< 使徒の働き 9 >

1 第一 サウロの不思議なる改心 サウロは主の弟子等に對して、尚脅喝、殺害の毒氣を吐きつつ司祭長に至り、
Ary Saoly mbola nifofofofo fandrahonana sy famonoana tamin’ ny mpianatry ny Tompo ihany, dia nankao amin’ ny mpisoronabe izy
2 ダマスコの諸會堂に寄する書簡を乞へり。是此道の男女を見出さば、縛りてエルザレムに引行かん為なりき。
ka nangataka taratasy taminy ho any amin’ ny synagoga any Damaskosy, mba ho entiny mifatotra ho any Jerosalema izay rehetra hitany momba izany fampianarana izany, na lahy na vavy.
3 斯て途中ダマスコ附近に至りけるに、忽ち天より光來りて彼を圍照ししかば、
Ary raha nandeha izy, dia tonga teo akaikin’ i Damaskosy; ary nisy mazava avy tany an-danitra nanelatretatra tampoka manodidina azy;
4 彼地に倒れつつ、サウロよサウロよ何ぞ我を迫害する、と云ふ聲あるを聞きて、
dia lavo tamin’ ny tany izy ka nandre feo nanao taminy hoe: Saoly, Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy?
5 主よ、汝は誰ぞ、と云ひけるに彼者、我は汝の迫害せるイエズスなり、刺ある鞭に逆らふは汝に取りて難し、と云へり。
Ary hoy izy: Iza moa ianao, Tompoko? Dia hoy Izy: Izaho no Jesosy Izay enjehinao;
6 サウロ戰き且驚入りて、主よ、我に何を為さしめんと思召したるぞ、と云ひしに主曰ひけるは、起きて市中に入れ、汝の為すべき事は彼處にて告げらるべし、と。
fa mitsangàna, ka mankanesa ho any an-tanàna, dia holazaina aminao izay mety hataonao.
7 此時、伴へる人々は、聲をば聞きながら誰をも見ざれば、惘果てて佇みたりしが、
Ary ny olona izay nomba azy tamin’ ny nalehany dia nitsangana tsy nahateny, ary nandre ny feo izy, nefa tsy nahita olona.
8 サウロ地より起きて目を開けども、何も見えざりしかば、人其手を引きてダマスコに導きしに、
Ary Saoly nitsangana tamin’ ny tany, ary rehefa nahirany ny masony, dia tsy nahita na inona na inona izy; ary ireo nitantana azy ka nitondra azy ho any Damaskosy.
9 三日の間此處に在りて目見えず飲食せざりき。
Ary tsy nahita izy hateloana sady tsy nihinana na nisotro.
10 然るにダマスコにアナニアと云へる弟子ありしが、主幻影に、アナニアよ、と曰ひしかば彼、主よ、我此處に在り、と云ひしを、
Ary nisy mpianatra anankiray tany Damaskosy, atao hoe Ananiasy; ary hoy ny Tompo taminy tamin’ ny fahitana: Ry Ananiasy. Dia hoy izy: Inty aho, Tompoko.
11 主又之に曰ひけるは、起ちて、直と云へる町に往き、ユダの家にサウロと名くるタルソ人を尋ねよ、看よ彼祈り居るなり、と。
Ary hoy ny Tompo taminy: Mitsangàna, ka mandehana any amin’ ny lalana atao hoe Imahitsy, ka izahao ao an-tranon’ i Jodasy izay lehilahy atao hoe Saoly avy any Tarsosy; fa, indro, efa mivavaka izy;
12 此時サウロは、アナニアと名くる人の入來りて、視力を回復せん為に己に按手するを見たりしなり。
ary izy efa nahita lehilahy atao hoe Ananiasy niditra ka nametra-tanana taminy, mba hahiratra indray ny masony.
13 然れどアナニア答へけるは、主よ、此人がエルザレムに於て主の聖徒等に為しし害の如何許なるかは、我多くの人に聞きしが、
Ary Ananiasy namaly hoe: Tompoko, efa reko tamin’ ny maro ny haben’ ny ratsy nataon’ izany lehilahy izany tamin’ ny olonao masìna tany Jerosalema.
14 此處にても彼は司祭長より受けて、主の御名を呼頼む人を悉く捕縛するの権を有せり、と。
Ary manana fahefanay koa avy tamin’ ny mpisoronabe izy hamatotra izay rehetra miantso ny anaranao.
