< コリント人への手紙第二 12 >

1 誇るべくんば、無益の事ながら、我は主の賜ひし幻影と黙示とに及ばん。
Tsy maintsy mirehareha aho, na dia tsy mahasoa aza izany; fa handroso hilaza fahitana sy fanambaran’ ny Tompo aho.
2 我はキリストに在る一人の人を知れり、彼は十四年前、――肉體に在りてか肉體の外に在りてか、其は我が知る所に非ず、神ぞ知しめす、――第三天まで上げられしなり。
Mahalala olona anankiray ao amin’ i Kristy aho, tokony ho efatra ambin’ ny folo taona lasa izay ― na tao amin’ ny tena, na tsy tao amin’ ny tena, tsy fantatro, Andriamanitra no mahalala ― ilay anankiray dia nakarina ho any amin’ ny lanitra fahatelo.
3 我は又知れり。この人は ――肉體に在りてか肉體の外に在りてか其は我が知る所に非ず、神ぞ知しめす、
Ary mahalala ilay olona anankiray aho ― na tao amin’ ny tena, na tsy tao amin’ ny tena, tsy fantatro, Andriamanitra no mahalala ―
4 ――樂土に取挙げられて、得も言はず人の語るべからざる言を聞きしなり。
fa nakarina ho any Paradisa izy ka nandre teny tsy azo tenenina sady tsy tokony holazain’ olona.
5 我は斯る人の為に誇らんとすれども、我為には我弱點の外誇る事を為じ。
Ilay anankiray no hataoko rehareha; fa ny amin’ ny tenako dia tsy hirehareha aho afa-tsy amin’ ny fahalemena ihany.
6 蓋誇らんとすとも愚なるべきには非ず、眞を語らんとすればなり。然れど人の我に見る所、或は我より聞く所に過ぎて我を重んずる事なからん為に我は罷めん。
Fa na dia te-hirehareha aza aho, dia tsy ho adala, fa hilaza ny marina; nefa tsy manao izany aho, fandrao misy olona mihevitra ahy ho mihoatra noho izay ahitany ahy na izay andrenesany ny teniko.
7 然て我が蒙りたる黙示の偉大なるにより、我をして驕らざらしめん為に、肉身に一の刺、即ち我を打つべきサタンの使を與へられたり。
Ary fandrao hirehareha noho ny habetsaky ny fanambarana aho, dia nasiana tsilo tamin’ ny nofo, dia irak’ i Satana hamely ahy, fandrao hirehareha aho.
8 是に於て其の我身より去らん事を三度まで主に求め奉りしに、
Izany no nangatahako intelo tamin’ ny Tompo, mba hialan’ izany amiko.
9 曰へらく、汝には我恩寵にて足れり、其は力は弱き中に於て全うせらるればなり、と。然ればキリストの能力の我に宿らん為に、寧喜びて我弱點によりて誇らん。
Nefa hoy Izy tamiko; Ampy ho anao ny fahasoavako; fa ny heriko dia tanterahina amin’ ny fahalemena. Koa mainka sitrako ny hirehareha amin’ ny fahalemeko, mba hitoeran’ ny herin’ i Kristy amiko.
10 故に我はキリストの為、我弱點に、耻辱に、缺乏に、迫害に、患難に安んず、弱き時に於てこそ強ければなり。
Koa dia finaritra aho amin’ ny fahalemena, amin’ ny fampahoriana, amin’ ny fahaterena, amin’ ny fanenjehana, amin’ ny fahantrana, noho ny amin’ i Kristy; fa ny fahalemeko no fahatanjahako.
11 我は愚になれり、汝等に強ひられてなり。蓋汝等より引立てらるる筈なりき、其は我取るに足らざる者なりと雖も、何事も彼無上の大使徒に劣らざればなり。
Efa tonga adala aho; ianareo no nahatery ahy; fa tokony hoderainareo aho, satria tsy latsaka noho ireo Apostoly ambony indrindra ireo, na dia tsinontsinona aza aho.
