。
Adala toy izany va ianareo? Rehefa nanomboka tamin’ ny Fanahy ianareo, dia hahatanteraka amin’ ny nofo va ankehitriny?
4 夥しく苦しみしは無益とならんか、否無益に非ざれかし。
Moa izany zavatra be izany dia efa niaretanareo foana, raha dia foana tokoa izany?
5 然れば汝等に[聖]霊を賜ひて、汝等の中に奇蹟を行ひ給へる者の斯く為し給ふは律法の業によるか、信仰に從ひしによるか、
Ary Izay manome anareo ny Fanahy sy mahavita asa lehibe eo aminareo, moa avy amin’ ny asan’ ny lalàna va izany, sa avy amin’ ny fitoriana ny finoana?
6 録して、「アブラハム神を信ぜり、而して此事義として之に歸せられたり」とあるが如し。
Dia tahaka an’ i Abrahama nino an’ Andriamanitra, ka dia nasaina ho fahamarinany izany.
7 故に信仰に由る人々は、是アブラハムの子等なりと知れ。
Koa fantaro fa izay amin’ ny finoana no zanak’ i Abrahama.
8 斯て聖書は、神が信仰に由りて異邦人を義とし給ふ事を豫め知りて、曾てアブラハムに福音を告げて曰く、「萬民汝に於て祝せられん」と。
Ary satria hitan’ ny Soratra Masìna rahateo fa amin’ ny finoana no anamarinan’ Andriamanitra ny jentilisa, dia nitory ny filazantsara tamin’ i Abrahama rahateo izy, nanao hoe: Aminao no hitahiana ny firenena rehetra;
9 然れば信仰に由る人々は、忠實なるアブラハムと共に祝せらるべきなり。
ka dia izay amin’ ny finoana notahina mbamin’ i Abrahama mpino.
10 凡律法の業に由る人々は詛の下に在り、其は録して、「総て律法の書に録されたる事を悉く守らんとして、之に止らざる人は詛はるべし」、とあればなり。
Fa izay rehetra amin’ ny asan’ ny lalàna dia eo ambanin’ ny fanozonana; fa voasoratra hoe: Voaozona izay rehetra tsy maharitra mankatò ny zavatra rehetra voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny lalàna.
11 抑人が律法によりて神の御前に義とせられざる事は、「義人は信仰によりて活く」、とあるを以て明なり。
Ary hita marimarina fa amin’ ny lalàna dia tsy misy olona hamarinina eo anatrehan’ Andriamanitra; fa ny marina amin’ ny finoana no ho velona.
12 律法は信仰によるに非ずして、「掟を行ふ人は之によりて活きん」、とあり。
Ary ny lalàna tsy araka ny finoana; fa izay mahatandrina izany no ho velona aminy.
13 録して、「総て木に吊さるる人は詛はれたるなり」、とあれば、キリストは我等の為に詛はれたる者となりて、律法の詛より我等を贖ひ給ひしなり。
Kristy nanavotra anay tamin’ ny ozon’ ny lalàna, satria tonga voaozona hamonjy anay Izy; fa voasoratra hoe: Voaozona izay rehetra mihantona amin’ ny hazo,
14 是アブラハムの祝福がキリスト、イエズスによりて異邦人に及ぼされ、約束せられ給ひし聖霊を信仰によりて我等が受けん為なり。
mba ho tonga amin’ ny jentilisa ny fitahiana an’ i Abrahama ao amin’ i Kristy Jesosy, ary mba horaisintsika amin’ ny finoana ny teny fikasana ny amin’ ny Fanahy.
15 第二項 律法の下に在りては未丁年者なるに、信仰及びキリスト教の下に在りては、丁年者となる 兄弟等よ、我人の言ふが如くに言へば、人の公正なる遺書は廃する人なく書加ふる人なし。
Ry rahalahy ― miteny araka ny fanaon’ ny olona aho ― na dia ny fanekena ataon’ olona ihany aza, rehefa vita mafy, dia tsy fanao ny manatsoaka na manampy izany.
