< エペソ人への手紙 3 >

1 第三項 教會に於るパウロの聖役 是故に我パウロ、汝等異邦人の為にキリスト、イエズスの囚人たり。
Ary noho izany, izaho Paoly, mpifatotra an’ i Kristy Jesosy, noho ny aminareo jentilisa, ―
2 但汝等の為に我に賜はりたる神の恩寵の分配の役をば、汝等は聞きしならん、
raha mba renareo ny fitondrana ny fahasoavan’ Andriamanitra izay nomena ahy ho anareo,
3 即ち曩に簡単に書示したる如く、此奥義は黙示を以て我に示されたるなり。
fa fanambarana no nampahafantarana ahy ny zava-niafina, araka ny voasoratro tamin’ ny teny fohifohy teo.
4 汝等は之を読みて、キリストの奥義に関する我が知識を覚るを得べし。
Ary araka izany, raha mamaky ianareo, dia ho hainareo fantarina ny fahafantarako ny zava-niafina ny amin’ i Kristy,
5 此奥義は、今聖霊によりて、聖なる使徒等、及び預言者等に示されしが如くには、前代に於て人の子等に知られざりき。
izay tsy mbola nampahafantarina ny zanak’ olombelona tamin’ ny taranaka lasa tahaka ny fanambaran’ ny Fanahy ankehitriny amin’ ny Apostoly masìna sy ny mpaminany,
6 即ち異邦人が福音を以て、キリスト、イエズスに於て、共に世嗣となり、共に一體となり、共に神の約束に與る者となる事是なり。
dia ny ahatongavan’ ny jentilisa ho mpiray lova sy ho tena iray ary ho mpiombona ny teny fikasana ao amin’ i Kristy Jesosy noho ny filazantsara,
7 我は其福音の役者とせられたり、是全能の勢力によりて我に賜はりたる神の恩寵の賜なり。
izay nanaovana ahy ho mpanompo araka ny fanomezan’ ny fahasoavan’ Andriamanitra, izay nomena ahy araka ny fiàsan’ ny heriny.
8 凡ての聖徒の中に於て、最も小き者よりも小き我に、キリストの究め難き富の福音を、異邦人に告ぐる恩寵を賜はれり。
Eny, izaho, izay kely noho ny kely indrindra amin’ ny olona masìna rehetra, no nomena izao fahasoavana izao, dia ny hitory amin’ ny jentilisa ny haren’ i Kristy tsy hita lany,
9 是萬物を創造し給ひたる神に於て、世の初より隠れたりし奥義の度の如何を、衆人に説明す恩寵にして、 (aiōn g165)
ary ny hampahazava ny olona rehetra mba hahalalany izay fitondrana ny zava-miafina, dia Ilay voafina hatramin’ ny nanaovana izao tontolo izao tao amin’ Andriamanitra, Izay nanao ny zavatra rehetra; (aiōn g165)
10 神の多方面なる智恵が、教會を以て、天に於る権勢及び能力[者]等に知られん為、
mba hampahafantarina ireo fanapahana sy fahefana any an-danitra amin’ izao ankehitriny izao ny mahamaro samy hafa ny fahendren’ Andriamanitra amin’ ny fitondrany ny fiangonana,
11 我主イエズス、キリストに於て全うし給へる、世々の預定に應ぜん為なり。 (aiōn g165)
araka ny fikasana hatrizay hatrizay izay nataony tao amin’ i Kristy Jesosy Tompontsika, (aiōn g165)
12 我等は彼に於る信仰によりて憚らざる事を得、希望を以て神に近づき奉る事を得。
Izay ananantsika fahasahiana sy fanatonana amin’ ny fahatokiana noho ny finoana Azy.
13 然れば希はくは、我が汝等の為に受くる患難に就きて、汝等の落胆せざらん事を。此患難こそ汝等の光榮なれ。
Koa izany no angatahako aminareo mba tsy ho ketraka amin’ ny fahoriako ho anareo, fa voninahitrareo izany.
14 我之が為に我主イエズス、キリストの父、
Ary noho izany no andohalehako amin’ ny Ray
15 即ち天にも地にも諸属の因て以て名けらるる所の父の御前に跪き、
Izay ahazoan’ ny fianakaviana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany anarana,
16 汝等が其光榮の富に從ひ、其霊により、能力を以て内面の人として堅固にせられん事、
mba homeny anareo, araka ny haren’ ny voninahiny, ny mba hohatanjahina fatratra amin’ ny Fanahiny ny toe-panahinareo;
17 又信仰によりてキリストの汝等に宿り給はん事を希ひ奉る。是汝等は、愛に根ざし且基きて、
mba hitoeran’ i Kristy ao am-ponareo amin’ ny finoana, ka hamaka sy hiorina mafy amin’ ny fitiavana ianareo,
18 凡ての聖徒と共に、広さ長さ高さ深さの如何を識り、
mba hahaizanareo mbamin’ ny olona masìna rehetra ny hahafantatra tsara izay sakany sy lavany ary hahavony sy halavany.
19 又一切の知識を超絶せるキリストの寵愛を識ることを得て、総て神に充満てるものに汝等の満たされん為なり。
ary hahalala ny fitiavan’ i Kristy, izay mihoatra noho ny fahalalana, mba hamenoana anareo ho amin’ ny fahafenoan’ Andriamanitra rehetra.
20 願はくは我等の中に働ける能力によりて、我等の願ふ所又知る所を超えて、尚豊に萬事を為し得給へるものに、
Ary ho an’ izay mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra, eny, mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza, araka ny hery izay miasa ato amintsika,
21 教會及びキリスト、イエズスに於て、永遠の世に至るまで光榮あらん事を、アメン。 (aiōn g165)
ho Azy anie ny voninahitra ao amin’ ny fiangonana sy ao amin’ i Kristy Jesosy hatramin’ ny taranaka farany indrindra mandrakizay mandrakizay. Amena. (aiōn g165)

< エペソ人への手紙 3 >