< コリント人への手紙第二 13 >

1 今や我三度汝等に至とす、二三の證人の口に由りて、凡ての事決せらるべし。
Izao no fanintelon’ ny hankanesako atỳ aminareo. Amin’ ny tenin’ ny vavolombelona roa na telo no hanorenana mafy ny teny rehetra.
2 既に告げし事ながら、今我其處に居らざれども居ると等しく、前に罪を犯しし人々及び他の凡ての人にも告ぐ、我再び至らば決して恕さじ。
Efa nambarako fahiny, sady milaza rahateo koa aho ― toy ny nataoko fony mbola teo aminareo fanindroany ihany, ary ankehitriny raha tsy eo kosa ― amin’ izay nanota teo aloha sy amin’ ny sisa rehetra, fa rehefa tonga indray aho, dia tsy hiantra,
3 汝等キリストの我に於て語り給ふ證據を求めんとすれば、キリストは汝等に向ひて弱く在さず、汝等の中に大いに能力あり。
satria ianareo mitady famantarana fa miteny ato anatiko Kristy, Izay tsy malemy aminareo, fa mahery ao aminareo kosa.
4 蓋弱きによりて十字架に釘けられ給ひしかど、神の力によりて活き給へばなり。即ち我等も彼に於て弱しと雖も、神の力によりて彼と共に汝等の中に活きんとす、
Fa voahombo tamin’ ny hazo fijaliana Izy noho ny fahalemena, nefa velona kosa noho ny herin’ Andriamanitra. Fa izahay koa dia malemy ao aminy, nefa hiara-belona aminy ho anareo izahay noho ny herin’ Andriamanitra.
5 汝等信仰に在るや否やを、自ら試み自ら證せよ、汝等の中にキリストの在す事を自ら知らざるか、或は非認せられたる者なるか、
Diniho ny tenanareo, na mitoetra amin’ ny finoana ianareo, na tsia; izahao toetra ny tenanareo. Moa tsy fantatrareo va ny amin’ ny tenanareo, fa ao anatinareo Jesosy Kristy, raha tsy olona nolavina ianareo?
6 我は我等の非認せられたる者に非ざるを汝等の知らん事を希望す。
Nefa manantena aho fa ho fantatrareo fa izahay dia tsy olona nolavina.
7 我等が神に祈るは、汝等の豪も惡を為さざらん事是なり。是我等の是認せられたる事の顕れん為に非ずして、假令我等は非認せらるとも、汝等が善事を行はん為なり。
Ary mangataka amin’ Andriamanitra izahay mba tsy hanao izay ratsy ianareo, tsy ny hisehoanay ho olona voazaha toetra anefa, fa ny mba hanaovanareo izay tsara, na dia ho toy ny olona nolavina aza izahay.
8 蓋我等は眞理の為に力あり、之に背きては何事も能はざればなり。
Fa tsy mahavita na inona na inona hanohitra ny marina izahay, fa hampandroso ny marina kosa.
9 我は我等の弱く汝等の強きを喜ぶ、又我が祈る所は汝等の改善なり。
Fa faly izahay, raha malemy izahay, fa ianareo no mahery; ary izao no angatahinay, dia ny fanatanterahana anareo.
10 不在にして是等の事を書贈るは我が至らん時、亡ぼさん為ならで立てん為に主より賜りたる権力を以て、餘りに厳しくせざらんとてなり。
Izany no anoratako izany zavatra izany, raha tsy eo aminareo aho, fandrao, rehefa tonga aho, dia hanao izay mafy araka ny hery izay nomen’ ny Tompo ahy ho fananganana, fa tsy ho fandravana.
11 其外兄弟等よ、汝等喜び且完全にして、相慰め、心を同うして平和を保て、然らば平和と愛との神は汝等と共に在さん。
Farany, ry rahalahy, mifalia, aoka ho tanteraka ianareo, mandraisa ny fampiononana, miraisa saina, mihavàna; ary Andriamanitry ny fitiavana sy ny fiadanana ho aminareo.
12 聖なる接吻を以て互に宜しく言へ、
Mifanaova veloma amin’ ny fanorohana masìna.
13 聖徒等皆汝等に宜しくと言へり。
Ny olona masìna rehetra manao veloma anareo.
14 願はくは我主イエズス、キリストの恩寵と、神の寵愛と、聖霊の交際と、汝等一同と共に在らん事を、アメン。
Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan’ i Jesosy Kristy Tompo sy ny fitiavan’ Andriamanitra ary ny firaisana amin’ ny Fanahy Masìna.

< コリント人への手紙第二 13 >