< 使徒の働き 8 >

1 第五 烈しき迫害起る 其日エルザレムの教會に對して大いなる迫害起り、使徒等の外は皆ユデア及びサマリアの各地方に離散せしが、
Ary Saoly mba nankasitraka ny namonoana azy koa. Ary tamin’ izany andro izany dia nisy fanenjehana mafy tamin’ ny fiangonana tany Jerosalema; ka dia niely teny amin’ ny tany Jodia sy Samaria izy rehetra, afa-tsy ny Apostoly ihany.
2 敬虔なる人々ステファノを葬り、彼の為に大いなる弔を為せり。
Ary mpivavaka tsara no nandevina an’ i Stefana sady nisaona azy fatratra.
3 然てサウロは教會を荒らし、家々に入りて男女を引出し、之を付して拘留せしめつつありしが、
Fa Saoly nampahory mafy ny fiangonana, ka nidirany isan-trano sady nosarihany, na ny lehilahy na ny vehivavy, ka nataony tao an-tranomaizina.
4 離散せる人々は行巡りて、神の御言の福音を宣傳へつつありき。
Ary izay niely dia nandeha nitory teny tontolo eny.
5 第一 フィリッポのサマリアに於る布教の功績 第二項 教會異邦人の中に弘まらんとす 第一款 サマリア人及びエチオピアの閹者に及ぼせる感化 然てフィリッポ、サマリアの都會に下りてキリストの事を述べければ、
Ary Filipo nidina tany an-tanàna any Samaria ka nitory an’ i Kristy tamin’ ny olona tao.
6 人々心を揃へてフィリッポの云ふ所を聴きすまし、其為せる徴を見居たり。
Ary ny vahoaka betsaka dia niray hevitra nihaino izay nolazain’ i Filipo, raha nandre azy sy nahita ny fahagagana nataony.
7 即ち多くの汚鬼其憑きたる人々の中より聲高く叫びつつ出で、又癱瘋者と跛者との醫されたる者多かりければ、
Fa ny fanahy maloto niantso tamin’ ny feo mahery, dia nivoaka tamin’ ny maro izay nanana azy; ary maro ny mararin’ ny paralysisa sy ny mandringa no nositraniny.
8 彼市中に大いなる喜となれり。
Dia nisy fifaliana lehibe tao amin’ izany tanàna izany.
9 爰にシモンと云へる人あり、豫て彼市中に魔術を行ひて、サマリアの人民を惑はし、自ら大人と稱し、
Ary nisy lehilahy anankiray rahateo teo an-tanàna, atao hoe Simona, izay nanao ody ka nahatalanjona ny olona tany Samaria sady nandoka tena nanao azy ho zavatra;
10 小より大に至るまで人皆之に歸服して、所謂大神力とは此人なり、と云ひ居たりしが、
ary nihaino azy ny olona rehetra, na ny kely na ny lehibe, ka nanao hoe: Ity lehilahy ity no herin’ Andriamanitra, izay atao hoe hery lehibe.
11 人々の彼に歸服せるは、久く其魔術に心を奪はれたる故なりき。
Ary nihaino azy ny olona, satria efa ela no talanjona tamin’ ny odiny.
12 然れどフィリッポが神の國に就て宣ぶる福音を信じて、男女共にイエズス、キリストの御名によりて洗せられければ、
Ary rehefa nino an’ i Filipo nitory ny teny soa mahafaly ny amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra sy ny anaran’ i Jesosy Kristy ireo, dia natao batisa avokoa na lahy na vavy.
13 シモン自らも信じて洗せられ、フィリッポの傍を離れず、徴と最も大いなる奇蹟との行はるるを見て驚嘆し居たり。
Ary Simona koa mba nino; ary rehefa natao batisa izy, dia nanaraka an’ i Filipo. Ary talanjona izy, raha nahita ny famantarana sy ny asa lehibe izay natao.
14 第二 サマリアに於るペトロ及びヨハネの聖役 然てエルザレムに居る使徒等、サマリア人が神の御言を承入れたるを聞き、ペトロとヨハネとを遣はしければ、
Ary nony ren’ ny Apostoly tany Jerosalema fa Samaria efa nandray ny tenin’ Andriamanitra, dia naniraka an’ i Petera sy Jaona izy hankany aminy.