15 主アナニアに曰ひけるは、往け、蓋彼は異邦人、國王、及びイスラエルの子等の前に我名を持行く為に、我が選みし器なり、
Fa hoy ny Tompo taminy: Mandehana, fa fanaka voafidy izy ho fitondrana ny anarako eo anatrehan’ ny jentilisa sy ny mpanjaka ary ny Zanak’ isiraely;
16 故に我名の為には、如何許苦しむべきかを我之に示さんとす、と。
fa hasehoko azy ny habetsahan’ izay tsy maintsy hiaretany ho voninahitry ny anarako.
17 是に於てアナニア往きて家に入り、サウロに按手して、兄弟サウロよ、汝の來れる路にて汝に現れ給ひし主イエズス、汝が視力を回復し、且聖霊に満たされん為に我を遣はし給へり、と云ひしかば、
Ary nandeha Ananiasy ka niditra tao an-trano, dia nametra-tanana taminy ka nanao hoe Ry Saoly rahalahy, ny Tompo, dia Jesosy Izay niseho taminao teo amin’ ny lalana nalehanao, no efa naniraka ahy, mba hahiratan’ ny masonao, ary mba ho feno ny Fanahy Masìna ianao.
18 忽ちサウロの目より鱗の如きもの落ちて、視力を回復し、起ちて洗せられしが、
Ary niaraka tamin’ izay dia nisy zavatra toy ny kiran’ ny hazandrano niala avy tamin’ ny masony, dia nahiratra izy ka nitsangana, dia natao batisa;
19 軈て食事して力づけり。然て數日の間、ダマスコの弟子等と共に居りて、
ary nihinan-kanina izy ka dia natanjaka. Ary Saoly nitoetra andro vitsivitsy teo amin’ ny mpianatra tany Damaskosy.
20 直に諸會堂に於てイエズスの事、即ち其神の御子たる事を宣傳へければ、
Ary niaraka tamin’ izay dia nitory teo amin’ ny synagoga izy ka nilaza an’ i Jesosy fa Zanak’ Andriamanitra.
21 聞く人皆惘果てて、是は曾て彼名を呼頼める人々をエルザレムに於て迫害し居たりし者にて、又彼が此に來りしは、彼等を捕縛して、司祭長に引渡さん為ならずや、と云ひ居たれど、
Ary talanjona izay rehetra nandre ka nanao hoe: Tsy ity va ilay nandringana izay niantso izany anarana izany tany Jerosalema? ary tongay koa izy mba hitondra azy mifatotra ho any amin’ ny mpisoronabe.
22 サウロは愈力増りて、此イエズスはキリストなりと断言し、ダマスコに住めるユデア人を閉口せしめつつありき。
Ary Saoly mainka nihahery, dia nandresy lahatra ny Jiosy izay nonina tany Damaskosy ka naneho marimarina fa Jesosy no Kristy.
23 日頃経てユデア人一同、サウロを殺さんと協議せしが、
Ary rehefa afaka andro maromaro, dia nihendry hamono azy ny Jiosy;
24 其計略サウロに知られたり。斯て彼等、サウロを殺さんとて、晝夜[市街の]門を守りけるに、
nefa fantatr’ i Saoly ny fihendreny. Ary izy ireo niambina ny vavahady andro aman’ alina hamonoany azy.
25 弟子等夜中に之を引取りて籠に入れ、城壁より吊下して逃れしめたり。
Fa ny mpianany naka azy nony alina ka nampidina azy tamin’ ny sobiky avy eo amin’ ny mànda.
26 サウロ、エルザレムに至り、努めて弟子等の中に連ならんとすれども、皆彼が弟子たる事を信ぜずして之を恐れければ、
Ary rehefa tonga tany Jerosalema Saoly, dia nitady hiray tamin’ ny mpianatra; fa izy rehetra natahotra azy ka tsy nino azy ho mpianatra.
27 バルナバ携へて使徒等に連行き、彼が途中にて主を見奉り、主之に言ひ給ひし次第、又ダマスコに於てイエズスの御名の為に、憚る所なく盡力せし次第を語れり。
Fa Barnabasy naka azy ka nitondra azy ho any amin’ ny Apostoly, dia nanambara taminy ny nahitany ny Tompo sy ny nitenenany taminy teny an-dalana ary ny fahasahiany nitory ny anaran’ i Jesosy tany Damaskosy.
28 是よりサウロ、エルザレムに在りて彼等と共に出入し、憚る所なく主の御名の為に盡力したりけるが、
Ary izy niara-niditra sy nivoaka tamin’ ireo tany Jerosalema,
29 又ギリシア語のユデア人と語り且弁論しければ、彼等之を殺さんと謀りしを、
sady nitory tamin’ ny anaran’ ny Tompo tamin’ ny fahasahiana ary niresaka sy niady hevitra tamin’ ny Helenista; fa ireny nitady hahafaty azy.