16 アブラハムと其裔とに約束せられし時、多くの人を斥すが如く裔[等]とは曰はずして、一人を斥して汝の裔と曰へり、これ即ちキリストなり。
Ary tamin’ i Abrahama sy ny taranany no nilazana ny teny fikasana. Tsy lazainy hoe: Ary ho an’ ny taranaka, toy ny milaza ny maro; fa toy ny milaza ny anankiray, ary ho an’ ny taranakao, dia Kristy izany.
17 然て我は言はん、神の既に固め給ひし契約をば、其より四百三十年の後に與へられし律法が、約束を空しからしめんとて廃したるに非ず。
Ary izao no lazaiko: Ny fanekena izay nataon’ Andriamanitra mafy fahiny dia tsy tsoahan’ ny lalàna, izay vao natao telo-polo amby efa-jato taona tato aoriana, hahafoana ny teny fikasana.
18 蓋世継若律法に由らば、是既に約束に由らざるなり。然れど神は約束を以て、之をアブラハムに賜ひたるなり。
Fa raha avy amin’ ny lalàna ny lova, dia tsy avy amin’ ny teny fikasana intsony; nefa tamin’ i Abrahama dia teny fikasana no nanomezan’ Andriamanitra azy.
19 然らば律法は何ぞや、是約束せられし裔の來る迄の間、犯則の為に置かれしものにして、仲裁者の手を経て天使等によりて布告せられたるものなり。
Inona ary ny lalàna? Nanampy noho ny fahadisoana izy ambara-pihavin’ ny taranaka izay nomena ny teny fikasana; ary nalahatr’ anjely teo an-tànan’ ny mpanalalana izany.
20 然て仲裁者は一方のものに非ざるに、神は唯一にて在す。
Ary ny mpanalalana dia tsy an’ ny irery, fa Andriamanitra dia iray ihany.
21 然れば律法は神の約束に反するか、否々、蓋若人を能く活かすべき律法を與へられたらんには、義は實に律法により出づべし
Ka moa manohitra ny teny fikasan’ Andriamanitra va ny lalàna? Sanatria izany! Fa raha nisy lalàna mahavelona nomena, dia avy tamin’ ny lalàna tokoa ny fahamarinana
22 と雖も、聖書は萬物を罪の下に閉籠たり。是約束はイエズス、キリストに於る信仰に由りて、信ずる人に與へられん為なり。
Fa ny Soratra Masìna efa nanidy azy rehetra teo amin’ ny fahotana, mba homena ny mino ny teny fikasana noho ny finoana an i Jesosy Kristy.
23 信仰の來る前には、我等は律法の下に閉籠められて、顕れんとする信仰の來るまで衛られつつありき。
Fa fony tsy mbola tonga ny finoana, dia voambina tao ambanin’ ny lalàna isika ka voahidy ho amin’ ny finoana izay efa haseho ato aoriana.
24 然れば我等が信仰に由りて義とせられん為に、律法は我等をキリストに導く指導者となれり。
Koa ny lalàna dia mpitaiza antsika ho amin’ i Kristy, mba hohamarinina noho ny finoana isika.
25 然れど信仰既に來りては、我等は最早指導者の下に在らず、
Fa rehefa tonga ny finoana, dia tsy fehezin’ izay mpitaiza intsony isika.
26 其は汝等、キリスト、イエズスに於る信仰に由りて、皆神の子等なればなり。
Fa ianareo rehetra dia zanak’ Andriamanitra amin’ ny finoana an’ i Kristy Jesosy.
27 即ちキリストに由りて洗せられたる汝等は、悉くキリストを着せるなり。
Fa na iza na iza ianareo no natao batisa ho an’ i Kristy dia nitafy an’ i Kristy.
28 斯てユデア人もなくギリシア人もなく、奴隷も自由の身もなく、男も女もなし、其は汝等キリスト、イエズスに於て皆一人なればなり。
Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany ianareo rehetra ao amin’ i Kristy Jesosy.
29 汝等若キリストのものならば、是アブラハムの裔なり、約束の儘なる世嗣なり。
Fa raha an’ i Kristy ianareo, dia taranak’ i Abrahama sy mpandova araka ny teny fikasana.

< ガラテヤ人への手紙 3 >