15 兩人彼處に至りて彼等の聖霊を受けん為に祈れり。
Nony tafidina tany izy roa lahy, dia nivavaka ho an’ ny olona mba handraisany ny Fanahy Masìna.
16 其は彼等、主イエズスの御名によりて洗せられしのみにて、聖霊は未だ其一人にも降り給ひし事なければなり。
Fa tsy mbola nisy nilatsahany izy na dia iray akory aza; fa natao batisa tamin’ ny anaran’ i Jesosy Tompo ihany izy.
17 斯て兩人信者の上に按手しければ、皆聖霊を蒙りつつありき。
Ary izy roa lahy nametra-tanana taminy, ka dia nandray ny Fanahy Masìna ireo.
18 使徒等の按手によりて聖霊の授けらるるを見るや、シモン彼等に金を差出し、
Ary Simona, nony nahita fa ny fametrahan’ ny Apostoly tanana no nanomezana ny Fanahy Masìna, dia nitondra vola homena azy
19 如何なる人に按手するも其人聖霊を蒙る様、我にも此能力を與へよ、と云ひしかば、ペトロ之に向ひて云ひけるは、
ka nanao hoe: Omeo izany fahefana izany koa aho, mba handray ny Fanahy Masìna izay olona hametrahako tanana.
20 汝の金は汝と共に亡びよ、其は汝神の賜を金にて得らるるものと思ひたればなり。
Fa hoy Petera taminy: Aoka ho very mbamin’ ny tenanao ny volanao, satria nataonao fa azo vidim-bola ny fanomezan’ Andriamanitra.
21 汝は此事に配分なく與る所なし、其心神の御前に正しからざればなり。
Tsy manana anjara na raharaha amin’ izany zavatra izany ianao, satria tsy mahitsy fo eo anatrehan’ Andriamanitra.
22 然れば此不義より改心して神に祈れ、汝が心の此念或は赦さるる事あらん。
Koa mibebaha amin’ izao haratsianao izao, ka mangataha amin’ ny Tompo, andrao mba havelany izay noheverin’ ny fonao.
23 我が見る所によれば、汝は苦き胆汁と不義の縲絏との中に在ればなり、と。
Fa hitako fa mbola mitoetra amin’ ny fangidian’ afero sy ny fehin-keloka ihany ianao.
24 シモン答へて云ひけるは、汝等こそ我為に主に祈りて、其語れる所を一も我に來る事なからしめよ、と。
Ary Simona namaly ka nanao hoe: Mangataha ho ahy amin’ ny Tompo, mba tsy ho tonga amiko izay nolazainareo.
25 斯てペトロとヨハネとは、主の御言を證し且語りて、後エルザレムに歸りしが、途次サマリア人の多くの村に福音を宣べたり。
Ary rehefa nanambara sy nitory ny tenin’ ny Tompo Petera sy Jaona, dia niverina nankany Jerosalema ka nitory ny filazantsara teny amin’ ny vohitra maro izay an’ ny Samaritana.
26 第三 エチオピアの閹者の感化 然て主の使フィリッポに語りて、汝起ちて南に向ひ、エルザレムよりガザに下る道に至れ、其は寂しき道なり、と云ひしかば、
Ary nisy anjelin’ ny Tompo nilaza tamin’ i Filipo ka nanao hoe: Mitsangàna, ka mandehana mianatsimo ho any amin’ ny lalana midìna avy any Jerosalema mankany Gaza; dia efitra izany.