30 兄弟等覚りてカイザリアに送り、タルソに往かしめたり。
Ary rehefa fantatry ny rahalahy izany, dia nentiny nidina nankany Kaisaria izy ka nampandehaniny ho any Tarsosy.
31 第一 ルッダ及ヨッペに於るペトロの奇蹟 第三款 百夫長コルネリオの改宗、及び異邦人中の教會開始 斯てユデア、ガリレア、サマリアにては教會一般に平和を得て次第に成立ち、神に對する畏敬に進み、聖霊の慰によりて増加しつつありしが、
Dia nanam-piadanana ny fiangonana eran’ i Jodia sy Galilia ary Samaria rehetra, sady nandroso tsara sy nandeha tamin’ ny fahatahorana ny Tompo sy ny famporisihan’ ny Fanahy ka nihamaro.
32 ペトロ諸方を巡廻して、ルッダに住める聖徒等の許に至りしに、
Ary raha nandeha nitety ny tany rehetra Petera, dia nidina ho any amin’ ny olona masìna nonina tany Lyda koa.
33 此處にてエネアと云へる人の八年以來癱瘋を病みて床に臥せるに遇ひ、
Ary izy nahita lehilahy anankiray teo, atao hoe Enea, izay efa nandry valo taona teo am-parafara, fa mararin’ ny paralysisa.
34 之に向ひて、エネアよ、主イエズス、キリスト汝を醫し給ふ、起きて自ら床を整へよ、と云ひければ彼直に起きたり。
Ary hoy Petera taminy: Ry Enea, manasitrana anao Jesosy Kristy; mitsangàna, ka amboary ny fandrianao. Dia nitsangana niaraka tamin’ izay izy.
35 斯てルッダ及びサロンに住める人、皆之を見て主に歸依せり。
Ary nahita azy izay rehetra nonina tany Lyda sy Sarôna, ka dia niverina ho amin’ ny Tompo.
36 然てヨッペに一人の婦の弟子あり、名はタビタ、訳してドルカ[即ち鹿]と云はれ、從來善行と慈善とに富みたりしが、
Ary tany Jopa nisy vehivavy mpianatra atao hoe Tabita, izany hoe, raha adika, Dorkasy; ary be ny asa soa sy ny fiantrana izay nataon’ izany vehivavy izany.
37 此時に當りて病死せしかば、屍を洗ひて高間に置きたり。
Ary narary izy tamin’ izany andro izany, ka dia maty; ary rehefa nampandroiny ny faty, dia napetrany tao an-trano ambony.
38 斯てルッダはヨッペに近きに因り、弟子等ペトロの此處に居るを聞き、二人の人を遣はして、猶豫なく我等の許に來れ、と請はしめしかば、
Ary satria Lyda akaikin’ i Jopa, ary ny mpianatra nandre fa efa tonga ao Petera, dia naniraka roa lahy izy hangataka azy hoe: Aza misalasala hankatỳ aminay.
39 ペトロ起ちて彼等と共に來りしが、其着するや人々之を高間に導き、寡婦等皆之を圍みて打泣きつつ、ドルカが己等の為に造り居たりし襦袢と上衣とを示せり。
Dia nitsangana Petera ka nandeha niaraka taminy. Ary nony tonga izy, dia nentiny tany an-trano ambony; ary ny mpitondratena rehetra nitsangana teo anilany ka nitomany sady nampiseho ny akanjo sy lamba izay nozairin’ i Dorkasy fony fahavelony.
40 ペトロ人を悉く外に出し、跪きて祈り、然て屍に向ひて、タビタ起きよ、と云ひしかば、婦目を開き、ペトロを見て坐れり。
Ary navoak’ i Petera avokoa izy rehetra, dia nandohalika izy ka nivavaka; ary nitodika nanatrika ny faty izy ka nanao hoe: Ry Tabita, mitsangàna. Dia nahirany ny masony; ary raha nahita an’ i Petera izy, dia niarina.
41 ペトロ手を假して之を立たしめ、聖徒等及び寡婦等を呼びて、生回りたるを還し與へたり。
Ary Petera nanolo-tanana azy ka nanangana azy; ary rehefa niantso ny olona masìna sy ny mpitondratena izy, dia nanolotra azy velona.
42 此事ヨッペに知れ渡りければ、主を信仰する人々多く、
Ary dia fantatra eran’ i Jopa izany, ka maro no nino ny Tompo.
43 ペトロはシモンと云へる革工の家に在りて、久しくヨッペに留るに至れり。
Ary Petera nitoetra andro maromaro tany Jopa tao amin’ i Simona mpandon-koditra.

< 使徒の働き 9 >