12 我が使徒たるの證據は、凡ての忍耐と徴と奇蹟と不思議とによりて、汝等の上に成立てり。
Ny famantarana mah’ Apostoly ahy dia natao teo aminareo tokoa tamin’ ny faharetana rehetra, tamin’ ny famantarana sy ny fahagagana ary tamin’ ny asa lehibe.
13 抑汝等が他の諸教會より少く得たりしは何ぞ、或は我が汝等を煩はさざりし事なるか、請ふ此不義を我に許せ。
Fa inona moa no nahalatsaka anareo noho ny fiangonana sasany, afa-tsy ny tsy namakiako tratra anareo? Mamelà ahy ary amin’ izany fahadisoana izany.
14 今や三度目に汝等に至として支度せしが、尚汝等を煩はさじ、是我が求むる所は汝等にして、汝等の所有物に非ざればなり。即ち子等は親の為に貯蓄すべきに非ず、親こそ子等の為に之を行ふべきなれば、假令汝等多く愛して、少く愛せらるる事ありとも、
Indro, efa fanintelony izao no vonona hankatỳ aminareo aho, nefa tsy hahavaky tratra anareo; fa tsy ny fanananareo no tadiaviko, fa ianareo; fa tsy ny zanaka no tokony hihary ho an’ ny ray aman-dreniny, fa ny ray aman-dreniny no tokony hihary ho an’ ny zanany.
15 我は最も喜びて汝等の魂の為に盡し、又己をも盡さん。
Ary izaho dia faly indrindra handany sy holanina hahasoa ny fanahinareo, na dia araka ny fitombon’ ny fitiavako anareo aza no fihenan’ ny fitiavanareo ahy.
16 縦我汝等を煩はさざりしも、狡猾にして汝等を籠絡せりとせんか、
Kanefa, na dia izany aza, izaho tsy nahavaky tratra anareo, fa nanao saina, hono, aho, dia nahazo anareo tamin’ ny fihendrena.
17 然れど我が汝等に遣はしし人々の中、誰を以て汝等を籠絡せしぞ。
Moa izay nirahiko tany aminareo va nisy nanaovako anareo ho vola aman-karena?
18 チトに頼み、彼と共に又一人の兄弟を遣はししが、チトは汝等を籠絡せしか、我等は同一の精神を以て同一の足跡を歩みしに非ずや。
Nangataka an’ i Titosy aho, sady nirahiko nomba azy ilay rahalahy. Moa Titosy va nanao anareo ho vola aman-karena? Tsy fanahy iray ihany va no nandehananay? Tsy iray ihany va no dianay?
19 結末 汝等は豫て、我等汝等に對して弁解すと思へり、我等は神の御前にキリストに在りて語るなり。我至愛なる者よ、萬事は汝等の徳を立てんが為なるぞ。
Efa ela izay no nanaovanareo anay ho miala tsiny aminareo. Eo anatrehan’ Andriamanitra no itenenanay ao amin’ i Kristy; fa ny zavatra rehetra, ry malala, dia ho fampandrosoana anareo.
20 然れど我恐くは、或は至りて汝等を見んに、我が思へる如くならず、又汝等が我を見んにも、思へるが如くならざらんか、或は汝等の間に闘争、嫉妬、怨恨、争論、誹謗、呟言、驕慢、擾亂あらんか、
Fa matahotra aho, fandrao, rehefa tonga aho, dia hahita anareo ho toy izay tsy tiako, ary ho hitanareo aho ho toy izay tsy tianareo; fandrao hisy fifandirana, fialonana, fiafonafonana, fifampiandaniana, fanaratsiana, fibitsibitsihana, fieboeboana, fikotranana, ―
21 又或は我が至らん時、我神我を耻しめ給ひて、多くの人曾て罪を犯したるに、其の行ひし不潔と私通と甚しき罪とを悔改めざるを我が歎く事あらんか。
eny, fandrao, rehefa tonga indray aho, dia hampietry ahy eo anatrehanareo Andriamanitro, ary izaho hanana alahelo amin’ ny maro izay nanota teo aloha ka tsy mbola nibebaka tamin’ ny fahalotoana sy ny fijangajangana ary ny fijejojejoana nataony.

< コリント人への手紙第二 12 >