27 彼起ちて往きしに、折しも一人のエチオピア人、即ちエチオピア女王カンダケの大臣なる閹者にして悉く其寳を宰れる者、禮拝の為にエルザレムに來たりしが、
Dia nitsangana izy ka lasa nandeha; ary, indro, nisy lehilahy Etiopiana, tandapan’ i Kandasy, mpanjakavavin’ ny Etiopiana, sady mpitahiry ny hareny rehetra, ary tonga tany Jerosalema izy mba hivavaka;
28 己が車に坐して、預言者イザヤ[の書]を読みながら歸りつつありき。
dia nody izy ka nipetraka teo anatin’ ny kalesiny ary namaky teny tao amin’ Isaia mpaminany
29 其時[聖]霊フィリッポに向ひ、近づきて彼車に跟け、と曰ひしかば、
Dia hoy ny Fanahy tamin’ i Filipo: Andeha manatona ka mankanesa amin’ io kalesy io.
30 フィリッポ走寄りて、彼が預言者イザヤ[の書]を読めるを聞き、汝其読む所を暁れりと思ふか、と云ひしに、彼、
Ary Filipo nihazakazaka nankeo aminy, dia nandre azy mamaky teny tao amin’ Isaia mpaminany, ka niteny taminy hoe: Moa fantatrao va izay vakinao?
31 我を導く者なくば争でか暁ることを得ん、と云ひて、乗りて共に坐せん事をフィリッポに乞へり。
Fa hoy izy: Hataoko ahoana no fahay, raha tsy misy mampianatra ahy? Ary izy nangataka an’ i Filipo hiakatra sy hipetraka eo aminy.
32 然て其読みつつありし聖書の文は次の如し、「彼羊の如く屠所に引かれ、口を開かざる事、羔の其毛を剪る者の前に聲なきが如く、
Ary izao no tenin’ ny Soratra Masìna novakiny: Nentina hovonoina tahaka ny ondry Izy, Ary tsy niloa-bava, Tahaka ny zanak’ ondry moana eo anoloan’ ny mpanety azy;
33 卑しめられて裁判を奪はれたり、誰か其時代の人の處分を述ぶる事を得ん、即ち活ける者の地上より取除かれたればなり」。
Ny fietren-tena no nanaovana Azy resy lahatra; Ary iza no hahalaza ny amin’ ny niara-belona taminy? Fa ny ainy nesorina tamin’ ny tany.
34 閹者フィリッポに向ひて、請ふ、預言者の斯く云へるは誰が事ぞ、己が事か将他人の事か、と云ひければ、
Ary ilay tandapa namaly an’ i Filipo ka nanao hoe: Masona ianao, iza moa no lazain’ ny mpaminany amin’ izany? Ny tenany va, sa olon-kafa?
35 フィリッポ口を開きて、聖書の此文を初としてイエズスの福音を宣べたり。
Ary Filipo niloa-bava, dia nanomboka teo amin’ izany Soratra Masìna izany nitory an’ i Jesosy taminy.
36 尚道を往きけるに、水ある處に至りしかば閹者、看よ、水あり、我が洗せらるるに何の障かある、と云ひしを、
Ary raha nandeha teny an-dalana izy, dia tonga teo amin’ izay nisy rano; ary hoy ilay tandapa: Indro rano, ka inona moa no misakana ahy tsy hatao batisa?
37 フィリッポ、汝一心に信ぜば可かるべし、と云ひければ彼答へて、我イエズス、キリストの神の御子たる事を信ず、と云ひ、
38 命じて車を停めしめ、二人ながら水に下りてフィリッポ閹者を洗せり。
Dia nasainy najanona ny kalesy; ary izy roa lahy, dia Filipo sy ilay tandapa, nidina ho eo amin’ ny rano; dia nataony batisa izy.
39 彼等水より上りしに、主の霊フィリッポを取去り給ひしかば、閹者は再び之を見ざりしかども、喜びつつ己が道を往き居たりき。
Ary rehefa niakatra avy teo amin’ ny rano izy roa lahy, dia nentin’ ny Fanahin’ ny Tompo Filipo ka tsy hitan’ ilay tandapa intsony; fa nandeha tamin’ ny nalehany izy sady nifaly.
40 然てフィリッポはアゾトに現れ、至る處の町村に福音を宣傳へつつカイザリアに至れり。
Fa Filipo hita tany Azota, dia nitory ny filazantsara tany amin’ ny tanàna rehetra izay nalehany ambara-pahatongany tany Kaisaria.

< 使徒の働き 8 >