< エペソ人への手紙 2 >

1 第二項 神が教會を建て給ひし方法 汝等は原己が過と罪とによりて死したる者なりしが、
Ary ianareo dia efa novelominy, fony mbola matin’ ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo,
2 曾て此世間に從ひ、又空中の権を有して今も尚不信の子等の中に働ける、霊の君に從ひて歩めり。 (aiōn g165)
izay nalehanareo fahiny, araka ny fomban’ izao tontolo izao, araka ny mpanapaka ny fanjakana eny amin’ ny rivotra, dia ny fanahy izay miasa ankehitriny ao anatin’ ny zanaky ny tsi-fanarahana; (aiōn g165)
3 我等も皆曾て其罪の中に在りて、我肉身の慾の儘に生活し、肉と心との欲する所を行ひて、他の人々の如く、生來怒の子なりき。
teo amin’ ireo no nitondrantsika rehetra tena koa fahiny tamin’ ny filan’ ny nofontsika, ka nanaovantsika ny danin’ ny nofo sy ny saina; ary araka ny toetsika dia zanaky ny fahatezerana toy ny sasany koa isika.
4 然れども慈悲に富み給へる神は、我等を愛し給ひて御寵愛の餘り、
Fa Andriamanitra, Izay manan-karena amin’ ny famindram-po, noho ny halehiben’ ny fitiavany izay nitiavany antsika,
5 罪の為に死せし我等をキリストと共に活かし給ひ――汝等の救はれしも即ち恩寵によれり、――
na dia fony mbola matin’ ny fahadisoana aza isika, dia nahavelona antsika niaraka tamin’ i Kristy (fahasoavana no namonjena anareo);
6 又共に復活せしめ、キリスト、イエズスに於て共に天に坐せしめ給へり。
ary niara-natsangany isika ka niara-napetrany any an-danitra ao amin’ i Kristy Jesosy,
7 是キリスト、イエズスに於る其善良を以て、我等の上に於る恩寵の非常なる富を、将來の世々に顕し給はん為なり。 (aiōn g165)
mba hasehony amin’ ny andro ho avy ny haben’ ny haren’ ny fahasoavany amin’ ny fahamoram-panahiny amintsika ao amin’ i Kristy Jesosy. (aiōn g165)
8 蓋汝等が信仰を以て救はれたるは、恩寵に由るものにして自らに由るに非ず、即ち神の賜なり。
Fa fahasoavana no namonjena anareo amin’ ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’ Andriamanitra;
9 又業に由るにも非ず、是誇る人のなからん為なり。
tsy avy amin’ ny asa, fandrao hisy hirehareha.
10 其は我等は神の作品にして、神の豫め備へ給ひし善業の為に之に歩む様、キリスト、イエズスに於て[新に]造られたる者なればなり。
Fa asany isika, voaforona tao amin’ i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara, izay namboarin’ Andriamanitra rahateo mba handehanantsika eo aminy.
11 然れば原肉體に於て異邦人にして、所謂割禮を人の手によりて身に受けたる人々より、今も尚無割禮と稱へらるる汝等、次の事を記憶せよ。
Koa tsarovy fa fahiny ianareo izay jentilisa araka ny nofo, ka nolazain’ ny voaforan-tanana teo amin’ ny nofo hoe tsy voafora ―
12 即ち彼時には、汝等キリストなくして、イスラエルの國籍外に置かれ、彼約束を結びたる諸契約に與らず、希望なく、此世に神なき者たりしに、
eny, tsarovy fa tamin’ izany andro izany dia tsy nanana an’ i Kristy ianareo, fa olon-ko azy tamin’ ny fanjakan’ ny Isiraely ary vahiny tamin’ ireo faneken’ ny teny fikasana, dia tsy nanana fanantenana sady tsy nanana an’ Andriamanitra teo amin’ izao tontolo izao;
13 今はキリスト、イエズスに在りて、前に遠かりし汝等、キリストの御血を以て近き者となれり。
fa ankehitriny kosa, ao amin’ i Kristy Jesosy, ianareo izay lavitra fahiny dia efa nampanakeken’ ny ran’ i Kristy.
14 蓋イエズスは我等の平和にて在す、即ち兩方を一にし、隔の中垣及び恨を、己が肉體に於て解き、
Fa Izy no fihavanantsika, Izay nahiray antsika roa tonta ka nandrava ny efitry ny fisarahana,
15 種々の掟ある律法を、其命ずる所と共に廃し給へり。是平和を成して兩方の人々を己に於る一人の新しき人に造らん為、
fa tao amin’ ny nofony no nandravany ny fandrafiana, dia ny lalàna nisy didy natao hotandremana, mba hanakambanany antsika roa tonta ao amin’ ny tenany ho olom-baovao iray, ka hanaovany fihavanana,
16 又[神]に對する恨を十字架の上に殺し、其十字架を以て兩方の人々を一體と成し、神と和がしめ給はん為なり。
ary hampihavana antsika roa tonta ho tena iray amin’ Andriamanitra noho ny hazo fijaliana, izay namonoany ny fandrafiana.
17 又來りて、遠かりし汝等にも幸に平和を告げ、近かりし人々にも平和を告げ給へり。
Ary tonga Izy ka nitory teny soa mahafaly milaza fihavanana taminareo izay lavitra ary fihavanana tamin’ izay akaiky koa.
18 蓋キリストによりてこそ、我等兩方の人々は、同一の霊を以て父に近づき奉ることを得るなれ。
Fa Izy no ananantsika roa tonta fanatonana amin’ ny Fanahy iray ho any amin’ ny Ray.
19 然れば、汝等は最早他所人寄留人に非ず、聖徒等と同國民となりて神の家人なり。
Koa dia tsy mba vahiny sy mpivahiny intsony ianareo, fa tompon-tany, mpiray fanjakana amin’ ny olona masìna sady ankohonan’ Andriamanitra,
20 使徒と預言者との基礎の上に建てられ、其隅石は即ちキリスト、イエズスに在して、
natsangana teo ambonin’ ny fanorenan’ ny Apostoly sy ny mpaminany, ary Kristy Jesosy no fehizoro indrindra;
21 全體の建物は之に建築せられ、漸次に築上げられて、主に於て一の聖なる神殿となり、
ao aminy no irafetan’ ny rafitra rehetra, mitombo tsara ho tempoly masìna ao amin’ ny Tompo.
22 汝等も之に於て、聖霊により、神の住處として共に建てらるるなり。
Ary ao aminy no miaraka aorina koa ianareo ho fonenan’ Andriamanitra amin’ ny Fanahy.

< エペソ人への手紙 2 >